vahiny karamaina amina miliara?

21. fijo ( 05/04/2005 20:01)
io voalazan'i iza io ambony io no tena hitako fa marina.miankina amin'ny karamanao no hamporisika kokoa ny vokatra azo avy aminao.
22. rakarandoha ( 08/04/2005 07:26)
Marina io voalaza io fa dia rehefa ny vahiny dia sahin'ny mpitondra ny manakarama azy vola an-tapitrisany, fa raha mba mitaky fanondrotan-karama ny mpiasa Malagasy dia tsotra ny vali-ten azo.
NA HITOKONA NA HO INONA DIA REHEFA TSY MISY DIA TSY MISY.
Ary dia gejaina ankehitriny ny sendika raha mitaky ary mbola tapahana ny karamany.
Izaho aloha dia tsy hangina intsony fa dia hamoaka izay zava-misy marina @ zay, tsy mamely insony ity fitondrana ity, fa ny kely anananao aza mbola omena ny vahiny ihany koa.
23. isambilokely ( 08/05/2005 00:45)
Maditra>
Ka tsy misy mahay matoa maka ny lafo karama.
Ary normal izany fa contract io, dia manaiky izy, amin'izay tsy misy kiantrano an-trano. Satria ise ry Maditra tsy mahalala ao am AIR MAD dia mikotaba be aty am sisiny.

Toy izay ihany koa ny JIRAMA. Ka aleo ataon'izay mahavita aloha na dia andaniana vola be. Ireny koa Groupe mitady vola fa tsy hoe mpanao asa fanasoavana tsy akory.

Rakarandoha>
Satria ianareo tsy mahalala hoe avy aiza ny vola hanakaramana azy reo na dia lafo be aza. Budgets speciaux ireny fa tsy volam-panjakana.

ny mpiasam-panjakana dia ny volam-panjakana no hanakaramana azy. toy izany ireny any amin'ny organismes internationaux ireny. Tsy volam-panjakana, ka normal ny mpiasan'ny UNDP, na ny FAO na ny sasany raha mandray 2Millions ARIARY ohatra.

Mbilo
:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078