Gazetiko, 17 marsa 2005

1. odoie ( 18/03/2005 01:37)
"Fa omaly tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ihany koa no nilazan’ny Filohan’ny Repoblika fa mikasika ny fiakaran’ny vidim-bary dia tsy ny eto amintsika ihany no misy izany fa saika eran-tany mihitsy."

O Ravalomanana a! Dia tsy mahalala menatra intsony ve manao lainga tsy mitototra tahaka an'izao amin'ny vahoaka?

Ianao mpakaty ivelany ka andao raisina ohatra ny eto Alemanina, tsy mamboly vary ry zareo. Ary aty dia lafo be ny hetra aloan'ny mpanafatra raha ampitahaina @ firenena eraopeanina hafa. Ny vary amidin'ny fivarotana LIDL sy PENNY MARKT aty dia tsy misy "subvention" kanefa mbola mora noho ny vary any Madagasikara?
répondu par kitjo le 02/07/2005 10:32
2. fijo ( 18/03/2005 05:22)
marina aloha fa miakatra tokoa ny vidimbary amin'ny tsena eran tany.nefa tsy atao fialantsiny izany.misy lesoka ao ka izay no tokony ahitsy fa tsy hanao toa an dradidy koa,ka ny raharaha eran tany no hialana bala.
3. mandrindra ( 18/03/2005 09:48)
Tsy izaho ny diso fa ry zalahy, tsy mba tompon'andraikitra mihitsy.
4. hery ( 18/03/2005 15:10)
odoie> ohatrinona izany? :-) Sao dia azo hafarana mandeha any Madagasikara

Ny eto Italie aloha 1,50 - 2 euro ny kilao-n'ny vary mora
5. iartistika ( 18/03/2005 19:37)
ny aty aminay 12 euro ny 25 kilao...
6. andansonia ( 19/03/2005 07:12)
Ny tokony atao dia mijery izay tokony hampitomboina ny famokarambary, mba tsy hanafarana intsony. Misy firenena be mponina lavitra noho isika any Azia, nefa toa mbola manondrana vary.
7. adalambou ( 19/03/2005 23:10)
haninona any madagasikara i hery fa any @ iartistika zany sady akaiky no tsy ampy atsasaky ny vidiny any aminareo. Any manao afera fa any madagasikara efa voatokana ho an'ny orinasa iray ihany ny fanafarana vary. :)
8. kitjo ( 02/07/2005 10:32)
zay ndraaaaaaayyy

tsy hiova mitsy tsika ry adalambou...lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2028