Fanontaniana

1. xxx ( 16/03/2005 20:17)
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy. Tena tsy mahafantatra mihitsy aho no mahatonga ahy hanontany fa tsy hoe manenjika be fahatany.
Ankoatry ny "asany" voalohany (=manambady, mikarakara vady aman-janaka) dia inona avy kay izao no ataon'ikala Sarah sy le Josoa? Inona no tena mampiavaka azy @ nataon'ikala Sophie sy le Xa?
2. sipagasy ( 17/03/2005 08:33)
tsy aleo ve amindry zareo ianao no manontany voalohany???? mety tsy mandalo eto matsy zareo ireo hihihi :roll:
3. iartistika ( 17/03/2005 09:09)
mety ao ihany fa tandremo ah :roll: :roll:
4. dadabe ( 17/03/2005 10:02)
sao tratran'ny DGIDE eo ka migadra eo kle ....
5. mandrindra ( 17/03/2005 10:19)
Fa angaha mo tsy efa tany malalaka i Madagasikara, toa hoe efa anahazo an'izany prix Louise Michel izany anie ilay mpitondra firenena e
6. hery ( 17/03/2005 10:39)
Iza kalou zany Sarah sy Josoa :-)
7. dadabe ( 17/03/2005 10:41)
vadin'i Abrahama i sarah fa i Josoa Mpanjaka =)) :D de ampy Rahery a
8. sonwin ( 17/03/2005 16:33)
xxx> inconnu no manotany , mampisalsala ny hamaly azy sao mamandrika :?: ...tsy mitovy amin'ny ireo taloha aloha zareo e
9. Tanala ( 17/03/2005 17:38)

O ry Mandrindra nga ra malalaka Mcar de samy hanao zay ho daniny ny kibo.
Toa miverina @ hoe inona no mahasamy hafa ny fitondrana teo aloha sy ny amin'izao ty fanontanin'i xxx ty.
Toa te-hiteny enao ho adala daholo ny gasy nifidy an-Ra8.
10. schwab ( 17/03/2005 21:51)
Le bandy nirenireny fotsiny taty Allemagne iny ve aloha zany Josoa resahina izany e?
11. schwab ( 17/03/2005 21:52)
Ary ilay Sarah koa ve le mpiasa ao @ ambasady Berlin?
12. dadabe ( 18/03/2005 06:58)
Schwab>mety ho zay angamba lesy,de omeo aza ny hevitr'ilahy e :wink:
fa kou mety le zanak'i Razily mpivarotra mofo akondro ao avara-tanana,tsy hay e,tokony ho presizen-draxxx tsara le izy
ary sao de lery ihany aza io josoa io fa mody fanina ,tena fetsepr kou lery ka
13. mandrindra ( 18/03/2005 09:16)
Tanala, malalaka izany anie tsy hoe manao izay danin'ny kibony, ny tiako ho lazaina amin'izany dia eo amin'ny fanehoana hevitra. Mba vakio tsara aloha izay resaka teo aloha fa aza tonga dia manao tsoakevitra faingana loatra e.
14. Tanala ( 20/03/2005 15:03)
Mandrindra a, ka ilay danin'ny kibo lazaiko io anie ka danin'ny kibo @ fanehoan-kevitra e. Zany hoe za tsy nanazava lava be fotsiny de tsy azonao angamba le izy.
Mbola betsaka ny gasy no tsy afaka mandinika lalina fa makaiky zay hevitra miposaka rehetra io satria vitsy ny mahay mamakiteny sy manoratra, ka izay no tokony hisian'ny fitandremana @ hevitra avoaka, raha mahasoa moa ka haninona, fa entina an-drebirebena kosa angamba tsy mety.
15. politika ( 21/03/2005 02:19)
Tanala:
Mbola betsaka ny gasy no tsy afaka mandinika lalina fa manaiky zay hevitra miposaka rehetra io satria vitsy ny mahay mamakiteny sy manoratra
Rehefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra angaha moa dia kely saina sy tsy mandanjalanja koa? Tanala ve izany afaka "mandinika lalina" lavitra noho Andrianampoinimerina? Ary efa voamarina ve izany fa toa tsy mbola hitako nivoaka sy "publié" tamina "journal" na dia indray mandeha aza, sa mbola vao hypothèse?

Tanala:
raha mahasoa moa ka haninona, fa entina an-drebirebena kosa angamba tsy mety
Tsy ilaina ve ny "fahamarinana" fa izay "mahasoa" indray no atao na marina na diso? Mahasoa an'iza? Mandrebireby an'iza? Sao dia tokony ampiana an'io ny lalana mifehy ny fampielezan-kevitra? Hatrizay mantsy dia fandrebirebena sy fandrabiraviana foana no hita.
16. Tanala ( 21/03/2005 20:37)
O ry politika a,tsy ny gasy tsy mahay mamaky teny rehetra akory no mandinika toa Andrianampoinimerina. Enao ve de mihevitra ra nahay nandinika lalina ny tsy mahay mamaky teny de hanapoka tetezana ao @ fireneny efa mitsipozipozy io.
Na koa endrasan'ny mpanao politika fotsiny isaky ny fifidiana izao. Mbola ho avy ny vato ny tsy mahay manoratra fa aza maika. Tsy adala akory izy tsy nanao sekoly.
Izahay tanala de mahatsapa tsara an'io Rapolitika a.
17. Tanala ( 21/03/2005 20:46)
Adiniko, tsy milaza aminao aho hoe aza milaza ny marina, tokony ho lazaina tokoa ny marina ra misy porofo mazava tsara fa tsy zay henonao tany @ sisiny tany no lazaina ho marina.
18. mandrindra ( 22/03/2005 10:21)
Tanala, sao dia tsy mifanaraka mihitsy ary izany resaka izany, izaho milaza fa malalaka ny fanehoankevitra, ny anao ny mpihaino no lazainao fa tsy mahazo tsara. Dia ny dikan'izany ve hoe tsy mahazo manohana ny fomba fisainany ny tsirairay. Raha hoy ianao hoe misy lohahevitra mivoana ka tsy misy ilana azy fa mandiso fanantenana dia marina izany. Fa ny fahalalahana dia ny fahafahana maneho ny heviny na diso izany na marina. N y mpihaino no mitsara avy eo. Ianao maneho hevitra eto ve dia mino fa marina daholo izay lazainao? Ny ahy aloha dia tohanako satria izay ny hevitro (na misy diso aza) satria izay ilay fahalalahana.
Aza tonga dia ilay hoe vokany ara politika no raisina fa vakio tsara ilay resaka e: FAHALALAHANA. Ny vokany ara politika indray zavatra hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2275