Tsara ve ny fitokonana?

1. hery ( 12/03/2005 09:36)
Voalaza sy dradradradraina amin'izao fotoana izao fa zo ny mitokona. Dia misy alibi matanjaka be hoe ry RAvalo dia io no nahatafita azy eo amin'ny fitondrana... Fa tsara tokoa ve ny fitokonana anefa?

Izao no mba hevitro.

Matetika ny mpitokona dia diso tarigetra (Diso cible)... satria ny olona na vondron'olona iray no tiana hasiana dia ny olona hafa no mifafa ny kihony.
Ohatra vitsivitsy.
- Raha mitokona ny SMM dia tsy i Ravalo mihitsy no mihinana (i Ravalo angaha miandry fitsarana) fa ireo boay kely izay tsy mbola voatsara kanefa efa mihinana eny Antanimora... ary miandry mafy ny hitsarana azy. Diso cible.
- Raha mitokona ny SECES dia tsy i Ravalo mihitsy no voa (Tsy eny Ankatso akory izy)... fa ireo boay kely izay mba te hianatra mafy, mba ho tahaka ireo SECES (Mpikaroka) koa any aoriana any. Diso cible.
- Raha mitokona ny mpampianatra ka lasa année blanche dia tsy i Ravalo mihitsy no hitsipozipozy fa ireo raiamandreny izay mividy lafo ny année scolaire anakiray (ohatrinona tokoa)... ary ireo izay mety ho faty amin'ny herintaona ka tsy nahavita adidy hampianatra ny zanany noho ny fitokonana. Diso cible...

Ka raha tsy diso cible ny fitokonana dia tohizo. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin'ny fitokonana tsy diso cible.

Milahatra eo ambavahadin-dRavalo dia tsy avela hivoaka izy. (Dia mizaka ny vokany)
Mijanona fotsiny ao antrano (tsy mitaona olon-kafa) dia mizaka ny vokany (izay tsy miasa tsy mihinana)
Mitokona tsy mihinan-kanina (raha tsy manan-janaka na tsy misy mpalahelo) ka na maty aza dia mizaka ny vokany.
Amin'ireo dia ianareo sy izay tianareo hasiana ihany no voa fa tsy ny olona hafa.

Fa raha mbola ny olona hafa no mijinja dia efa fay zahay.

Hery... miaraka hatrany @ zé voa mafy.
novalian'i Briann ny 21/03/2005 07:27
2. Tanala ( 12/03/2005 11:21)
Na mandehana mangataka vola direct any banque mondiale, dia teneno izy hoe ampekaro ny karamanay, fa avelao any zay projet FID sns any fa tsy hanampy isa ny fiara sy ny tranonay mba hitsinjo reo zanaka aman-jafinay tsy mety hianatra intsony noho ny harenanay.
3. xxx ( 12/03/2005 17:24)
hery> raha azoko tsara izany ny tarigetran'i hery...miaraka hatrany @ ze voa mafy dia ny hamela ny mpitondra hanao ny hataony fa satria misy olona hafa cible fa tsy i Ravalo irery.
Diso ela raha mihevitra fa tsy misy vokany amin-dravalo sy ny fitondrany tokoa ny fisian'ny annee blanche, na ny tsy fiasan'ilay andrim-panjakana faha-telo dia ny fitsarana izany. Aza mieritreritra mihitsy ela fa mahatsiaro libre izy ao.
faharoa: io grevy ataon'ny fitsarana sy ny seces io ary no mba hitako ho mitombona sy azo leferina kokoa toy izay ilay nataon-dravalo tamin'ny 2001-2002. Tamin'ireny trano sy magazay raha tsy dorana dia angalarina ny ao anatiny, ny olona vonoina de facon directe mihitsy, ny mpampandry tany efa tsy hay lazaina intsony ny nataony tany amin'ny tany nandefasana azy ireny tany.
Ny zavatra takian'ny seces sy ny mpitsara angamba no mety tsy dia raisonable loatra fa ny fomba anaovany ny greviny kosa aloha dia mba normaly ihany e!
Dia raha miaraka amin'ny voa mafy ela dia miaraha amin'ireny aloha satria mba voa mafy ihany koa anie izy ireo matoa mi-grevy e!
olona lehibe sy mahay ny ataony ireo fa tsy olona adala tsy akory.
4. xxx ( 12/03/2005 18:03)
Dia tena hafa tokoa ilay hevir'ilay hoe Hery!!! Efa fomba faheno matetika io rehefa ny mpamono afo no miteny rehefa misy mitady higrevy. Ny fahitako azy aloha dia mitombina tanteraka ny fitokonan'ny SMM sy ny SECES. Raha ny SMM aloha dia hafahafa be amiko ny hoe ministra omena tombonkarama be nefa amin'ny ankapobeny poste politique ireny, nefa ny magistrat tsy raharahiana amin'ny fitakiana ataony, marina fa tsy ho ary ho azony daholo ny tiany ho azo fa tokony hasiana consideration ihany. Nahoana moa no natao mihoapapana be ny karama sy ny tombotsoan'ny BIANCO nefa ny Magistrat tsy nasiana resaka? Raha ny lojika dia mitovy ihany ny mety ho tentation mahazo ny BIANCO sy ny Magistrat. MAnaraka an'izany, tsy dia hoe ilay tombotsoa inona anie no manahirana fa ilay Sata e!
Amiko tsy tsara ny fitokonana, ka tokony hanao izay hi eviter-na ny fitokonana ny andaniny roa, na ny fanjakana na ny SMM, fa raha ireny teny fanalam-baraka ampahibemaso sy teny mahery toa olona populiste ireny dia tsy hahavoavaha na inona na inona.
RAha ilay fihevitra tsotra be hoe tsy misy fiantraikany amindRAvalo indray dia diso be...Tsy Ravalo anie no itokonany (=tsy hanala andRAvalo) fa ny hazahoany ny tokony ho zony. Ary raha tena mpitondra fanjakana ianao dia misy fiantraikany any aminao izay machine administrative tsy mandeha rehetra any. Fa tsotra be loatra ilay resaka tamin'ny voalohany.
5. intelligenzia ( 12/03/2005 23:30)
hery:
Matetika ny mpitokona dia diso tarigetra (Diso cible)... satria ny olona na vondron'olona iray no tiana hasiana dia ny olona hafa no mifafa ny kihony.

io ilay toe-tsaina tsy mendrika mbola raiki-tapisaka ao an-dohan'ny sasany. Ary gaga aho fa i HEry koa mbola manana azy io hatramin'izao. Ny fitokonana angaha mikendry ny "hanisy" olona?

Izaho dia mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo taloha. Nisy fotoana aho nitarika fitokonana ary nisy fotoana aho nisakana fitokonana. Tamin'ny filaminana sy fifanarahana ary feno fanajana avokoa no nizoran'izany. Tsy misy saina maizina "hanisy" an'i rakoto na i rabe fa fitakiana fanatsarana no antony!

Matoa mitranga ny fitokonana dia tsy misy io "filaminana sy fifanarahana ary fanajana" io.
6. routa ( 13/03/2005 14:03)
manaiky ny hevitrao aho ry hery tsy mbola nahita fanjakana nitsangana koa aho tsy t@ fitokonana teto nefa, nefa hoy aho vao maika mia mijaly ny olona tena miha mijaly any zao . soa hiany fa be hiany ny tonga saina , efa napetraka sy nodradradradraina io @ fifidianana manaraka manarina fa aoka izay le mitokona ka! tena mankaleo asanareo aloha e! hevitra ny ahy
7. naritsimba ( 14/03/2005 08:10)
raha mahita hevitra hafa ahafahana manery ny mpitondra hanatsarana ny fiainan'ny vahoaka ianao dia manomeza fa izahay tsy mahita ankoatran'ny fitokonana.
matoa ianareo tsy sahy mipetraka eto Dago dia tamana any ary tsy mahita ny fahorian'ny olona aty.

Aza mandray an-tendrony na manohana an-dRa8 @ maha mpivavaka masirasira azy fa ny ataony jerena fa mbola avo 100 heny @ nataon'ny teo aloha.

Mba mieritrereta sy mandiniha e!
8. hery ( 14/03/2005 12:00)
naritsimba> Izany hoe ny mpitondra no tianareo hanatsara ny fiainan'ny vahoaka dia ny vahoaka sasany no mijinja :-) io ange le hoe diso cible e...
Izahay indray tsy ho sahy hipetraka any Dago mihitsy raha ohatra ka vao mba misy fanjakana mitsangana dia korontaninareo kou... inona no ho avy raha izany? Tsy aleonay ihany aty mba afaka manampy ny fianakaviana sns?
Dia averiko indray fa tsy manohana anjambany an-dRavalo aho... angamba aza tsy manohana azy mihitsy... fa ny ahy rehefa misy victimes immédiates de zay no important... Mbola ho ela vao ho tonga any ambovonana ny akon'ny grevy fa ny mijinja voalohany aloha dia ny vahoaka madinika... izay lazainareo fa tsinjovinareo.
9. naritsimba ( 14/03/2005 12:13)
hery> tsy mety tonga saina ny mpitondra raha tsy atao ohatran'izao, raha tonga saina ange izy ka mety ny ataony tsy hisy adala eo e, ary izy nampanantena fihatsaran'ny fiainan'ny vahoaka madinika fa inn koa no eo, ny mameno paosy sy ny akamakama no ataony.
izay le hoe efa tokony hiova ny toe-tsainy fa ntsssss mbola ny nataon'ny teo aloha ihany no ataony.
Ny mahagaga dia izao raha tsy itokonana ve tsy ho tonga saina?
raha mitokona ny sasany ny tombotsoa azo eo ange iraisan'ny rehetra ihany e, fa tsy hoe izay mitokona ihany no mahazo, io le mahadiso ny hevitry hery, hoe ny rehetra no voa.
mazotoa eh!
10. Tanala ( 15/03/2005 20:19)
Naritsimba an ny tiany Rahery tenenina anie dia hoe: Ny fitokonana anie dia midika hoe omeo vola aho ra tsy zany ataoko tsy misy mandeha ny raharaha @ ty firenena ty amin`azay enao miala eo.
Aza heverina toa ny anjely ny filoha fa ra fantany hoe hiala eo izy dia hanangona harena haingana izy ho an`ny zanaka aman-jafiny ary hitsohany any ivelany avy. Io de tsy ho afaka @ firenentsika akory n`iza n`iza milaza azy fa tsy hanao. Tokony mba ho hanatra ho an`ny gasy ny teo aloha e.
Tia mba misy toetra mety mahaso ihany: Alohan`ny hitenenao hoe tokony hanao an`izao ny filoha de: Ampetraho aminao ty fanontanina ty hoe ra ianao no filoha de nandrosona ny gasy.
Amiko manokana ra mbola mifofotra mampandroso an`ireo orin`asany ny filoha dia tsy olana mihitsy fa amin`ny fotoana izany hanondranany hantsokosoko na ny tamingana volamena 1 mg asa de diso tanteraka izy.
Aza diso hevitra mihitsy ka hanao hoe eee izy ihany no tiany
hanana mitaona dia mitaona tokoa izy fa ty ny fitsipika mila miary @ fomba mangarahara.
Ary minoa ahy ianao fa io no tsy tantin`ny maro satria zatra fomba ratsy.
Ny haveriko fomba eto de hoe eto Dago ny olona tsy tokoa hanana no nanana ka tsy hainy zany ho capitaliste, fa mamoka fiara tsy misy douane ihany no tena talentany.
11. naritsimba ( 16/03/2005 11:17)
Tanala> efa fantatry ny fanjakana ange hoe kely karama ny gasy e, fa maninn no tsy asondrony fa hiandry grevy foana vao hanao ny tokony atao?
Dia diso ve izany ny mpitokona?
12. Tanala ( 16/03/2005 17:32)
Herero lalina ny dikany ty teny ty de ho azonao ny valiny. Misy ny vola fa ny ampiasana azy no tsisy misy.
13. xxx ( 16/03/2005 21:54)
Maivana mihintsy ilay hevitr'i Hery marina. Tsy nampoiziko ho olona marivo saina toy izany!!!Dia mieritreritra ve i Hery fa dia tena maivandoha sy tsy mitsinjo vahoaka daholo ireo olona mitokona? Sady raha jereko amin'ilay hevitra avoakany dia "toa" mirona mankany amin'ny fanafoanana ny droit de greve ny hevitr'i Hery. Misy ny zavatra sasany eo amin'ny raharaham-panjakana azo iandrasana fifidianana, misy kosa efa hita izao fa ilay olona tokony hanatanteraka ny lalana no tsy mampihatra azy (mety manampy ny hevitr'ingahy Herizo Razafimahaleo ny amin'io). Ka raha ity farany ity no mitranga dia jerena ny fomba rehetra hanarenana azy. Efa ela anie ny SMM sy ny SECES no nitady vahaolana sy fifampiresahana ary nampitandrina e! Raha tamin'ireny no nisy volonte hamaha ny olana dia ataoko fa tsy ho tonga amin'ny fitokonana.
FA raha hoe mifidy ny hipetraka any andafy ianareo satria te hanampy ny fianakavianareo...dia anareo izay, ny any andafy koa moa indraindray tsy hita mijaly, tsy hita sambatra fa dia mba manomponompo vazaha eo, dia mikarataka kely rehefa misy ilana vola ho an'ny fianakaviana na mihafy be mihintsy...Misy iahny ny tena velona. Fa raha tena manana faniriana hanampy ny fianakaviany aty Mcar dia izay hananana rafitra tsara arapitondrana aty Mcar no atao.
14. intelligenzia ( 16/03/2005 23:32)
hanampiako ny tenin'i xxx:
- Ny an'ny SECES ange efa voafidy tao @ antenimiera e! Fa ny didy fampiharana no tsy soniavin'ny governemanta! Iza ary no tompon'andraikitra raha mitranga ny fitokonana?

Mazava be ny voalaza ao amin'ny gazety tribune, dia mpanaikinaiky fotsiny izay tenin'ny mpamatsy vola ny mpitondra fa tsy misy fisainana fampandrosoana sy fitiavan-tanindrazana:

Tribune:
Quoi qu’il en soit, l’enseignement supérieur public sera dorénavant réduit à un produit de luxe comme l’auraient voulu depuis longtemps les bailleurs de fonds et les partenaires financiers amis. Un Bacc + 2 serait suffisant pour Madagascar.

[size =13]Pour ce qui est des formateurs et autres experts, les pays amis et les bailleurs de fonds pourront nous les fournir moyennant rémunération mensuelle à chacun, de l’ordre de 150 à 350 millions d’anciens francs, soit entre Ar.30 millions et Ar.70 millions.[/size]

Mihoa-papana ireo karama omena ny "experts" an'ny mpamatsy vola ireo sa tsia? Mba ampy ampahafirin'ireo no takian'ny SECES ahafahana mamolavola tera-tany Malagasy? Ny volan'ny mpitondra no handoavana an'ireo manokana sa ny volam-panjakana samborina?
15. Briann ( 17/03/2005 06:58)
Ny manahirana amin'ity grevy ity anie de le izy amin'ny fotoana tsy eritreretinao hoe tokony hanaovany azy mihitsy e. Azonareo an-tsaina ve hoe manao ahoana ny fahasahiranan'ny mpianatra eny, indrindra ny avy lavitra. Izay eto Dago aloha de mahatsapa sy miaina an'izay. Isika ange mbola ao anatin'ny krisy ara-toe-karena e. Tena fitiavan-tena le izy, hany ka na atao hoe manana ny rariny aza le mpitokona, ataoko fa tsy fotoanany izao. Aiza ny olona no tsy hanakiana foana, satria leo izy. Ny vary harapaka tsy hita, ny fianarana andaniana vola sy fotoana tsy mandeha akory. Ho an'ny sasany moa de voatery mihemotra indray ny fitsarana. Raisiko le tenin'i Hery tary am-boalohany hoe diso cible ry zareo, na fantany tsara ihany ny cible saingy TSY RAHARAHIANY satria izay no hitany fa hany fomba hahazoany ny takiany.
16. ravatorano ( 17/03/2005 08:02)
za raha iio resaka grevy io dia tena tsy hitako tsony ze resahana amin io satria za leo grevy teny ankatso , ny mpampianatra migrevy , izahay mpianatra tamin ny mbola teny moa d nafana fo mihitsy.
Taty aoriana vao tena hita ny takaitra navelan izany fa tena nisy lesoka godab tao amin ilay fianarana norantovina teny satria rehefa mande ny grevy ny année sclera tsy miantsy vitana d miridana toy ny inn houzy enao ny fanenjehana an izany.
rana ny mpianatra no manao ilay grevy dia gidraka b ny fanenjehana ny proglama fa raha ry zalah mpapianatra ireo dia tsy taitra mihitsy izy satria afaka manemotra ny fotoana hanaovana fanadinana .eo ampelatanany izany ni ain ny mpianatra eh.
Za dia manaiky ny fisian ny fanaovana greve.Za dia makato ny droit de greve fa raha toa kosa ka hamotika ny sasany ilay izy nefa mba efa nisy zavatra natao ihany d tsy dakoro tsony za .
Izao kouh no araraotin ny mpanao grevy satria ny mpitondra diso mitavozavoza loatra . Mamoaka didy dia vaotohitra nefa mpitondra , manaonao foana sanatria nefa ny mifanandrina amin ny tena henjana ihany fa tsy d we akory we toa anay izao.
Raha mitohy io grevy io mandainga ny seces raha tsy hisy ny année blanche dia an iza no tena mioty ny vokany ? Ny zanak izy ireo anie ka any amin ny Institut privé avokoa izay tsy lasa any andafy eh
Za aloha raha mbola azoko atao ary hihezaka mafy mihitsy za fa ny zanako tsy ampianariko eny ankatso eny fa tena efa b ny hitako teny sy nahazo anah teny kah.Eny tsy miantsy misy greve foana letsy isa taona tsy milamina mihitsy eh.
Izao koa aza hadino fa efa manomboka antitra avokoa anie ny mpompianatra eni eh ary ny mpanolo na ny zaza mpandimby tena vitsy d vitsy na amin ny taraja sasany aza tsisy mihitsy satria tsisy ankizy manao an ilay asa fampianarana eny ankatso amin izao , manginy fotsiny ny gel de personnel amin ny oniversite rehetra eto madagsikara izay ny mpamatsy vola mihitsy no manome izany baiko izany.
D ho aiza inzay ny zaza aorina amin izany sa bacc d aleo ajanona raha tsy mahatakatra ireny institut privé ireny
:snif: :twisted: :oops: ;-) ;-)
17. mandroso ( 17/03/2005 09:07)
Briann> ny tery saina no mihevitra fa "manisy" olona (CIBLE) ny grevy.

Ravatorano> ka tsy izay ve no mahatonga ilay fitokonana?
- ianao ve dia mihevitra fa fidiny ho an'ny SECES ny hanao grevy? Fa mampalahelo ny fandavan'ny mpitondra tsotra izao tsy hanao fifanakalozan-kevitra

- maro aloha ny fantatro eny Ankatso fa ny ankabezan'ny zanany dia mianatra eny daholo. Ary minoa ahy ianao fa eny mbola tsara mihoatra lavitra noho ny any @ privée satria voasokajy sy tafiditra anatin'ny "norme internationale".
Ny mankany an-dafy dia ambarako anao fa vitsy kely ny mpampianatra no afaka mandefa ny zanany any.

- voahitsakitsaka ny hasin'ny malagasy fa ny mpamatsy vola no ankasitrahin'ny mpitondra na fantatra aza fa ratsy ho antsika ny vokany

- dia avela ho potehin'ny mpamatsy vola ve ny tanora Gasy ka tsimaintsy hanakarama an-dry zareo 300 millions Fmg isika rehefa tsy misy ny manam-pahaizana?

- efa voafidy tao @ antenimiera ny an'ny SECES fa ny fitondrana no midrikina tsy mety hanao sonia. Dia ho tsinin'ny SECES ve raha misy ny année blanche, izay tadiavin'ireo te hanakatona tanteraka ny Université?

Diniho ihany lahy fa ireo firenena mandroso rehetra ireo dia ny Uinversité avokoa no nampandroso azy (na ny asam-panjakana na ny asa @ sehatra tsy miankina). Ary hatramin'izao dia mbola mandany vola tsy toko tsy forohana ampandehanana ny Universités misy ao aminy avy izy ireny.
18. dadabe ( 17/03/2005 10:21)
amiko dia ilaina ihany ny fitokonanan mba hanairana ny fanjakana ,nefa koa tsinjovina ihany ny ho avin'ny taranaka malagasy ,
Marina mihitsy le voalaza etsy ambony manao hoe :ny mpianatra no lasibatra .
Tena hita mihitsy io rehefa mivoaka ianao ,fa na samy manana maitrise izao aza de tena kely ny fahalalana anananan'ny malagasy mihoatra @vazaha,fa rehefa mandeha ny fianarana de hita ihany indraindray ny fahaiizana ananan'ny gasy .
Amiko zany ny grevy asiana fa tsy atao lava reny (l)
19. hery ( 17/03/2005 10:37)
xxx> izah indray alou na maivana aza ny hevitro tsy miafina ao ambadiky ny xxx :-)

xxx:
Ka raha ity farany ity no mitranga dia jerena ny fomba rehetra hanarenana azy. Efa ela anie ny SMM sy ny SECES no nitady vahaolana sy fifampiresahana ary nampitandrina e! Raha tamin'ireny no nisy volonte hamaha ny olana dia ataoko fa tsy ho tonga amin'ny fitokonana.


Jerena ny fomba rehetra hanarenana azy? Na dia hoe ho faty aza ny sasany? :-) tena mavesatra marina izany hevitra izany fa tsy maivana. :-)

Misy tokoa ny droit de grève... fa misy koa ny droit tsy higrevy. Izay ange no nolazaiko hoe raha toa migrevy nareo dia izay olona tianareo kitihana kitihana e. Fa aza ny vahoaka madinika efa mitsipozy vao mahaloa fianarana herintaona no simbaina ny fiainany.

Efa nahavita fianarana angamba i xxx ka tsy mahita an'izany :-)
20. dadabe ( 17/03/2005 10:45)
hery> :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4404