Prise de conscience

1. intelligenzia ( 12/03/2005 02:01)
Misy ireo manana tanjona tsara tahaka anao sy tahaka antsika namana, te hiainga @ hoe fa inona ihany no manjo an'i Madagasikara, be ireo mahery fo, betsaka ireo manampahaizana, ny tany lazaina fa manakarena, ny toe-tsaina malagasy lazaina fa hafakely, dia nahoana ary no mahantra be hatrany ilay nosintsika?

Dia izay ilay "prise de conscience", izay matetika, indrisy, heverina ho "fandrodanampanjakana"...
novalian'i fatsoraly ny 15/03/2005 04:27
2. hery ( 12/03/2005 09:28)
Marina mihitsy io.

Izahay izao tamin'ny 2002 no nanao an'io Prise de conscience io... nieritreritra hoe iza marina no tokony hapetraka eo amin'ny fitondrana... dia Ravalo no napetraka aloha. Dia ho hita eo.

Raha toa ka tsy fandrodanam-panjakana tokoa ary ilay izy dia teneno hoe inona avy no tokony hatao amin'ny points vitsivitsy izay tena hitanao fa tsy mandeha. Raha ohatra ka miteny hoe Soloy i anona na esory i anona dia tsy fanamboarana zavatra izany fa fandrodanana. Azo atao tsara ny miteny hoe i anona efa eo io tokony hanao an'izao indray...

Sao mantsy rehefa tonga eo indray ianareo dia hisy hanao prise de conscience vaovao indray... dia variana amin'ny Con Science eo isika...
3. Tanala ( 12/03/2005 11:14)
Be ireo mahery fo fa tsy ampy satria novoina ny sasany, be ireo manampahaizana fa sesi-tany ny an-kabeazany satria ireo manampahaizana t@ fomba hafahafa no mameno ny tanana. Ny tena manamphaizana dia tsy mahay manao affaire maloto, ny asa vitany no vola azony, anontanio reo gasy sesi-tany taloha ny 2002 fa matahotra ery rehefa mitondra entana any Dago zao de tokony an-doha hetra. Toetra hafa kely satria mandefitra amin`izao rehetra zao eny fa na gadra eny am-ponja aza mampalahelo ka sao de mba malala olo-pantatra hamoka azy eny.
Ny atao hoe firenena mahantra dia ireo firenena manankarena olona nahazo harena t@ tsy rarina, misy olona sahy miteny fa io fianarana io tsy ilaina. Ndana makany @ firenena mandroso dia manaova affaire tomobile occas fa asa mianatra de aza mando hetra, fa WC ary an-doavambola lafo ery aza adino ny visa sandoka namborina tsy nilahatra teo aloha ny ambassade.
Ny firenena mandroso mitady vahaolana rehefa misy ny olana, fa tsy ampina olana vaovao mba hahatra kokoa.
Tsy mahagaga ny malagasy raha mahatra be toy izao satria ny sasany mitarika handroso ny sasany miandry zay hianjerany ny sasany mba hitohezany ny fahantrana hatrany.
4. xxx ( 12/03/2005 14:15)
intelligenzia:

Misy ireo manana tanjona tsara tahaka anao sy tahaka antsika namana, te hiainga @ hoe fa inona ihany no manjo an'i Madagasikara, be ireo mahery fo, betsaka ireo manampahaizana, ny tany lazaina fa manakarena, ny toe-tsaina malagasy lazaina fa hafakely, dia nahoana ary no mahantra be hatrany ilay nosintsika?

Dia izay ilay "prise de conscience", izay matetika, indrisy, heverina ho "fandrodanampanjakana"...




Tena marina io fa kosa tsarovy ihany ange ny tenin'ny namana taloha izay hoe: " [u]Maro ny Malagasy no manam-pahaizana , fa vitsy dia vitsy ny tena manan-tsaina ." Mila olona manan-tsaina isika e e e e e
Merci

:-D :-D
5. intelligenzia ( 12/03/2005 23:16)
Ny "prise de conscience" dia tsy tokony hijanona t@ 2002 fotsiny ihany fa mandritry ny androm-piainanao manontolo. Raha tsy izany dia toy ny "jamba" mifampitantana eto isika.

Ary averiko mazava tsara fa ny "prise de conscience" ao Madagasikara dia heverina ho "fandrodanam-panjakana".
- Niaraha-mahita t@ andron'i Ratsy fa tsy afa-nihetsika ny olona. Tsy nisy sahy!
- Ankehitriny koa dia mbola heverina (na fanahy iniana lazaina) ho "fandrodanam-panjakana" foana izy io.


Rehefa misy zavatra tsy manjary sy tsy rariny ka tsikeraina mba hisian'ny fanatsarana, dia avy hatrany dia avadika resaka ady seza! Fa maninona ary?

Rehefa mandroso hevitra ianao na mitondra sosokevitra, vokatry ny fitiavan-tanindrazana, dia tonga indray ilay fitenenana hoe: marina ny voalazanao saingy aoka ho "asa fa tsy kabary". Fa angaha nisy nisakana anao tsy hiasa? Fa ataovy @ rariny sy hitsiny, ka hitondra soa ho an'ny vahoaka!
Amiko io teny hoe "asa fa tsy kabary" io dia fanapenam-bava, toy ny hoe marina dia marina mihitsy izany saingy "aza misy miteniteny"!
Io hoe "aza misy miteniteny" io ihany dia tenenina ihany koa amin'ny fomba misarotsarona "finoana" hoe "minoa fotsiny ihany"


6. anonym ( 13/03/2005 02:56)
hery:
Raha toa ka tsy fandrodanam-panjakana tokoa ary ilay izy dia teneno hoe inona avy no tokony hatao amin'ny points vitsivitsy izay tena hitanao fa tsy mandeha.


MaTv Edition du 11.03.2005 no entiko mamaly anao:

Que le pays soit géré selon les humeurs de ceux qui nous gouvernent. Que la population s'enfonce et s'embourbe dans la pauvreté. Que la corruption et les trafics d'influence comme les abus d'autorité soient perpétrés par ceux-là mêmes qui, hypocritement, déclarent les combattre. Que la population soit dans un état de santé de plus en plus déplorable. Que l'éducation et l'enseignement aillent à la dérive. Que l'insécurité soit permanente. Que de nombreuses régions soient sinistrées et se trouvent sous les eaux. Apparemment, rien dans la situation dramatique où se trouvent le pays et la population malgache ne vient troubler la tranquillité et la conscience de nos dirigeants actuels.
7. fatsoraly ( 15/03/2005 04:27)
[size=12]"Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy : tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany." II Mpanjaka 17, 34a
"Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tànan'ny fahavalonareo rehetra. Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany. Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka andro-any. " II Mpanjaka 17, 39-41[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4382