FANAPAHANA KARAMA

1. naritsimba ( 10/03/2005 07:55)
Salama daholo indray e!

Niarahantsika nahalala ny kabary nataon-dRavalomanana ny @ anapahana ny karaman'izay rehetra mitokona na dia voalaza ao anatin'ny lalam-panorenana aza ny zo hitokona ara-tsendikaly.
Betsaka ny fanehoan-kevitra niseho taorian'iny kabary manan-tantara iny izay mbola tsy fahita teto ambonin'ny tany, na dia ny mpitondra jadona indrindra aza tsy sahy nanao izany(Pinochet, Idi amin dada, Bokassa sns) fa Ra8 kosa nahasahy.
Iny niarahana naheno iny fa nahazo rariny ny mpitokona teo anatrehan'ny fitsarana, koa asa na ho sahy hampihatra ny maha tany tan-dalàna antsika ny mpitondra araka izay resaka sy kabary ataony etsy sy eroa, na dia hanao be marenna fotsiny.

Iny didim-pitsarana manafoana ny fanapahana karama iny no mampiseho fa fitondrana Jadona no misy ary tany tsy tan-dalàna.

Iza no mbola sahy hilaza fa tany tan-dalàna isika izao? sahia mijoro, ary sahia mitokona, hampanjakana ny fahamarinana sy ny fahamasinana, mba tsy hanjakan'ny Jadona.

Mbola ho avy koa ny an'i SECES izao, ary io fa manomboka miitatra izy ity(Fianarantsoa(mpianatra sy mpampianatra no indray mitokona)

Ho hita eo raha sahy hikabary indray ireo hoe naverina naloa ny karaman'ny mpitsara tahaka ny t@ nanapahana azy.

Misaotra antsika dia mandiniha lalina.

novalian'i kamifefe ny 26/04/2012 11:41
2. hery ( 10/03/2005 09:04)
Mba nitokona tsy handoa karama koa izany ravalo kou :-) samy manana zo hitokona ihany.
3. mandrindra ( 10/03/2005 09:20)
Fanontaniana : ny fitokonana isankarazany ve no lety ahatafavoaka an'i Madagasikara ao anatin'ny fahantrana?
4. naritsimba ( 10/03/2005 09:39)
hery> aleo hanapaka de ho hita eo izay tena mpanara-dalana na izy na izahay, mpankafy fitokonana.

mandrindra> fa angaha mahatafavoaka an'i Madagasikara izao ny tsy nitokona? mahatafavoaka an'i Ra8 sy ny taranany aloha ny tsy fitokonana eh, fa tsy mahatafavoaka anay ny tsy filazana ny marina sy ny fanaparam-pahefana.
5. mandrindra ( 10/03/2005 09:51)
Izao izany ry naritsimba no hoe fanontaniana mivaly fanontaniana. Amiko aloha ny fitokonana dia tsy tara na iza na iza no eo amin'ny fitondrana. Ny fitokonana dia mitarika fikatsoan'ny fiharinkarena, mety ho kely mety ho betsaka ny vokany. Raha mahita fitokonana nahazaona tombotsoa ho an'ny daholobe ianao dia lazao amiko fa izaho aloha mbola tsy nahita. Raha raisiko io fanontanianao io dia toy ny milaza amiko fatsy misy afa tsy zavatra roa hoe mitokona na tsy mitokona. Fa maninona raha manao politika raha izany. Ho an'ny olontsotra dia izaho manao hoe miasa aloha fa io no mahavelona (na dia kely aza ny karama). Ataovy izay tratry ny herinao fa azy miandry ny fanjakana. Rehefa tonga ny fifidianana dia anjaran'ny tsirairay ny mifidy.
Dia ahoana aloha e averiko indray ilay fanontaniana, mampandroso ve mampitombo ny ao ambiliave ny fitokonana? Firy izay ny grevy nisy tany antanana fa asa raha tsikairtrao fa isaky ny mivoaka grevy dia mihalafo be foana ny fiainana.
6. naritsimba ( 10/03/2005 10:35)
rehefa misy grevy dia mandeha ny bizina dia mahita vola foana ny oll.
fa izao ange tsy misy grevy dia ny mpitondra no manao izay tianay atao eh, fa ny vahoaka enjahina.
tsy henonao angaha fa hatramin'ny mpitarika posy ao Antsirabe aza dia iadivan'ny fanjakana hoe tsy maintsy manana permis, satria inn no antony hampiditra posy ao koa ny TIKO sy Ramatoa Maire.
Izany ve dia mba rariny?
Izay no ataoko hoe toa ny miasa indray no ilana vaniny.
Miasa = Karama sahaza sy mahavelona fa tsy sanatria
Miasa = Karama vary masaka

hay ianao tsy eto hitako no tsy maharaka, aza mihaino izay tatitra vilana ataon'ny mpitondra any oà fa tsy hilaza mihtsy ireo hoe misy T.. ny v..... na dia fantatra izao aza fa maloto.
7. xxx ( 10/03/2005 11:54)
ié , raha mba i naritsimba moa ny filohampirenena ? ho lafatra dago ve ? :evil: =)) =))
8. naritsimba ( 10/03/2005 12:04)
xxx> lafatra 100%, zà sady tsy mangalatra no tsy mpamita-bahoaka. Ny ahy sady Kabary no asa. Azonao anontaniana any @ misy ahy ny zavatra ataoko na ara-piaraha monina na eo @ fiangonana na eo @ fokontany an-tanan-dehibe na any ambanivohitra.
@zao ange zahay mba manana omby ihany any Ambohibary-sambaina Antsirabe II fa terena tsy maintsy amidy @ TIKO ny ronono nefa ny azy 2000fmg/l, @ zay afaka 3 na 4 mois vao aloany ny vidiny raha mandoa izy @ zany an!
Aleonay amidy @ oll mba hamidy aty @ ville de anaovana antsojay hoe tsy maintsy manara-penitra vao azo entina mivoaka amidy aty an-drenivohitra. tsy maintsy mandalo Laboratoire eny @ Institut Pasteur, zany ve de mba rariny??????? mbola va o santionanay ireo an!
9. mandrindra ( 10/03/2005 12:14)
Koa maninona raha tsy miandry grevy dia efa manao bizina dia mahazo vola amin\'izay mitombo ny fari piainana sady tsy miandry andrafanjakana. Sa hoe rehefa latsaka ankaterena ihany vao mitady.
Karama sahaza ve no nangatahan\'ny SMM?
Marina no nolazainao fa tsy mety raha toa ka te hampiditra posy ao Antsirabe i Olga sy Ravalomanana. Fa inona moa no nahatonga ny mpitari posy hitokona, io nolazainao io ve?
Dia mbola haveriko ihany fa tsy tsara ny mitokona e na iza hoy aho na iza no mpitondra eo), ireo mpitari posy mitokona, dia tsy miasa dia tsy mandray karama izany (sa manao bizina daholo eny ampitokonana), satria iza moa no hanome vola azy. Dia normal ve izany raha omena karama ny olona sasany rehefa mitokona.
10. naritsimba ( 10/03/2005 12:51)
maninona izao no mitokona ny Chercheur any Frantsa @ izao fotoana izao? maninn izy no mitokona raha tsy ilaina ny fitokonana amin'ise? ny zavatra hita ange dia izao eh! ary aza disoina fa matoa mitokona ny olona iray dia tsy azony ny zavatra takiany.
Maninona moa raha talohan'ny nipoahan'ny fitokonana raha nety nandray ireo mpitokona ny PM sy ny PRM tsy nisy io, fa nony izao hita hoe tsy haharesy ireo mpitokona izy vao mody mihatsaravelatsihy hoe : Vonona ny handray anareo izahay.
Ny zavatra hita ary tsy azo lavina dia izao: Rehefa ny fanjakana no hitaky ny anjarany tsy mila miandry 1 andro akory fa raha mba ny fanjakana no anananao trosa dia itadiavana izao atsanga sy amoronana hevitra tsy manjary mba tsy handoavana azy.

Ny zava-misy dia rehefa lany eny @ Assemblé anankiroa ny lalana dia tokony amoahana decret d'application, ko maninn no tsy avoaka io fa ampifilafilaina iandrasana fifidianana satria izay no ao ambadik'io resak'io.Ny mpitondra no manao ambadika Pôlitika fa tsy ny mpitokona, raha tsy tiana hitokona ny olona dia omeo izay tadiaviny fa tsy adala akory ka hitokotoko-poana.
11. mamamia ( 10/03/2005 13:41)
naritsimba: aza de faly hanenjika ry se a, za miasa ao am fitsarana fa mba fantatr'ise ve reo zavatra angatahan'ireo mpitokona? 70 ans vo retirety, tany 10ha, indemnité aloha mandrapafat.... ny ao ambadika politika efa hay kou! Zao e aza marary fou fa andraso ny fifidianana eeeeeeeeeeeeee!
12. maditra ( 10/03/2005 13:41)
Interessant indray ity dinidinikareo mirahalahy ato fa izao no mba tiako lazaina e! Tsy rariny aloha ny nataon'ny mpitondra raha fanapahana karama no natao ho vahaolana hialana amin'ny grevy satria zo ny grevy! Tsy fahaizana tsara mitantana sy mandray fepetra no mahatonga an'ireny. Manaiky an'izany tsara aho. Fa izao indray no mba tiako tenenina amin'ireo izay mi-grevy. " Mba zavatra raisonable no angatahina". Ny zavatra fantatro aloha ataon'i seces dia vola lafo be izay tena sarotra tokoa ho an'ny fanjakana ny handoa azy no angatahin'izy ireo. Marina ary raha mbola hanana vola kely ny fanjakana raha omena azy ireo izany vola izany. Izy ireo koa anie tsy tonga lafatra amin'ny asany eh! Indraindray tsy tonga ampiasana nefa manao lazaina fa tonga ihany ao amin'ny rapport atao ao! Tsy rariny izany. Ary raha tena te hampandroso ny firenena tokoa dia amin'ny tena aloha hampiarinany fahamarinana sy ny fahamasinana fa tsy angatahina amin'olon-kafa aloha!
13. cheboman ( 10/03/2005 19:00)
rehefa misy grevy dia mandeha ny bizina dia mahita vola foana ny oll.
dadany ndray zany fomba fisainan dranaritsimba zany :?:
14. fijo ( 10/03/2005 23:07)
efa voavaha ny tribonaly izao le olana raha ny fanarahako azy.
15. naritsimba ( 11/03/2005 09:39)
raha ny tokony ho izy dia efa voavaha fa saingy tsy manaiky ny Ministera sy ny PM dia ho hita eo ny tohiny.

Ho anao sy ireo mitovy hevitra aminao ka manohitra ny fitokonana ary no hanontaniako: MANOMEZA ARY IANAREO LALANA HAFA AHAFAHANA MANERY NY MPITONDRA ANKOATRAN'NY FITOKONANA KA HANEKEN'IZY IREO HAMOAKA NY ATAO HOE: DECRET D'APPLICATION AN'IREO LALANA REHETRA LANY ENY @ ANTENIMIERA ROA TONTA KA HAMPANANKERY IZANY RAHA VAO LANY NY LALANA IRAY SATRIA IZAY NO OLANA ANGE E!. Raha mahita ianareo dia ilazao aho fa vonona hampita azy.

Misaotra mialoha.
16. xxx ( 11/03/2005 10:17)
Isaky ny misy manao grevy zany dia omena avokoa zay tadiaviny ? Ko tsy ndeha hi-grevy daholo ray olona.
Ny maro an'isa @ malagasy anie ka sahirana avo folo heny noho ireo mpitsara sy mpampianatra ireo e.
MANAINGA ANTSIKA MALAGASY SAHIRANA REHETRA HANAO FITOKONANA LAVARENY, TSY HIJANONA ISIKA RAHA TSY AZO IZAY ILAINA NA FOLO TAONA AZA. NY KARAMA TSY HO TAPAKA ISIKA TSY HO LANAKY NY ASA. HANGATAHINTSIKA MBA HASONDROTRA AVO FOLO HENY NY KARAMANTSIKA SA AHOANA E !!!!!!!!!!!!

17. mandrindra ( 11/03/2005 10:29)
Izay mangataka ve dia homena? Koa raha izazny dia andao hangataka daholo. Aleo mba lanajalanjaina ihany izay angatahana. Inona marina no angatahan'ireo magistrats ireo? Mba tanisao anie ry Naritsimba izy ireo dia lazao ahy raha mendrika izany ry zareo. Ary raha omena ry zalahy ireo dia ahoana izany ny ambon'ny malagasy.
Dia tohizako indray ho an'ny mpampianatra, inona no mampitokona azy? Raha tsy diso aho dia heurre supplémentaires mbola tsy voaloa. Hatramin'izao aloha dia mandray karama normal izy. Amiko izany tokony hampianatra izy fa sainsy kosa ny heurre supplémentaire no tsy ataony intsony. Izany amiko no fitakiana mifanaraka amin'ny fahamarinana.
Averiko indray hoe aza afangaro ny fanoherana fitondrana sy ny fanarahana fitokonana isankarazany. Hita izao fa mahantra ny gasy, dia satraia ve andeha hanaraka ny grevin'ny magistrat dia ho tafavoaka daholo. Ny andry zalahy anie saosy be ho azy no tadiaviny e. Ianao izay manaraka azy miala maina fotsiny avy eo.
18. andansonia ( 11/03/2005 13:45)
Ny ankamaroan'ny sarambaben'ny olona aloha dia tsy mahalala ny tena votoatin'ny hitokonan'ny SMM sy SECES. Mba tokony hazavaindry zareo tsara ny ao @ izany statut particulier izany.Inona moa no tokony ampahafantaranan ny olontsotra an'izany angamba hoy ianareo.Rariny ihany satria ireo no mandoa @ alan'ny hetra ny vola andoavana ny karaman'ny mpiasampanjakana Sady miteraka resabe ilay izy.
Ny nilazandRa8 hanapahana ny karama dia zatra ny any @ privé izy. Ary raha ny tokony ho izy dia izay miasa tokoa no homena ny karama, satria izay ny définition sens ny karama. Any @ privé rehefa tsy miasa dia tsy mandray karama. Fa @ fanjakana dia misy procédure vao azo tapahana ny karaman'ny mpiasampanjakana iray. Noho ny antony voalaza izany.Ka asa raha tafiditra tao ny gréve.Satria zo ny migrève. Lasa dictature indray raha terena fotsiny ny hafa hanaraka izay hevitrao.Ka raha tsy voateny tao @ fanapahana ny karama ny grève dia izay ilay olana. Satria tsy mbola misy làlana ny grève eto M/car. Kanefa ny grève dia fantatra ny vokany. Potika ny orinasa na ny firenena misy grève raha maharitra kosa izany. Moa miankina a@ fahafahana hanantanteraka ilay fangatahana koa anie Ka izay no mahatonga antsika misahotaka amin'io raharaha io
19. ndrena ( 11/03/2005 14:45)
NY fitokonana dia efa fahita hatrizay,na firenena aiza na firenena aiza.Ny anton'ny fitokonana no tena tsara fantarina ary ny fahalalana izany ihany no miteraka vahaolana na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany.Raha mihenjan-droa ny tady tsy maintsy tapaka noho izany tokony jerena hatrany izay tsy hahafaty ny reniny sy tsy hampahia ny zanany.Ny loza anie dia izao e:tsy ny mpampianatra na ny mpitsara no mizaka ny mangidy rehefa tsy mandray karama fa ireo mpianatra sy olona manana olana eo @tribonaly ary ary mety hiafara @ firenena iray manontolo aza.
20. Tanala ( 11/03/2005 16:28)
O ry Naritsimba ry Pinochet, Idi amin dada, Bokassa sns (tsy ampy le liste mbola misy any) ka namono olona e, fa tsy nanomo kolikoly e. Jadona ho an'ny zatra mpinono fotsiny ihany.
Io karama ra mbola vola ny banque mondiale no tatavina ampiakarana azy dia tsy tafa na i Bush ary no mpitondra ny Mcar. Ka tany mena ve hirehratra e.
Ny SECES ra mpikaroka marina izy ka mampianatra tsara fa tsy ny ampahany ny fahalalany no homeny ny mpianatra, dia io mpianatra io no hanao recherche hahazony mahazo projet vatsin'ny banque mondiale, fa tsy izy rery akory no savant ao Mcar ka mitetika ny ho karamaina vola be.
Ie rehefa mihitatra eran'i Mcar ny greve de misy vary hohanina.
Tsy i Ra8 no tsy sahy fa ny tompom-bola no tsy manome. Ny fika tsy hain'i Ra8 de le fanao taloha hoe omena sosy na toerana le mpitarika greve :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207