FANAPAHANA KARAMA

21. Nananie ( 11/03/2005 17:10)
Tssss! in koa 'zany? Dia ny kely 'zany vôhitsaka fôna ?!
22. Tanala ( 12/03/2005 10:45)
Tsy misy hilaza ny mpitsara sy ny mpampianatra eny @ ambarakonga ambony ho madinika mihitsy. Ra tena mpikaroka izy tsy miandry karamam-panjakana akory. Maninona ra mba mikaroka izay fomba hampiasaina io tany midadasika be io. Ny atao madinika de ireo olona any @ faritra maro tsy manana trano fitsabona sy sekoly ary hanina hoanina.
23. maditra ( 12/03/2005 17:29)
tanala>fa aza dia omena tsiny be ohar'izany hoy aho ny mpanao grevy dia ny rariny any amin-dRavalo doly! Samy olona manao ny ataony ireo, ny mpanao grevy ary mba mitaky amin'ny fomba tsotra, tsy misy herisetra tsy toy ny nataon-dRavalo tamin'ny greviny teo. Ny olana koa ange dia mampanantena ny fanjakana dia avy eo tsy omena indray e! Raha tsy nampanantena moa izy dia mety mba ho rariny ianao raha mandefa ny fahadisoana rehetra any amin'ny mpitokona.
24. naritsimba ( 14/03/2005 08:38)
xxx> mandrindra> ny angatahina ange dia ny hoe manomeza hevitra hafa ankoatran'ny grevy ianreo e, fa aza miaro Ra8 fotsiny, hita mihitsy nareo hoe voafitaka, maninn ny karaman'ny Chef de region 20millions nefa oll vendrana tsy manana fari-pahaizana antsasaky ny ananan'ny SECES sy ny mpitsara akory , zany ve de rariny?
ianareo no manaiky ho atao an'izany fa raha izaho kosa aloha de tsy manaiky eh!
Sur aloha fa tsy mitovy @ Professeur agregée nareo matoa sahy miteny an'ireo.
25. mandrindra ( 14/03/2005 11:19)
Naritsimba, satria moa ianao manohana ilay fitokonana no sady hoe any antanana koa mahalala tsara ny fandehanajavatra dia mba tanisao hoe inona no takianan'ny SMM dia hitanao fa mitombona ve? Mitady tombotsoa ho an'ny daholobe ry zalahy sa ho an'olombitsy?
Dia raha ekena izany fa izay avara-pi rehetra dia tokony omena karama be mihoapapana dia aiza ny anjaran'ny dokotera mpitsabo, aiza ny an'ny administrateurs civils, ingénieurs, sns ... Dia rehefa ampitomboina be ny karaman'ny manampahaizana dia ahoana ny an'ny sarambabembahoaka. Sa tsara be raha ampitomboina ny elanelana misy eo amin'ny mahantra sy ny manana.
Dia hoy i Naritsimba hoe miaro andRavalomanana, fa anagaha raha misy hevitra iray hitovizana aminy dia mpanohana azy ? Dia manasa an'i Naritsimba aho andeha hamahy ilay dinika anlafan'i Hery hoe "Izay koa mba ... : fika vaovao" fa misy valin'io ao. Dia izao e, ny fanoherana hoy aho tsy hoe izay antaon'io dia tsy ankasitrahiko avokoa fa mba lanjalanjao e. Raiso ho ohatra ny mpangalatra iray, tsy ho afaka mandrakizay ny mahampanagalatra azy, fa aminao ve tsy mba nisy zavatra tsara mihitsy na iray monja aza vitany. Dia ilay zavatra tsara vitany ve satria izy mpanagalatra dia lazaina ho ratsy ihany koa.
26. naritsimba ( 14/03/2005 12:03)
Fa maninona ary no olom-bitsy ihany no omena karama mihoapapana eh, fa maninn raha mba nomena daholo, raha ny an'ireo mpitondra ambony ireo ange no natao @ antonony tsy ho ohatran'izao ny zava-misy eh! fa mahagaga dia manao tahaka ny A... ka ny avo ihany no tovonana, ary dia mahagaga fa maninn no olom-bitsy no atao an'izany fa tsy ny rehetra no nakarina?
mahagaga sy mahavariana ihany?
Averiko indray fa tsy nahazo valiny: manomeza hevitra hafa ankoatran'ny grevy ianareo e,
27. xxx ( 14/03/2005 16:31)
naritsimba> ka ranamana anie ilay mahalala tsara ny fandehanjavatra any an toerana mba efa anontanian'ny olona hoe inona avy no tena takian'ny mpi grevy tsy valian dranamana, ahoana moa no ahafahana manome anao valin teny fa arakarakin'ny zavatra tadiavin izy ireo anie no mety ahitana zay ho vaha olana
28. naritsimba ( 15/03/2005 08:22)
xxx> ny tena takian'ny mpanao grevy ange dia ny famoahana ny didy fampiharana na(Decret d'Application) ny Statut Particulier ho an'ny SECES ary ny fandaniana ny Sata manokan'ny Mpitsara ny an'i SMM e!
Ireo no takiana e! fa tsy hoe karama akory, fa ny mahagaga ange dia lazain'ny mpitondra fa mitaky karama ireo eh, izay le lainga.
maninona ary no tsy avoaka io Decret d'Application io ho an'ny SECES, inona ny antony nefa efa lany teny @ Assemblé national sy ny SENAT, izany ve no manara-dalàna?
Ny an'i SMM indray dia ahodinkodina ny fandinihana ny azy manokana satria mbola tadiavin'ny mpitondra tsy omena fahaleovantena ny Mpitsara ka hamely ny mpitondra.
taiza ianareo no mbola nahita teto fa ny mpitondra raha misy mitory dia very maina, izay no ilana ny fahaleovantenan'ny Fitsarana.

Misaotra dia inn koa no tsy mazava amin'izany ry mandrindra sy xxx, aza mandray antendrony fa mba alalino ihany
29. mandrindra ( 15/03/2005 10:10)
Misaotra aloha amin'ilay fiatombohan'ny valiny fa inona marina ilay sata manokana ho an'ny mpitsara, (tsy efa misoratra ao amin'ny lalampanorenana ve ny fahaleovantenan'izy ireo). Inona daholo no voalaza ao amin'io sata manokana io?
30. naritsimba ( 15/03/2005 12:25)
Marina fa misoratra ao @ lalam-panorenana io fahaleovantenan'ny Mpitsara io fa mbola tsy misy lalàna mamaritra azy, raha tanteraka mantsy io dia tena mahaleo-tena tanteraka ny fitsarana ka tsy azon'ny mpitondra baikoina @ izay ataony ka izay no mahatonga ny mpitondra manakana ny fandaniana ilay statut Particulier, ny an'i Penitentier(e) navoaka dia nampiharina avy hatrany, ny an'i SECES navoaka fa ny 25% ihany no ampiarina, ny an'i Pôlisy nampiharina avy hatrany 100%. Ny an'i BIANCO ampiharina 100%, izay le hoe moa ve diso ireo izay mitokona raha mba mitady ny anjara masoandrony izy ireo. Ny madinika ange tsy ho sahy hitokona satria tonga dia anapoahana grenady eh, fa maninn ireo hafa no tsy sahy atao an'izany? Aleo ireo hitokona mba ahatonga saina ny mpitondra.

io ilay no lazaiko hoe mandainga ny mpitondra fa tsy milaza ny marina fa afenina @ resaka hoe fisondrotan-karama nefa tsy izay no marina.

mandrindra> minoa fotsiny ihany

Misaotra ee
31. mandrindra ( 16/03/2005 14:48)
Raha azoko tsara izany ry Naritsimba dia mbola mila lalàna vaovao manamafy ny lalampanorenana vao azo ampiarina izany. Amiko anefa io lalampanorenana io no lalàna ambony indrindra koa ahoana no hilana fanampiny vao azo tanterahina. Raha ny fahazoako ny teninao dia toy ny hoe fahaleovantena tapany ihany no omen'ny lalampanorenana, mba vakio tsara ihany izy io e.
Raha ny resaka karama hoy ianao dia mandainga ny fitondrana, mandainga koa izany ny mpanao gazety, mandainga koa izany ireo mpiasa ao amin'ny fitsarana. Toa tsy mbola magistrat na iray aza anefa nanakiana ka nilaza fa tsy marina izany. Soa ihany aloha fa any amin'i Naritsimba misy ilay fahamarinana hoe fahaleovantena fotsiny no takiandry zalahy ireo e.
Ie de hino an'i Naritsimba aho fa misaotra e.
Raha ny hoe hino an'i le8 aloha tsy haiko izaho sy ianao hoe izy no efa nanarka azy e.
32. Briann ( 17/03/2005 06:50)
Izay namaky ny Tribune omaly 16 mars dia nahita hoe ankoatry ny statut particulier (izay tsy hita izay tena antony mahamaika azy), dia inona daholo no angatahin'ireo SMM ireo. Amiko dia izao no tena tiany hambara: "Izahay no nametraka an'ingahy teo Ra8, ka mba mametraha kely amin'izay". Ny an'ny SECES indray, mazava be koa fa filam-baniny diso toerana (resaka heures sup tsy voaloa) ary na important aza tsy urgent hanaporofoana grevy.
Tsy hoe efa laibany be ange ny fanjakana e, mbola vao manaporofo fa azo itokisana sy ampindramina vola, ko manin raha andao samy hiezaka hahafahana mamerina le vola, fa tsy hoe andao samy hanao izay hahazoany fahafaham-po amle vola azo.
33. dadabe ( 17/03/2005 10:38)
salama doly e!
raha azoko tsra anie zany ny resaka de zao e,le grevy anie zany dia an'ny SECES sy ny SMM ary ny mpitsara e ,izany hoe tsy misy hidiratsika vahoaka zany ,hehehehe sao de ataon'olona fitaovana indray aza tsika kle :-P
34. kamifefe ( 26/04/2012 11:41)
Manakory daholo ianareo,
Raha higrevy ny mpampianatra dia tokony tsy hanao victime ny mpianatra. Aty an -dafy ohatra mi grevy ny mpampianaratra nohony fanafoanana asa, nefa misy andro higrevena misy andro am-pianarana. Aza avela atao chantage politika ny ankizin-tsika, mitondra any amin'ny fahantrana tanteraka. Zaho manokana aloha dia mampirisika ny fanapahana karama aho raha ohatra ny grevy manimba ny mpianatra. Kanefa raha grevy mitsinjo ny rehetra mpianatra sy mpampianatra izay ihany no tohanako.
Tsy mahagaga Madagasikara raha tsy mandroso, ilaina ny mitaky nefa kosa tsy tokony atao ny sorona ny ankizy ho avy ny firenena. Mba miangavy anareo mpigrevy mba asio fotoana ny figrevenana dia asio fotoana fampianarana mba tsy hihemotra ndray ny daty ny examen lasa very herintaona ny ankizy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2617