Fiadina ny amboaran i afrika eo amin ny tompon daka sy tompo

1. ravatorano ( 09/03/2005 11:31)
Nampalaelo tokoa ny fiafaran ny lalao nihaonan i Kaiser Chief sy ny USJF Ravinala teo Mahamasina ny alahady teo satria dia maro ny naratra ampolony maro ary dia nisy tovolahy kely anakiroa 9 sy 13 taona namoy ny ainy rehefa nandalo fitsaboana teo amin ny HJRA.Raha hofitinina hiverenana ilay tranga niseho dia izao maro loatra ny olona tonga nijery baolina kitra teny Mhamasina , ary ny mpitantara baolina tao amin ny Radio pirenena malagasy dia ny rnm izany dia efa nampilaza adiny iray mialoha fa efa feno hipoka ny toeran ka tsara raha mijanona any antrano ny olona.Ny zava niseho anefa dia ny mpivarotra billet aza mboma nisy tamin izay izany hoe ny toeran feno fa ny billet mbola misy amidy .Nihoatra lavitra ny toerana izany ny billet namidy ka maro no tsy tafiditra fa niandry teo ambavahady sy niahinohaino teo miandry ny fomba hidirana sady ny tena aminà billet rahateo.Raikitra ary ny tositosika , ny polisy mpitandro filamina ihany koa vitsy , ireo nanana billet tsy nanaiky raha tsy tafiditra dia vaky ny varavarana tery akaiky ny ste Famille varavarana avaratra izany d ny taty atsimo ihany kouh.(hitohy)
2. ravatorano ( 09/03/2005 11:42)
raikitra ny akisisika mahery vaika ka dia niafara tamin ny fifanosehana izany.Tao ireo nanana ny billet dia tao koa ireo izay miandry sambio vaky .
Efa nifanitsa kitro teny amin ny gradin ka dia nisy ny nidina tety ambanin ny gradin eo amin ny bozaka izay aorinan ny fefy fa tao koa ireo izay ninia nisisika ihany tery ambiony.
Nisy tamin ny maro no nanahy ny hihotsahan ilay gradin fa soa ihany fa Andriamanitra tsy tia ratsy.
Ny fiafaran izany fifanosehana izay moa dia maro ny naratra ary ankizy lahy kely roa no namoy ny ainy.
Iza ary np tena tompon andraikitra ?
Ny commune tompon ny Kianja sy nampanofa izany v ?
Ny ekipan i USJF Ravinala izay niandraikitra rehetra ny organisation v ?
ny federation v ? izay tojkony nanara maso
Ny minisitera v ? izay tokony nanara maso ihany kouh satria izy no mpiahy ilay taranja !
Ireo olona nifanisika v na dia efa fantatra aza fa efa feno b sy hipoka ao ?
Amin izao mantsy dia mifanilika andraikitra ny mpikarakara ary ny CAF moa dia nilaza mihitsy fa mila haingana ny rapport d 'enquete tamin iny voina niseho iny.Raha toa moa ka hafahafa na hoe tsy mahavaly izay tena tian ny CAF fantarina ilay rapport dia mety tsy hafaka handray lalao iraisam pirenena indray Mahamasina>
Enga anie tsy ho izany.

Farany ny vokatra aloha dia izao
Sabotsy 05 mars 2005 : USCAFOOT(MADA) 3 / soudan 1
coupe io
alahady 06.03.05 Kaiser chief 1 - usjf ravinala 0
champion ligues io
3. Ralay ( 09/03/2005 15:23)
Tena mampalahelo tokoa io zavatra io fa nahafoizana aina 2. Ny tompon'andraikitra amin'io aloha dia maro² ihany satria tokony efa ho voafetra mialoha ny isan'ny olona afaka miditra ao izany hoe ny isan'ny billet hamidy izany, noho izany dia izay nampanota ny billet no tompon'andraikitra voalohany. Tsy izay ihany anefa fa ny fédération koa dia tomponan'andraikitra satria izy no tokony hanara-maso ny fizotran'ny fikarakarana rehetra satria lalao iraisam-pirenena io.Eo ihany koa ny mpitandro ny filaminana ny ekipa mandray sns. Ny ankety no hamaritra izany rehetra izany fa tsy olona iray fa maro no ho voaroiroy @ io.
4. iartistika ( 09/03/2005 16:12)
Ny fahitako azy di izao!25000 ny toerana mipetraka zakan'i mahamasina,nefa ny tapakila hamidy mihoatran'ny 40000:midika zany fa misy fahadisoana hatrany am-bohaloany.Te ahazo vola betsaka fotsiny de manao zavatra tsy am-pieritreretana.Federasiona,sa klioba? Samy tomponandraikitra angamba.... :( :( :oops: :cry:
5. hery ( 09/03/2005 22:46)
Hitako ao amin'ny internet fa 47 hono farafahakeliny ny maty?
http://www.reporterassociati.org/index.php?option=news&task=viewarticle&sid=6306
6. ravatorano ( 10/03/2005 10:15)
hery>tena diso b io voalazan ny zareo reporter io.
Tsy haiko we taiza no nahazahoan dry zareo ny information io ary tena mahagaga tokoa.

Amin izao dia ny club manao match international eto Mahamasina dia miandraikitra tanteraka ny fanatanterahana ny lalao dia ny fampiantranoana ny tarika hifandandrina amin izany (hotely,sakafo,fiara,kianja hanaovana entrainement,ny fanotana ny billet ,ny agent de securité anatiny sy ivelany).
Ny USJF Ravinala izany no niandraikitra izany rehetra izany ary ny federation dia asa na mpanara maso na inn no toerana misy azy fa io moa rehefa misy ny voina dia miala daholo ny rehetra.
amiko dia fahadisoan ny tompon andraikitra tao amin ny Usjf ravinala nanao billet diso marobe loatra tsy nifanaraka tamin ny toerana misy hany ka niteraka fahoriana sy fahafatesana.
:oops: :cry: :cry:
7. ronaldo09 ( 12/03/2005 07:01)
Tena mampalahelo kosa izany ! Izaho aloha vao izao vao mahafantatra izany .Raha ny eritreritro fotsiny dia mety nisy ny risoriso nataon'ny organisateur amina fomba fivarotana billet satria efa billet lany daty no namidy toy ny tamin'ny fihaonan'i Zambie sy Madagasikara teo mahamasina ny taona 1998.Ny USJF aloha tsy meloka mihitsy amiko .
Ronaldo09 avy aty Russie
8. ravatorano ( 14/03/2005 07:41)
ronaldo09>ka ny usjf mihitsy no nivarotra ny billet , ny club mantsy izany fa tsy ny mpilalao fa ny mpiandraikitra ao amin ny ekipan i usjf no nivarotra ny billet.Hatramin izao aloha dia mbola miandry ny federation sy ny primature fa tena tsy maintsy mazava ny amin io satria namoizan olona roa.
Ny tena antony dia izao maro loatra ny billet namidy ka ny olona mahazo billet izany tsy hanaiky raha tsy tafiditra.Izany hoe ny billet betsaka nohon ny isan ny toerana.Faharoan izay dia izao indray ny securité toa anatao ambin javatra ihany satria amin ny lalao iraisam pirenena toy ireny dia tokony ho maro mpitandron ny filaminana nefa tamin io dia na ry zareo polisy tonga teny aza nilaza fa tena vitsy ry zareo.Ny usjf ravinala no niandraaikitra tanteraka ny fikarakarana io lalao io ka noho izany dia tsy afaka miala izy ary dia tompon andrikitra voalohany amin iny lalao iny>
Miandry ny fanadihadiana marina izika fa hevitra no avoitra eto moa fa ny fanjakana manana ny azy , toy izany koa ny federation izay tena mangina mihitsy amin izao , ary ny ekipan i usjf ravinala koa mbola manana ny ambarany.
9. ronaldo09 ( 19/03/2005 11:25)
Zay vao mazava amiko ,ka ny USJF izany no nanao fanahy iniana nivarotra billet mihoatra ny tokony ho izy mba hahazahoam-bola .Ny tokony ho fantatra aloha dia eo amin'ny 50000 spectateurs eo hoe raha tsy diso aho no zakan'ny Mahamasina ka tokony ho io isaio no ho isan'ny billets amidy na latsaka kokoa noho io aza satria misy ihany koa ny billets de faveur ho an'ny tomponandraikitra ,hafana mpilalao sns ....
Ny tiako ho fantatra fotsiny dia nisy ve ny fitoriana natao satria ankoatry ny aina nafoy dia eo koa ny zavatra simba .
10. iartistika ( 19/03/2005 19:37)
Ronaldo ah! 25000 place mipetraka ihany no zakan'io,mahamasina io,mahazo manontany ny tomponandraikitra ianao,fa zay no izy!Rehefa milalao ny ekipa nasionaly de feno na ny lalana aza tsy misy ao amn'io kianja io!Tokony ho jerena akaiky mihitsy ny momba an'io de ny mbola tsy misy loza! Aleo misoroka toy izay mitsabo
11. sonwin ( 19/03/2005 19:44)
Ny gasy kely vatana ka somary maivana. Raha ohatra izany ka 25000 place Mahamasina, mahazaka gasy 50000. Ny taxi be..firy place ny norme? nefa mahazaka gasy maro ao anatiny.Ny caclcul raha mietyn hoe 25000 olona no zakany, ny resistance zany mety hoe nokajiana olona iray au moins 80kg, dia ny gasy anefa 60, 70 , 50 , 35 aza ..mahazaka tsara zany Mahamasina
12. iartistika ( 20/03/2005 11:17)
ôtsaôtsan'izay fikajikajinao vinaninany zay no nahatonga ny loza tao mahamasina!efa zay ny norme dia ny hioa-pefy ihany 8O 8O
13. sonwin ( 21/03/2005 17:55)
Tena nampalahelo indray ny ekipa gasy tany Soudan tany an...kely sy bitika marina ny gasy ka vitavita ho azy ny sahala amin'ireny. Hevero ange fa raha tany Europe no nisy ohatr'ireny!! diskalifié ny advers..ny gasy toa tsy misy miraharaha mihitsy eo amin sehatra internatinal...mamplelo
14. ravatorano ( 22/03/2005 07:07)
ka ny mahatonga an io ry sonwin d izao tsy mbola mba nisy malagasy nanana toerana matanjaka teo anivon ny federation africaine de foot d tsy heverin dry zalahy mihitsy isika.
Voalaza aza fa tamin io lalao naharesy ny uscafoot tany soudan io dia nisy penalty anakiroa nomen ilay mpitsara ny soudanais ary d hita izany fa nisy ny fitongilanana teo amin ny lalao.Hisy sary moa avy any dia ho hita eo ary koa minadry ny fitoriana nataon ny malagasy any amin ny CAF isika sy ny vokatr izay ary inoana fa mba tokony hisy fanasaziana ihany na dia tao we aza sazy fotsiny aloha satria tena naratra mihitsy i Ranisy coach .
Momba ilay fitorina izay tokony natain ireo nanamajo teny Mahamasina ry ronaldo09 dia tsisy nanao izany eh ka iza no hotoriana ry ary iza nohandray andraikitra amin izay?
Hatramin izao aloha dia sady tsy mandroso no tsy mihemotra ilay enquete mikasika iny raharaha iny fa dia mihenahena eo ampovoan ny kianja eo ny baolina fa tsita izay mitazzona azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2105