Ezaka vitan'ny mpitondra: lanjalanjao ihany

1. xxx ( 09/03/2005 02:58)
- nofoanana ny ampahan'ny trosa. Ny tompom-bola no nanao izany satria misy fifanarahana tao: domiko tapany handoa erany.

- Novidiana sy kojakojaina lafo ny fiaramanidina: entina manenji-body

- Mitobaka ny vola samborina avy @ mpamatsy vola: trosa mbola aloa ireny fa tsy nomena maimai-poana. Mankaiza ny fampiasana azy?

- Vita ny lalana

  • Mankamin'ny faritra maro misy TIKO (fivarotana sy orinasa)
  • Tsenam-barotra ho an'ny ALMA: "fampandrosoana haingana ny orinasa TIKO"
  • Tsy natao ho amoaham-bokatry ny tantsaha izy ireny araka izany. Ny mankany Vakinankaratra aza angamba tiana hopotehina mba tsy hivoaka ao an-drenivohitra ny ronono vokarin'ny tantsaha


  • - Nofoanana ny haban-tseranana nahafahany nanafatra kojakoja: nitotongana avo 2 heny ny sandam-bola malagasy ka novaina ho ariary hanafinapenana an'izany.

    - Nafarana vary matsaboka avy any Thailande ary subventioner-na hamotehana sy hampidinana ny vidim-bokatry ny tantsaha

    Mandroso i Madagasikara rehefa tsy mihinana afa-tsy vary matsaboka sy mampiasa menaka mora mandry.

    novalian'i manjary ny 21/04/2005 10:44
    2. naritsimba ( 09/03/2005 10:25)
    Tsy ampiana tsy analana ireo voalaza ireo fa dia tena marina 100%.

    Inona no mety atao izany:
    FIDIO Pierrot RAJAONARIVELO @ 2007
    3. jjo ( 09/03/2005 10:44)
    xxx:

    - nofoanana ny ampahan'ny trosa. Ny tompom-bola no nanao izany satria misy fifanarahana tao: domiko tapany handoa erany.

    - Novidiana sy kojakojaina lafo ny fiaramanidina: entina manenji-body

    - Mitobaka ny vola samborina avy @ mpamatsy vola: trosa mbola aloa ireny fa tsy nomena maimai-poana. Mankaiza ny fampiasana azy?

    - Vita ny lalana

  • Mankamin'ny faritra maro misy TIKO (fivarotana sy orinasa)
  • Tsenam-barotra ho an'ny ALMA: "fampandrosoana haingana ny orinasa TIKO"
  • Tsy natao ho amoaham-bokatry ny tantsaha izy ireny araka izany. Ny mankany Vakinankaratra aza angamba tiana hopotehina mba tsy hivoaka ao an-drenivohitra ny ronono vokarin'ny tantsaha


  • - Nofoanana ny haban-tseranana nahafahany nanafatra kojakoja: nitotongana avo 2 heny ny sandam-bola malagasy ka novaina ho ariary hanafinapenana an'izany.

    - Nafarana vary matsaboka avy any Thailande ary subventioner-na hamotehana sy hampidinana ny vidim-bokatry ny tantsaha

    Mandroso i Madagasikara rehefa tsy mihinana afa-tsy vary matsaboka sy mampiasa menaka mora mandry.



    valiny :

    tsy hitan'ny masonao ve fa any ambanivohitra any de efa manomboka miova ny toetsaina, manomboka tsy miandriandry ny olona fa efa manana conviction hiasa? fa tsy ohatry ny taloha miandry fotsiny ohatra nareo tony, ary angaha moa ny faripianianareo eto andrenivohitra ihany no hojerena foana (nareo manana télé, chaine, radiocassette,frigo...auto)ka rehefa tsy afaka mampiodina ny aferanareo intsony ianareo @zao fotoana izao de mimenomenona, efa zatra ny lalandririnina, ankehitriny de mba anjaran'ny any ambanivohitra @ zay no mba manombika mividy radiocassette sns tsikelikely fa ny anareo aleo mijanona aloha , mazava ? raha ny Tiko no kianinao de efa mpanankarena hatry ny nahateo andry Tsiraka sy Zafy izy ka raha mitombo harena aza de izany no atao hoe Bonne Gestion fa tsy toy ny sté nareo vao mitsangana de maty na mitsipozipozy, mba alefaso lavitra ny saina e! ny critique anie tsy toa ny anao izao e! ny critique de ny manao zavatra tsaratsara ho hitan'ny olona fa tsy ny miboretaka mijery ny hafa mandroso fotsiny! Fa rehefa vendrana koa anie de ataon'ny olona fotsiny e! izany no midika hoe resy ! araraotin'ny olona fotsiny de ilaozany avy eo!
    ny caracteristique 'ny olona tsy batant mantsy de mijery sy mi critique ny olona manao zavatra fotsiny, ie de miboretaha eo foana e, izahay lasa, fangaha vitan'ny mimenomenona foana ny fiainana, fa tsy ny mampiseho hoe izahay koa mahavita zavatra rehefa manao (toy ny nataon'i Rossy nanamboatra grille ha ha!)

    4. ravatorano ( 09/03/2005 12:00)
    naritsimba>mbola tsy fanaovana propagandy kosa aloha izao eh sady ity forum ity tsy azo hanaovana izany ka ialako tsiny indrindra ary iangaviako ianao ranay mba tsy hamerina izao intsony fa tsy tohako ilay hoe hamafa ny hevitrao.
    jjo>xxx>samy misy fahamarinanany ny anareo rolahy
    ekeko0 fa efa ela i ravalo no nanana ary anisany nampanana azy ny fitondran i ratsiraka sy zafy fa nigalabona tamin ny tsy fandoavan ketra izy satria nahazo exoneration.Anontanio tsara ingahy ratsirahonana tamin izay mbola praim ireny.
    Izaho mahita fa misy ny vary fa tsy takatry ny vahoaka ka aleonay vahoaka mividy ny varin ny Magro izay fitonjato ariary ny kilao.Io vary io dia ny Magro irery no manao ampihimamba mizara azy io.
    Ny don Japonais ihany no mba misy grossiste hafa mamoaka azy ankoatran ny Magro.
    jjo>tsy azoko ilay lazainao hoe izahay lasa ?
    lasa mankaiza moa izao ity fitondrana ity ? any amin nnhy fampahatrana ny vahoaka v ? enao v mahita fa tena miadana tokoa nohon ny taloha ny vahoaka amin izao na eny ambanivohitra izany na ety andrenivohitra?
    Ny tenako dia matetika midina eny ambanivolo rehetra eny ary mandany fotoana maro mihitsy fa lazaiko anao fa any ambatondrazaka sy marovoay aza ani amin izao ka mividy vary amin ny kapoaka na vary thailandais nefa ireo no sompitr i Madagasikara eh.Inn no antony tsy manambola ny olona fa miakatra b ny vidim piainana ary tsy araky ny pokona tsony izany fiakarana izany.Efa mba miezaka miasa mafy .miasa tsara . miasa foana ihany ary tenamiasa fa ilay vali kasasarana toa tsy arak izay.
    Za faly raha mbola manakarena i ravalo fa mahay gestion zany ry zareo ary mba faly koa v ry zareo raha miha mahantra ny vahoaka fa tsy mahay gestion ny ekipan izao fitondrana izao ?
    asa kouh
    za aloha nifidy azy ireo satria nihevitra fa olom baovao hahay sy hitondra an i gasikara amin ny fiainana milamina kokoa , sady na ireny resak kabary reko elabe ireny d nahasarika ahy avokoa ka dia nifidy aho nefa atao ahoan moa eh fa izay no nataony
    5. iartistika ( 09/03/2005 17:07)
    Hay ve ry naritsimba mena eh!efa ireny ve no nampihinan'n..de mbola hiverina @ reny ndray!miverin-dalana nareo zany :-D :-D
    6. zakilinina ( 09/03/2005 20:42)
    Mino aho fa tsy hiverina amin'ny loany intsony ny vahoaka fa efa tsapany fa hadisoana be eo anoloan'ny tantara ireny zava-niseho tamin'ny fifidianana tamin'ny 1995 ireny.
    Mahay mitondra tokoa Ravalomanana saingy ny fitsinjovana ny lavitra no tena kapoakany : làlana, ady amin'ny tsolotra (bianco) sns. Afaka taona maro vao ho hita ny vokany. Indrisy anefa fa sarotra aminy ny hahafehy ny androanin'ny vahoaka toy ny resaka vidim-bary. Araka ny hevitrao ry xxx sy naritsimba, olon-dRavalomanana ve ireny mangoron-karena amin'ny fanafenana sy fampiakarana vidim-bary ireny ? Olona tia tanindrazana toa an-dRavalomanana ve ireny mpanangona vary mbola eny an-tanimbary ireny ka nanafina azy ireny ?
    Izaho akory tsy mpomba ny filoha ankehitriny saingy fantatro fa tsy misy afa tsy ny asa no ala-olana. Marina ny an'i jjo fa lany andro amin'ny tsikera tsy arahana soritr'asa sy ny fiboretahana ny andron'ny gasy sasany sy ny mpanohitra tsy matotra.
    7. intelligenzia ( 09/03/2005 22:08)
    ny fitsinjovana ny TIKO sy ankohonany no ataony;ny vahoaka maty naona. Ny tantsahan'i vakinankaratra mba te hivarotra ny vokany ao Tana aza voateritery sy voasakana, koa ny lalana tompoko dia tsy natao amoaham-bokatry ny tantsaha fa misy tombontsoa manokana ao.

    afaka taona maro vao maika miha mivesatra ny trosa samboriny izay lany @ tsy mazava ny firenena

    ny androanin'ny vahoaka toy ny vidim-bary dia izy mihitsy no fototr'io olana io! MAGRO manao monopole ny fanafarana vary, omena subvention, sns...Asio fahalalahana dia ho hitantsika fa afaka ho azy io.
    Fanampin'izay nataony ny detaxation ka nampihen-danja ny Fmg, aza hadino fa niakatra be daholo ny vidin-tsakafo fa tsy ny vary ihany.

    Naritsimba> Matoa tsikeraina ravalo dia ratsy ny ataony [de mauvaise foi]. Aza very fotoana @ fanohanana olon-dratsy sady efa hita ny nataony. Ny ho avin'ny tenanao sy ny firenenao jerena!






    8. naritsimba ( 10/03/2005 06:28)
    Ny ahy dia izao mazava ny hevitro, iRajaonarivelo aloha no nilaza hilatsaka hatramin'izao de tohanako, raha misy hafa milaza hilatsaka eo dia anjarako no misafidy, raha milatsaka i pasitera Maiholl de tsy olana fa ny hifidy Ravalomanana dia sanatria amiko.
    Tsy hanohana mpitondra jadona mihitsy ny tenako.
    Ravalomanana = Mpanao Jadona.
    Misaotra
    9. poety ( 10/03/2005 06:48)
    o ra naritsimba ra naritsimba
    amboary ty saina fa misy simba
    ra am ravalo sy jaonarivelo
    aleo tsy mifidy, mampalaelo

    sanatriavin'ny vava ladinin'ny lela
    ny hifidy arema, nanimba hatry ny ela
    ny TIM koa tsy atao hita tabilao
    mpameno paosy sy mpitoraka bilao

    maro ny sangany sy tia firenena
    f'aza tery saina am le menamena

    "Aleo hono mifidy ny efa mpanakarena fa ireny ... na mangalatra aza tsy maninona" :-D :-D :-D

    "Aleo mifidy ny mahantra mba hampitombo ny haren'ny tsy manana"
    10. naritsimba ( 10/03/2005 07:05)
    poety> misaotra e!
    rehefa tsy mifidy Ravalo de izay ange no ilaiko e!
    11. mandrindra ( 10/03/2005 09:28)
    Hoy i Naritsimba : "rehefa tsy mifidy Ravalo de izay ange no ilaiko e! ". Efa io ihany anie ny hadisoana tamin'ny 2002 e, ny tsy fitiavana an'i Ratsiraka fotsiny no nifidianana an'i Ravalomanana. Aleo mba mihamatotra e, mba jereo aloha hoe inona no drafitrasa sy soridalana atolotr'izay te hihazakazaka hitondra firenena dia tsy hoe izay tsara indrindra intsony aza no jerena satria aloha raha amiko dia mbola tsisy mazava, fa fidio kosa izay mety tsy handetika be indrindra, ireo izay vonona ny hiasa ka tsy hilaza isaky ny tsy mety hoe vokatry ny hadisoana taloha daholo izao rehetra izao.
    12. naritsimba ( 10/03/2005 09:49)
    hita @ izao ange fa am-bava fotsiny ny an-dra8 ny fivavahana fa ny ao ambadika hangoro-karena.
    Aleo atao isan-taona ny fifidianana de hita eo izay tsy mahavita azy.

    Ary mahatsapa ihany kay i hoe:
    Efa io ihany anie ny hadisoana tamin'ny 2002 e, ny tsy fitiavana an'i Ratsiraka fotsiny no nifidianana an'i Ravalomanana. Aleo mba mihamatotra e, mba jereo aloha hoe inona no drafitrasa sy soridalana atolotr'izay te hihazakazaka hitondra firenena dia tsy hoe izay tsara indrindra intsony aza no jerena satria aloha raha amiko dia mbola tsisy mazava, fa fidio kosa izay mety tsy handetika be indrindra, ireo izay vonona ny hiasa ka tsy hilaza isaky ny tsy mety hoe vokatry ny hadisoana taloha daholo izao rehetra izao.

    Hita amin'izao fa tsy manana drafitra mazava itondrana firenena i Ra8, ray i ihany no mbola milaza fa mandetika i Ra8, fa tadiavo izay tsy mandetika be indrindra.

    Mahagaga ahy i fa atsy @ fanapahana karama izy miaro an'i Ra8, ato indray dia mamely Ra8.

    Io mivadibadika tsy ampy minitra vitsy io le tana mahavoa antsika.

    Mahaiza mifidy @ manaraka.
    13. mandrindra ( 10/03/2005 10:00)
    Izaho indray aloha dia tsy hoe manohana an'izatsy na izaroa. Rehefa misy tsy mety dia lazaiko na iza na iza. Raha mamaky tsara ianao ry naritsimba dia tsy niresaka fanapahana karama aho, ny tsy ekeko sy ny tsy tiako dia ny fitokonana na iza mitondra eo na iza.
    Mahaiza mifidy amin'ny manaraka hoy ianao, izaho tsy mifidy olona fa manohana hevitra. Io olona io tsy voatery hoe mety daholo ny ataony na diso daholo. Rehefa tsy mety dia lazaiko hoe tsy mety ary rehefa diso dia lazaiko hoe diso. Izay no mahavoa antsika mantsy tsy mandanjalanja fa na mpanohitra na mpanohana. Dia rehefa mpanohitra dia toherina daholo izay lazain'ny mpitondra. Rehefa mpanohina dia ekena daholo izao rehetra izao.
    14. naritsimba ( 10/03/2005 10:43)
    mandrindra> izay aloha ny zava-misy eto na i Ra8 aza dia eken'ise fa miala bala @ filazana hoe ny nataon'ny teo aloha.
    Hita izao fa tsy mety ny ataon-dra8 ange eh! ary miharihary ohatry ny kary am-pamoloana, ary ny fanaovana pôlitika eto dia tsy miova, ny antony dia tsotra ra8 tsy te hahalala na ara-dalana na tsy ara-dalana fa tsy maintsy izay tiany no atao, ary teniny no nilaza fa tsy mila mihaino mpanohitra izy, izany ve tsy maniraka hoe: rehefa mpanohitra dia manohera, fa tsy hiraharaha anareo, satria izy mpitondra no mampirisika ny mpanohitra tsy hijery afa-tsy ny ratsy vitany, sady ny ratsy koa aloha no betsaka vita noho ny tsara eh!
    15. xxx ( 10/03/2005 11:38)
    Za kosa alou ry naritsimba tsy mba hifidy pierrot zany mihintsy a ! Ko raha tsy tôtô za kou. Ekeko we betsaka ny zavatra tsy mande eto @zao fa raha zany hifidy arema zany kosa k'lou de ! e e e ! aleoko mifidy an'le sakanay ao antrano ao
    Zay fa mba ampiasao ihany ny loha fa tsy asina volo fotsiny e ! nga de tsy mba misy oul hafa ankoatran'ireo mitsy e !
    16. naritsimba ( 10/03/2005 11:53)
    xxx> io aloha no hita sy nitonona hilatsaka fa miandry ny hafa hirotsaka mba hisafidianana.
    rehefa tena tsy misy ary fa Ra8 sy Pierrot no eo de iza no fidina?
    17. xxx ( 10/03/2005 12:03)
    i naritsimba nga tsy hilatsaka e ?? hofidiny namana manko fa toa.... :-D :-D
    18. naritsimba ( 10/03/2005 12:07)
    xxx> raha manana 100 millions zà harotsaka @ fifidianana de aleoko anampiana ny tsy manana, sy hanampiana ny hetsika ataon'ny Fikambanana namana tahaka ny efa fanaonay hatramin'izay.
    "Manampy ny namana tsy manana".

    tsiky dia ampy :D
    19. mandrindra ( 10/03/2005 12:19)
    Hoy i Naritsimba :"sady ny ratsy koa aloha no betsaka vita noho ny tsara eh!". Ekeko mihitsy io, fa na dia tsy tambo hisaina aza ny ratsy rehefa misy zavatra tsara dia ekeo hoe tsara e. Tsy ny fanekena ilay tsara kely vitany akory no hoe mbola hifidianana azy amin'ny manaraka fa io dia filazana ny marina mandrakariva.
    20. naritsimba ( 10/03/2005 12:55)
    mandrindra> dikan'izany @ ise dia tokony ho ny tsara ihany no lazaina? tsy maintsy lazaina daholo ny tsara sy ny ratsy ary izay betsaka no voateny matetika dia ny ratsy vitany.
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877