Ezaka vitan'ny mpitondra: lanjalanjao ihany

21. mamamia ( 10/03/2005 13:33)
naritsimba:

mandrindra> dikan'izany @ ise dia tokony ho ny tsara ihany no lazaina? tsy maintsy lazaina daholo ny tsara sy ny ratsy ary izay betsaka no voateny matetika dia ny ratsy vitany.


Ingahy kosa angamba le very fihinanana tam andron'ny deba e! mba fantatr'ingahy mou firy ny olona matin'iny, sy ny harena nangoniny???
22. cheboman ( 10/03/2005 19:27)
:-D :-D :-D
very fihinanana tam andron ny deba marina ngamba le zalahy io: lay manao hoe atoavy grevy lava reny ray ol fa zahay anangona entana avy eo mampiasa ny madinika mivarotra risoriso eny amorondalana, bizina doly io manambola doly ny ol hono
23. naritsimba ( 11/03/2005 09:46)
Tsy sanatria very fihinana akory ary tsy niray vilia taminy mihitsy sady tsy mitady tombotsoa manokana ihany koa fa efa hita izao fa tsy manjary ny fitondrana, ary tsy hiray vilia @ mpitondra manao ny tsy mety raha ny tenako ary tsy hanao "Avocat du diable ihany koa toa anareo mpanohana izao fitondrana izao ka milaza fa mandroso ny firenena ary tsara ny ataon'ny mpitondra, ny fampahoriana vahoaka ve? no lazainareo fa mety e? Ohatran'izao ihany ange no antony nanonganana ny teo aloha eh!

MANOMEZA ARY IANAREO LALANA HAFA AHAFAHANA MANERY NY MPITONDRA ANKOATRAN'NY FITOKONANA KA HANEKEN'IZY IREO HANATSARA NY FIAINAM-BAHOAKA AMIN'NY LAFINY REHETRA EH!

Asaina manara-dalana ny vahoaka fa izy tsy mara-dalàna, izay no zava-misy marina.
Asaina mandoa hetra ny vahoaka fa ny TIKO mahazo DETAXATION!

Misaotra anareo e!
24. mandrindra ( 11/03/2005 10:36)
naritsimba:

mandrindra> dikan'izany @ ise dia tokony ho ny tsara ihany no lazaina? tsy maintsy lazaina daholo ny tsara sy ny ratsy ary izay betsaka no voateny matetika dia ny ratsy vitany.

Tsy nilaza aho hoe tokony ho ny tsara ihany no lazaina fa lazao daholo izay zavabitanay na tsara na ratsy. Ny kely tsara izay vitany rehefa miala izy dia tohizana fa tsy hoe ho potehintsika daholo dia hanangana vaovao isika.
Misy ny tsara ary misy ny ratsy, avy anjaran'ny tsirairay no mandanjalanja hoe mitongilana aiza ny mizana. Fa tsy mivazavaza hoa hoe izaho mpanohitra dia ratsy daholo izay nataon(ireo toheriko.
25. ravatorano ( 11/03/2005 10:54)
za mino fa naritsimba tsy very fihinanana tamin ny andron i deba.Izay mitsqavalo v zany dia olona veikera an i ry fihinanana dhl tamin ny andron i deba ary raha tsy lany eo i ravalo amin ny fifidianana 2007 ka hisy hitondra eo ka tsy mifanaraka na mba manakolazaina i cheboman d ho lazaiana fa very fihinanana tamin ny andro dravalo v
ntssssss
mba ataovy ady hevitra milay fa raha izay tena :-D b
26. lyndah ( 11/03/2005 13:38)
Ny hevutry Naritsimba sy xxx aloha dia tohanako eh!
za aloha, Ra-8 teo, fa mijaly ny havako any Dago eh!
mampalehelo ahy ange nareo eh!
ny nantenaina hanirina indray no nampivandravandra!
za zao mba te hieritreritra hoe hiverina any dia mba hanao zavatra nefa matahotra sao voan'ny nahazo andryu Andry TGV, tsy fantatro aloha zay fifandraisandry zareo any ambadika fa mampalahelo eh!
matahotra satria atahorandry zareo fa hihoatra azy eh!
nefa ange zahay aty mba te hanao zavatra mafy eh any eh!
mba hanampiana ny vahoaka fa mijaly!

nofiko hono, mba manangana société dia mba actionnaires ao daholo ilay gays namako mahantra rehetra miasa ao eh?

za ange r'ireto malahelo eh!

aiza koa ny karama efa kely mbola tapana, mody tapenana @ zay lalana fotsiny ny olona, nefa au profitndry zalahy ao ambony ao daholo!

za ange, t@ ireny tolona 2002 ireny no nahafoizako ny reniko tany Madagasikara!
mba mpanohana ahy teo fa kivy eh!

za aty lavitra aty aza kivy , vao mainka ny havako any?

27. lyndah ( 11/03/2005 13:41)
ny gasy namakp fa tsy gays! azafady eh!
28. Tanala ( 11/03/2005 14:53)
Ao tsara le fitanisana fa ampy lay fanazavana :D
- nofoanana ny ampahan\'ny trosa. Ny tompom-bola no nanao izany satria misy fifanarahana tao \"le fifanarahana de natao satria hafampo hono ny fampiasana ny vola ny tompony\": domiko tapany handoa erany\" ity erany ty no vola ho entina hampandroso atsy ho atsy\".

- Novidiana sy kojakojaina lafo ny fiaramanidina\" ary koa nosoina ny mpintantana ny Air Mad mba hampiram-bola fa tsy handanina vola\": entina manenji-body \"pourquoi pas hoan\'izay tsy de manana vady tsara\".

- Mitobaka ny vola samborina avy @ mpamatsy vola \"mbola noho ny fahitany ny mpamatsy vola hoe misy asa mitsangana, fa tsy nozaraina tamin\'ny namana sy fianaviana\" : trosa mbola aloa ireny fa tsy nomena maimai-poana\" tsisy olona mampitsosa olona fantatra fa tsy hando vola :lol: \". Mankaiza ny fampiasana azy? \"mazava hoazy fa ny olona tsy mijery afa-tsy tsy ny tombotsony de tsy mahita hoe zava-dehibe hoe ny mahantra ny lavoara iray sy efi-trano fianarana ary ny fitaovanam-pianarana mitsangana ao @ fokotaniny, manetsembatsembana azy reo ra sao lasa mahay manoratra mety lasa any @ sisiny Mcar ny barrage ecominique @ manaraka\"

- Vita ny lalana \" ary mbola misy hovitaina\"

  • Mankamin\'ny faritra maro misy TIKO\" ka nanjary betsaka ny Malagasy nahita asa t@ faritra maro fa tsy ao Tana ihany\"(fivarotana sy orinasa \"ary vokatra ho any vahoka\")
    Tsenam-barotra ho an\'ny ALMA\" mbola asa niforona koa ireny ho any ny tsy an\'asa\": \"fampandrosoana haingana ny orinasa TIKO\" sy toerana misy azy.
  • Tsy natao ho amoaham-bokatry ny tantsaha izy ireny araka izany\" na dia mitondra fampandrosona kely ho any lay tanana andalovana aza satria tsy manana tomobila ny tatsaha e tsy misy vola e\". Ny mankany Vakinankaratra aza angamba tiana hopotehina (amin\'izay taterina @ avion ny yaourt vokarina ao)mba tsy hivoaka ao an-drenivohitra ny ronono vokarin\'ny tantsaha \"fa yaourt no ilany ny ao an-drenivohitra\"


  • - Nofoanana ny haban-tseranana ( ka lasa nanana TV sy RAdio daholo io adala sy hendry rehetra io tsy hitantaraina lainga intsony @ fifidianana manaraka) nahafahany ( izy sy reo orin\'asa mpanao lalana) nanafatra kojakoja: nitotongana avo 2 heny ny sandam-bola malagasy (satria reo mpanao affaire tsy an\'inona tsy an\'inona rehetra koa mba nanafantatra io entana rehetra io satria ny TV sy Radio efa be mpanana loatra)ka novaina ho ariary hanafinapenana an\'izany ( satria tsy zana-tana frantsay ny gasy akory fa ampiasana Francs, tsy milay le ariary fa hotran\'ny tambanivohitra no mampiasa vola @ teny gasy tsisy hambakaina intsony rehefa mividy ny vokatra ny tatsaha:-D ).

    - Nafarana vary matsaboka avy any Thailande ( satria nafeninireo tsy mataho tody ny vary vokatra teo an-toerana mba amidy rehfa lafo ny vary)ary subventioner-na hamotehana sy hampidinana ny vidim-bokatry ny tantsaha (indrindra fa ireo le tsy mata tody mpihatoka vary ireo manararao-paty cyclone mantsy e)

    Mandroso i Madagasikara rehefa tsy mihinana afa-tsy vary matsaboka sy mampiasa menaka mora mandry (ary tetehana ho korontanina satria nona ,aleo fa tohananay ny cyclone tsy hiditra rehefa lany ho mpitondra izahay). Ary rehefa tsy misy antokona intsony ireo mahitahita sy mpanao politika diso fanantena
    ;-)
    29. cheboman ( 11/03/2005 14:57)
    ravatorano>

    ao amin'lay hevitra mandeha Fanapahana karama misy valin-tenin'i naritsimba 10-03-2005 13:35:42 manao hoe: rehefa misy grevy dia mandeha ny bizina dia mahita vola foana ny oll: tamin'ny andron'i deba no nampalaza an'izany... asa mety aminao ve izany fomba fisainana izany? izany ve no mety ampisondrotra an'i Madagasikara sy hanafaka ny vahoaka madinika amin'ny fahasahiranana?

    etsy ambony kely etsy amin'ity hevitra ity koa misy valiteniny 09-03-2005 13:25:42 FIDIO Pierrot RAJAONARIVELO @ 2007 (sady nataony mivandravandra gras be :lol: ): fa io ve tsy efa mpiara-miosina nihinana volam-bahoaka tamin'ny andron'i deba koa?

    angamba ny zaza vao mianatra manao vahaolana valiny asamarika any amin'ny ambaratonga voalohany ary dia efa afaka manatsaoka hevitra avy amin'ireo fa very bizina tamin'ny andron'ny taloha izany
    30. Briann ( 15/03/2005 12:26)
    Miarahaba anareo rehetra. Vao izao antoandro izao aho no tafiditra ato @ ity forum ity, ka mba namaky ny adihevitra nandeha momba ny ezaka vitan'ny mpitondra sy ny resaka fitokonana.
    Ireo aloha no voajeriko sady nanintona ahy.
    Ka izao no hevitro, ary tonga de ny an'i Lyndah no raisiko: amiko de resabe izany hoe te-hanao zavatra aty izany nareo any fa matahotra. Manàna hazon-damosina, fa rehefa capable sy manam-pinoana ianao tsy maintsy tafita. Tsy no ronono sy menaka na pub ihany no bizna azo atao, raha tena manakatra lavitra nareo. Tena nampalahelo ny nahazo an'i Andry TGV, ekena. Fa tsy voatery hifori-drambo sy himenomenona fotsiny ny rehetra. Aminay aty Dago, nareo any an-dafy de manana fahaizana ambony kalitao noho ny tsy mba nivoaka teto, ka aza afantoka @ négatif ny eritreritra, fa mahaiza mi-exploiter domaines hafa. Izany no andrasana aminareo: manome ohatra @ fahaizana mi-exploiter ressources. Tena "hanampiana ny vahoaka fa mijaly" marina ve no ao an-dohanao sa mba firesaka fotsiny. Mba tiako ho heno izao hoe inona ohatra le zavatra eritreretinao hatao "hanampiana ny vahoaka fa mijaly".

    Lasan'ny Tiko ny fizarana vary? Tsy koua. Za mino fa raha tsy izay io, de izay ampaham-bary amidin'ny Tiko ihany no ho hita eny an-tsena, fa ny ankamaroan'ny mpivarotra hafa eo samy hanitsoka ny azy. Efa ny Tiko aza no mizara azy, mbola misy épicier mahasahy manafina ihany fa tsy mivarotra, na mampifangaro @ vary hafa de amidy 7000 na 8000 indray. Mahatsiravina le mifampitsetsitra. De Ra8 no mahazo tsiny hoe tsy hita akory le vary. Ze ho ana aloh. Monopole "aloha" no mahamety ny vary satria tia kely daholo ny mpivarotra aty an-tanàna.

    lyndah:

    Ny hevutry Naritsimba sy xxx aloha dia tohanako eh!
    za aloha, Ra-8 teo, fa mijaly ny havako any Dago eh!
    mampalehelo ahy ange nareo eh!
    ny nantenaina hanirina indray no nampivandravandra!
    za zao mba te hieritreritra hoe hiverina any dia mba hanao zavatra nefa matahotra sao voan'ny nahazo andryu Andry TGV, tsy fantatro aloha zay fifandraisandry zareo any ambadika fa mampalahelo eh!
    matahotra satria atahorandry zareo fa hihoatra azy eh!
    nefa ange zahay aty mba te hanao zavatra mafy eh any eh!
    mba hanampiana ny vahoaka fa mijaly!

    nofiko hono, mba manangana société dia mba actionnaires ao daholo ilay gays namako mahantra rehetra miasa ao eh?

    za ange r'ireto malahelo eh!

    aiza koa ny karama efa kely mbola tapana, mody tapenana @ zay lalana fotsiny ny olona, nefa au profitndry zalahy ao ambony ao daholo!

    za ange, t@ ireny tolona 2002 ireny no nahafoizako ny reniko tany Madagasikara!
    mba mpanohana ahy teo fa kivy eh!

    za aty lavitra aty aza kivy , vao mainka ny havako any?





    31. myary ( 18/04/2005 20:19)
    Raha arakin\'ny valintenin\'ny tsirairay avy eto dia saika sahala mitovitovy avokoa , satria saika fanankinana be rano fotsiny hatrany no hita . Inona no anton\'izany : voalohany indrindra aloha dia ny toe-tsaina mihintsy no efa voa tateraka amin-tsika malagasy , satria matetika saika ny fanakianana no betsaka nohon\'ny fitondrana vahaolana , ary matetika dia matetika ireny be fanankianana ireny matetika dia poak\'aty ny hevitra entiny rehefa hanontaniana izy ny @ izay vahaolana andrasana aminy sady tsy mahatafavoaka zavatra satria efa zatra ny nivelombelona mora t@ alalan\'ny afera hatrizay ka rehefa tapaka ny kapoaka na mandeha @ lalana tokony hitondrana azy ny mpitarika dia midrikina @ hevidisony hatrany ka mihinana ambolony hatrany ny zavamiseho fa tsy mahataka-davitra @ fisaina .Tsy homena tsiny satria 30 taona kosa no nivolavolana izany toe -tsaina izany , fandresena lehibe hoan-dRatsiraka io satria , ankehitriny ny malagasy dia tsy afaka mamakafaka halavitra intsony ka tsy mahita afatsy ny ambany masony , sady lasa kamo no tsy mieritreritra lavitra .AIza moa ka mbola misy mirediredy ihany hoe Fidio PIERROT @ 2007. io olona milaza an\'io angamba efa nahita fa tsy hihindram-bola @ any ivelany intsony, sns;;;;;
    Tsy mbola nisy firenena taty @ andalampandrosoana tsy nihindram-bola t@ mpamatsy vola izany , fa maninona moa rehefa ny mpitondra @ izao fotoana no mihindrana dia kianina fa maninona ny taloha no tsy hasiana resaka ? raha mba olona misaina sy mieritreritra isika dia tokony hisaotra satria voafafa ny trosa izay nalain\'ny teo aloha izay tsy nentina nampandrosoana ny firenena akory fa nentina namenona ny paosy.Raha ny resaka fiankaran\'ny vary sy ny hoe fiankaran\'ny vidin-dasantsy no hilazana fa tsy misy ny fandrosoana dia angamba hoy aho hoe tena fahadisoan-kevitra be mihintsy , marina fa mampalahelo tokoa ny vahoaka @ fahalafosan\'ny fiainana , kanefa tsy azo lazaina ihany koa anie hoe avy @ mpitondra irery ihany ny mahalafo izany fiainana izany fa avy amintsika indrindra indrindra ,hiverina @ ilay teniko teny aloha aho hoe ilay toe-tsaina efa simba , vao misy fiovana kely na misy fisehoan-javatra dia ny manafina entana aloha no vaindohan-draharaha , mba ahafahana mandafo azy ho lafolafo kokoa rehefa be ny mpitady avy eo, ary dia io toetsaina io indrindra no tena anisan\'ny mahatonga ny fiainana lafo @ izao fotoana izao, vao hoe nidina hono ny vola gasy dia miraka manafina entana daholo ny rehetra mba hivarotana ny entana @ sadan\'ny vola vaovao ka aiza moa no hampandeha ny fiainana raha toa hanao izany daholo ny mpivarotra rehetra , ary tsy azo hafenina izany fa manao izany avokoa ny rehetra , ny olona ihany anie voalaohany indrindra no mifamono e!ary ilay mpanjifa dia tsy manenjika ireo mpampiakatra vidin\'entana fa ny fanjakana ihany no fantany.
    Raha toe-tsaina simba tao anatin\'ny 30 taona tsy ho avotra vetivety ary tsy ny mpitondra mihintsy no hananmboatra azy fa ny ezaky ny tsirairay ihany.
    Ka hoy aho hoe amboary tsara aloha ny toe-tsainao afaka mamakafaka sy mandinika dia manankiàna @ izay avy eo, ary mitondrà vahaolana
    32. xxx ( 20/04/2005 20:33)
    Tena tapenana tay mihitsy ve nareo hifidy an'i Pierrot. Aza mba mihemotra ry ireto fa mba misondrota amin'izay a tsy aleo indray tamin'ny colonisation oty izay oe ny piara-niasa @ Ratsiraka no hitondra eo??? :evil: :evil:
    33. manjary ( 21/04/2005 10:44)
    Fa ambanivohitra taiza no nalehan-drangahy?
    Tsy hitanao ve ny fijalian'ny olona @ resaka dahalo any? aiza ny fampanatenana hanafoanana ny dahalo t@ fifidianana.
    Izao indray mamono olona (mpianatra) toy ny nataon-dratsiraka ihany, nefa nandefasana miaramila teo @ 13 mai, niantso tody.
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1079