inona ny handrasanareo @ fitondrana

1. Tanala ( 05/03/2005 12:36)
Hafahafa mihitsy ny zava miseho ankehitriny toa mihamaro ny mpanao politika manohitra.
Io ny ahy no zavatra nandrasako, ra izaho aloha de tsy hino mihitsy hoe fitiava-tanindrazana sy fitsinjovana ny mahatra no mampikorotana reo e. Nofy zany fika ny zatra mpinono fotsiny ihany fantatsika daholo reo mpanao politika reo. Vodaka tao @ fitondra reo ary saina tonga sady manontan-tena hoe fa iza ary no homena toerana e. Ny chef de region toa olana tsy ay tsy ay.
Mba tokony hianatra hihary amin ny heriny tena @ zay e ry gasy havako o. TSy rehefa mahazo toerana daholo akory reo de handroso ny gasy.
Fa mbola tsy ampy ny hezaka mbola betsaka ny olona tokony ho dakana an`ivony ny sehatra maro. Mba hiarihary @ zay ireo nisotrotra t@ fahatrana sy reo mihinana zay nisasarany.
novalian'i Tanala ny 16/03/2005 17:50
2. intelligenzia ( 05/03/2005 13:33)
Tanala>
izaho tsy manohitra mba haka seza na hanome seza olona fa mitsikera mba ahatonga fahatsarana, ary anatra ho an'izay mifandimby eo amin'ny fitondrana.

Rehefa lasan'i TIKO daholo angamba i madagasikara iray manontolo, ary tsy misakafo ny vahoaka rehetra vao ho tonga saina ianao fa tsy tokony avela hanao am-pihimamba ny mpitondra ankehitriny.
3. Lejim ( 06/03/2005 03:45)
Izay ny anao tanala. :-D
4. rixes ( 08/03/2005 10:20)
ny fijeriko ny fitondrana amin'izao aloha de tsy hitako izay mahasamihafa ny fitondrana taloha sy ny amin'izao ny anakiray taloha fotsiny angamba no jamba de ilay vaovao amin'izao mahiratra , atao daholo ty na BIANCO na ny zavatra hafa izao , nga zany endrasan'i olona fa ny vary lasa mora miditra any anatin'i vavany , tsy mamely e! :-D
5. lyndah ( 11/03/2005 13:44)
Zao ange eh!
tsy ilay resaka seza ny ahy no tsindriako ry Tanala fa ianao milaza fa tokony hianina @ herin'ny tenenay ny olona!
za ange mba te hi-debr mafy eh!
fa matahotra, matahotra ny ditctateur-nareo vaovao ao eh satria raha mba te hanao zavatra dia sintonina midina @ zao fika rehetra zao, nefa ry zalahy migalabona daholo!
tandremo fa sao lasa fananan'ny olon-tokana i Madagasikara eh?
antsika rehetra io!
samy te hampandroso an'io daholo anie?
fa senadrn'izay olona tia tena!
6. lyndah ( 11/03/2005 13:47)
Marina ny an'i Rixes!
ny problem voalohany any amintsika anie di any vary eh!
zay mba hohanina kely eo!
mody tempenana @ zay lalana fotsiny!
inona zao ny vitan'io?afaka mitety an'i Madagasikara ny produit TIKO?
fa ilay gasy kely avela tsy hihinan-kanina eo!
Za ny tso azoko, maheno hoe, foana ny trosa ary, foana ny ary!

fa aiza ihany eh!

7. Tanala ( 11/03/2005 13:58)
intelligenzia mino aho fa olona intelligent ianao,
- tsy hoe rehefa mandroso akory Tiko de mihembotra Mcar, fantaro fa raha mandroso ny orinasa de tombotson\'ny tompony ary koa ny mpiasa, mazava ho azy fa raha misy Tiko eran\'i Mcar de misy asa miforona ho an\'ny gasy koa. Entanina ny mpanam-bola mba hanao toa ny Tiko, satria tsy mande intsony affaire mangalangalatra madinidinika.
Lazao ary hoe inona ny tombon-tsoa azon\'ny gasy ra nahondrana an-tsokosoko ny harena rehetra misy sy novidina bôjo ny orin\'asam-panjakana ary novonoina izay nahita fianarana tsy nanaiky hiraitsikombakomba sy nomena vola ny kely fisainana mba hiaravon-toerana.
N\'iza n\'iza filoha ao @ tany andalam-pandrosoana tsy maintsy hanao zay hampanakarena azy izy fa ra mitondra fampandrosoana inona no olana.
- ny faharoa de ty, ra te hihinana vary mora ny gasy de mila mamokatra vary hohaniny. Tsy ny banque mondiale velively akory no hanome vola ho an\'ny gasy hampihenana ny vidiny ny vary importerny toy ny natao teo aloha, ra hamokarana vary de manaiky izy hanome vola, fampandrosona maharitra zany e. Vokatry ny cyclone no mahatonga izao crisem-bary zao.
Sao ianao hanao toy lay manao politika iray hoe maninona ra manambotra vola be de be de zaraina ho ny gasy. Tadidio fa ny antsasa-manila ny gasy no mitady fandriana hatorina rehefa voky.
Hono izany ra tena mitsinjo an\'ny mahantra ny mpanao politika ka manana vola hanaovana mada raid tokony hanentana ny vahoaka hamoka-bary izy fa ho lany izy fididiana manaraka ra manao izany za izao no hividy izay mpanao politika sahy manao an\'io.
8. mandrindra ( 14/03/2005 11:37)
Hoy Tanala : "Entanina ny mpanam-bola mba hanao toa ny Tiko, satria tsy mande intsony affaire mangalangalatra madinidinika."
Aiza ilay fanentanana nataon'ny fanjakana?

Hoy Tanala :"N'iza n'iza filoha ao @ tany andalam-pandrosoana tsy maintsy hanao zay hampanakarena azy izy fa ra mitondra fampandrosoana inona no olana."
Aiza ilay famapandrosoana ?

Hoy Tanala : "ra te hihinana vary mora ny gasy de mila mamokatra vary hohaniny"
Ny dikan'izany ve hadisoan'ny vahoaka, raha ny marimarina kokoa izany ny tantsaha, raha nitombo be toy izao ny vidimbary?
9. naritsimba ( 14/03/2005 12:31)
Ny ahy ny tena andrasako @ mpitondra dia ny manao izay hampiadanana ny vahoaka entiny @ lafiny rehetra, ka tsy hampisy elanelany eo @ mpitondra sy ny entina.
10. Tanala ( 16/03/2005 17:50)
Inona le elanelana ataon'ny mpitondra Ranaritsimba?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5641