Havambady

1. vegas ( 01/03/2005 17:08)
Betsaka ny manilikilika ny havambady rehefa maty ilay vady. Ahoana ny hevitrareo?
novalian'i fijo ny 24/03/2005 23:34
2. fijo ( 01/03/2005 21:28)
mampalahelo fa dia marina izany.atao ahoana fa dia izay e
3. dadabe ( 02/03/2005 04:43)
angamba izy mieritreritra fa hoe rehefa maty dia tokony hosoloina ,dia tokony ho vita hatreo ny @ilay taloha ,hhmmmm 8)
4. moi ( 02/03/2005 05:17)
Miankina amin'ny fifandraisana fony fahavelona io. Raha mifandray be ianareo sy ny havambady, na maty aza ny iray dia inoako fa tsy mampiova inona. Fa raha tsy dia mifankahazo loatra dia zara aza lasa ilay niraisana sanatria !!
Raha tanora koa no maty vady, dia mihevitra ilay havambady fa mbola hanambady indray ilay olona, dia manomboka mangatsiatsiaka ny fifandraisana.
5. dadabe ( 02/03/2005 12:33)
ekena
6. fijo ( 02/03/2005 23:33)
ka homangana eo kosa ary ve le
7. jhouhlambout ( 03/03/2005 07:14)
8. ravatorano ( 03/03/2005 11:49)
io d araky ny voalazan i moi raha somary nisy gidraka ihany taloha ka mety tsy nampifakahazo loatra dia mety ny havambady mihitsy no tsy hiray aman ny tena d tonga koa ilay resaka hoe zara aza fa efa lasa ilay niraisana ......tena resaka mitombina io fa tsy sanatriavina.Io na amin ireo iray tampo mifanapa tsinay aza mety hitranga satria raha maty ny lehibe ny ray aman dreny izzany dia velona ny gidraka we efa lasa letsy ny lebe fa eto amin izay ary ah ....raikitra ny adilova hihihihih
9. kinaoly ( 03/03/2005 17:51)
de aona njay lisany amle we refa manambady de lasa mifanakalo fianakaviana (ra tsy diso za amny fomba malagasy io an ) de we ny vavy lasan'ny fianakams anle bandy de le bandy lasan'ny fianakams anle sipa :{
10. iartistika ( 03/03/2005 18:28)
Isika samy sika ihany io eh! mifampihinana an-trano ao!
11. pitchou ( 06/03/2005 19:07)
kou raha manao ze tsy hihavanana kosa v le havambady nahoana no hampahory tena? sao d le havambady sanatria no miseho ho tompon'ny tokatranon'ny tena?
12. chipie1 ( 07/03/2005 11:48)
kinaoly > mbola mi -existe ve zany ? 8) :-D
13. pitchou ( 07/03/2005 18:32)
chipie> mbola misy alou eo am-pikjabarina saingy manao toeran-tsy zaka ny sasany kou
14. kinaoly ( 08/03/2005 14:40)
da chi haiko avao fa anahy koa ane mba gaga, fa ôtsan'ny tsy mety zany amiko aloha e, tokony samy manana ny havany de zay refa tsy mahay mifandray de basta fa le mifanery manahirana. amiko aleo tonga de tsorina we tsy afaka mifandray toy zay le mifandray be anaty korontana na le mody ze t'aime am-bava nefa kibay ankelika ihany :twisted:
15. pitchou ( 08/03/2005 18:52)
tsy hita moa fa ny an'ny gasy lasa vesatra le fianakam 1manontolo ko! nen'ny vazaha refa lasa manambady dtontolo hafa tsy misy alo-pianakaviana no idirana
16. fijo ( 08/03/2005 23:32)
tokony izay no izy fa tsy hifampibaby havana eo kosa ko
17. iartistika ( 09/03/2005 17:14)
misy mahamarina ny an'ny vahiny ihany ange @ ty resaka havana ty eh!
18. pitchou ( 09/03/2005 18:09)
ie! saingy raha mampiditra izany resaka izany aty d tonga @ le we: miseho mahavita tena ve, na raha misy mahazo ny havana ihany no idodododona
19. fijo ( 09/03/2005 22:34)
izay le zatra miandry olona ko
20. vegas ( 09/03/2005 23:18)
Tsy tokony vao maika hifankatia ve nefa no tokony ho izy ozinareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1822