Izahay koa mba... : fika vaovao

1. hery ( 24/02/2005 08:23)
Atahorako ho lasa fika vaovao hanambakana vahoaka indray amin'izao fotoana izao ilay hoe Izahay anisan'ny nanohana an-dRavalo tamin'ny fifidianana... fa izao leo... Aiza moa ny porofo amin'izany? Iza no afaka manamarina? Mety ireo Arema tsy afaka niteny satria be no ho vitsy nandritra ireny fotoana mafam-pana ireny ihany no mahita ny asa mbola tsy vita dia milaza ho nifidy an-dRavalo daholo.
Maninona no tsy sahy mijoro hoe izahay efa tsy tia an-dRavalo hatramin'ny voalohany?
Mifamitampitaka an :-)
répondu par ravatorano le 04/03/2005 06:20
2. Rainiboto ( 24/02/2005 14:16)
>Aiza moa ny porofo amin'izany?>, ary mba aiza koa moa ny porofo mandiso an'izany?
>Maninona no tsy sahy mijoro hoe izahay efa tsy tia an-dRavalo hatramin'ny voalohany?> Aiza moa ny porofo hoe efa tsy tia an-dRa8 hatr@ voalohany ny olona ampangain'ialahy ho toy izany?
Nipetraka tany Allemagne aho t@ 2002. Adiny 3 avy eo @ sisin-tany manasaraka @ Strassburg no nisy ahy, nefa tonga tany aho nilahatra sy nilanja sorabaventy hanohana an-dRa8 sy nanaratsy an-dRatsiraka (tsy dia tena misy afaka manaratsy azy loatra satria izy efa ratsy!!!) t@ febroary 2002, ny andro sady nangatsiaka no avy orana t@ izay.
Tsy mitady seza aho fa ampy ahy ny ankalana kely misy ahy aty @ izay ipetrahako, saingy ny havako sy namako any Dago no mampalahelo ahy, ary hitako fa manao tsinontsinona ny vahoaka sy manomboka miteniteny foana Ra8. Mahamenatra.
3. kally ( 24/02/2005 15:45)
Izaho koa tsy manana porofo homena anareo.Nanantena aho hoe hisy fiovàny ary ekeko nisy ny zavatra niova,nisy ny fanatsarana saingy tena tsy ekeko ary tsy ekeko n'inon'inona ezaka vita raha tsy manan-ko hanina nefa miasa sy misasatra ny mpiray tanindrazana amiko.
4. intelligenzia ( 24/02/2005 22:35)
Iza leti no manambaka vahoaka ry Hery? Ny olona mahita sy mahatsapa ny fahatran'ny vahoaka ary tsy menatra mihaiky ny fahadisoany niaraka t@ dra8 ve? Sa ny jamba mpandainga sy mpamahan-dalitra milaza fa mandroso ny firenena kanefa "vitesse marche arriere" no ampidirina?

Fa angaha moa raha manohitra ny tsy rariny dia arema? Ary maninona no feno arema ao amin'ny fitondrana? fikan'antitra nen'lah ra-Hery a!
"Tano ny azo fa sarotra ny mila = Teo Ihany Miverina

AREMA = TIM = ARETIM => ARETIMANDOZA

5. poety ( 25/02/2005 01:11)
'Zato endrikendrikao rahery
Ny olon'efa tsy mang.... :)
Mbol'ampangaina ho arema
Miaro tombontsoa angah?

Ireo mpiambina nirohitra
Nananika an'i Faravohitra
Tsy nandray na ariary
Ny tambiny milaha-bary

Vahoaka an'alinkisa
Notambazana paradisa
'Zany ve tsy kolikoly?
Asa iza no devoly!

Lazaina fa ratsirakista
Hatram'ireo rezervista
Rehef'elah no tsy mamely
Misandotsandoka ho anjely

Mikezaka miaro seza
Ny antoko TIM sy TEZA
Manendrikendrika sakaiza
Satria ratsy sy tsy ampy taiza

Toe-tsaina lomorina
Lany haiky de mamorona
Elah sy ra-prezy
Samy mirediredy :)
6. mandrindra ( 25/02/2005 15:56)
Izaho manokana aloha tamin'ny 2002 dia tsy nanohana an'i Ravalomanana, tsy nanohana an'i Ratsiraka ihany koa. Io ilay fenitra tsy eken'ny sain'ny anakamaroan'ny malagasy, ny antsika dia hoe rehefa tsy havia dia havanana. Tadidio fa misy ny coup de tête.
Ankehitriny dia izao no zavatra hitranga na tianareo na tsia dia tsy maintsy ho lany i Ravalo amin'ny 2007, tsy manantsafidy izy satria nanao haza lambo ireo mpanohitra raha vao nahazo fitondrana. Noho izany raha vao mamofompofona manana fiarahana amin'ny fitondrana taloha dia hamaly faty daholo raha vao miverina eo. Latsaka ankaterena ny vahoaka, inona ary ny vahaolana?
7. kally ( 26/02/2005 09:20)
Fa ilay naman'ilay raika lahy taloha anie mbola betsaka ny miara-miasa amin-dRavalo izao e!Izany hoe ny vahaolana tsy atrangatranga be ety mba hampandaitra azy.
8. intelligenzia ( 26/02/2005 10:02)
Tahaka ny maha mpinamana an'i Bush sy Bin Laden (resaka solitany); Dia Ra8 koa aza hadino fa naman'ilay raikalataloha. I tiko dia tetik'asa natolotry ny repoblika demokratika tamin'ny banky iraisam-pirenena toy ny tetik'asa fibata sns... Izany no mbola maha betsaka ny arema namany ao amin'ny fitondrana ka aza gaga raha izao ny vokany.
ARETIMANDOZA
9. jentilisa ( 26/02/2005 15:07)
izao aho vao miditra fa mahagaga ahy ny fifanenjehana amin'ny samy namana. Hevitra anie noaposaka e!Iza moa no afaka milaza fa mety ny eto dago amin'izao fotoana? nefa iza ihany koa no afaka milaza fa misy fanenjehana izay tsy tia ny fitondranano misy eto? Fomba fijery daholo ihany izany. Ilay olonna ange no nampiditra ny volavolan'asa tamin'ny Banky Mondialy fa tsy ny fitondrana velively e! na izany aza marina tokoa fa misy ny tena ratsy fiasa ny olona sasany ao anatin'ny rafim-pitondrana. Izaho na dia malahelo aza amin'ny toe-draharaha dia tsy maintsy misiki-ponitra satria ny olona matotra manaiky ny vokatry ny safidiny nefa tsy maintsy manaitaitra rehefa misy ny zavatra tsy mety.
10. intelligenzia ( 26/02/2005 22:59)
jentilisa:

Iza moa no afaka milaza fa mety ny eto dago amin'izao fotoana?
ireo mpisolelaka aminy dia tena misy tokoa eto ny milaza an'izany
jentilisa:
nefa iza ihany koa no afaka milaza fa misy fanenjehana izay tsy tia ny fitondranano misy eto?
izaho anisany, ary fantatro misy maro be tokoa na dia voateritery sy voarahona aza ny olona!
jentilisa:
Ilay olonna ange no nampiditra ny volavolan'asa tamin'ny Banky Mondialy fa tsy ny fitondrana velively e!
Niraisany io! Tsy ho lasa tany @ Banky Mondialy akory na ny fangatahana aza raha tsy niray petsapetsa tamin'ny mpitondra!
jentilisa:
marina tokoa fa misy ny tena ratsy fiasa ny olona sasany ao anatin'ny rafim-pitondrana
angamba tsy ny "sasany" kosa fa izy rehetra e!
11. jentilisa ( 28/02/2005 15:15)
fa aminao inona no maha samihafa ny rafim-pitondrana sy ny andrim-panjakana? Ny rafim-pitondrana ange ka manomboka amin'ny fahefana nomen'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana e! sao dia mamely tena ary ny maranitsaina?
12. Rainiboto ( 28/02/2005 21:09)
Tsy azoko ny tian'ialahy lazaina ry jentilisa. Hazavao aloha, fa angaha kosa izy nanasaraka ny rafim-pitondrana sy ny andrim-panjakana? Angamba tsy maninona raha tsy mifora ialahy @ maha-jentilisa an'ialahy, nefa koa dia tsy ho voafora ara-tsaina ve sanatria?
13. ravatorano ( 04/03/2005 06:20)
za aloha amin izao dia mahita fa misy ny tsy mandeha eto amin ny tanana na dia nanao ezaka maro aza ny fitondra, ny tena olana amiko dia tsy d ilay we ravalo fa ilay fomba taloha ilay fika fahiny mbola averina ihany nefa efa izay no nahafaty ity firenena taty.Misaotra anao izany nibaby sorabaventy teny analagam nanohana an dravalo tamin ireny ary d niraisana izany fa raha amin izao fotoana izao v mbola sahy hanohana io fitondrana io ihany ianao izay any amoita any nefa inoako fa manaraka aakaiky ny fivoaran ny toe draharaha eto amitsika>
Raha ny fanaovan dalana dia nahavita ity fitondrana ity manaiky anizany tanteraka aho fa ny lafiny hafa mbola mila ezaka b d houzy ilay namana izay we fidio indray izy amin ny dimy taoana manaraka hanaovany izany ezaka b izany sady nimeme ilay kary ^:^ ^:^
Intel>marina fa misy faneriterana ihany eto amin izao ary eo amin ny lafiny ara toekarena dia ny siffra no tena miady fa ny fivoaran ny fiaina dramalagasy tsy miova fa vao maika aza ny olona mimenomenoana sa ho lazaina indray hoe ovina ny gasy no tsy mitabataba we sahirana efa mahazatra io d ho sahiran dava izany isika satria ny olona izay mitondra sy laniatsika eo dia hanao toy izany foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4973