Ato ve mbola misy tsy mino an'Andriamanitra?

1. eisy ( 23/02/2005 08:52)
De za zany lasa saina ihany hoe ato anaty kozikozy malalaka be ato ve misy namana mbola tsy mino na mandà ny fisin4andriamanitra? satria aho mahafantatra namana hafa izay tsy ato de minia ny handa ny finoana Azy nefa de Mpandray
Raha sanatria ka misy de mba afaka hanazava izy ve hoe nahoana ary? de ahoana fotsiny no hitondrany ny fiainany...?????
Sahia ary mitonona sy manazava
novalian'i dadabe ny 11/04/2005 04:14
2. mandrindra ( 23/02/2005 10:59)
Izaho dia manaiky ny fisian'i Zanahary mpamorona fa tsy manaraka ny fisian'Andriamanitra araka ny finoana kristianina. Amiko dia tantara namboarina ny fiainan'i Jesosy fa tsy tena niainany. Toy izany koa ny baiboly, novolavolaina mba hanohanana hevitra fa tsy ny zava nitranga marina no nolazaina.Izaho akory tsy manao hoe ekeo izay lazaiko fa izay no zavatra kitako araka ny fanadihadina nataoko.
3. fijo ( 23/02/2005 19:43)
eisy,aza sanatriavina izany tsy finoana izany.samy tsy mbola nisy nahita izany isika.ianareo minomino foana izay henonareo,za tsy mino raha tsy mahita dia samia manaja ny hevitry ny sasany.
za dia miaina tsy misy tahotra amin'ny fiainana rehefa mùanao zavatra.tsy mila misaina hoe sao fahotana ity,fa amiko dia hoe mety ve ity ataoko ity sa tsy mety.dia izay
4. ikaretsaka ( 23/02/2005 19:50)
za mino fa ny ahy tsy inoanoako foana ohatran'io na vakivakiako fahatany ao anaty baiboly na raisindraisiko fahatany any .. fa jereo aloha ny fiantraikan'iznay @ manodidina ahy!

"see god in everything" ny ahy ny filozofiako
fa tsy heo ze ao anaty baiboly ihany fa mety heo za manala ny mavesatra ao angabone ohatra za no no mahatsiaro hoe asan'andriamanitra ilay zavatra nanavesatra ahy teo de fitiavan'andriamanitra ny nanesorany an le izy sns!
5. booboo ( 23/02/2005 19:59)
ôtra zay koa ny anà
6. fijo ( 23/02/2005 23:17)
minoa fotsiny ary e
7. kally ( 24/02/2005 09:46)
Amiko ny finoana an'Andriamanitra dia fikatsahana fahasambarana: fahasambarana ho ahy,ho an'ny mpiara-belona amiko.Sarotra ho anao izay tsy mino ny hahatakatra sy hahatsapa an'izany.
8. mandrindra ( 24/02/2005 14:08)
fijo, raha mandre vaovao amin'ny radio izany dia tsy mino satria tsy mahita :lol:
9. fijo ( 24/02/2005 22:59)
za tele no jereko ary matetika io vaovao io ihany no miverina amin'ny radio.ary ny fomba fiasan'ny mpanao gazety koa"raha tena izy"dia manamarina ny vaovao vao mamoaka.
fa ilay fisian'andriamanitra tsy mbola nisy fanamarinana ka sarotra amiko ny hino azy
10. tsiaa ( 25/02/2005 10:54)

Za aloha ry zareo dia izao ny hevitro : Za manokana aloha dia tsy fantaro na misy ilay Iray ao ambony na tsia ary tsy mino an'i ""Jesus Christ na Mahomet...(fantatro fa nisy ireo olona ireo) indray anefa ,fa izaho kosa dia mahita fa ny fitaizana kristiana dia anisan'ny tsara satria notaizana t@ izany mantsy aho ary ny fianakams ary dia bons chretiens daholo :-). Ny anton'ny hoe mampisalasala ahy dia ny tsy fisian'ny porofo tanteraka mantsy. Izaho mansty dia mpanao marika ary matetika ny zavatra raha tsisy porofo mivaingana dia manana tandence manokana aho hieritraritra hoe tsy marina io.

Izany akory tsy midika hoe manao tsinontsinona ireo kristianina na religion hafa fa raha réligion mi-cultiver haine kosa dia tsy lasa e!

Farany, eto aho no sahy miteny an'izany fa raha eo @ société gasy mantsy enao no milaza izany dia soit enao adala soit enao somary ihatahana kely !

Mihaino ny hevitrareo!
11. kally ( 25/02/2005 17:04)
Ny tsy takatry ny saina mila porofo dia ny fivavahana kristianina satria io no iainako, dia tsy fitarafana hoe ny an'itsy mety na tsia,tsy firehin-kevitra koa fa fomba fiainana.Ety no manomboka ny paradisa (fiadanan-tsaina sy fahatoniana) : Fiadanana ho ety ambonin'ny tany.Miala amin'ny fiainanao ny porofo hahitanao fa misy na tsia Andriamanitra ilay Fitiavana fa tsy porofo avy any an-kafa no andrasanao.Ianao aloha no porofo voalohany,ary tsy an-kitaratra ny hafa fa fifandraisanao sy Andriamanitra manokana tsy afaka hidran'iza n'iza ary tsy azonao hametrahana olon-kafa ho tompon'andraikitra ny fivavahana,izay aloha raha ny hevitro no ho lazaiko fa manjary lava be eo!
12. pitchou ( 25/02/2005 20:09)
zà klou d mino saingy tsy mankasitraka ny fampiharana ze zavatra heveriko fa tsy rariny na mampiseho tsy fitoviana saranga na zo voasoratra (fanavakavahana) ao anaty baiboly. Contexte amiko ny baiboly fa tsy natao hampiharina manontolo eo @ fiainana na natao ho foto-piainana : enao gasy zao v ohatra d nde hiaina otran'ny zanak'isiraely tsy ho loza? na hanaiky hoe ambany noho ny zanak'isiraely enao satria enao gasy fa izy no voafidy sy zanak'Andrialmanitra? d nde handainga @ tenanao hoe enao koa zanak'isiraely?
le fomba fitondrana ny fivavahana koa no tsy voako loatra: nahoana no ho i kanana na i betlehema no tanana hataoko filamatra nefa ny eto amiko misy toerana voatahiry tsara lavitra noho ireo? ka noho izany d inoako fa nofidin'Andriamanitra manokana hitahiry ny soa eto @ izao planeta izao?
otraotran'izay ny ahy ny finoako! finoana fa Andriamanitra dia tsy manao zanak'ikala hafa, mandala fitroviana, ary manome izay azo atao hoe fiadanana tandrify ny tsirairay!
13. xxx ( 26/02/2005 05:24)
fijo:

eisy,aza sanatriavina izany tsy finoana izany.samy tsy mbola nisy nahita izany isika.ianareo minomino foana izay henonareo,za tsy mino raha tsy mahita dia samia manaja ny hevitry ny sasany.
za dia miaina tsy misy tahotra amin'ny fiainana rehefa mùanao zavatra.tsy mila misaina hoe sao fahotana ity,fa amiko dia hoe mety ve ity ataoko ity sa tsy mety.dia izay

Aiza kosa elà de tsy hino fa mba efa nino iany elà fa ninia tsy mahafantatra ,ohatra oe avy aiza elà mipotra sanatria tany ambany tany,fa mitovy daolo ,refa olona fa tsy misy hafa fa zay miitsy le oe aza mba isany zay tsy mino fa minoa

14. moi ( 02/03/2005 11:39)
Mahita an'ilay lohahevitra aho dia ohatry ny te hanao hoe "Mampihaiky ny olona hino an'Andriamanitra daholo angaha ny lohahevitra ato ?" Entre-pa iny fa :
Efa firehana mahazatra ity mitady porofo ity ; fa ny Soratra Masina aza efa milaza fa na misy hitsangana amin'ny maty aza, rehefa tsy mino ianao dia tsy mino foana. Atra tsy hita maso, fa ny vokany no tsapan'izay mino (ary izay mino ihany). Sahala amin'ny électricité io, iza no efa nahita ? fa ny vokany no mampirehitra ny jiro ... ! Dia aza mino ihany raha tsy mahita ! Ary finoana an'Atra = finoana zava-panahy. Ny mahatonga ny tsi-finoana koa dia ny kristiana ihany : betsaka no anarany fotsiny.
Ary mety mahatonga ny hafa tsy hino koa dia ny fahadisoana tanteraka ny fiheverana ny toetran'Andriamanitra !
Misy hira izay be mpankafy manao hoe "Tsy namorona helo, fa Izy no Fitiavana", "Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy" !!! Zany ve ?
15. yonikafopl ( 06/03/2005 11:56)
Za indray dia miaiky fa misy Andriamanitra, isa-maraina aho dia mahatsapa foana fa raha tsy Ilay Andriamanitra tsy nahita izao zavatra tsara sy mahafinaritra hitan'ny masoko sy iainako izao aho.
Fa ho an'izay tsy mino , malalaka ianao @ izay safidin'ny fonao. Izaho manokana mivavaka ho anareo foana. ^:^
16. xxx ( 09/03/2005 15:16)
Raha ny anarana ny blem nareo de ovay fotsiny oe : rvg oatra.

Misy v ny rvg, eny , misy tompoko

Misy ve antananarivo, tompoko, fa azo tsapaina ve antananarivo, tsia tsia tompoko.

"iray rà izaho s'sé an" sa aona booboo?
17. juluka ( 21/03/2005 07:13)
Tsotra be ilay izy. Ny mpamorona izao tontolo izao dia misy fa tsy misy mahalala. Io ilay noheverina fa hoe Andriamanitra. I Jesosy kosa dia olo-tsotra nianatra ..... Tsy Andrimanitra izany akory io jesosy io. Olona toy ny manao magie rehetra izy.
Vita
18. sonwin ( 21/03/2005 09:10)
Izay tsy Tia tsy mahalala...io no voasoratra amin'ny soratra masina, ary hitako eto fa maizina aminao izao tontolo izao sy ny misterin'ny fanavotana.
19. dadabe ( 21/03/2005 13:51)
yonika>ndry ve tsy reraka miondrikondrika eo foana e :?: :?:
20. sonwin ( 21/03/2005 18:12)
Talentan'ny yonika io miondrikondrika io ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6489