Efa voalahatra ve ny andro hahafatesana??

1. yonikafopl ( 17/02/2005 21:59)
Nahalasa saina ahy ihany ny zava -nitranga taty aminay ny andron'ny saint valentin, nahafatesan'ny praiminisitra libanais t@ attentat .
Misy namana Gasy manko miasa ao amin'ny zanany, ka nifampiresaka izahay ary nampiheritreritra ny zavatra notantarainy .
Ny andro talohan'io izany hoe ny alahady 13 alina dia nivory ny fianankaviana, dia nanao fety be , ary dia niara nihira tamin'ireo zanany ingahy Hariri, tsy dia fanaony izany hoy ilay namana, ary tsy nahita azy faly toy izany izy ireo. Rehefa vita ny fety dia nizara vola ho an'ireo mpiasa tao koa izy.
Dia velon-dresaka ireo mpiasa tao hoe, ny any aminay rehefa mifaly be toy izao ny olona dia misy zavatra mitranga foana ny ampitso.
Inona tokoa ny nitranga, fa dia nipoahan'ny bomba ilay rangahy.
Ka hoy aho hoe, efa nananontanona ve ny loza ka ilay fety tokony natao ny alatsinainy novitainy ny omalin'iny? efa voalahatra ve fa iny ny andro hahafatesany??
novalian'i annie ny 08/04/2005 22:30
2. intelligenzia ( 17/02/2005 22:27)
Tsy Andriamanitra no mandahatra ny asa ratsin'ny terorista e. Fa raha Izy no raisinao ho aro sy manda fiarovana dia ho voaaro ianao.

"Izaho no Mpiandry Tsara" hoy Kristy
3. ikaretsaka ( 17/02/2005 22:31)
oay! ary nitovy fisainana.
za t@ mbola kely de lasa saina foana rehefa ohatran'io koa satria nisy coincidence ohatran'izany . na t@ tsunami aza hoe ny omalin'iny vo krismasy (fety be) dia niala any..
de ny ahy mo rehefa ohatran'ireny de mopre na eveka na relijiozy matetika no fanontaniako!
dia nahavaka ahy mihitsy ny tenin'ilay mompera vazaha izay hoe

"araka ny finoanao io anaka"... izay fotsiny ny namaliany azy!
4. ikaretsaka ( 18/02/2005 05:31)
Mpiandry inona io le? tsatokazo?
5. intelligenzia ( 18/02/2005 05:47)
ise koa ry ikaretsaka dia mba mody tsy mahalala. mpiandry ondry tsara fa tsy mpiandry laharana vary e :-D
6. naritsimba ( 18/02/2005 08:10)
Tadidio fa na ny ratsy na ny tsara dia avy @ Andriamanitra daholo izany( vakio ny tantaran'i Joba, ny tantaran'i Jona, ny tantaran'ny Saoly) fa saingy ratsy amintsika fa lalana itondran'Andriamanitra anao ho @ tsara daholo ny zavatra heverintsika fa ratsy.
Efa voalahatra ny andro ahavelomantsika sy ahafatesantsika fa isika no tsy mahalala afa tsy ny ratsy.
7. xxx ( 18/02/2005 11:03)
Amiko aloha tsy dia misy voalahatra izany ny andro ahafatesana ary tsy misy ifandraisany @ resaka andriamanitra. Resaka finoana io ka asakasakareo izay mino ny fisianizany.
Dia mino ve ianareo fa nalahatr'Andriamanitra ho faty ireo olona maro2 be izay maty tsy nahy tsy manakilema (tsaroako ny teniny ankizy namako tavaratra izay .. dia mahafaly anadriamanitra ve ny mahita olona may velona mijaly maty amizao hitany masony nitranga tany amizareo nandritry ny ady antrano, raha izay no hitany mahasoa ho anilay olona dia mba hafa2 ihany).
8. moi ( 18/02/2005 11:05)
Amiko manokana dia misy ny fandaharan'Andriamanitra, nefa...

Ny ataontsika olombelona koa mety hamaritra ny fahavelomantsika. Satria tompon-tsafidy ny tsirairay amin'izay hitondrany ny tenany, na hanaraka fomba fiaina mahaela velona, na tsy hitandrina ny fahasalamana dia ho tonga aloha kokoa ny fahafatesana.
Aza mitandrina rehefa eny an-dàlana dia ho hita eo raha ho ela velona e ! Ny fifohana sigara iray hono mahafohy (adin'ny firy moa?) ny fotoana fahavelomana.

Ny marary tsy mahatakatra fitsaboana maty noho ny fahantrana (tsy mandatsa olona aho akory sanatria) nefa tsy lahatra ny fahantrana !

Misy fitenenana manao hoe "Tsy ny marary no maty fa ny tapitra andro !". Mampieritreritra !

Hoy ny voasoratra hoe : "Mampianara anay hanisa ny andronay hahazoanay fo hendry !"
9. nikopol ( 18/02/2005 12:00)
Ary ny fahantrana any Madagascar ity ve tsy lahatr'Andriamanitra e ?
10. intelligenzia ( 18/02/2005 12:41)
nikopol>ny olona no manao ny ataony ka Andriamanitra no mahazo tsiny :-D asa lesy fa mody nialokaloka tamin'ny baiboly daholo ze mpitondra teo na i ratsiraka na i ravalo, nefa avy eo samy namonjy joro tetsy sy teroa. i zefa aloha dia niaraha-nahita ilay mifanasa-tanana e. :-D
11. rapisoukely ( 18/02/2005 14:23)
Marina ny anao fa ny tena mbola mahavoa antsika gasy dia ity fanompoantsampy ity ny joro e, nympanandro e, ary tena ny mahaloza azy dia ity iska mampitambatra azy roa dia ny fivavahana kristianna sy ny fomban-drazana zay efa hita zay naharatsy azy.
Andriamanitra efa naome antsika ny fahasoavany fa isika no manitsakitsaka izany ka moa tsy rariny kosa ve izy raha manafay antsika, satria ny zanaka tiana ihany no tsy hitsitsiana tsora-kazo. Ario ny sampy ry zareo a, ario dahol izay mbola any ambanimabny ondana sy ambony tafo sy anaty sobika rehetra any, ho tafarina isika raha tena manankina Aminy marina tokoa ny fianantsika Malagasy.
12. iartistika ( 18/02/2005 14:56)
Haleloia! Amen!
13. Rambofrau ( 18/02/2005 16:52)
Marina daholo ireo voalaza rehetra ireo.

Amiko manokana dia efa voalahatra daholo ny dian'ny zanakolombelona sy ny andro ahafatesana.

Izaho koa tato ho ato dia lasa saina izany satria indraindray aho maheno olona maty tampoka dia tena tonga saina tampoka aho.

Ny fanafodiny dia ny miambina mandrakariva.

Marina mihintsy fa tsara fanahy Andriamanitra nefa rehefa tena be loatra ny ota dia tsy maintsy faiziny isika.

Izaho koa mino fa sazin'Atra io fahantrana any Mada io satria isika dia mbola miaina amin'ny fanompoantsampy tanteraka.Soa ihany aza fa mbola tsy ataony tahaka an' Sodoma sy Gomora.

Na izany aza dia be indrafo izy matoa isika nataony nisitaka lavitra ny firenena feno terrorisme.

Samia mieritreritra
14. yonikafopl ( 18/02/2005 17:13)
Misaotra anareo namaly, fa za tena mino anIlay mpiandry tsara araka ny nolazainareo, ary tsy finoanoam-poana izany , fa tena misy lalana itondran'Atra ny zanak'olombelona. Tahaka an'i Jesosy, efa voalahatr'Atra ny lalana tsy maintsy hizorany, sa ve dia adala Atra ka tsy mba nanavotra ny zanany lahy tokana fa dia namela azy hijaly sy hofantsihina? Dia adala koa ve Atra raha nandoro an'i Sodoma sy Gomoro hoy ianareo, na ny safo-dranon'i Noa??
Raha ilay tsunamis, raha ny fahalalako azy dia toa ireo mponina mivavaka @ biby toy ny omby sy ny bibilava ireo toerana tena voakasiky ny loza.

Fa iverenako kely ilay voalazako hoe efa voalahatra ve sa efa mananontanona ilay olona ny fahafatesana, satria araka ny tantaran'ny nahafatesan'ny dadako, fony teny @ hopitaly izy, efa vita ny fandidiana, dia salama sy toy ny olona efa sitrana. dia nanontany azy hono ny zafikeliny hoe rahoviana i dadabe no hody amzay, ny asabotsy io, dia namaly izy fa ny talata izy no hody. Ary dia ny Talata izy no maty. Fifanindrian-javatra ve??
15. Ramaso ( 18/02/2005 18:43)
arakaraka ny andraisanao azy io.
fa nena lo@ io resaka de refa zay de zay zany e! fa tsy mitady ze fifandrifian-javatra za e.

fa t@ mbola kely rehefa manao baolina za no ninonino foasna hoe rehefa ny godasy havia no atsofoka aloha dia resy fa rehefa ny avanana de maharesy sns
16. pitchou ( 18/02/2005 19:43)
yoni> angamba efa voalahatra mialoha ny andro hahafatesan'ny olona, ary rehefa manatomotra io andro io dia tsapan'ilay olona! imbetsaka aho no efa nahita an'izany!
fa ny iray tena nahavariana ahy koa d ny dadabeko! handeha hianatra maharitra ela tany am-pita ny cousin-ko iray d nantsoiny manokana, d nomeny tsodrano sady nolazainy hoe tsy hahatratra azy intsony sns. Handeha aho herintaona taty aorina dia nalahelo b izy, d nanontany ny daty tena hiverenako! nanao kajy aho hoe @ zao aho no hody! nieritreritra kely izy d hoy izy hoe: aza miandry ela aza sao tsy mahatratra ahy intsony! tara 45 j ny nodiako, dia tsy nahandry ahy izy fa lasa! herinandro taorinan'ny daty nomeko azy!
misy marary efa ataon'ny dokotera hoe tsy hita intsony ze anaovana azy nefa d mbola eny mandritra ny taona maro! ny sasany tsy marary tsy marofy tsisy accident tampoka eo dia lasa!
17. yonikafopl ( 18/02/2005 20:29)
Misaotra antsika rehetra ! =D>
18. ikaretsaka ( 18/02/2005 23:58)
ny ahy aloha ny hitako de le hoe 11 aout za mbola teny antampon'ny world trade center misangisangy hoe milay be zao hisotisoty avy any ambony any manao para de kdooof ary ambany ary!
dia 1 volana katroka taty aoriana (septambra) dia tsy tao intsony izy mitsam!

dia mitondra tomobila de misy tournant izay ary vohiposa (RN7) ary de hantsana be de nisangisangy ohatran'izany kao hoe raha mi rate io virage io zao tonga de aaaaany!

de niverina teo de ni raty de taaaanyyyyy! saingy mbola notahiany
19. cutie ( 19/02/2005 22:46)
yonika, hazavao kely we ty lazain-jy we ny: Raha ilay tsunamis, raha ny fahalalako azy dia toa ireo mponina mivavaka @ biby toy ny omby sy ny bibilava ireo toerana tena voakasiky ny loza.

Tsy azoko io teny io .
20. dadabe ( 20/02/2005 08:01)
yonika>le olona mivavaka @boudha ve no tiandry holazaina amin'izany?mety ho marina ihany izany.Ary hoe voafaritra ve ny andro iainana?
valiny:raha ny baiboly no jerena Genesisy dia efa voafaritra satria rehefa nanota i adama sy eva dia nolazaina'Andriamanitra azy hoe ho faty tokoa ianareo @fotoana izay hinananareo ny hazo voarara,izany hoe tsy ampy 1 andro (ny 1 andro amin'A/tra= 1000 taona @ zanak'olombelona)dia jereo fa tsy ampy 1 andro no niainana'i adama(genesisy toko faha 5, 930 taona no niainany,izany hoe efa voalahatr'A/tra,ary ao @salamo dia misy milaza hoe"70 taona eny 80 taona raha be indrindra ny olona no miaina ety antany.."izany ve tsy midika fa efa voalahatra ny andro ,fa saingy isika(izaho sy ianao)tsy misy mahalala ny fotoana mety hialany ety antany, ny hany torohevitra azoko homena fotsiny dia ny hoe :aleo mibebaka sy miomana foana satria tampoka ny fiavian-drafahafatesana ,fa amin'A/tra dia tsy tampoka fa efa voalahattra,eny fa na dia i JESOSY zanany aza dia efa voalahatra ny andro hafatesany (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2249