LASA IZAO!

1. xxx ( 15/02/2005 08:54)
Norbert Ratsirahonana, à Antsirabe:Ras-le-bol contre le régime ![/b]
"[b]On a honte de notre choix !
”. La phrase a été entendue, samedi dernier à Antsirabe, à propos de l’élection présidentielle de 2001. Elle sort de la bouche d’un membre de l’AVI et est visiblement partagée par les 550 membres du parti de Norbert Ratsirahonana qui était descendu sur place
2. intelligenzia ( 16/02/2005 23:00)
marina fa ny tokan-trano tsy ahahaka. saingy raha maditra (miala tsiny @ i maditra) tsy azo anarina sy tsy toroana hevitra ny filoha tokony mampahafantatra sy manentana ny vahoaka toy izao ataon'ny AVI izao ianareo mpanolo-tsaina. sao mantsy lazain'ny olona fa ianareo no mamitaka azy ka ifotoeran'ny alahelom-bahoaka miaraka aminy.
"ny lalana simba sy vary ilaharana no ifampitsarana" :)
3. jentilisa ( 26/02/2005 15:11)
Ny vary tsy ampy manera-tany ary ny volantsika ihany koa nitotongana dia izay no mahamafy ny fiainana ankehitriny. Mba tiana ho fantatra fotsiny hoe iza moa no mpampita zava-mitrnaga any amin'ny filoha any? Mety ho diso safidy izy amin'ireo mpitsikilony ireo satria ilaina hatrany izany.
4. intelligenzia ( 26/02/2005 23:15)
jentilisa:
Ny vary tsy ampy manera-tany ary ny volantsika
[size=12]aza mandainga sy mamahan-dalitra![/size]
jentilisa:
ny volantsika ihany koa nitotongana
[size=12]satria tsy miasa an-tsakany sy an-davany ny mpitondra[/size]
jentilisa:
Mba tiana ho fantatra fotsiny hoe iza moa no mpampita zava-mitrnaga any amin'ny filoha any? Mety ho diso safidy izy amin'ireo mpitsikilony ireo satria ilaina hatrany izany.
fialana bala daholo izany. [size=12]Ny marina no aoka tsorina fa manao be marenina ny filoha.[/size] Tsy ilaina mpitsikilo sy mpanolo-tsaina akory fa rehefa tsy jamba dia mahita ny olona milaha-bary sy ny fahantrana
5. jentilisa ( 28/02/2005 16:05)
Ho an'i Manantsaina: Ny fahantrana dia toe-tsaina. Ny vokatry ny toe-tsaina no miteraka ny zava-misy koa iza moa no namolavola ny toe-tsaina hatrizay ela izay? Ny momba ny hoe aza mamahan-dalitra dia mamahan-dalitra avokoa izany ny mpandinika ny toe-karena indrindra fa ny mpanara-maso ny voka-pambolena? Sao dia ianao no te-hamahan-dalitra?
6. mandrindra ( 28/02/2005 16:35)
Hoy i jentilisa :"Mba tiana ho fantatra fotsiny hoe iza moa no mpampita zava-mitrnaga any amin'ny filoha any? Mety ho diso safidy izy amin'ireo mpitsikilony ireo satria ilaina hatrany izany. " Aminao ve izany tsy manana andraikitra amin'izao zavatra mitranga izao ny filoha? Izay fepetra raisin'ny governemanta ve izany dia tsy safidin'ny filoha? Raha toa ka ny mpampita tranga no diso tsy tokony hisy famaizana mahery vaika ve hampiharina amina satria ny vokany dia izao iarahamahita izao?
Io fehezanteninao io dia mampatsiahy ahy ny resaky ny malagasy 20 taona lasa izay dia ny hoe : Raha i Ratsiraka anie mahay izy fa ny manodidina azy no tena manaonao foana e. Ahoana ny hevitrao ry jentilisa. Miverina ve ny tantara?
7. jentilisa ( 28/02/2005 17:05)
Amiko dia diso miahiahy loatra ny mpanao politika izy no mahatonga azy hanao ireny fihetsika ireny. Mety ho misaina ny hanasoa tokoa ny firenena izy ka raha kianina amin'iny dia tsy mbola zakany izany dia tezitra izy.Ny fitezaina ara-politika no mbola tsy mety mihitsy eto Madagasikara. Ny olana manko dia izay antoko miongana mifohafoha volo avokoa. Midika izany fa ny tombotsoa tena tadiavina fa tsy ny fandraisana andraikitra hanarina ny firenena. Raha lasa roa na telo monja sisa ny antoko misy eto vao mety hizotra ny demokrasia sy ny fampandrosoana
8. intelligenzia ( 28/02/2005 22:33)
jentilisa:
Ny vary tsy ampy manera-tany
tarehimarika hitanao ao @ statistika gasy angamba io fa ny vary dia ampy tokoa raha maneran-tany. Ny amin'ny ho avy no atahorana fa hatrizay dia ampy tokoa ny vary saingy isika no tsy mahavidy!!!!!
ny volantsika ihany koa nitotongana
satria tsy miasa ny mpitondra. Mitotongana ny vola satria nanararaotra nanao importation fotsiny ry zareo mpitondra no nanaovany an'ireny detaxation ireny, ary nihen-danja ny vola Gasy. Iza moa no afaka nanafatra entana tamin'ireny tsy izy ihany? Rehefa azony izay nilainy dia tapitra ny detaxation!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5149