Tsy rariny

21. hery ( 16/02/2005 14:07)
Fa nahoana no navela lasan-dRavalo ny bizna? fa angaha nihanahana t@ voalohany? Ravalo ange biznesman e!!! Ary raha manao bizna ara-dalàna (misy izany) dia tafita ihany... fa tsy eny amin'ny avenue no mifaninana amin'ny Tiko.

hoy i naritsimba hoe aza mitsara... araka ny nolazaiko teo aloha dia mba manaraka akaiky ny fandehan-javatra any koa izahay fa tsy mbola naheno hoe iza avy no "nampidirina violon" tsy an-drariny... Sao dia honohono fotsiny indray izany.

Izaho tsy mpanohana Ravalo... fa rehefa manohitra dia manohitra am-pisainana fa tsy manao fisainana tahakan'ny AREMA hoe mba hanaratsiana an'ilay fitondrana dia manoso-potaka etsy sy eroa. Betsaka ny mpanohitra izay mandinika tsara sy mijery fomba hatao hahazoana mitondra... koa manjary nareo indray no mandoto an'ireo mpanohitra ireo. Raha misy korontana eo dia na ny mpanohitra aza tsy afaka hampiasa ny politikan'ny maha mpanohitra demokratika azy...

naritsimba:

mampalahelo raha Filoham-pirenena milaza azy ho Kristiana no maha sahy mamono an-kolaka ny Malagasy tahaka azy, satria izay no hitako sy tsapako.


Io ilay vao nolazaiko hoe fisainana AREMA tetsy ambony
22. ikaretsaka ( 16/02/2005 14:52)
ka le fanaovana bizn ara dalana io ve tena avela ny olona??
toa efa nisy resaka an'io ko manko nandeha teto heo tsy navela koa ?
23. hery ( 16/02/2005 15:48)
Ity aloha misy resaka avy any amin'i Jentilisa
ao ami'ny lisitra.serasera.org


Amin'ny fitondrana demokratika dia dia nolazaina fa andry telo no fahefana mahefa ao anatiny. Ny mpanao lalAna, ny mpanantanteraka ary mpampihatra lalAna (fitsarana). Moa azo eritreretina ve hoe mitokona ny prezidan'ny repoblika fa tsy ampy ny tombotsoany na ny praiminisitra fa mitaky tombotsoa toy izao na izao? Raha manao izany ireo inona no hataon'ny vahoaka na hoe inona no mety ho tsy ampoizina hitranga? Koa raha mitokona ary ny mpitsara amin'izao fotoana izao raha mieritreritra ny te ho-andrim-pahefana mahaleo tena; azo eritreretina ve fa ny fiokonana no mety atao? Tsy ry zareo ihany ve no mametraka ny tenany ho "mpiasa" izay voambolana toa tsy zakan-dry zareo indrindra moa fa heveriny ho ambany noho izy izany polisy, na zandary na agent penitencier izany? ny fahamboniana amiko dia ny fanajana ny asany amim-pahamarinana. Raha tezitra ary ry zareo fa mahazo tombotsoa "bebe kokoa" ireto farany "ambany noho izy" ireto; maneho ny tenany ho zavatra ny fampitahana izany sady tsy mba
amin'ny kolontsaina ananan'ny Malagasy manam-panahy manam-pahendrena mendrika hitsara velively. Lalan-kafa no tokony hataony fa tsy izao lalana diaviny izao. Naheno ihany koa aho fa tany amin'ny 5 na 6 jolay 2002 ry zareo no nametraka ny fitakiany tamin'ny prezida angaha(?) izany hoe vao nahazo ny faneken'ny firenena matanjaka any ivelany Ravalomanana. Toy ny mametraka hoe izahay no nahatafita anao tamin'io seza io koa omeo izao tombotsoa izao ary izahay. Fitadiavan-tombotsoa izany no nokendrena tamin'izany! indrisy...sao dia izay no manaporofo miharihary ny fomba fisainan'ny zatra mandray kolikoly?
Dia mbola hitohy moa ny adi-hevitra fa ny ahy kosa no faranako aloha ary mametraka ny mandra-piresaka indray.
Ny Jentilisa.


Notsipihako ny zavatra tiako hamafisina kely
24. hery ( 16/02/2005 15:50)
ikaretsaka:

ka le fanaovana bizn ara dalana io ve tena avela ny olona??
toa efa nisy resaka an'io ko manko nandeha teto heo tsy navela koa ?

Dia mitsangàna sy manaova fitoriana ara-dlàna koa izay tsy navela hanao bizna ara-dalàna.
25. iartistika ( 16/02/2005 16:46)
Tsy mahazo mibizna na de ara-dalana aza eh!Ny hitako farany tany:Nasaina noesorina ny panneau trivisions nataon-dry Andry Tgv,na de efa nahazo alàlana tsara tany @ fivondronana aza!satria naninona moa? Nisy dokambarotra kely ratsiratsy ankiroa teo @ havia sy havanan'ilay trivision!Tiko le izy.....STAR no ta @ le trivision......
26. intelligenzia ( 16/02/2005 22:27)
hery:

Fa nahoana no navela lasan-dRavalo ny bizna?


Fanaparam-pahefana ny valin'io fanontaniana io.

Diniho amin'ny saina tsy miangatra tsara ny tantara sy zava-misy. Ny faniriako dia mba hiova fisainana ireo mpitondra ireo, indrindra ny filoham-pirenena.

Nefa ny tompon'andraikitra voalohany indrindra dia ny filoha sy ny praiminisitra, izay vao manaraka ny vahoaka.

Maninona ny praiminisitra sy minisitra omena karama kanefa tsy mahavita ny adidiny akory? Tsarovy fa matoa matahotra ny manolo an'i Sylla Ra8 dia misy antony goavana be ao atahorany an'i Sylla. Jereo ny fifandraisany hatry ny taloha ela be dia ho fantatrao. Ary fantany fa tsy ho voafidy intsony izy @ 2007 ka manangona izay tratry ny heriny faraparany. Rehefa ampijaliana toy izao ny vahoaka dia atahorako tsy ho tonga akory ny 2007.

Ny adalan'ny tena no anarina!
27. moi ( 17/02/2005 14:34)
Ny ahy no mba hevitro dia izao :
Tsy afaka hamaritra dieny izao izay olona hofidiana @ 2007 aho !
Mbola tsy fantatra akory ve izay kandida hifanandrina eo dia efa sahinareo ny hilaza hoe tsy hifidy an-Dra8 ?

Ny zava-misy anankiray koa eto Madagasikara dia ny fanoherana manimba, mandrava mihitsy aza ny asan'ny eo amin'ny fitondrana, tsy sahala amin'ny mpanohitra amin'ny tany hafa ; Ny an'ny Frantsay izao dia mangingina tsy manao fanoherana mitovy endrika amin'ny hita eto, fa rehefa ho avy ny fifidianana vao samy mandeha samy mitady. Am-bava fotsiny ny eto ny hoe "Ny hevitra no tsy mitovy" fa ny marina dia ialonana ianao raha mahavita, ary hatahorana sao rehefa mba tonga eo @ fitondrana dia ho hita miharihary fa tsy ahavita noho ny teo.
Hoy ny teo aloha izay : Ny tantara no aoka hitsara !
Jereo fa toa ny taloha foana no toa ohatry ny hoe tsara kokoa.
"Fa miha ratsy izao fiainana izao"
28. intelligenzia ( 17/02/2005 22:14)
moi> raha ny zava-misy dia ny fitondrana ihany no namorona fanoherana manimba azy!
1)Businessman Ra8 ary tokony ho fantany fa ny Businessmen manana reseaux ngeza be. Maninona ireny no nanaovana ankasoparana miteraka fahavalo ho azy fotsiny?
2) na ireo olona nanampy azy sy notendreny aza dia raisiny ho fahavalo.

tsy fantatra araka ny teninao izay candidat @ 2007 fa ny fantatra aloha izao dia mampidi-kizo ny firenena ny fitondrana ankehitriny.

Teo Ihany Miverina
29. xxx ( 17/02/2005 23:50)
izao indray dia ny AVI andry nifaharany no enjehina! Mitady raharaha tokotrany ny anareo.
30. naritsimba ( 18/02/2005 07:51)
hery> Ohatra Voalohany ity, samy nivarotra menaka ny TIKO sy ny Tranombarotra Freres tao Andrefan\'Ambohijanahary, fa vao tonga teo @ Fitondrana Ra8 de ny namotika an\'io Sté Freres io no nataony satria manelingelina azy @ resaka menaka.
- Ohatra faharoa: Tnga teto ny Sté DANON izay mpanao Fromages sy yaourt malaza eran-tany fa tsy navelan\'ny TIKO hanokatra Agence teto fa manelingelina azy.
-Ohatra fahatelo nanao reception tao @ Hilton ny ONG vahiny iray dia boisson STAR No teo ambony latabatra, fa vao tonga Ra8 de nosoloina Classico daholo ny Boisson rehetra.
-Ohatra faha efatra raha vao resaka manelingelina TIKO de aza manantena an\'izany na dia hanara-dalana aza ianao.
Koa inn ry Hery ny azo atao @ izany, tsy hoe manohitra bontolo fa ny marina no lazaina fa tsy donto akory ny Gasy fa saingy tsy afaka manoatra.

Izay ange le hoe nareo any am-pita any tsy mahalala ny tena marina eh! tsy miandry tolora-potsiny izahay sanatria fa raha sahy ianareo any dia modia de ho hita eo ny ataonareo.manaova investissement de ho fantatrareo tsara izany hoe Ra8 mianakavy.

-Ny lalana an\'dra8(Société ALMA)
-Ny ronono tsy aloan\'ny TIKO ny vidiny nefa terena tsy maintsy amidy @ TIKO sady vidiny mora 2000fmg ny Litre nefa raha vao misy mahasahy mividy lafo de sakanana tsy mahazo miakatra aty @ ville fa sakanana eny an-dalana dia lazaina fa tsy ara-dalana.
-Ny menaka an-dra8(TIKO)
-Ny vary koa izao an-dra8(MAGRO)
-Ny RADIO anazy koa na TVM na RNM na MBS tsy azon\'ny mpanohitra atao ny miteny @ ireo.
-Ilay panneaux publicitaire izay voalaza eo ambony dia ara-dalana fa saingy tsy maintsy nesorina satria manelingelina ny panneaux an\'ny TIKO
-Maro be ny azo lazaina fa tsy ho omby eto raha soratana daholo.
Izany no mahatonga ahy hanohitra azy ary tsy hitia Ra8 intsony fa leo tofoka boboka.

Ny ahy izao dia na iza na iza milatsaka eo dia fidiko rehefa tsy RA8
31. intelligenzia ( 18/02/2005 08:33)
izao dia fantatra indray fa tsy misy ny tahiry amin'ny "insuline" ho an'ireo diabetika. mampalahelo tokoa ireo marary ary mankahery sy mivavaka ho azy ireo no azo atao sisa rehefa tsy hitan'ny minisiteran'ny fahasalamana ny hanaovana azy.

raha tsy ny fatahorana ny "ordres des pharmaciens" sy "ordres des médecins" koa angamba efa mety nisy ny "TIKO Pharmacy" :-D

avelao hiadaladala eo fa ela nitoratorahana ka nitoraka voamason'angatra e. avy hatrany dia .
32. iartistika ( 18/02/2005 09:28)
marin'zany eh!mankalaza.....
33. naritsimba ( 25/02/2005 06:06)
hery> tsy fantarao angaha fa raha hanokatra orinasa ianao dia tsy azonao atao izany raha tsy ananan'ny Ra8 petra-bola ny orinasanao" Colbert, Apma, STAR, sns ireo aloha hatramin'izao no voatanisa fa rehefa mahazo vaovao dia omeko an'ise foana hoe iza indray no an-dra8 sy ny vady aman-janany.
34. jentilisa ( 28/02/2005 16:32)
naritsimba:

Ho anareo izay tsy miaina ny zava-misy aty Madagasikara dia tsy fantatrareo ny marina, tsy fantatrareo na iniana tsy ampahafantarina anareo ny tena marina, fa mahafinaritra anareo ny maha heno izay lazain'ny mpitondra rehefa tonga any fa mandroso i Madagasikara.

Izaho aloha dia miaina eto Madagasikara.

Nahoana tokoa moa no tsy sahin'drizareo ny milaza ny tena fahantran'ny Malagasy rehefa tonga any ireo mpitondra antsika?

Iza teto ambonin'ny tany ny mpitondra no hiteny hoe mahantra anie ny malagasy?

Nanambara ny filoha Ravalomanana fa tany misy Demokrasia matoa nandray ny loka Louise Michel izy? Izao anefa maninona no tsy avela hitokona ny Magistrat Malagasy nefa voalaza ao anatin'ny Code de Travail fa MANANA ZO hitokona ny mpiasa,

Fa mpiasa indray ary ve ny mpitsara fa tsy Andrim-panjakana? Taiza teto ambonin'ny tany no nisy andrim-panjakana nitokona? Sady afaka mitokona tsara mihitsy ange izy ireo e sa raha mitokona tsy mety miasa ny mpiasan'ingahy mandritra ny iray volana dia omen'ingahy karama ihany? mba ampidiro any aho raha mety ingahy fa tonga dia hitokona aho avy eo satria hoy aho avy eo hoe tsy ampy indray ilay karama nomen'ingahy ahy .

dia sahin'ilay milaza azy fa Ray aman-drenin'ny Malagasy ny manome ny zanany vato raha mba mangataka mofo izy ireo, nefa milaza azy fa Kristiana?

Vato foana izany no nomena azy taloha fa tsy karama?
Haaaaaaaaaiiiiiiy!
Hay koa ve zanany ireo mpitsara mitokona ireo e?

Koa eto dia sahiko ny miteny fa: AZA MIFIDY RAVALOMANANA INTSONY AMIN'NY FIFIDIANANA MANARAKA IZAO

Mba hahatezitra ny namana dia milaza aho hoe izaho mbola hifidy an-dRavalomanana noho ireo hevitra napetrak'ingahy ireo.


35. jentilisa ( 28/02/2005 16:53)
naritsimba:

Nanao reception tao @ Hilton ny ONG vahiny iray dia boisson STAR No teo ambony latabatra, fa vao tonga Ra8 de nosoloina Classico daholo ny Boisson rehetra.

Nandidy ve Ravalo hoe soloy daholo ireo sa ilay ONG no te-haka ranondranony?


novaina hoe quote ilay qoute

Nahitsin'i hery
novalian'i jentilisa ny 05/03/2005 00:32
36. Lallah ( 05/03/2005 00:28)
1/. =>>PAR NECESSITE DE SERVICE: L’Etat a choisi de laisser pourrir ces mouvements. La ministre de la justice refuse de recevoir ses collègues magistrats, fort de l’appui du chef de l’Etat qui maintient un discours de fermeté. Et qui, selon les analystes, est en train de perdre, là également, d’anciens alliés. Pourquoi ? Beaucoup de politiciens et de leaders d’opinion qui ont soutenu Ravalomanana en 2002, lâchés en cours de chemin, sont passés du côté de l’Opposition. Même au niveau des capitaines d’entreprises, le ton est à l’expectative. Le fameux « Tikoland » n’est plus une boutade, entre deux canapés dans un cocktail d’affaires, mais est devenue de plus en plus une réalité. - (MaTv-04/03/2005)

2/. =>> Le vrai problème est ailleurs:

Quant aux gesticulations stériles actuelles, de quelque part qu'elles nous proviennent de l'un (pouvoir) ou de l'autre camp (grévistes), y en a marre ! Qui procurera le logis et le manger à ce peuple qui se démène et qui trime en déployant toutes son énergie et qui malgré tout n'arrive pas à satisfaire ses besoins fondamentaux ? Peut-il s'attendre à ce que l'Etat et le corps des hauts fonctionnaires lui viennent à son chevet au cas où il décide lui aussi de ne pas travailler jusqu'à ce qu'il lui soit offert tous ses droits les plus légitimes et les plus élémentaires ? En tout cas, une partie de l'opinion est déjà fixée sur son sort en cas de grève et ne prête plus attention qu'à son ménage. - (Tribune 04/03/2005)

3/ =>> Grève générale du SECES: Jusqu'où iront-ils ?

Le syndicat des enseignants et chercheurs-enseignants a appelé à une journée de Solidarité, hier. Un appel pour dire aussi qu'ils renforcent leur grève. Le ministre de l'Education Nationale et de la Recherche Scientifique, Haja Nirina Razafinjatovo, fait une mise au point.
De Ar. 50.000, leur indemnité est passée à Ar.150.000 en 2004, suite à leur revendication, soit une augmentation de Ar.100.000. Ils avaient demandé que ce soit plafonné à Ar.400.000. A la fin de l'année universitaire, ils ont boudé la sortie des notes des étudiants. Nouvelle revendication : le paiement de leurs heures supplémentaires. L'Etat a déboursé Ar. 620 millions pour les régler. Aujourd'hui, autres revendications, car "ils ne sont pas encore satisfaits." Et le ministre a tenu à souligner que, suite à des déclarations erronées, certains de ces chercheurs grévistes dont quelques-uns des meneurs, figurent parmi ceux-ci. Même si la nouvelle année universitaire devait commencer le 1er février dernier, le Seces annonce déjà la couleur : ils ne laisseront pas tomber leur mouvement, l'appel à la solidarité le conforte. Parmi les doléances : une indemnité de risque d'un montant de Ar. 180.000. "Jusqu'à maintenant, il s'agit encore et toujours de question de revendications financières. Je crois qu'ils dépassent les bornes. Un enseignant, chercheur de surcroît, devrait être un modèle dans la société", ajoute le ministre.
Hier encore, le Seces est arrivé malgré lui peut-être car en voulant sensibiliser les autres enseignants et les étudiants dans les salles de classe, il en est résulté la sortie des étudiants de leurs salles de classe. Où est le respect d'autrui, déplore-t-on du côté de l'Etat ? "Le Seces parle de droit et de respect. On voit maintenant que le mouvement tend de plus en plus à prendre une connotation politique". Toutefois, la présidence de l'université d'Antananarivo assure qu'il n'y aura pas d'année blanche et fera tout pour que les études reprennent...
37. Lallah ( 05/03/2005 04:06)
DIABLE NE PERSONNE - Version 5.00

Il a dit qu’il connaît très bien mon Dieu qui n’est pas le sien;
Il a dit qu’il avait fait 11 années, 11 mois, 11 semaines, 11 jours, 11 heures, 11 minutes et 11 secondes de vie religieuse;
Il a dit que la vie religieuse n’est pas fait pour lui;
Il a dit qu’il connaît bien la mission réligieuse;
On lui a attribué une aide, mais une fois sur place il a chiffonné ses parents;
Il est gauchement malade car il mange avec un seul bout de doigt;
Il peut rester debout avec une tête qui voyage toujours dans le vide;
Il a une cervelle de même poids que ses deux oreilles;
Il a des cheveux mais aussi trois cornes visiblement mal placées : deux tendues vers le ciel, et l’autre se penche devant;
Il essaye de suivre que ce j’écris comme dans la bible;
Il fait la quête au ciel et collecte l’argent d’autrui sur la terre;
Il est selon lui-même nomade;
Il a osé dire à un p’tit gars très mignon qui agit intelligiblement que lui de faire un Bizna quand la vie n’est pas facile là bas;


Qui est-il exactement ?


Réponse :
DIABLE EN PERSONNE

38. dadabe ( 05/03/2005 09:11)
Marina daholo ny voalaza e ...
Mianara mafy dia amin'izay tsy miandry izay ataon'ny Ravalo. Ary mandehana amin'ny fahamarinana fa aza manao ilay hoe mody miditra antoko politika atsy dia amin'zay mba tafavoaka.

;-) ;-) ;-) Toa an'ny sasany manao Vocation Economique hono. :lol: :lol: :lol:
39. naritsimba ( 09/03/2005 11:02)

Hoy i naritsimba:

Nanao reception tao @ Hilton ny ONG vahiny iray dia boisson STAR No teo ambony latabatra, fa vao tonga Ra8 de nosoloina Classico daholo ny Boisson rehetra.


Nandidy ve Ravalo hoe soloy daholo ireo sa ilay ONG no te-haka ranondranony?

Ra8 mihitsy no nandidy fa saingy olona no nirahina.(azo hamarinina io)

40. lyndah ( 11/03/2005 13:49)
aza manome tsiny an'i Hery fa mety jamba izy!
zay koa manohana eh!

AZA MIFIDY AN-DRA8mandana tsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3998