Tsy rariny

1. ra8mbandana ( 11/02/2005 23:40)
Minia tsy mijery ny fahantrana ny mpitondra. Ny fifanarahana mety natao tany USA ve mampiditra vary indraim-bava ho an'ny sarah-babem-bahoaka? Sa fifanarahana ahazoan'ny orinasa an'olom-bitsy tombontsoa?
novalian'i lyndah ny 11/03/2005 13:51
2. lo ( 12/02/2005 05:53)
Tsy we hamaly le fanontaniana akory za fa nisy zvtr nanaitra anà tamle voasoratrao : le we sarah babem-bahoaka: mampieritreritra... :twisted:
3. Mija ( 12/02/2005 10:01)
Raha ny hoe minia tsy mijery 'zay fahantrana kosa alou de tsy azo ekena , ary ahoana mou ahafahantsika mampandroso ny firenena raha tsy misy marimaritra hiraisana avy amin'ny firenen-kafa isika , ary tsy ny mpitondra fanjakana mihintsy no tsy hampisy ny vary fa isika kosa no minia tsy mijery izay ataony ary na mba mahita aza fa mety izay ataony de mody hodian-tsihita izany ka ny hanankiana ihany no ao andoha
4. ainaheri ( 12/02/2005 11:56)
Ka io anie lay tonga @ fitenenana we miala i
S de miditra i S ee miala sophie tonga sarah
ka tsy ny miala Ankatso Ambodiempona zany?
5. hery ( 12/02/2005 19:10)
Fa iza no andrasanareo hibaby anareo e? Ratsiraka? Ravalo?... Fa maninona no tsy maintsy babena fa tsy mandeha tongotra amin'izay?
6. ikaretsaka ( 12/02/2005 19:44)
mbola hiandry andrahery koa izy aza fa kalamina fotsiny! :lol: :wink:
7. ra8mbandana ( 13/02/2005 22:06)
Hery> Ra8 angaha hibaby ny SARAH-BABEM-BAHOAKA izany fa angaha i Hery efa jamba no tsy mahita fa ny fampijaliana aza no mitombo?
Tsy mahavidy na bisikilety aza ka ny dia tongotra efa nataon'ny SARAH-BABEM-BAHOAKA hatry ny ela, satria nividianany fiaramanidina nangataham-bady ho an-janany tany Bulgarie hono ny hetra.
Sa mandadiza no tian'i hery tenenina fa tsy hoe mandehana tongotra?
8. naritsimba ( 14/02/2005 06:42)
Tsy haiko aloha hoe inona no atao hoe fandrosoana aminareo? Amiko ny fandrosoana dia milaza fa tsy milaha-bary intsony ny vahoaka, miaina ankalalahana tsy misy teritery.
Ho anareo izay tsy miaina ny zava-misy aty Madagasikara dia tsy fantatrareo ny marina, tsy fantatrareo na iniana tsy ampahafantarina anareo ny tena marina, fa mahafinaritra anareo ny maha heno izay lazain'ny mpitondra rehefa tonga any fa mandroso i Madagasikara. Nahoana tokoa moa no tsy sahin'drizareo ny milaza ny tena fahantran'ny Malagasy rehefa tonga any ireo mpitondra antsika? Nanambara ny filoha Ravalomanana fa tany misy Demokrasia matoa nandray ny loka Louise Michel izy? Izao anefa maninona no tsy avela hitokona ny Magistrat Malagasy nefa voalaza ao anatin'ny Code de Travail fa MANANA ZO hitokona ny mpiasa, dia sahin'ilay milaza azy fa Ray aman-drenin'ny Malagasy ny manome ny zanany vato raha mba mangataka mofo izy ireo, nefa milaza azy fa Kristiana? Maninona ny SECES raha mitokona ary mbola mitokona no tsy sahiny ny milaza hoe tapahiko ny karamanareo ry mpampianatra mpikaroka raha mitokona eo ianareo.
Koa amiko raha ny zava-misy dia mazava: tsy mahalala afa-tsy ny tenany ny mpitondra @ izao fotoana izao.
Koa eto dia sahiko ny miteny fa: AZA MIFIDY RAVALOMANANA INTSONY AMIN'NY FIFIDIANANA MANARAKA IZAO
9. nikopol ( 14/02/2005 13:16)
sali doli
za tsy panao polifika, na we pro ra8 na anti ra8, fa manelingelina ahy le ps we ra8mbandana,
asa ze hevitrareo alou e! resaka principa na fanajana an'ilay fonction fotsiny ny ahy io !

:D
10. iartistika ( 14/02/2005 17:20)
Mlay le ra8mbandana ka...!Marina ny an'ise ry Naritsimba!Tsy misy harapaka ny vahoaka malagasy,zany ve ny fandrosoana?...Misy ho tsakotsakoana izao...
11. ra8mbandana ( 14/02/2005 22:03)
nikopol> ka io ange rise aza no solon'anarako e. ny mpitsara raha migirevy tsy afaka manova anarana aho lol. mba jereo aloha ny mombamomba ahy fa aza tonga dia voaelingelina ambony ihany
12. nikopol ( 15/02/2005 09:33)
:D
demokrapi ny eto aminy serasera ka,samy manao ze reviny
tsy ny mesazy no manelingelina ahy fa misy fepetra mikasika ny solonanarana ampiasaina eto aminy serasera, araky ny fahitako azy dia mandika izany ny ps-n-toi ( toi na dia efa soira ihany aza mésé)
efa nojereko le mombamomba an'ise fa propagonda be


:D
13. iartistika ( 15/02/2005 18:43)
Ny ahy ary ny pseudo naika nataoko hoe RATSY IRAKA....sa ahoana hozy ny tenanareo??? :-D
14. mumu ( 15/02/2005 19:37)
:-@
15. fijo ( 15/02/2005 23:09)
inona indray ity manampimbava ity ry mumu?
16. naritsimba ( 16/02/2005 06:39)
Raha ny PS no manahirana, zà indray tsy miafina @ PS fa ny marina marina ihany, ary efa maro no mahafantatra ahy.
Tsy azo odiana tsy hita ny fahoriana mahazo ny vahoaka Malagasy maro an\'isa, ary raha mangina ny olona na minia mangina eo anoloan\'izao fahasahiranana izao dia ho tanteraka ilay voalazan\'ny Soratra Masina hoe: \"ny vato no hiantsoantso\" @ izay angamba vao ho tonga saina ny mpitondra izay milaza ny tenany ho Kristiana nefa mpanao didy jadona.
\"Iza moa aminareo no angatahan\'ny zanany mofo ka hanome azy vato?\" tahaka ny ataon\'dRavalomanana hoe izay mitokona eo dia ho tapahina ny karamany!!! na dia hita izao aza fa tsy mahavelona ny karama raisin\'ny isam-batan\'olona? dia sahin\'ny Filoham-pirenena Malagasy no milaza fa raha izay mpitsara 500 tsy raharahany ary tsy hanome izay tadiaviny izy, nefa ny Chef de région 22 miampy ny mpiara-miasa aminy mandray 20Millions sady nomena 4x4 tsirairay avy, izany no atao hoe: NY AVO IHANY NO TOVONANA.

Firy moa ny mpitondra nifandimby teto no tsy nanao izany fa aiza no niafarany? tsy niongana ve? na naongana? na voaongana? aleo hanapaka karama raha sahy!!!
\"Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany\" fa tsy ho ela dia hiala eo ireo mpitondra ireo izay milaza ho tsy refesi-mandidy, anisan\'ny mba nanohana azy ihany ny tena fa saingy rehefa vandana dia kary.

Matoa milaza ireo dia tsy mitady seza akory fa ny hiadanan\'ny vahoaka Malagasy rehetra no katsahina, firy @ ireo fampanantenana nataon\'dRavalomanana moa no tanteraka hatramin\'izao?
Hoy ny kabariny:
-Hampanana ny tsy manana fa tsy haka ny an\'ny efa manana.
-Aza matahotra ianareo eto Diego fa ataoko mahazo 4L ny isan-tokantrano.
-Atao izay hananan\'ny tsirairay trano
-Maro be fa tsy ho voatanisa eto daholo fa samia mandinika eh!

17. hery ( 16/02/2005 09:17)
naritsimba:

Ho anareo izay tsy miaina ny zava-misy aty Madagasikara dia tsy fantatrareo ny marina, tsy fantatrareo na iniana tsy ampahafantarina anareo ny tena marina, fa mahafinaritra anareo ny maha heno izay lazain'ny mpitondra rehefa tonga any fa mandroso i Madagasikara.


Somary tohina kely aho tamin'ny filazan'i naritsimba... satria izahay na aty andafy aza dia manaraka antsakany sy andavany ny zavamisy any dago.. tsy amin'ny gazety ihany fa mba misy havanay ray, reny, zoky sy zandry miaraka mijaly aminareo ihany koa any... ary henonay ny tarainany. Fa angamba ilay fomba fisainana fotsiny no tsy mitovy. Aminay ny fandrosoana dia mila sacrifice ary nandalo tamin'izany daholo ny firenena rehetra vao nandroso. Tsy hoe rehefa miadanadam-poana, voatambitamby amin'izao sy izao dia tsy mahita hoe mihemotra ange ny firenena, vao faly... izany mantsy no nitranga taloha. Amin'izao ianao mahazo miady, mahazo mitroatra... ary aza miandry an-dRavalo hanatsara ny fiainanao fa mikaroha bizna etsy sy eroa.

Ny fampanantenana politika ve? Hadalàna ny anareo nino an'ireny... Efa fantatra ny situation-n'i Madagasikara tamin'ny nifidy an-dRavalo ka impossible izany 4L izany. Izaho aloha tsy nino... fa tsy hoe te hahazo 4L mihitsy no nanohanako azy.

Ka hoy aho hoe... andraso eo ny Poly (tika) dia ho hitan'ny havanao eo ianao.
18. iartistika ( 16/02/2005 09:32)
Ny vahoaka anie efa manao sacrifice daholo eh! koa maninona koa ny mpitondra raha mba miara-misacr miaraka @ be sy ny maro!
19. intelligenzia ( 16/02/2005 11:43)
"hery":
Aminay ny fandrosoana dia mila sacrifice

sacrifice = ? Vahoaka mihinan'ny...tsy fihinana? Raha sacrifice ho an'ny firenena dia ekeko tanteraka. Saingy diso fijery i Hery fa ilay sacrifice ho an'ny mpitondra sy ny fianakaviany fotsiny ka TSY RARINY raha izany no ampijaliana vahoaka

"hery":
ary aza miandry an-dRavalo hanatsara ny fiainanao fa mikaroha bizna etsy sy eroa

Iza no hiandry olon-kafa eo anefa e? Fa tsy mbola tratra ianareo dia tsy fantatrareo izany hoe TSY AVELA MIFANINANA. Ary misy ny efa tao fa tsy mba hoe saika ho ao no nesorina sy voaraoka mihitsy aza.

20. naritsimba ( 16/02/2005 12:33)
Aleo ho tsorina aminareo fa efa lasan-dRavalomanana sy ny ekipany daholo rehefa bizina eto Madagasikara.
Mba fantatrareo ve fa na ny mpanao bizina teo @ avenue aza noraofina daholo ary nampidirina violon, ny toerana rehetra tsy azonao idirana fa efa an'i TIM. Ny Taxi phone nofoanana.
Aoka ry Hery tsy hanome tsiny avy hatrany ise na hitsara hoe izahay miandry tolora-potsiny sanatria izany.
Rehefa tonga aty ianao dia ho hitanao tsara fa an'i TIKO sy ny ekipany daholo ny zavatra rehetra indrindra raha vao sehatra fampiasam-bola na madinika io na vaventy, ary raha miseho mikitikitika azy dia any am-ponja, na ny maneho hevitra aza tsy azo atao fa feno mpitsikilo ny sakeli-dalana rehetra izany ve ny hoe tany demokratika, mahamenatra tena mahamenatra ny nandraisan'i Madagasikara ilay Loka LOUISE MICHEL, fihatsarambelatsihy no betsaka.
Ny sacrifice efa natao ary niandrandra fiovana ny Malagasy saingy indrisy ny mpitondra no mamono ny vahoaka entiny izay mba te-hihetsika dia sakanana @ fomba rehetra: mampalahelo raha Filoham-pirenena milaza azy ho Kristiana no maha sahy mamono an-kolaka ny Malagasy tahaka azy, satria izay no hitako sy tsapako.
Milaza izy fa tsy baikon'ny mpamatsy vola nefa hay mandainga fa mbola ny pôlitikan'ny BM sy ny FMI no arahana. Mahafinaritra azy ny mahita ny Malagasy milaha-bary maraina mandra paharivan'ny andro.
Ny tena moa aiza no ahafahana hilaha-bary?
Koa aoka ianareo any tsy hanome tsiny hoe Kamo na miandry tolora-potsiny ny Malagasy, tsy marina izany.
Aza gaga raha hiverina indray ny 1991 sy ny 2002 atsy ho atsy ary izay no tsara mba ahatsapan'izay mpitondra eo fa tsy mahay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2363