Karemy

1. ikaretsaka ( 11/02/2005 02:18)
HO an'ny katolika dia nanomboka t@ alarobia teo ny vanimbortoanan'ny karemy.
tsy ny fifadian-kanina ihany fa ao koa ny sacrifices isan-karazany ary ny fandinihantena indrindra indrindra.
samy hahavita karemy soa aby ary!
novalian'i annie ny 08/04/2005 22:40
2. blablabla ( 11/02/2005 03:01)
fombafomba sy endrika ivelany daholo izany fa ny fanahy sy ny fo no tena ilaina diovina. soa fa nifanojo tamin'ny fahalafosan'ny vidim-piainana ka dia karemy tsy sazoka ny vahoaka iray manontolo
:?
3. ikaretsaka ( 11/02/2005 03:49)
izay no nolazaiko hoe fandinihin-tena indrindra indrindra
4. sahary ( 11/02/2005 04:21)
aza dia variana loatra @ ireo fomba2 ara-pivavahana fotsiny fa diniho hoe mitondra inona ho anao izany(ny fandinihan-tena no zava-dehibe)
5. ikaretsaka ( 11/02/2005 04:24)
izay no notsipihiko io ka!
eugmmm nataoko natevina manko e!
6. fijo ( 11/02/2005 05:19)
mahazotoa ary mikaremy fa aleo ihany rafijo hikaly e.ny ahy kaly ,kaly kaly ihany.voky aho vao mandinika fa raha noana mivezivezy ny fanahiko
7. booboo ( 11/02/2005 12:53)
fijo> :-D
8. hery ( 11/02/2005 15:07)
Misy tsirony be ny fiainana rehefa misy sacrifice kely... azo raisina amin'izay koa ny karemy. Andramo ange ireto e.

- Rehefa te hihinan-kanina (noana be) iny ianao dia eritrereto hoe misy malagasy toa anao any Dago te hihinana fako fa tsy mahita. Dia ho firaisam-po amin'izy ireo dia aza tonga dia mihinana fa miareta kely... na raha mahavita ianao (tena tsara) dia anombino kely ny sakafo tokony hohaninao dia angony dia omeo izay hitanao toa izany akaikinao. Raha tena afaka mandefa azy any Dago moa dia vao maika tsara.

- Rehefa te hifoka sigara be iny ianao dia mijanona kely aloha... dia eritrereto ilay olona efa voan'ny cancer de poumons any amin'ny hopitaly, mikohaka foana, maniry ny hiaina rivotra madio. Izaho tsy miteny hoe aza mifoka, fa mieritrereta kely azy aloha dia raha tokony hifoka sigara 1 paquet ianao androany dia 1/2 fohana fa ny vola tokony hividianana ny 1/2 angony dia atero any amin'ny hopitaly afaka 1 volana.

- Rehefa te ....

Hitanareo ilay principe.

Tsy ny mifady ho an'ny fifadiana fotsiny (priver pour la privation) fa mifady mba ho fampianaran-tena sy ho fitsinjovana ny hafa. Dia izay no anaovana an'ilay "fombafomba" (?) amin'ny karemy.

Ary tsy voatery ho katolika ianao vao manao an'io... satria tsy voatery katolika ianao vao manana fo mangoraka. Tsy voatery amin'izao koa ianao no hanao an'io raha misy fotoana hanaovanao azy... kanefa ilay ambiance amin'izao fotoana alohan'ny paska izao dia tena manampy be.
Ary raha tsy mpino mihitsy aza ianao... dia azonao mbola atao koa io, tsy voatery amin'izao fotoana izao... kanefa rahoviana? Ary raha tsisy fotoana hanaovanao azy intsony?

Mazotoa daholo
9. ikaretsaka ( 11/02/2005 15:10)
izay! merci ra hery nanazava :-*
10. pitchou ( 11/02/2005 21:08)
merci hery! saingy misy tiako ahitsy kely momba le sigara:
aza le olonba efamararin'ny cancer noho ny fifohana sigara no eritreretina fa ireo olona nitandri-tena tsy nifoka nefa dia narary noho ianao mpiara-monina aminy nifoka! mibebaha mafy fa ianao no nankarary azy!
11. ikaretsaka ( 11/02/2005 21:10)
amen pitchou! :-*
12. pitchou ( 11/02/2005 22:33)
nga karetsaka mifoka sigara?
13. ikaretsaka ( 11/02/2005 22:45)
sanatria sanatria.. zany no anaovako hoe amen (marina izany)
14. pitchou ( 11/02/2005 23:09)
hihihi! matetika ny mpifoka sigara tsy mba manaja ny manodidina azy!
15. yonikafopl ( 12/02/2005 18:13)
bravo pithou =D>
16. 1kd100 ( 14/02/2005 10:20)
- ny karemy ange tsy mandaitra @ izay efa tsy te-hikaremy rahateo é ! aleo izy hikaly ,hikaly tsara , hikaly mafy fa rehefa trop ve nolaniny tsy hi-vomir ny farany é! dia avy ei karemy ho azy ihany !
- ho anareo efa mahay manao karemy kosa : aza atao hoe vanim-potoana toy izao ihany vao mikaremy fa ataovy @ fiainanao manontolo, fadio izay efa nekenao fa mifanohitra @ maha-kristiana anao:
- manaova karemy @ izay tsy vadinao ohatra fa io mantsy no tena malaky maharesy ny sasany :^) ! amena !
17. ikaretsaka ( 14/02/2005 14:09)
fa misy vanimpotoana samihafa anie hijerenao akaiky ny situation e.. anisan'izany ny karemy!
izay ny maha samihafa ny andro sy ny fotoana fa tsy hoe alahady foanay na paka foana na krismasy foana e!

za tsy manao hoe ratsy ny isanandro.. fa kosa misy foana ao anatin'nyandro na saison iray fanararaotana hanaovana zavatra izay misimisy kokoa
18. pitchou ( 14/02/2005 18:11)
ohatra rehefa st valentin! :oops:
19. yonikafopl ( 14/02/2005 19:59)
pitcou inn no araraotina atao amin'ny st valentin??? :-@ :-w
20. ikaretsaka ( 14/02/2005 22:23)
zay ohatra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0867