rehefa tena nandinika tsara aho izany.....

1. joda ( 09/02/2005 13:33)
dia ny teo ihany ny teo ary toa vao maika aza miha pire ny fiainan'ny gasy.....i sarah dia mitovy toetra @ i sophie il parait fa tsy mahatamàna ny ao @ mbs i dada manana ny magro dia ny décagon sy ny procops mbà mandiniha kely re ry gasy fa misy tsy mety ny politika a....izay raha diso ny teniko dia aleo hiverina aty amiko
2. majakely ( 09/02/2005 14:15)
tena tsy misy fiovana ve no fahitanao azy ?
:roll:
3. maditra ( 09/02/2005 18:45)
Betsaka aloha ny zavatra niova toy ny mpitondra, ny olona ao amin'ny governemanta, ny depute sasany ary ny senatera. Tsy misy koa ny Governora fa PDS hono no anarany amin'izao, dia rehefa avy niteny fa tsy misy ilana azy ny conseiller provinciaux, dia izao mamorona chef des regions izao. Niova daholo izany ny olona sy ny rafitra fa ny toetra no mitoetra ary ny but tokana ihany. Dia miha-mahantra hatrany ary Sarah-babem-bahoaka. Izay no tian'i joda resahina raha azoko tsara.
Miombon-kevitra amin'izany aho.
Nefa matoky koa aho fa misy manana hetaheta hampandroso an'i Madagascar ihany ny olona sasany na dia izany aza.
4. ikaretsaka ( 09/02/2005 19:33)
marina mihitay io tein'i maditra io..
f amisy koa anefa ilay olona te hampandroso an'i madagasikara no bahananana tsy avela mifaninana @ tena sy tsy omena marche hono!
resak ateto io fa mamerina fotsiny za a
5. MinoaFotsiny ( 10/02/2005 02:35)
tribune:

En dehors des avantages selon les mesures d'exonération dont elle bénéficie depuis quelques années, la société "Tiko" vient d'avoir également d'un apurement de déclaration le 4 octobre dernier.

Ravalomanana:

aza matahotra fa minoa fotsiny ihany.

wanadoo.mg:

Vidim-piainana sy fahasahiranana : Tafakatra 30 ka hatramin’ny 80 isanjato ny vidin-tsakafo.
Raha sanatria mbola mitohy ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ity filaharam-bary ity, dia inoana fa hiitatra sy hivadika ho zavatra hafa ireny fitarainana sy antsoantson’ny maro ireny, satria ny ain-dehibe mihitsy no efa voatohintohina.


aho:

faHAmarinana = FAMARINANA AN-KADY
fahamasinana = fanompoana ny mpitondra
fiarahamientana = miasa ho an'ny groupe tiko

6. fi ( 10/02/2005 10:32)
marina izany ry joda a! ilay saraha dia tena mampihaiky vahoaka mihintsy ny toetrany, mihafy fotsiny hono ny ankizy ao @ MBS ao fa tsy mora ny mitady asa e, ny fiainana sarotra, mankahery azy ireo aho
7. naritsimba ( 10/02/2005 10:44)
Ny kely anananao aza mbola alaina aminao.

Hampanana ny manana ary haka ny kely eo an-tanana.

Aleo ny tantara no hitsara fa dia ho hitantsika eo, fa tsy mbola nisy velona teo ambony alahelom-bahoaka akory.

Vary: 1400Ariary/kg
Hen'omby: 1800 - 4000 Ar/kg
Anana: 50Ar/4pers
Voamaina:1000Ar /kg no mora indrindra
Ny varim-panjakana 700Ar ilaharana maraina mandra paharivan'ny andro ary mety tsy mahazo akory aza.

Antsika no mieritreritra, fa izao no atao hoe fanjakan'ny TIKO sy namany
8. boudha ( 10/02/2005 12:09)
marina daholo izany resaka izany fa ny tsirairay koa mila mandinika an'ny tenany . Inona ary ny teti'asa efa nataoko hampandrosoana ny fiainako sao lany andro mitsikera sy mijery ny lafy ratsin-javatra foana aho?
NA NY TOETRANAO ANDAVAN4ANDRO AO AN6TOKATRANO AO VE MBA MENDRIKA KOA?
Ny olona iray no lasa ankohonana ary ankohonana maro no lasa vahoaka vahoaka no mitambatra ho firenena SAMIA MAMPITOMBO NY MAHA IZY AZY fa aza lany andro mijery ny tsy metin'ny hafa Mahereza daholo fa tsy maintsy miposaka ny masoandrn'ny MALAGASY
9. cheboman ( 10/02/2005 14:55)
Marina ny anao boudha :lol:
10. voageja ( 10/02/2005 22:22)
budha> amin'ny fomba ahoana? tsy adala ny olona ary tsy misy nisafidy ny tsy hisondrotra fa samy te hisondrotra daholo. ny olana dia voageja tsy afa-manao na inona na inona ny tsirairay, ny vahoaka, ny firenena iray manontolo.
ny vava tsimaintsy omana fa tsy mahavelona ny meditation boudha an! ny vary anefa ilaharana dia rehefa reraka be avy milaha-bary (raha nahazo) mbola be ny asa tokony atao raha vita. ny hena tsy takatra intsony ny vidiny. ka raha vary soa sy siramamy angamba tsy dia hanampy be loatra amin'ny fandrosoana fa hitondra hareharana ho anao fotsiny.
ny produit laitiers izany moa dia tsy fantatra hoe iza no mbola mahatakatra an'ireny fa toa vao maika velona be ilay orinasa mpamokatra azy!!!!
11. ra8mbandana ( 14/02/2005 22:00)
FAMPANDROSOANA HAINGANA sy REVOLISIONA SOSIALISTA(Fiovam-penitra mahery vaika)

VARY ILAHARANA itovizana saingy ankehitriny 700Ar ary taloha mila carnet an'ny fokontany

RADIO TSIOKA VAO sy RADIO MBS

dia inona koa?
12. naritsimba ( 15/02/2005 11:16)
Tsy sanatria lany andro mitsikera fa ny olona mahita sy mahatsapa fa mndroso @ izao de ireny no tena mpisolelaka @ TIKO.
??????????????????,, Mieritrereta eh!
13. intelligenzia ( 15/02/2005 22:33)
miaro tombontsoa mafy izy ry naritsimba fa efa manao tsipaky ny miala aina a.
asa mitondra azy mankaiza ny alahelom-bahoaka niari-tory sy nanao vy very ny ainy tamin'ireny tolona mavaivay ireny. ankehitriny anefa toa zava-doza sy fahantrana no tambiny.
14. fijo ( 15/02/2005 23:15)
resaka manahirana io .hoan'ny aty ivelany.vahiny dia tena nahavita zavatra izy.
fa hoan'ny gasy dia nampitrotrongy ny olona izy.za tsy hilaza satria tsy mahay izay tena any.
fa raha toa ka miala eo izy ka mitsahatra koa io asa efa natombony io.tsy hitabataba ihany koa ve isika????;
asa aloha fa ianareo any no mahita izay mety any satria ianareo no miaina azy.
15. intelligenzia ( 16/02/2005 01:07)
inona moa izany "efa natombony" mila tohizana izany? ny filaharam-bary ve? sa ny fiakaran'ny vidim-javatra manodidina ny 30%?

Sa ny fampiroboroboana ny orinasa TIKO (Magro, Alma, MBS...)? Alma = asa lalana malagasy.
16. titakely ( 20/02/2005 14:18)
tena miaina tanteraka ao anaty fahantrana tanterka ny ankamoaroanny malagasy izao ny classe moyenne izany toa tsy hisy intsony fa lasa mafy ady daholo izao, ny hohanina aloha no ao andoa ny any ambanivolo moa dia vao maika pire noho ny pire
17. intelligenzia ( 22/02/2005 22:53)
mba valio ilay fanontaniako fijo raha mety a. :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0922