FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2005 (TATITRA)

1. naritsimba ( 07/02/2005 06:37)
Miarahaba antsika namana rehetra.
Vita soa aman-tsara ny Fifampiarahaban\'ny namanaserasera aty Madagasikara ny taona 2005, izay natao teny @ La Cascade du Rova. Nanomboka t@ 2 ora sy sasany ny fotoana, nisy ny nitondra ny teny fiarahabana, avy hatrany dia nanao fifankahalalana ny rehetra izay tonga taloha ary avy eo dia nitotorebika avy hatrany ka samy nampiseho ny talentany ny tsirairay teo @ ireo karazan-dihy isan-karazany, ireo namana tratra aoriana moa dia mbola nanao ny fampahafantarana ihany koa.
Nisy ihany koa ny fiarahana nihira teo @ rehetra. raha ny isan\'ny tonga no lazaina eto dia teo maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa eo @ 45 mianadahy mianaka eo ho eo ny isan\'ny namana tonga nanatrika ary ny nahafaly dia misy hatrany ny fahitana ireo namana vaovao tonga manatrika ny fihaonana tahaka ireny.
Tamin\'ny 8 ora alina no nifarana ny fotoana ary dia mbola niaraka mandra-maraina izay afaka.
Isaorana eto ireo rehetra nandray anjara dia ny La Casacade izay nanaiky nampiantrano, ny nampandihy, ny namana nitendry zava-maneno, isika namana tonga rehetra ary ireo namana izay tsy tonga ihany koa nefa nampitondra izay voatsirambin\'ny tanana.
Mankasitraka mankatelina, sitraka enti-matory ho valiana raha mahatsiaro.
novalian'i revy ny 23/05/2005 09:45
2. ravatorano ( 07/02/2005 11:02)
misaotra anareo nikarakara ilay fihaonana aloha ary dia mirary antsika rehetra ihany koa hanana fotoana malalaka indray amin ny manaraka hiarahana :wink:
3. Fanja1 ( 07/02/2005 11:05)
Miharahaba anareo navita soa zany naritsimba! Tohizo fa mahafinaritra!
4. poupounesana ( 07/02/2005 16:34)
d mbola mamerina ny fisaorana anareo nikarakara an'ilay fihaonana! d ialana tsiny ahtrany ny tsy maintsy niaingana aloha!(ny tena koa moa tovovavy ihany ka manahirana ilay mody alina b eh :wink:
5. yonikafopl ( 07/02/2005 18:53)
Mahafinaritra rehefa nahazo fahafinaretana ianareo ka!!
6. Ramaso ( 07/02/2005 19:40)
poupou> oainina be ve nade nisy nanatitra az afa tsy nody seule?? :{
7. fijo ( 07/02/2005 21:29)
dia miarahaba ny rehetra nahavita soa izany e.
poupou izany tokoa ve???,tsy nisy nanatitra??
8. notron ( 08/02/2005 06:44)
salut!
Nahafinaritra iny fihaonana fifampiarahabana iny ka!

Ny zavatra an'isan'ny nahafaly koa dia ny nahitàna an'i Lemonta, izay namana mahafatra-po, mpanentana fahizany teto @ ity sehatra ity nefa noho ny tsy maha-eto an-toerana azy mazàna dia tsy dia afaka nihaona firy t@tsika izy.

Hita sy tsapa ihany koa fa mitombo isa hatrany isika noho ireo namana vaovao mazoto ny hanatevin-daharana antsika.

Mbola be ny ho sisa e!
Miroso hatrany ho @ tsaratsara isika
9. poupounesana ( 09/02/2005 14:56)
nisy nanatitra kah! fa tsy hotononiko eto ny anarany fa so manahirana!d mbola hisaorana koa izy eh!
ramaso, zà nisy nanatitra fa nody seule ihany kah! (aoznao v le nuance?)
10. pinous ( 09/02/2005 16:03)
Dia miarahaba antsika rehetra rehetra e!
Tsy dia hitako moa izay ambara fa tena mahafaly ahy ny fiarahana.Iny t@ 5fevrier iny dia anisan'ny fihaonana tsara indrindra teo amintsika raha ny fahitako azy.Fa ny irariako dia mba tsy ho ela vao misy indray.Tena ataontsika mahafinaritra ity taona ity e!
Dia mandra-pihaona.
11. fijo ( 09/02/2005 21:41)
mandrapihaona poupou an.
12. ikaretsaka ( 10/02/2005 01:23)
poupou> de tsy mba nomen akadeau kos ave le mpanaritra e.. na mba heo nitehafanay teto aza izy fa tsara fanahy!
13. pablo ( 10/02/2005 08:36)
Misaotra anareo rehetra izay tonga nanatrika ny fihaonana, ary mirary fahombiazana ho antsika rehetra koa mba tonga aminy manaraka.
Mandrampihaona :D
14. harena ( 10/02/2005 12:11)
ary mety ve rah mba mandeh mamboly hazo ndray tsika eh, sa enjana ny fikarakarana?
zah loh tsy afaka tamnio fa nisy nanahirana
15. rirhi ( 10/02/2005 16:57)
Miarahaba antsika rehetra zany koahy zahay a Toliara atoy koa.
Mba hitohy ihany anie izao
16. ikaretsaka ( 11/02/2005 02:35)
de miandry ny sary anay ary
17. naritsimba ( 11/02/2005 08:50)
Momba ilay fambolen-kazo dia efa ao anaty fandaharam-potoana io.
Efa miezaka maka renseignement ihany ny tena fa mbola tsy ampy.
Mamerina ny fisaorana sahady ho an'izay vonona e
18. notron ( 12/02/2005 11:48)
Marina ny tenin'i naritsimba fa efa elaela ihany izay no niheverana ilay fambolen-kazo (Hazo tena hazo io an!. Tsara mihintsy izany satria excursion vita io.
Manahirana tokoa ny fikarakarana ary somary mila matevitevina ilay fandehany ka izay no hakana bahana tsara aloha. Nefa averiko ihany fa rehefa misy ny fitiavana ka ampiana finiavana dia minoa fa ho vintatsika izany.

Isaorako indrindra ireo namana izay maniry mafy ny hifankahita tava sy hiaram-paly nefa tsy afa-manohatra fa lavi-tany, toy ireo mipetraka lavitra an'Antananarivo sy ireo any am-pitan-dranomasina. Tsy nanadino izy ireny fa nahatsiaro hatrany ary inoana fa miombom-po mandrakariva amintsika tanteraka.
=D> ^:^
19. kanto ( 12/02/2005 13:31)
Salut daholo e!
Miala tsiny fa tena tsy afaka e fa amin;ny manaraka dia tonga ndray e fa na dia zany ary aloha tratry ny taona daholo nareo e .
:P
20. mimich ( 12/02/2005 13:42)
misaotra ny mpikarakara, ary mamerina ny fialan-tsiny nataon'i poupoune fa tsy maintsy nody alohan'ny fotoana.
fijo> zay sy poupoune no niara nody de mbola nisy namana hafa koa ka!de nisy nanatitra zany zay ka!!!! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1461