LASA DIHY FOTSINY SISA NY ARTS MARTIAUX ANKEHITRINY

1. miarantsoa ( 27/01/2005 16:31)
Fa maniona hoa ho no toa lasa karazana dihy fotsiny sisa ny arts martiaux ankehitriny :
ny kata artistika , ny\" tao \" ranolava amin\' ny kung - fu, ny capoera dihy ny ankamaroany , ny Taekondo dakadaka mahavalalanina ny maso ....
Aiza izay maha art de combat ny arts martiaux?
Tsy fanakianana be fahatany sanatria fa resaka tiana handeha!
novalian'i nampo ny 25/05/2005 08:40
2. ikaretsaka ( 27/01/2005 18:03)
tadidio fa ao anatin\'y teny hoe art martiaux de misy ny teny hoe \"ART\"
tsy dakadaka be fahatany io fa arindra arak\'izay
voavaly ny fanontaniana
3. booboo ( 28/01/2005 14:07)
:-D lééééééé
4. iriniaina ( 28/01/2005 16:16)
tehaka mafy ho any i ikaretsaka :-P
5. miarantsoa ( 29/01/2005 17:48)
Fa mba ento miady eo anatrehan\\\' ny mpiandry omby kosa ary ange ny kata sy ny tao sy ny dihy e ...Ataon\\\' ny tota- boka mamay !
6. ikaretsaka ( 30/01/2005 03:33)
f\'angaha lety rehefa manao mart martieux de hoe voatery hiady sy hifanandrina foana an!
ilay conception nisainan\'ialahy azy mihitsy no diso raha izay
7. ikaretsaka ( 30/01/2005 03:34)
raha izay de tsotra kokoa ny mividy basy de riatana any aby ze masosotra! :twisted:
8. booboo ( 30/01/2005 16:38)
:-D
9. ikaretsaka ( 30/01/2005 20:13)
zay mora kokao koa.. le mianatra manisy bala fotsiny no ianarana de pria ta ta ta!
sady tsy reraka misamatsamaka ny fe no tsy mararyny tanana manao totondry
10. miarantsoa ( 31/01/2005 06:47)
Za koa ary mba miteny aminareo hoe raha hianatra mandihy tsy aleo minatra hip hop na danse du salon na hira gasy ... :idea:
11. miarantsoa ( 31/01/2005 06:53)
\" L\' expression de soi - même , c\' est dans le combat \" a dit Bruce Lee , le grand expert en arts martiaux du 20° siècle
12. ikaretsaka ( 31/01/2005 15:14)
fa tsy nazavainy hoe kombaka inona ilay izy
13. lo ( 01/02/2005 03:38)
kombaka ambava ngamba zany :-D :-D :-D
14. ikaretsaka ( 01/02/2005 13:38)
mitsimitsiny!
15. fijo ( 02/02/2005 05:10)
miarantsoa ,aleo aloha ahitsiko kely ianao fa i bruce lee dia tsy expera izany mihintsy fa mpanao sarimihetsika.jereo tsara ny horonantsary misy azy fa feno hosoka"trucage".aza hafangaro ny sarimihetsika sy ny hay ady.
16. Miarantsoa ( 03/02/2005 16:07)
Tsia ry Fijo !
Bruce Lee ankoatra ny maha mpanao film azy de tena expert tokoa amin' ny arts martiaux; izy no namorona ny art martial izay azo atao hoe plus complexe indrindra :ny JEETT KUNE DO .MIjereva ireny documents maro momba azy ireny na momba ny arts martiaux koa !
Bruce Lee , il est l ' incontournable référence !
Jeet kune Do : art de combatre , art de vivre!
17. ikaretsaka ( 03/02/2005 19:33)
miarantsoa> fa raha vao ilay concept an'ialahy hoe hanao art martiaux=hikombaka sy heo mazana be dia tsy lasa kle...
raha hiady letsy tsy aleo maka basy de fafazana any de vita!
@ zay epression moi meme.. rapide et simple!
inona ny ianarana art sy fika fanaovana totondry raha izay ny ilan'ialahy azy??
fa raha hitaizan'ialahy tena.. himaitrisen'ialahy ny vatan'ialahy ireo fihetsika mirindra araka ny ma "art" azy fa tsy hanaovan'ialahy combat.. dia izay no mora kokoa!
ilay concept an'ny bandikely @ izao mihitsy no tsy mamely e hoe manao art martiaux de hi-combat de hoe hioady @ bandikely eran'ny nanana sy hiseho hoe za no mazana!
manoatra nohon'ny akoholahy ampiadiana ialahy @ zay le
18. fijo ( 04/02/2005 00:23)
miarantsoa asa enao na firy taona fa tamin'ny 1975 aho no nanomboka nanao art martial,ary tena mpanka fy bruce lee.
fantatro fa izy no namorona io art voalazanao io,fa mba lazao ahy,firy em dan izy.manomboka 5eme dan no antsoina hoe expera
efa nanao compety taiza izy,afa tsy ao anaty sarimihetsika.
marina fa izy no nahalalana ny kara te sy kung fu tamin'ny alalan'ny sarimihetsika.fa tsy tamin'ny fahazoana tompondaka eran tany akory.
19. Miarantsoa ( 07/02/2005 14:13)
Izay aloha izany no azo atao hoe mpiondana jeet indrindra e !
Respect à notre Si - Jao Bruce Lee !
Voalohany indrindra aloha dia tsy azo anaovana compétition ny Jeet ka mazava ho azy izany fa tsy nanao compétition i Bruce Lee ( hoe te haka izao amboara eran-tany izao na izao ).
Mahery vaika loatra ilay jeet rahalahy isany a !
Dia io koa ho aho tsy hoentina amin' ny hoe raha vao miteny hoe art de combatre dia hoe hiady foana !
Zahay rahalahy isany efa firy taona nanaovana izany jeet izany mbola tsy nanana eritreritra ny hoe hiady izany mintsy!
ARY TSY MBOLA NIADY !
Io lazaiko aminareo fa ny toe - tsaina sy ny toe- panahy no mitondra ny zavatra rehetra !
Ao amin' ny jeet dia ny fitazaim- panahy no ambony indrindra ary samy hafa tanteraka amin'ireo arts mbola misy eran' izao tontolo izao !Tokana e !
Sahinay ny milaza an' izany an!
Ny arts sasany tsy manisy lanjany mintsy zany resaka ara- panahy izany ( antony mapivaralila ny mpianatra io ), ny sasany mirona be loatra any amin' ny fanompoan- tsampy...(miala tsiny fa izay no marina !)
Io na hanao sport inona ianao na hanao sport inona rehefa tsy ao ny toe - panahy mendrika( tsy ampy intsony ny toe- tsaina) dia miseho azy ho mafy be foana ( na tsy hoe arts martiaux aza )
Fa io zany no tianay hotenenina foana hoe aiza ilay pratiques maha art de combatre ny arts martiaux e !
Marina fa" art " izy nefa tsy tokony ho ny zava- kanto no hibahana be loatra anatin' izany zavatra izany !
JEET KUNE DO : L'ART DE COMBATRE SANS VRAIMENT COMBATRE !
20. Ramaso ( 07/02/2005 14:36)
ka kata ny atao rehefa tsy miady letsy e.
za aloha manao rugby fa za tsy mizesta hoe tairo foana ny rugby e..
ary indraindray za mikotrana rery miaraka @ baolina sy mamerina ilay gertes fi taklena @ rivotra ..
himaitrtisena anazy daholo izany.. ohatran'ialahy hoe tsy voatery misy ekipa ihany vao mikotrana baskety fa afaka mikotrana rery @ baolina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8112