Fihaonana @ Ravalomanana

41. fatsoraly ( 31/01/2005 22:14)
yonikafopl> izaho aloha tsy manantena miracle araka ny voalazanao. nefa mba mahalasa saina ihany ny "miracle" hita eo @ groupe tiko tao anatin'ny telo taona. dia mampalahelo koa ny "miracle" nampikatona ny orinasa maro sy ny "miracle" mahavoarara ny sasany tsy mahazo manangana orinasa mpifaninana.
42. fijo ( 31/01/2005 22:46)
misy marina tokoa io voalazan'i fatsoraly io ary hitako mivantana tany mada.
saingy tsy diso koa ny voalazan'i yonika.fa isika gasy dia may ny hanongana ary dia miandry fotsiny avy eo.,
raha ny fahitako azy dia diso fandraisana ny hevitra isika.ohatra le hoe "minoa fotsiny"tsy hoe aza miasa fa minoa dia tonga io,fa ny heviny dia hoe miasa dia minoa afa hivoatra ianao.
ny filoha anie na hiova injato ao anatin'ny herintaona isika nefa tsy hanao raha fa mbola le fika taloha ihany ,aza manantena fiovana mihintsy e.
43. fatsoraly ( 31/01/2005 23:12)
ianao anie ry fijo tsy avela hiasa raha toa ka atahorana handresy @ fifaninanana e! ny olona niasa teo aza noroasina! izany no mampiraviravy tanana ny vahoaka raha ny fahitako azy manokana.
mba voadona ihany ny ambom-ponao raha ianao tsy mikely soroka iny no akatona noho ny antony politika ny orinasanao.
44. hery ( 31/01/2005 23:56)
Dia angony indray ny hery... tsy ho ela intsony ny 2007 hanoloana izay tsy mahavita azy :-)
45. fatsoraly ( 01/02/2005 00:04)
tsy hoe rehefa tsy mety ny ataony dia soloina izy akory! fa jerena aloha ny fomba hanokafany ny sofiny sy ny masony sao miova ihany izy. izay vao mihevitra ny fanesorana azy.

na izany na tsy izany efa miorim-paka lalina ny didin'ny be sandry mandra-pahatongan'ny 2007. dia aza gaga raha tsy manan-jo hifidy akory @ 2007 raha izao dia efa tsy manan-jo hanangana orinasa!!!
FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA
:)
46. mihanta ( 01/02/2005 12:35)
rahoviana vao ho tafita mafagasikara?misy afaka milaza fa possible v zany
47. Iriniaina ( 01/02/2005 12:59)
tafita aona mou ? :roll:
48. yonikafopl ( 01/02/2005 21:37)
asa re!!!!!
Tsy misy ny tanteraka e!! izay tonga eo hahitana tsikera aby, mbola tsy teraka ilay hahatafita an'i gasitara
oupssss diso tsipelina, Gasikara :-P
49. mihanta ( 01/02/2005 22:08)
zareo ao ambony miady seza d ny vahoaka no mampalahelo
50. fijo ( 01/02/2005 23:18)
ny hoe tsy hisy kosa aloha tsy marina e.fa mila fiaraha mientana io
51. yonikafopl ( 02/02/2005 20:29)
fijo ka mbola tsy haintsika malagasy mihintsy ilay miara mientana ange e!!! mbola ho lavitra ny lalana.
52. ikaretsaka ( 02/02/2005 20:33)
tsy ao anaty kolotorantsika intsony io fa voan'ny cekezem e.. samy mandeha samy mitady de FYA (Fu.. Y.. All)
io le hoe an'i dada io sa an'i mama sns e
53. fatsoraly ( 02/02/2005 22:18)
hery> fa angaha ny fiainam-pirenena anaovana bontolo hoe: izahay no eo ka izay tianay atao fa andraso ny fifidianana manaraka?
:lol:
54. fijo ( 02/02/2005 23:08)
raha ny zavamisy aloha dia izay no misy any izao fa mino aho fa tsy hijanona aminizao io.
55. yonikafopl ( 03/02/2005 17:37)
fatsoraly fa nga dia izay tiany atao tokoa mou no ataondry zareo ao ? mba mahita asa misongadina ihany anefa ny tenanay, tsy tonga dia ary ho vita indray mipalaka doly koa ange izy io eee
56. fatsoraly ( 03/02/2005 21:47)
yonikafopl> ENY, tena izay tiany atao tokoa no ataony na rariny na tsy rariny.
57. fijo ( 03/02/2005 23:17)
marina ary hitako wa io voalazan'i fatsoraly io,fa na izany aza taorian'ny 1972,dia io irery no fitondrana mba nahavita zavatra mivaingana tao mada.
58. Nananie ( 07/02/2005 12:39)
Marina aloha izany,fa tokony i accélérer kely ry zareo fa sao leo ny ol.
59. fijo ( 07/02/2005 22:19)
izay aloha dia tsy azo lavina ,fa ny olana dia ry zareo mpampindrambola izay manery be koa avy ao aoriana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2351