Inona no vahaolana fantatrao hampandroso an\'i Dago?

1. tanala ( 19/01/2005 12:50)
Efa mba maro ihany ny hevitra niposaka teto fa mba hiady hevitra ny vahaolana mety mahahomby sika. Satria miteny daholo ny antoko rehetra hoe tsy misy fandrosoana. Inona ary no tokony atao? Tsara le hoe tsy mety ty sy ry fa tsy ampy?
De heritrereto mialoha koa iza no hanato azy?
Ry tanora zay maro an\'isa mbola ho ela ny lalao , tsika no mijinja ny ataony reo lehibe @ zao fotoana.
2. belo ( 19/01/2005 13:01)
asa fa tsy kabary
3. isrine ( 19/01/2005 13:53)
isika izay mipetraka ivelan\'i dago no tokony hody hampandroso an\'i dago. izay no vahaolana voalohany.
Manana hevitra maro samihafa isika fa tsy sahy hilaza izany eto. Isika no herin\'i madagasikara!
4. booboo ( 19/01/2005 13:59)
ka hody dé inn lé raha atao hampandrosoana an\'azy ?
5. kavitra ( 19/01/2005 14:19)
ny vahaolana tsra indrindra dia ny fanaovana service militera dia ovana ho fambolena sy fiopiana nasionaly mba hialana @ tsy fahampiana sakafo sy ny fisondrotany vidiny ka tsy maintsy manao anio ny malagasy 18 taona ny lahy 2 taona ka ny vavy kosa dia 1 taona sady fampianarana ny malagasy hiveryna eny ambanivohitra ary koa mba mampiatra ny fomba moderna manarampenitra arakiny fitaovana eo ampelatanana ary koa ireo ingeneratsika sy ny mpikaroka kosa asaina mikaroka fitaovampambolena tsy lafovidy ariko manarampenitra
6. tatasy ( 19/01/2005 14:29)
olondrery tsy hahavita an\'i Dago , ka aoka mba hamela ny olona voafantina hanao ny asany ny mpitondra ambony fa tsy ho tia tena ka hitsabaka @ asan\'ny sasany. ary ny fitiavantena koa aoka hajanona fa tsy hangoronkarena no atao fa asa.
7. booboo ( 19/01/2005 17:42)
kavitra>ié
8. maditra ( 19/01/2005 18:19)
Ary raha maninona moa raha ireo gadra ireo no asaina miasa fa tsy tondrahana sakafo fotsiny izao? Ataoko fa sady mahavitsy ny halatra sy ny dahalo izany no mahazo vokatra betsaka koa isika.Atao matanjaka tsara fotsiny ny securite dia milamina tsara izany. Ilay hoe ny tanora 18ans manko dia hitako fa tsy maintsy hampihena ny pourcentage-n\'olona manana BAC ilay izy ary manelingelina ny fanohizana fianarana hankeny amin\'ny anjerimanontolo(universite).
Na koa hoe ireo tanora izay efa tsy mianatra a l\'age de 18 ans a 21ans no azo ampiarana izany. Amin\'izay koa tsy mba mialamiala mianatra amin-javatra tsy misy antony ny tanora Malagasy.
9. ikaretsaka ( 19/01/2005 19:06)
amiko ny toe tsaina mihitsy no amboarina..
ilay hoe an\'i dada io sa an\'i mama? io no manjaka ao dia tsy te hahalala afa tsy nyan\'ny tenany ihany dia mandeha @ zay ny tsolotra isankarazany
10. vegas ( 19/01/2005 20:05)
ikaretsaka> marina! ary tena marina.
za alou tsy mahita vahaolana fa teny fampiononana no azoko atao e: aza kivy ry madagasikara malalako fa kely sisa de hifarana izao tontolo izao de ho afaka ny aretinao. Mahereza e!
11. booboo ( 19/01/2005 20:12)
sarotra be izany manova toe-tsaina izany indrindra raha efa ela no nisy teo @ fiaraha-monina, fa tokony tonga dé raha mivaingana ôtra io an\'io kavitra io no hampiharina dia miara-mahita ny vokatra avy teo. raha tsy mety iny dia samy tompon\'andraikitra satria samy nanao teo dôl tsinn ( mety radical be fa domina mafimafy @ zay taitra tsara )
12. booboo ( 19/01/2005 20:14)
maditra>tsé tsé ! tsy maditra araka ny ps ny hevitra a ! 8)
13. ikaretsaka ( 19/01/2005 20:15)
booboo> le mentalite cekezem io tsy milay io hoa.. ary io ny tsy mampandroso...
miaina ao anaty society isika
14. booboo ( 19/01/2005 20:54)
ikaretsaka>inn ara ny ohatra hafa hampandrosoana an\'i Dago ka cekenouémontous ?
15. ikaretsaka ( 19/01/2005 21:05)
ny an\'ny firenena sasany de .. \"reny malala\" \"mother russia\" no aiantsoany ny taniny ary zay ny mentalite napetraka taminy... fa ny antsika hoe.. \"raha maty aho .. matesa rahavako\"

ny an\'ny sasany dia niteny mihitsy ny prezida hoe \" aoka mba tsyizay ho hataon\'ny firenenareo ho anareo no tadiavinareo voalohany, fa ny ataonareo @ firenenareo\"

(\"ask not what your country can do for you, ask you can do for your country\")
16. booboo ( 19/01/2005 21:20)
fomba fijery iraika koa zay an\'ilay ra-prezy zay
17. maditra ( 19/01/2005 22:22)
booboo> merci! :wink:
18. faribolana ( 20/01/2005 01:40)
:) Tsotra ihany no tena mety ho hampisondrotra ny malagasy dia ny fanovana ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana, hatrany @ kely indrindra ka hatr@ lehibe indrindra. Izany hoe atao tsara hofana ny mpampianatra mba hanoro ny lalana marina sy ny fiainana ary ny fomba fisainana araky ny tokony ho izy: mila tia fivoarana sy karoka ny olona tsirairay, fa tsy mitetika ny hamantam-bonona sy hiandry mana latsaka fotsiny dia avy eo mitsikera fitondrana...
Fantatra fa efa somary sembana daholo ny toe-tsain\\\'ny Malagasy noho ny toe-javatra nitranga hatr@ izay, toy ny fanjanahan-tany sns... kanefa tokony hiezaka ny hiarina ny tsirairay ary hanampy ny tsy afaka ny sasany.
19. lo ( 20/01/2005 04:52)
ianao io, za ty, isika reto sy ny namana mpiray tanindrazana reetra no tokony samy hahatsapa we ny soa iombonana alou vao ny an\'ny tena zay vô mety handroso isika. Rah mbola misy foana le fikatsahana tombontsoa manokana tsy ho tafavoaka zany miitsy e :)
20. ravatorano ( 20/01/2005 05:51)
raha tenamilofo amin ny asa tandrifi azy avokoa v ny vahoaka malagasy tsy hisy fiovana goavana eto . raha tena miara mientana avokoa isika rehetra na ny ao anatiny na ireo any ivelany hahita tombotsoa tokoa saigy toa lasa slogan fotsiny ilay fiaraha mientana fa toa tsy ho tanteraka mihitsy.
Eto amitsika raha ny hevitra dia manana , betsaka ireo atelier , conference débats,reunion karazany maro entina hitadiavana hevitra hampandrosoana an ity madagasikara ity.Mivoaka ilay fehi kevitra ary tena milailay b ary izany no tonga amin ny fitenenana hoe hay isika manana olona mahay mamolavola hevitra tokoa.
Vita izay dia apirimina any ambany any ilay hevitra soa raha misy dia ny folo isan jaton iny no ho tanterahina fa ny ambny dia sosokevitra fotsiny ihany .
Ny tena marina izany dia eo amin ny fanatanterahana ny asa no tsy ampy eto amitsika fa tsy ny hevitra akory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2002