tontolo malagasy

1. yrhinas ( 19/01/2005 12:26)
sampy , sikidy , fanandroana , famosaviana , sy ny finoana ary ny tontolo malagasy marobe tsy voazava eo amin\'ny fiarahamonina...de mino ve enao...sao de mahay na manana singam-piainana niharan\'ny zava-miafina noho ny hery tsy fantatra ...mbô valio matomatotra koukou raha sitrakao fa te hahafantatra be mintsy...nefa ny tontolo sy ny zava-misy eto dago ihany kôzina fa aleo alou mahay ny an\'ny tena vô mibanjina ny an\'ny hafa ....de zay
novalian'i kally ny 25/02/2005 17:18
2. yrhinas ( 19/01/2005 12:27)
santionany foutsn zany fa ny ambangony mbôl any an-kibon\'ambatobikina
3. booboo ( 19/01/2005 12:45)
misy ilay cousine keliko zay, t@ vô teraka izy ka lé nalevina iny lé ahitra sy ny tariny ireny dé nosokirin\'ny saka dé nohaniny. Refa nanomboka niteniteny izy ( babiller ireny ) dé feon-tsaka no nataony vôlohany ( tsy miompy saka na biby hafa zareo ). Refa manao sary izy tany am-pianarana na any an-trano ( manala andro ) dé sarina saka fôna no nataony.
Misy fiteny ny oul tsy mahatadidy lôtra zay oe \" very tadim-poitra \", fa ny azy indray tsy very fa lanin\'ny saka dé mi-se comporter ôtra saka izy t@mbola kely.
4. ikaretsaka ( 19/01/2005 19:14)
za ko aloha mijery andro rehefa manao zavatra e.. :-D sao mantsy...
5. ikaretsaka ( 19/01/2005 19:15)
ny tonon\'andro tsy maha lehilahy hono manko
6. yonikafopl ( 19/01/2005 20:50)
mijery andro ahoana ry Ika?? amiko ny andro dia mitovy daholo kou, za ndray tsy dia mino ireny zava misy ireny, nefa manaiky aho ary nahita fa misy tokoa ny hery miafina amin\'ny olona sasany
7. booboo ( 19/01/2005 20:57)
zà koa klou manandro e ! mijery météo fôna :-D :-D :-D
8. ikaretsaka ( 19/01/2005 20:58)
mijery andro hoe rehefa izao de mety ny anaovana izao ka..
fa za tsy mijery dadarabe fa mijery alimanaka fotsiny ka.
9. fijo ( 19/01/2005 21:41)
mahagaga isika fa raha fombam bazaha dia lazaina fa tsara foana,fa raha vao ny an\'ny gasy dia sampy.ny mijery andro amiko dia ilaina mihintsy satria misy tena mahay mijery an\'io ary indrindra koa fanajana ny antsika
10. ikaretsaka ( 20/01/2005 03:47)
ny sipa koa ange no tokony hahay mijery adro indrindra indrindra e.. hoe eto ny andro maha zao de eto ny andro maha zao...
fijerena andro aby nge reny fa tsy hoe ...
sa rehefa anona de hoe... mitoe-jaza aho dada an!
11. lo ( 20/01/2005 04:45)
betsaka ny zvtr tsy hay hazavaina misy aty amtanana. Mety we tsy eken\'ny finoanao le izy nefa hitanao sy tsapanao fa misy. Ny tsy azoko fotsny d ny kristianina d manaiky ny fisian\'ny fahagagana, nefa refa mivoaka ny sehatry ny finoana kristianina le izy d lazaina fa zvtr hafa, mety we le hery miafina gasy nge le izy e fa tsy vavaka e, tsy hay. Santionany : otra, ody may...
12. booboo ( 20/01/2005 12:00)
mpilalao varatra koa dé misy mahay ody avandra
13. ikaretsaka ( 23/01/2005 03:53)
zahay hatrany Bira any mahay ody varatra.. (indrindra ireo ao Ambohibary Sambaina)
fa tsary ambarambarako sao lazaina fa.. indray ahako
14. booboo ( 24/01/2005 14:51)
zany ve tsy mifandatsaka varatra refa miady ?
15. booboo ( 24/01/2005 14:58)
domazy ! raha zà no nahay an\'izany efa nisy tsy mety mahita tory @ alina fa atotoko eo an-tokotaniny fôna lé varatra isaka ny @ minuit e ! :twisted: .... soa ihany zà fa tsy mahay :°)
16. booboo ( 24/01/2005 15:04)
fa lé dadabe ( tsy lé namana ato @ forum a ! ) zay misy mpifanolobody rindrina aminy tsy tia azy mihitsy. Dé indray hariva hody iny lé dadabe dé feno varatra eraka ny lalana fa tsy nahavoa azy mitsy fa à coté fôna mandra-paha tongany tany an-trano !!!! :^) :^)

17. tsiaa ( 25/02/2005 11:17)

Za aloha tsy mino an'ireo e na dia ny raiko izao ary no nanao temoignage tamiko mihitsy. Ny antony: za ny zavatra tsy lojika tsy inoko izany mihitsy. Inty ary misy zavatra hitako fa "pathétique " mihitsy indraindray : hoe marary ilay olona dia hoe nisy nanao fanafody gasy nahatonga an'io. (Aza omena tsiny ary raha izany ny hevitro fa ahy manokana aloha io). izany hoe tsy mino hoe misy olona manana pouvoir izany aho. he he he!:-)

Izany hoe mety possible kosa aloha hoe phenomene naturel ka hoe nisy mpisikidy nanandro azy fa ny eritreretiko hoe par experience et par observation fotsiny ireny: ohatra : ho avy ny orana nefa efa hita eo fa be nuage be eny @ rahona na ts haiko e...

Valio ihany aloha e!
18. kally ( 25/02/2005 17:18)
Misy olona manana "sens" maranitra kokoa noho ny olon-drehetra @ ankapobeny,jereo na ny manodidina anao aza,nahoana ianareo samy mifanakaiky eo,niaraka maraina sy hariva nahoana ny iray mahatsapa hoe ho avy eo i ranona na i ranona nefa ianao tsy nahalala dia tonga tokoa i ranona.Lojika izany @ alalan'ny fandinihin-javatra izay tsy tonga ao an-tsain'ny anankiray,antsipitsipirian-javatra tsy voadiniky ny sainao nefa hitan'ny anakiray ka natambatambany nahafahany nanatsoaka hoe izao na izao no hiseho.Andramo ange e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3133