Ariary : Tohizo fa tsara

1. hery ( 11/01/2005 18:34)
Marina fa betsaka ny kivy amin\'ilay vola malagasy lasa ariary. Mitaraina voalohany amin\'izany ny olona an-drenivohitra. Tsy fiteny intsony zany ny hoe 1000 francs fa dia Roanjato no malaza sns...

Misy sahirana ohatra rehefa mijery vidina tomobil dia dimampolo tapitrisa ariary no misoratra eo :-) zany hoe 50 millions ariary. Rehefa mandefa vola any Dago koa dia nihena 5 fois ilay izy. Somary manahirana e...

Kanefa hoy aho hoe tohizo fa tsara. Tsara satria

- Anarambola malagasy tsy iraisana amin\'ny hafa intsony io (na dia hoe misy fototra arabo aza)
- Mora sy logique koa ilay famakiana isa amin\'ny teny malagasy.
raha misy hoe 55689742132345 dia mora ho an\'ny gasy ny mamaky an\'io avy amin\'ny ankavanana miankavia toa izay ho an\'ny frantsay ohatra izay ankavia miankavanana. Raha io isa ambony io no vakiana amin\'ny frantsay dia tsy maintsy manisa tsitelotelo de droite à gauche aloha zay vao manomboka indray de gauche à droite.
- Mba tsy dia lafo be intsony ny euro :-) raha ny isa no jerena satria 1 euro = 2000 MGA fotsiny

tsara e..
2. maditra ( 11/01/2005 18:47)
bla bla bla zany rahery a!
zah izao sahirana be mihitsy mamaky io chiffres soratanao io!
Tsy manova zavatra ilay izy raha hoe hanatsara ny lanjam-bola satria, mbola ny 5f= ariary ihany no mafonja ao an-tsaina izao! Angamba tsy ho hampiroborobo varotra mihitsy raha hoe 25.000Fmg taloha dia lasa 5000 ariary! Izy ihany io Mety hi kivy ary ianao satria eritreretinao ho 5000fmg ilay izy alors que 5000ariary. Tsy haiko aloha ny tena tombony amin\'io e!
3. fithy ( 11/01/2005 19:18)
ny ahy koa kalongany le ariary no tiako e. Raha tsy mahay manonona @ teny Gasy anie ianao azo atao ny manonona azy @ teny vazaha e; oh: 1250 ar, tonony @ teny vazaha fa tsy voatery ho @ teny Gasy , satria ny vazaha ange raha hanonona an\' io dia ny teniny ihany no ampiasainy fa ampiany hoe fotsiny ariary e. Saingy te hiaingitraingitra hiteny vazaha isika dia hoe tsy mety, mianàra aloha manisa @ teny gasy, fa ny anay izao hay daholo na gasy na vazaha. Jereo ny Eoropeanina fa sahirana koa anie ry zareo raha nampiasa voalohany ny vola Euro, indrindra ny italianina izay saika nitovitovy t@ vola gasy raha ny tarehimarika no hisaina.
Ianao angaha rehefa hanisa vola Dollard dia tsy maintsy miteny anglisy vao mety le izy, na raha hanisa lire dia miteny italianina? afaka miteny izay teny hainao ianao fa ilay teny hoe ariary no tsy miova. Manahirana be koa anie ny mijery ny tarehimarika be dia be @ ilay Fmg e! Amin\'izao Ariary izao izy mba azoazo ny mijery azy, tsy dia mahakivy loatra na dia tsy manova ny sandam-bola aza.
4. maditra ( 11/01/2005 22:41)
tssssss, bla bla bla ihany no ahazoako an\'izany ! Aleo aho hangina sao dia misy mamafa eo indray ity!
5. hery ( 12/01/2005 07:17)
maditra> misy mamafa ahoana kou? nisy namafa ve io ambony io?

tsy blabla izany ho anay malagasy :-) (le tena malagasy ohatra anah no lazaiko) fa tsy le saritsariny
6. ravatorano ( 12/01/2005 09:12)
aza hadino ary faf raha maka vola any amin ny banky ianao dia ny maribola ihany no atao ariary fa rehefa manoratra azy ho soratra na lettre ianao dia atao teny frantsay ihany :
ohatra 1256075ariary dia soratana hoe um million deux cent cinquante six mille soixante quinze ariary fa tsy eken dry zareo raha atao hoe dimy amby fito polo sy enina arivo sy dimy alina sy eniona hetsy sy iray tapitrisa ariary.
Ka aiza ihany izany managasy nefa amin ny mapahany sa rehefa mba lasa ariary aloha ny maribola dia izay no zava dehibe :evil: :evil:
7. mandrindra ( 12/01/2005 09:43)
Ho an\'ny mpandala ny teny malagasy dia tsara ny ariary. Saingy kosa hevero hoy aho izay mety ho vokany ekonomika. Efa nohazavaiko tao amin\'ny ady hevitra iray teto fa io fomba io dia mitarika fisondrotan\'ny vidim-piainana. ankehitriny inona no mahamaika ny teny malagasy ve sa ny kibon\'ny malagasy. Eto anefa dia ady hevitra daholo izany fa efa noraisindry zalahy ny fanapahankevitra mikasika izany no sady efa nampihariny. Koa ankehitriny ny malagasy no hijinja izany.
8. xxx ( 12/01/2005 13:33)
hery>Efa saika angina ihany aho teo momba an\'ity loha-hevitra ity fa misy fanamarihana tiako atao! Zah Malagasy ray sy reny, Malagasy fomba fanao ary fier d\'etre Malagasy. Raha amin\'ny tsy dia fankasitrahako loatra ny hilazana fa tsara ny ariary, hevitro izay, ary fantako fa efa vita ity ka tsy azo ihemorana nefa ny ady hevitra azo atao ihany. Tsy tsara ny ariary hoy aho satria tsy hitako ny zavatra ovainy, ankoatran\'ny hoe niala vola indray isika amin\' ity fanovana. Ny zavatra mahamaika izao dia tsy tokony any amin\'nyfanovana anaram-bola izany mihitsy, fa zavatra hafa. Raha miteny an\'izany ve zah dia atao Malagasy sarin-tsariny. Sady tsy mampiakatra ny fahefa-mividin\'ny Malagasy ilay izy no tsy hahatonga antsika handroso ihany koa. Zah na fier d\' etre Malagasy zah, hitako tsy any mihitsy no tena mahamaika e! Te handositra an\'i Madagasikara aza ny tanora sasany satria lafo loatra ny vidim-piainana( zava-misy izany tompoko). Lasa manao ny tsy fanao tokoa ny Tanora malagasy satria tsy hitany ny azony atao mba hanatsarany ny hoaviny, ny kibo noana, fianarana tsy mandeha. Inona no hoentin\'ny ariary hanatsarana izany.
bien, farany, Ce N\'est pas le faite que je vis aux USA qu\'on me traite de \"Malagasy sarintsariny\"!
Misaotra tompoko!
Maditra!
9. sechat ( 12/01/2005 14:41)
hery> ahoana no famaky an\'io isa 55689742132345 io @ teny gasy fa nenà mijanona hatreo @ lavitrisa no haiko?

ankoatr\'izay tsy de mitovy hevitra amin\'i hery a @ lafiny maro na de manaiky aza fa hevitra tsara ny nanovana ny anaram-bola ho malagasy mba hanamafisana kokoa ny \"identité\"-tsika:

1/ tsy lafo ny euro refa avadika ariary ny fmg. soratra fotsiny io satria tsy mampiakatra ny sandam-bola izany ary tsy mampiakatra ny fahefa-mividin\'ny olona. Tadidio fa raha zaraina 5 le fmg teo aloha ka 1 euro lasa 2.000 ariary fa tsy 10.000 fmg tsony, de ny karaman\'ny olona le 150.000 fmg teo ohatra lasa 30.000 ariary. Tsy hitako hoe inona no tombontsoa azo @ zany?

2/ Rehefa miova otr\'ireny ny vola de matetika very repère ny olona na manararaotra ka miakatra daholo ny ankabeazan\'ny vidin-javatra. Jereo t@ ny an-dry zareo europeanina teo fotsiny.

3/ mirona kokoa any @ hevitr\'i mandrindra a @ le hoe inona no tena ilaina mialoha, ny manova ny anaram-bola sa ny mitady izay hampiakarana ny fahefa-mividin\'ny olona? Rehefa tojo izany tanjona izany de afaka ovàna araka izay tiana ny anaram-bola na avadika ariary na iraimbilanja sns... zay ilay ataon\'ny frantsay hoe \"définir les priorités\".

raha feheziko de tsara le izy fa...tokony tany ve no natomboka aloha?
10. hery ( 12/01/2005 22:10)
maditra> zah izao sahirana be mihitsy mamaky io chiffres soratanao io!

Io no ilazako hoe mbola tsy ampy le maha malagasy... fa angaha rehefa mipetraka any USA dia tsy hianatra hamaky teny gasy? Zah zao aty Italie fa haiko ny isa Malagasy, haiko ny frantsay, dia mbola misy haiko hafa kou :-)
11. ikaretsaka ( 12/01/2005 22:17)
izay mantsy hoa..
anay aloha hatrany antanana dia ny nahazatra anay de hoa efajato .. diamanjato.. enipolo sy fitohetsy sns
tsary asiana ariary akory aza vao fdisyy ny ariary zato fa atao hoe ary fotsiny
ary folo.. aary efatra, ary zato..
ary nanany sarotra ny nianatra ilay fmg
fa aminay hatrany antanana sefa mandeha posy tonga de fitonjato ihany hatrany @ kobama ka hatrany @ katedral ka!
12. hery ( 12/01/2005 22:17)
sechat>

Tsy miova tokoa ny sandam-bola... zah tsy niteny hoe miova ny sandambola hoy aho hoe \"mba tsy lafo be intsony ny vola malagasy raha ny isa no jerena\"... io \"raha ny isa no jerena\" io no adinonareo. Tsy ny sandany no jerena fa ny isany. taloha 1euro = 12.000 (unités) izao 1 euro = 2.400 unités. Izany hoe mihena ny isan\'ny zero ka na tsy mitombo aza ny sandany dia mba misy lanjany kokoa rehefa kelikely ny zero. Tahaka ny Lire Italienne nivadika ho Euro ihany io. Ny zavatra azon\'ny sandam-bola teo aloha ihany no azo amin\'izao fa teo aloha nisy zero bedabe.

Efa misy resaka natsipin\'Andriamatoa Solonavalona A. (jereo ny serasera.org/lisitra) momba ny mbola hanovana ny sandany ka anesorana ny zero... ohatra hoe 1 euro = 240 Ariary. Izany anefa tsy midika hoe hiakatra ny karama fa raha ohatra ka 500.000 ariary ny karama amin\'izao dia lasa 50.000 ariary izy amin\'izay fotoana izay.

Mbola tsy hitanareo izany any Congo (zaire) mitondra vola amin\'ny Harona rehefa hiantsena hividy sakafo. :-)
13. methode ( 12/01/2005 23:49)
Amiko manokana dia diso fipetraka ny adihevitra eto!!! Efa notapahina hoe ariary no ampiasaina dia izay! Ny maha-mora ny fampiasana azy no tokony tadiavina fa tsy hoe ratsy sa tsara!!! Tsy isika malagasy irery no mampiasa io fomba io! Eto Burkina aho izao dia amin\'ny fomban-dry zareo no anononan\'ny mpivarotra ny vidin\'entana fa rehefa mandoa vola dia francs CFA ihany no aloa! Mora hoan\'izay mipetraka sy zatra aty ny mampiasa ny ariary satria ny 1dorome (vola aty) dia 5FCFA, mitovy amin\'ny hoe: 1ar= 5fmg.
Ny resaka hoe fandrosoana indray dia nofinofy raha mbola be dia be ny tanora mirenireny sy tsy an\'asa mivezivezy eny an-tanan-dehibe eny!!! Raha mijery ianareo na amin\'ny firy na amin\'ny firy dia feno tanora eny an-tsena na eny amin\'ny toerana ivezivezen\'ny olona eny! Tanora efa tokony hiasa daholo anefa dia voatery ny Ray aman-dreny no mamelona ireny!!! Amiko, tsy ny asa no tsy misy fa isika no miandry toloram-potsiny!!!
14. maditra ( 13/01/2005 05:22)
hery> tsy dia avy amiko loatra ny heloka raha tsy mahay manisa amin\'ny teny gasy aho satria ny fomba fampianarana azoko mihitsy no mampianatra ahy ny un deux trois fa tsy isa roa telo. ben tsy maintsy hiezaka ihany aloha zah ny hianatra izany fa mbola tsy mahamaika ahy izao izany!
methode> diso fipetraka ahoana moa izy ity? Atao ahoana ny hanamora ny fampiasana azy raha tsy samy manome ny mahatsara sy ny maharatsy ny vola ariary no ady hevitra hiaingany!
Tsy laviko ny teninao fa tena misy tokoa ny tanora izay vesatra tsy ahafahana mandroso haingana fa raha resaka asa kosa. Maro ny tanora lany andro mitady asa izao nefa tsy mahita! Ny asa mba hitany dia ireny asa hitsentsefana ny herin-tsandriny ireny ihany. Izany hoe, ny karama azony avy eo dia zara raha ahavidy ny sakafo hoaniny! Asa ohatr\'izany ve ohatra no misy dia hampandroso ahoana?
nivika kely manko izany ady hevitra izany dia ajanoko eto!
15. ikaretsaka ( 13/01/2005 06:40)
maditra> dia aza manome tsiny ny fampianarana sy ny faly hitifitra ny hafa (mpampianatra .. ray amandreny) fotsiny fa ianaro ilay izy dia mety e!
16. chipie1 ( 13/01/2005 11:11)
ary nisy anile fanononana isa taloha iny koa tsy aiko na mbola mety natsia
ohatra oe:86 ariary de tononina oe valompolo sy enina amby ariary ve? toa hanahirana kely iany ?
17. ikaretsaka ( 14/01/2005 05:07)
ny ahy ny tsy azoko raha ohatra hoe 107 fmg dia ahoan any aintsoana azy?
raika amby roampolo sy ventsy sy kitobo??
(sa moa tsy mandeha intsony ny venty sy kirobo @ ilay vola vaovao?)
18. cutie ( 04/02/2005 23:02)
ariary fito @ zato ry ikaretsaka a. ^:^
19. voromailala ( 23/03/2005 19:11)
107 Ariary
20. mandrindra ( 29/03/2005 13:12)
107 fmg = 21 ariary sy vetsikirobo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5291