ny namana xhy dia nametraka izao fanontaniana izao tamiko hoe \"\" ny tsy fahampian ny fifaneraserana ara barotra anaty sy ivelany no mahatonga ny inflation ?

1. ravatorano ( 11/01/2005 08:26)
Tsara houzy raha mba atao hiadian kevitra izany fa samy hanana ny heviny isika namana koa mansa anareo ary ny tenako sy i xhy handray anjara amin izany .
novalian'i kitjo ny 02/07/2005 10:55
2. ravatorano ( 11/01/2005 08:31)
Tany amin ny resaka politika no namosahan i xhy io heviny io ka nentiko atry amin ity lohahevitra toekarena ity satria neveriko fa aty no mety tena toeran izany.
Ny fifaneraserana aloha dia tsy maintsy misy alohan izany ny lalana izay asa lehibe nataon ny fanjakana vain dohan draharaha tamin ny taona 2004 iny.Amiko izany efa manomboka mifanerasera ny vokatra eto amitsika fa kosa tsy ampy na lafo ilay izy ary ny mpanao spéculation no betsaka>Niakatra izao ny vary dia niakatra tampoka teo koa ny vidin ny katsaka maina ary nisy fotoana aza tsy nahitana azy teny amin ny mpivarotra fa nilentika ilay vokatra.Izany hoe na misy aza ilay vokatra azon ireo mpanambola hatrany ny manafina azy mba hiakaran ilay vidin javatra ary io no tena hitako fa hanahirana atsy ho atsy satria efa mibanaka ny lalana ary dia afaka mividy sy hanao izay vidiny avokoa ny mpanambola avy eo ary matetika ry zalahy ireny mahay miray hina fa sossy hiditra avy eo koa fa ny madinika tsy haharitra izany fa aleo mihinakely toy izay handry fotsy.
Ny speculation izany no tena mitondra ny inflation eto amitsika aloha eh.
3. mandrindra ( 11/01/2005 10:00)
Teoria ekonomika hono izany hoe rehefa mihodina haingana ny vola (vitesse de circulation) dia miena ny fisondrotan\'ny vidimpiainana na tsy misy mihitsy aza. Ny zavatra hitako fa ialaina anefa dia ny ahitan\'ny mpandray anjara rehetra ny tombotsoany, manomboka any amin\'ny mpaomakatara (na mpamboly izany na orinasa) hatrany amin\'ny mpanjifa. Ny tsy ampy eto madagasikara dia ny drafitra mazava hizoran\'ny fifanakalozana ekonomika. Izany no mahatonga ny spéculation. Marina fa ny libéralisation no safidin\'ny governemanta hitondrana ny asany nefa ny andraikitra voalohany tokony hiantsorohany dia ny mitady ny tombotsoan\'ny daholobe. Anjarin\'ny fanjakana izany ny mametraka drafitra na lalàna mifehy ny fifanakalozana. Io drafitra io dia miaro ny mpamokatra voalohany mba tsy ho maty antoka izy satria io no mitondra harena voalohany. Eo amin\'ny mpanelanelana sy ny mpitsinjara dia tokony hanara maso ihany koa ny fanjakana mba tsy hisian\'ny fitazomana vokatra mitarika spéculation, na koa ny politikan\'ny dumping. Ilaina izany ny lalàna mifehy ny fifaninana madio (loi sur la concurrence).
4. lo ( 11/01/2005 15:57)
miombonkevitra amin\'ny namana ravato alou za amle resaka spéculation e, tena tsapa miitsy fa tia kely loatra ny gasy ka zay no tena mampiakatra ny vidin\'ny entana. Azo lazaina we nitombo b anie na ny varotra ivelany na ny anatiny tao ho ao e. Nefa tsy nahasakana ny inflation fa vao maika aza nisy le izy. Ny varotra anatina aza moa d azo lazaina iany we anisan\'ny nampiroborobo b azy ny fiakaran\'ny vidimpiainana satria samy manararaotra eny na ny mpanangombokatra (mividy bdb ary manafina) na ny mpaninjara (maka tombony bdb na d efa lafo aza ny angalana azy). D lasa tsy mety voafehyintsony le fiakaran\'ny vidimpiainana.
5. kitjo ( 02/07/2005 10:45)
Efa resaka nandeha teto efa taloha ela be io

Resaka teorika daholo moa io sujet apetrakao io dadatoa ravato....ary marina theoriquement mazava ho azy

fa saingy izao...raha ny zava-misy ao Dago dia tena mbola ambany dia ambany ny "exportation TENA IZY" satria na be dia be aza ny vokatra malagasy eo @ tsena iraisam- pirenena..dia tsy ny malagasy nomanondrana azy.
Ny vahiny no tonga ao an-toerana mividy azy ary @ vidiny mora sy "vidiny ao an-toerana ihany" ka na mivoaka aza ilay entana...raha resaka varotra no lazaina dia tsy azo lazaina ho manao "exportation" tsika fa tsena anatiny ihany io fa ny vahiny "mitatitra" mankany ivelany avy eo fa tsy manondrana


Etsy andaniny anefa......ny orinasa malagasy mbola tsy dia mahasarika vahoaka lotra @ entana ilaina andavanandro PPN....
Ny matieres 1eres anefa dia io lazaiko etsy ambony io. Raha vokatra "artisanal" indray dia tsy mbola afaka m-supply (tsy haiko milaza azy teny gasy fa mba adikao azafady)ny filana ao antoerana ireo orinasa malagasy mamokatra zavatra tsara fa mbola "echantillon" fts satria vitsy....
eo ny tsy fahampiana arapitaovana sy vola....ary ny Malagasy mazana rehefa mitombo ny zavatra atao dia miharatsy ny kalitao.

Ny orinasa vahiny ao Dago indray dia orinasa afak'haba daholo...tsy mivarotra ao fa alefa aty ivelany ny vokatra....ary resaka lamba no betsaka fa tsy dia misy PPN


Vokany.......ny PPN rehetra dia matetika hafarana avy aty ivelany daholo....izany hoe mamoaka devises foana isika fa tsy mi balancer @ devises mba miditra....na dia mampiditra ihany aza ny tourisme dia be lotra ny entana hafarana avy aty ivelany.
6. kitjo ( 02/07/2005 10:55)
Amiko ny vahaolana dia tokony misy Malagasy mi s'investir manangana orinasa manao 3P (Partenariat- public- prive moa filaza azy teo?) mba mi-concurrencer ireo entana PPN hafarana ireo.

Tsika manana matieres premieres, manana tany ary manana olona afka miasa tsara.

Ny alehan' ny olona manangana orinasa any Dago manko dia ireo@ main d'oeuvre ary tany anorenana orinasa.
Kanefa tsy misy tombony ho antsika lotra akory satria izay fts dia lasa ny vokatra avy eo.

Ravainy ny orinasa dia mitana eo sisa ny mpiasa malagasy somera aby!

Efa misy ezaka aloha izao ataon' ny Chambre de commerce isam-paritra mitady lalana amoahana vokatra aty ivelan fa ts miandry iroe vahiny tonga haka vokatra fts...ka tokony atosiky ny Fanjakana ry zareo mitady ireny marche ireny na koa mitady orinasa vahiny hamokatra ao Madagasikara ka mba entana ilain' ny olona ao no atao ary tsy atao afak' haba fa entana hamidy ao antoerana

Lazain' ny olona fa pro-ra8 za rehefa miteny fa efa manao an' io ny fanjakana amin' izao fotoana izao manao ny vitrine de Madagascar eran-tany sy manomboka mandefa vokatra aty ivelany ny region sasany mitsapa regon...Zay nefa ny zava-misy k atsy hodian-tsy hita ary step by step io ozy ny vazah izay fa misy manko ny malagasy miandry miracle hozaraina vola na sakafo isan-tokantrano fa tsy mitady zavatra a "long term."

Misimisia amiko ny orinasa Malagasy ohatra ny TIKO...tsy maninona fa mba vita ny lalana na ho an' ny camoin-n zareo az any hanaovany azy rehefa azon' ny besinimaro andehanana dia OK...na ny camion STAR aza...hahaha

Tokony mba misy manao siramamy ohatra.....sa mbola velona tsara ve ny SIranala sns?....velomina ny PAPMAD ary mba atao mifanaza @ Calligraphe fa tsy le taratasy marrron marron reny....asiana concurrent gasy hafa ny TIKO @ fanaovana menaka .....

Azafady fa be resaka fa za koa moa mba manararaotra ny fotoana kely fts rehefa mandalo eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4181