mba avadika kely indray ny resaka

1. narilala ( 08/01/2005 22:51)
Tsy aleo ve mba avadika kely indray ny lohateny. Hatr@ izay mantsy hoatry ny hoe resaka indrokely sy fitsikerana izay misy any am-piangonana any foana no nataontsika. Tsy hoe tsy mankasitra an\'ny le izy aho fa andao mba ho jerena indray hoe izay zavatra nanaitra ny tsirairay t@ ireny mpitondra fivavahana ireny, na tany am-piangonana tany, na ny asan\'ny Fiangonana.
Ny ahy izao anisan\'ny tena nampiaky volana ahy, ohatra, dia ny ataon\'i Père Pedro @ fikarakarany ny mahantra sy ny sahirana. Firifiry ny mahantra niaina t@ fitsindrohana zoridira no tafita noho iny mpanompon\'A/tra iny. Tsy vitan\'ny hoe tafarina ara-pivelomana fotsiny fa tafarina ara-toetsaina koa. Efa nitsidika t@ ireo toby naoriny ireo aho fa tena mampiaky ny fomba nahatongavana @ io tanjona io noho ny fisian\'ny disciplines sy ny fanabeazana... Mety hisy hilaza angamba hoe ka izy manam-bola na spons. Ka betsaka ange ny manam-bola fa tsy mahavita toy izany, ny fanjakana ohatra.
Toraka izany koa ny CDA eny Andohantapenaka...ny fikarakarana sy fanomezana sakafo ny fonja ataon-dry mopera...
2. ikaretsaka ( 08/01/2005 23:26)
eny tokoa hoa
ao ko ny akany Bon pasteur eny itaosy kakarakain-dry masera Bon pasteur . mamporisika ireo vehivavy mananontena na niteraka tsy nanambady hivelona @ asa tanana isan-karazany toy ny zaitra sns.
firifiry koa ny vehivavy sahirana avotr\'ireny!
3. maditra ( 09/01/2005 03:08)
tena mahafinaritra!
4. xxx ( 09/01/2005 08:15)
Tsara miitsy zany hevitra arosony isé zany narilala ,hitako tokoa mantsy fa toa resaka samy tsy misy manaiky eto fa samy mande samy mitady oh!!!!!
5. hery ( 09/01/2005 10:51)
Inoako fa tsy ho ampy akory ny mitanisa ireny toerana ireny kanefa ilaina ihany mba ho fantatry ny rehetra hoe misy zavatra tsara ataon\'ny fiangonana eo amin\'ny Fiarahamonina ihany koa.
Tohizo ary e. Inoako fa betsaka koa ny asa soa ataon\'ny Fiangonana Protestanta.
6. maditra ( 09/01/2005 14:39)
ok! Mba efa henonareo ve ilay fitaizana boka any fianarantsoa( marana). Nisy mompera vahiny( tsy tena tadidiko ny anarany) namorona azy io ary tena manetry tena tokoa ireo olona manadio azy ireo! Dia mirary faharetana sy fiadanam-po sy saina ary fanahy ho an\'izay rehetra manao asa soa ny tenako! mahereza!!!!
7. xxx ( 09/01/2005 14:53)
Fa inn moa zao no malaza ato ,ra tsy ny Protst iany no voatonona ato ary ra misy katol\'s nareo de afaka mandroso ny hevitrareo tompoko,na zay rehtra antoko pinoana é
8. ikaretsaka ( 09/01/2005 18:22)
azavao lalindalina kokoa ny tian-dra xxx (dio) lazaina hoe?
9. narilala ( 09/01/2005 19:52)
Anisan\'ny miavaka koa ny ataon-dry mompera eny Ivato, ao @ Don Bosco amin\'ny fanomezana fialam-boly sy fampianarana zava-kanto ireo tanora marobe, ary tsy manavaka mihitsy ry zareo fa rehefa tanora mila fanampiana sy tia fivoarana dia raisiny. Rehefa Week end dia tsy maintsy feno tanora foana ny kianjaben\'ny Don Bosco.
10. ravatorano ( 11/01/2005 07:21)
toa ry katol matina no be mpilaza ato izany nefa ny Saf fjkm koa anie ka manmpy sy mitsinjo ny tantsaha ary manao asa misandrahaka maro hatrany amin ny fanaovana lalana madinika ireny izay iarahany amin ny mpamatsy vola avy any ivelany mihitsy aminizao fotoana izao.
ry zareo adventista indray dia miasa eo anivon ny ADRA izay ivotoerana iray mikasika ny fambolena ary any amin ny faritry Moramanga iny no tena hitako aloha izao no sahanin dry zareo , manao assainissement canaux d irrigation , manamboatra sy manajary tanimbary ho an ny mponina.
Ny Loterana moa dia eo amin ny lafiny fitsaboana indray toa ny ao Andranomadia antsirabe , ny etsy amin ny 67 Ha ary koa ny fanabeazana ny moana marenina ihany koa izay malaza eny Ambaniandrefana Antsirabe ihany koa.
Samy manao tokoa fa ry zareo katolika no tena misahana betsaka sy manao bebekokoa angamba hoy aho na hita mivantana ihany koa na ankalazaina ihany koa ny asa vitany.
11. methode ( 13/01/2005 00:03)
Marina daholo ny voalaza rehetra eto ary mankasitraka ireo rehetra manao asa soa amin\'ny fiaraha-monina! Tsy tokony hisaraka ny fivavahana sy ny asa fanasoavana fiaraha-monina, raha tsy izany dia tsy misy dikany ny fivavahana!
Raha ny fitanisana hoe katolika, protesta sns dia ataoko fa samy miezaka ny rehetra, ary matetika dia miara-miasa!! Na aminany fanofanana aza dia efa misy fiaraha-miasa lalindalina kokoa!!! Eto Bobo Dioulasso aza dia gaga aho fa efa misy Masera Protestante miofana miaraka amin\'ny Masera sy Frera Katolika amin\'ny toerana fanomanana olona hiasa amin\'ny fanofanana ireo olona hiditra amin\'ny fikambanana!!! Sendra nandalo namangy Malagasy tany no nahafantarako an\'io! Nahazo alalana manokana avy amin\'ny Eveka eto antoerana io Masera io araka ny filazan\'ireo mpiara-miofana aminy! Amiko dia lalana iray hiverenanan\'ny fiangonana hitambatra ny fiaraha-miasa hanasoavana fiaraha-monina!
12. maditra ( 13/01/2005 04:59)
Samy milaza izay fantany fa tsy hoe efa betsaka resaka katolika ohatra ato dia tsy maintsy ho protestanta indray ny hevitra tsy maintsy aroso. Zah ohatra tsy dia mahafantatra loatra momba ny protestanta sy ny hetsika ataony dia ny katolika no asesiko!
:wink:
13. ikaretsaka ( 13/01/2005 06:45)
izay indrindra.. tanisao ihany iznay fantatrareo fa afaka hanampiana ny namana anie io e..
fa tsy vitan\'ny hoe mankanesa any @ ndry momper asy masera sy pasitera fotsiny fa mba velabelarina hoe mompera aiz ana pasera aiza na pastera aiza..
mba hay ny hataony @ izay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4585