Dieu merci!!!

21. welieoelee ( 07/01/2005 12:02)
andrea
si si zà je remercie Dieu hoe tsy tany Madà no nitranga io loza io! Ok ok maro koa ireo catas. nat. mahazo an\'i Madà (ho avy zao ny cyclones dia asa indray hoe hanao ahona), fa na izany aza.....

watafon
izaho koa dia manontany tena hoe fa maninona kay no ny tany mahantra no tena voa mafy fona e? Marina fa nisy ny Hurricane etc.. tany USA nefa dia tsy bdb toy izao ny aina nafohy!
Asa hoe afaka mi-maîtriser tsara lavitra ny situation ve zareo?

fijo
andray kosa i fijo e! Izaho anie tsy niteny hoe Dieu merci t@ ireo olona maty bdb ireo e! :( Misaotra azy hoy aho aho fa tsy tany Mada no nisy ireo. Nuance!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
22. moi ( 07/01/2005 12:12)
Misy fanoharana izay ao anaty Testamenta vaovao :
Nanao recrutement mpiasa tany ny Tompo, ary ny contrat dia mandra-pahariva andro ; Niditra vao maraina ny mpiasa voalohany. Mbola tao foana patron ary nampiditra mpiasa hatrany, eny fa na dia mandra-paharivan\'ny andro aza. Nony tonga anefa ilay firavana andraisan-karama, dia inona no niseho ? Nitovy daholo ny karama noraisina, fa tsy niankina tamin\'ny ora fidirana niasa, na ny faharetan\'ny ora niasana. Dia tao no nimenomenona satria toa tsy rariny izany. Dia ahoana hoy patron ? Raha adika amin\'ny fitenin-jatovo tsotra dia hoe : Ahy ny tany, izaho no patron, ka tsy mahazo manao izay tiako atao amin\'ny ahy ve aho ?
Dia Dieu merci foana ry zareo a ! Raha kristiana ianao dia fadio mihitsy ny manome tsiny an\'Atra. Mety ho mafy ny manjo, ary indraindray tsy araky ny lojikantsika mihitsy, fa Dieu merci foana e ! Tokony hisaotra an\'Atra ianao mbola velon\'aina, fa raha izay moa ianao no lasa teo, mba nankaiza ? Tena Dieu merci fa tsy mbola lasa ianao matoa mahita ity forum ity.
23. ikaretsaka ( 07/01/2005 15:18)
ka izay hoa.. tsy interpetena io fa inoana fotsiny
24. ikaretsaka ( 07/01/2005 15:20)
aza adino ilay hoe \"ary i Masina maria nitahiry izany tao am-pony\"!
tsy ni interprete izy.. tsy nanda, tsy namantatra ny dikany, tsy namelabelatra fa zay fotsiny!
25. watafon ( 07/01/2005 15:45)
welieoelee : zay mitsy no maha saro-baliana an\'ilay fanontaniana e! marina fa mi-maitriser ny situation izy ary afaka mi-detecter an\'ireny qlq heures avant! ary fanampiny d ny infrastructure ny efa natao afaka hisedra loza toy ireny ! ity misy zavatra kely tiako hambara : ny ankamaroan\'ny biby rehetra tany azia ange nitsoaka tany antendrombohitra daholo 2 heures talohan\'ny loza e! mahavariana an !
moi : marina tsy azo kianina ny lazainao e! raha kristiana tsy tokony hanome tsiny an\'Atra !
26. mihanta ( 08/01/2005 12:44)
isaorana foana zany v andriamanitra?
27. watafon ( 08/01/2005 13:12)
zay mihitsy ry mihanta an ! isaorana fôna Izy @ zay zavatra rehetra miseho eto an-tany !
28. nikopol ( 08/01/2005 13:17)
:lol:
29. fijo ( 10/01/2005 23:48)
welie> tsy ndry no lazaiko eto fa ireo tsy sahy mijery ny zavatra manatrika azy.
io misy manome ohatra tena vao miha loza.\"ahy ny tany ka tsy hanao izay tiako aho ve?\"izany hoe manan sté iano dia ento mitsangatsangana ny fiaran\'ny sté ary ny lasantsy dia volan\'ny sté ampiasaina,fa raha aty france ianao na amin\'ny tany mandroso hafa dia hotratran\'ilay atao hoe \"abus des biens sociaux\"ny ohatra nivandravandra tamin\'io dia i bernard tapi.mahaiza manavaka ny fanananao sy ny an\'ny sté.dia toa izay koa ilay tsy nisy nahita iny.hotratran\'io izy fa ataovy ary
30. watafon ( 11/01/2005 05:53)
lalina be zany kôzin\'là zany ry fijo fa mba hazavao misimisy kokoa we e!
31. ikaretsaka ( 11/01/2005 06:08)
lalina dia lalina tokao letsy ry fijo .. velabelaro ihany nefa aloha hoan\'ny tsy mahay mamakafaka
32. eisy ( 11/01/2005 11:26)
Raisinao lavitra be ilay izy fijo a!.Izao fotsiny anie heritrereto e!

Ny rehetra no nisy de noho Andriamanitra ary tsy nanjakazaka amin\'ny fananany Izy a! diniho tsara fa ny Zanany ary maty ho famonjena ny olona rehetra! Isaory izy.

Ty teny iray ity ho an\'ny rehetra:
Heverina hoe misy aretina mandringana eto an-tany, tsy misy afa-bela amin\'izy io mihintsy....

Iza aminareo ary no hahafoy ny zanany tokana raha ohatra ka ny ràny no ahitana sérum fanafodin\'ilay aretina voalaza etsy ambony?!!

Ary ahoana ny fihetseponareo rehefa handevina io zaza io ;nefa ny tany tontolo mifaly fa afa-doza,vitsy monja no mahatsiaro tsindraindray anareo Ray Renin\'ilay zaza nahazahoana ilay fanafody

Hevero fa toa izany no mahazo an\'Andriamanitra namoy ny zanany ho famonjena ny rehetra
Mahaiza mankasitraka de misaora A zy
Dieu Merci!!! :wink:
33. watafon ( 11/01/2005 11:43)
eisy ; misaotra betsaka anao nanazava an\'io fa tena ampy tsara mitsy e!
34. welieoelee ( 11/01/2005 19:24)
fijo> ah ok ok ok oups zany zà e! :roll:

35. fijo ( 11/01/2005 23:01)
welie resaka tsy nifanojo ny antsika iny a.
eisy.voalohany .iza kay no nilaza fa zanak\'antra i lery.taoko ity izy ihany no nisoratena hoe zanaky ny avo.
faharoa antra no nahary ny tany.ary ireo fandinihana rehetra hita amin\'izao ve angano sa ahoana.
fahatelo.porofo fa tsy zanany i ralavavolo.dia tsy noraharahiany na dia novonoina aza.
36. watafon ( 12/01/2005 05:30)
ôka letsy ry fijo marina an !
37. fijo ( 12/01/2005 22:23)
ka diso ary ve io e
38. eisy ( 13/01/2005 05:50)
fijo a! dinio tsara ity
-tany aloha be tany de efa nisy ny vorona,tsy haiko efa firy arivo taona izao, nefa ny herin\'aratra tamin\'ny taona firy vao nisy nahita?
Jereonao tsara ny vorona rehefa mipetraka ambony fil raha main\'ny herin\'aratra !
Mba azavao amiko kely ho ekarazan\'inona no namorona ny vorona ka nahatsinjo fa hisy ny ny herin\'aratra aty aoriana be raha mihevitra ianao fa tsy Andriamanitra! ho takatr\'iza ary izany fisainany izany e!
Na ireo mpahay siansa amin\'izao izay ekenao fanazavana ary ve de nahatakatra izany raha araky ny fanazavany?
Mahay Andriamanitra ary tsy takatry ny fisainantsika ny heviny momba ny rehetra na momba ny Zanany ary.....
Aza mihezaka ny hanakatra ny fisainany sy ny heviny akory fa lasa gaigy eo
39. watafon ( 13/01/2005 06:15)
eisy marina tsy iadiko hevitra e!
40. ikaretsaka ( 13/01/2005 06:24)
nga ny vorona mahalala akory hoe misy andriamanitra ry eisy??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608