Informatika, efa TARA ve ny gasy???

1. nilsen ( 03/01/2005 19:58)
Vao t@ taona 1960 teo ho eo no tena niroborobo ny teknolojian\'ny informatika. Raha miohatra @ teknolojia hafa de mbola azo lazaina ho vao erotrerony tokoa ity teknolojia iray ity, nefa d\'efa mampitolagaga ny maro, ary de tena miroborobo tokoa.

Efa tara ve ny gasy raha miezaka mba mifehy ity iray ity? Ny teknolojia hafa manko de tsy mahamenatra ny miteny an\'zany hoe efa tara loatra isika, de mionona @ fampiasana ny efa traikenfan\'zareo tandrefana sisa (oh:electronika, mekanika, Medecine, Textile, ...sns) satria efa anarivony taona maro no efa nikirakiran\'izireo ireo teknolojia ireo.

Ty kosa ry zalahy tsy mba tokony mba ho hita isika amin\'ity sa ahoana??
Mba jereo ny ohatra omen\'zareo indiana, fa tena zareo no lohalaharana @ firenena andalampandrosoana @ lafiny informatika, ary tsy ho ela de hanana ny toerany lehibe mihitsy eo amin\'ny lafiny iraisampirenena...
Isika izany mba ahoana?
novalian'i tahina7 ny 01/07/2005 13:40
2. sorom ( 04/01/2005 16:55)
Tsy tokony ho tara ny kajy mirindra any Dago raha tsy be ny \"mpitsentsitra ati-doha\", hany ka lasa mandositra an\'i Dago ny \"tompon\'ny ati-dohan\'ny informatika Malagasy\"... Tsy afaka misongadina izy satria tsy dia manana ny toerana tokony ho azy ny informatika Gasy, kanefa dia tena be tokoa ny TENA MAHAY azy... Ankoatr\'izay moa dia ny foto-drafitr\'asa rahateo dia anisan\'ny tsy mampivelatra ny kajy mirindran\'ny Gasy...
3. ikaretsaka ( 04/01/2005 17:45)
fomban\'ny sarety ny mandeha aloha e!
4. Mafitoto ( 01/02/2005 19:22)
Tsia avy hatrany no amaliako ny fanontaniana eo ambony io, satria ny mahatonga ahy hiteny izany dia olona mora mandray zavatra ny Gasy izaho izay manoratra dia tsy mipetraka any DAGO tsapako ny tena maha manam-pahaizana antsika Gasy noho ny fisian'ny Gasy betsaka aty ivelany aty, hany ka arakin'ny tenin-dranamana eo ambony manao hoe, tsy tara isika, fa ny fotoana sy ny toen-tsaina no maha tara antsika, tena manana ny fahaizana isika raha ny INFORMATIKA no resahina ery tena tsy mena mitaha amin'ny hafa, ENTO MIAKATRA NY MAHA MALAGASY ANTSIKA fa aza avela ho tara izany, tonga foana iska e!
5. fatsoraly ( 02/02/2005 06:32)
TARA BE mihitsy isika gasy ka. Tsy @ informatika ihany isika no tara fa @ fampiharana azy koa (automatisation & robotique). Na izany aza anefa mba misy tara koa ny sasany amin'ireo firenena eraopeanina ireo.

Mafitoto> Ny hitako amintsika dia be rehareha be hoe mahay ny Gasy kanefa tsy hita akory izay mba vita. raha any France ianao dia mba mandehana mijery ny resultats an'ny mpianatra gasy any @ universite dia teneno kely eto hoe firy isan-jaton'ny Gasy no mahazo moyenne plus de 14/20? dia firy ny latsaky ny 8/20? Mahay ve izany ny Gasy???

nilsen> efa hatry ny ela i Inde no manana toerana lehibe iraisam-pirenena raha ny sehatra informatika. Ny Microsoft sy IBM, Siemens,... sy ny matanjaka @ io sehatra io izao dia efa any avokoa no mamokatra. Ary ny avarapi @ io koa na any etazonia na any eraopa na any azia dia indiana ny atsasany mahery.

6. sechat ( 03/02/2005 10:59)
nilsen> tsy mbola tara isika raha @ resaka fifehezana satria efa betsaka ihany ny gasy no nianatra sy nandalina ny informatika, ary mahavita zavatra mitovy @ vitan'ny firenena hafa.
fa tara kosa isika raha @ resaka infrastructure sy technologie ary recherche satria raha vao miresaka n'ireo de tsy maintsy tafiditra ao foana ny resa-bola.

fatsoraly> ny naoty indrindra2 any amintsika dia zavatra subjectif be ka tsy azoko mihitsy le fampitahana.
Za manokana aloha mahita fa intelligent ny ankamaroan'ny gasy ary mahavita manome résultats tsara na dia eo aza ny olana betsaka hatrehany. Ny olona tena te hianatra no lazaiko satria na gasy na vahiny dia betsaka koa ireo olona tsy miraika firy @ io.
Ny zavatra hitako koa aty de raha manontany zavatra @ gasy ianao dia na "tsy haiko" no valiny na valinteny mazava tsara sady fohy no mahavaly ny fanontaniana. Refa manontany vazaha aho nefa dia matetika resaka lavabe adiny firy nefa tsy mbola misy mahavaly ny fanontaniako akory, indray2 aza tsy tadidiko hatramin'ny fanontaniana.
7. atmos ( 03/02/2005 19:18)
:lol:

tsy tadidy h@ fanontaniana? hahahaha

mahay ny gasy fa tsy mampihatra ny fahaizany angamba fa laozana mikritika an'izay miezaka manao zavatra. Izany no atao hoe "toetsaina lomorina" (Malagasy ao anatin'izany aho izay manoratra).
8. ikaretsaka ( 03/02/2005 19:38)
atmos> de inona tokoa ny antony tsy ampiharany ny fahaizany lety?
9. fatsoraly ( 03/02/2005 22:03)
atmos> izaho indray mahita hoe "miasa mafy" ny gasy fa tsy mahay, tsy methodique. efa miasa 12 heures par jours ve raha misy fahaizana kely fotsiny tsy efa tokony ho lasa alavitra?

ikaretsaka> mety tsy haintsika angamba ny fampiharana ny fahaizantsika? hahaha. fa misy tokoange ny te hampihatra azy mafy saingy tsy afaka noho ny resaka maizimaizina polifika e, saingy vitsy izy ireny.
10. ikaretsaka ( 03/02/2005 22:28)
hmmmmm azo ekena izay..
misy koa
ny "t tsy tia mampiatra ny fahaizany!
tsy haiko heo ahoana!! :?: :roll:
11. sechat ( 07/02/2005 09:39)
:idea:
12. Ramaso ( 07/02/2005 20:22)
izy daholo zany.. eto aza misy resaka maizimaizina polifika ko mainka fa any!
13. jeff ( 09/02/2005 14:33)
Mahay ny gasy ary raha omena ny teknolojia mitovy @
ireo rasy hafa izy dia tena MANDROFITRA mihintsy.
Fitaovana no tiako lazaina.
Ny ankamarohan'ny logiciel tena henjana dia tena
lafo ary tena tsy hay vidiana.
Ny crack moa dia mi-passy entre copain fotsiny.
Tsy ambaka ny indien akory isika.
Ny problème dia:

===>Ny langue ampiasaina.
===>Ny fitaovana.

Asio ny logiciel @ teny gasy (de developpement)
dia omeo ny bandy gasy dia ho hitanao fa GASY KA MANJA.

=D>
14. xxx ( 09/02/2005 15:09)



Ry tanindrazanay malala oh!
15. xxx ( 09/02/2005 15:19)

mbola ry tanindrazanay ity eh!
16. xxx ( 09/02/2005 15:23)
tena ilay php mihintsy no tsy kapoakako
oh ry web master ah mba hazavao izay tena bléma
azfady
17. xxx ( 09/02/2005 15:36)
Lasa fanaovana exercice ve eteo eh
18. xxx ( 09/02/2005 15:37)
Oay oh !!!
19. xxx ( 09/02/2005 15:52)
mbola hiverina ah fa aleho aloha hianatra php
20. ra8mbandana ( 11/02/2005 23:37)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3593