Vola gasy Ariary Hahasoa sa Hamono antsika???

1. nilsen ( 03/01/2005 19:50)
manomboka androany izay vao tena ariary izao no vola ampiasaina any @ banky iraisampirenena fa tsy franc malagasy intsony: BBC no nilaza izany voalohany
[ Jereo eto ]
ary koa hindustanitimes
[ Jereo eto ]
Mitondra inona marina ho an\'ny toekarentsika malagasy izany? Sao de vao maika hampitotongana ty volantsika efa tsisy lanjany ity ny mbola anarambola vaovao tsy fantatry ny varotra iraisampirenena? Ary sao kosa ary mba ity mihits no nampilatsaka ny lanjan\'ny volantsika tato ho ato? satria nanafoana ny fampiasana ny franc malagasy tany amin\'ny fifanakalozana iraisampirenena ny banky foibe malagasy.
répondu par mandrindra le 11/01/2005 10:21
2. ikaretsaka ( 03/01/2005 21:09)
mbola tsy henoko alopha hoe mamono olona ny vola e..
mitondra antsy be zany sa mitondra basy sa?
3. maditra ( 03/01/2005 23:21)
Aza raisina ara-bakiteny be kosa aloha ilay izy ry ikaretsaka a! Ny tian\'i nilsen ho tenenina raha azoko tsara dia hoe hanampy antsika ara-toekarena ve izy io sa mbola hampitotongana an\'ity volantsika efa tsy hisy lanjany itony!
NY hevitro : efa roso ity ka tsy hiverenana intsony sao dia vao mainka loza eo! \"Handroso ho faty, hihemotra ho may\" hoy ny ohabolan-tsika Malagasy!
4. loockx ( 04/01/2005 03:30)
ngamba kosa aloh tsy d tokony hisy fiantraikany amin\'ny resaka toekarena le izy satria tsy misy na d we vidinjavatra aza tokony hiova nge rah mivadika ariary isika e, ny sandany sandany iany, betsaka nge ny ol no efa ariary foana no unité monétaire nampiasaina hatramzay e, ny ol mponina antanandehibe izay vitsy an\'isa no tena nampiasa ny fmg. Resaka fitondrana sy fitantanana no mampitotongana ny toekarena na tsia fa tsy resaka fiovan\'ny unité monétaire
5. sipagasy ( 04/01/2005 07:50)
Araka ny fahafantarako azy na ariary io na farantsa malagasy dia mitovy ihany anie é! ohatran\'ny hoe franc & ny euro ihany io ny tsy mahasamihafa azy kely fotsiny angaha dia ny euro azonao ampiasaina erak\'europa, ny sandan\'ny vola am-pelatananao mitovy ihany fa tsy hoe akory niova ny vola dia miha kely na miha be ny volanao !!!!!ny isany no tsy mitovy fa ny sandany 1 ihany.
6. maditra ( 04/01/2005 23:50)
Mety ho izany tokoa fa, betsaka ange ny vola aloa rehefa misy zavatra ovaina amin\'ny vola izany e! D\'accord angamba anareo! Ary tsy maintsy misy fiantraikany ihany io mandra-piharina azy indray!
7. mandrindra ( 11/01/2005 10:21)
Ny ahy indray aloha raha hohariko amin\'ireo izay fantatro fa nanova ny volany dia hita fa niteraka fiakaran\'ny vidimpiaiana io e. Raisina ho ohatra i frantsa tamin\'ny ancien franc navadiny ho nouveau franc (100 lasa 1) dia niteraka fisavorovorona tao anaton\'ny saimbahoaka, toy izany koa tamin\'ny franc francais lasa euro (1 lasa 0,15). Ny antony mantsy dia lasa miova ny repèren\'ny mpividy. Miverina any amintsika indray aho 5 fmg lasa 1 ariary. Ohatra, misy entana 5000 fmg no vidiny raha ampiakarin\'ny mpivarotra ho 5500 fmg dia hita be avy hatrany va misy elanelana 500 fmg be izao. Amin\'ny ariary anefa izany lasa 1000 ariary no niakatra 1100 ariary, 100 no elanelany. Ny lentan\'ny vola mitovy fa ny effet psychologique tsy mitovy na dia milaza aza ny fanjakana hoe ataovy double étiquetage, efa nahita etiquette teny amin\'ny tokon\'anana ve ianareo. Mandrampahazatra aloha dia ho be ny mpanararaotra.
Dia toy ny mahazatra e, ny vahoaka no mizaka ny vokany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1844