horohorontany any Asie

1. sariaka91 ( 28/12/2004 14:22)
30 000 namoy ny ainy :evil: :evil: :evil:

Fahavoazana lehibe ho an\'ny kontinenta maro ity loza nitranga ity. Dia mba tonga saina aho ka manontany tena hoe tsy mba azo nosakanana, na nahena ve ny isan\'ireo traboina ?

Adin\'ny 2 mahery tao aoriana vao tonga teny amorondranomasina ny onja akon\'ilay horohorontany izay tany anaty ranomasina no nitranga. Tsy nisy fambarandoza nataon\'ireo mpanaramaso (sismologues) nefa dia fantatsika fa i Japon ohatra dia manaramaso akaiky andro aman\'alina ny mouvements tectoniques. Raha mba nisy nampilaza mantsy dia mety ho vitsivitsy kokoa ny isan\'ireo namoy ny ainy. Nahoana re no dia samy mialangalana daholo ?
^^ ^^ ^^
novalian'i fijo ny 20/01/2005 23:40
2. belo ( 28/12/2004 14:51)
tsy tany atlantika no niseho ilay zavatra ka dia tsy nivaky loha firy ireo manam-bola ny fijeriko azy.
azo atao mihitsy ny mahafantatra ny ora ahatongavan\'ilay rano (onde) eny amin\'ny morontsiraka. ny tokony ho nataon\'ireo olona nahafantatra ny ora nisehoan\'ny horohorontany (araka ny fahazoako azy) dia nampilaza ny manam-pahefana any an-toerana haingana ary izy ireo indray no mampita ny hafatra amin\'ny onjam-peo (radio) nasionaly mba hilazana ny olona mipetraka eny amorontsiraka.
3. sariaka91 ( 28/12/2004 14:56)
mitovy hevitra aminao aho mikasika ny fahafahana mampilaza mialoha ny manampahefana tany antoerana mba hampitan\'izy ireo ny fambarandoza. Angamba neverindry zareo fa tsy ho marobe toy izao ny vokan\'ny tsy firaharahana nataony :!: :!:
4. ikaretsaka ( 28/12/2004 15:27)
800 Km isan\'ora ny hafainganam-pandehan\'io onja io..
izay mandeha aloha na ny onja-peo \'ny radio na ny onjan-dranomasina izany e!
ho\'zy ny gasy izay hoe rehefa ho avy ny loza.. patsa 1 aza tsy omby vava
5. oully ( 28/12/2004 15:34)
Zaho indray vao naheno fa nahakasika an\'ny La Réunion, tonga dia i Dago no nahalasa ny saiko. Aza mahavoa ny toa ireny. Sa ve nahakasika any Dago tokoa ? Ho anareo any amorontsiraka ...
6. cutie ( 28/12/2004 15:36)
zavatra naturel mitranga io ry reto a. Anga voatery tsy maintsy ho voasakana fona izy.ty?
7. booboo ( 28/12/2004 15:40)
tsy voasakana fa misoroka tsy hisian\'ny tra-boina bobaka lôtra kah.
oully>ié iny côte est M/car iny
8. kitjo ( 28/12/2004 17:16)
Ny hoa voasakana aloha tsy voasakana satria voajanahary iny.
Ny fikisahan\' ilay tany atao oe Sumatra ao Indonesieno nahatonga ilay onja ary ilay onja no mafy lotra ka nahatonga ilay horhoron-tany.

Indonesie tsy manana lay fitaovana fitiliana ary t\" toerana tena anisan\' ny mahantra inddra ao amin\' i zraeo no nitrangan\' iny ka mety tsy tao anaty calcul-ny angama.
Raha ny tany mandroso haa dia manana fitaovana fitiliana fa asa ts nisy nanam-po ve hoe any no mety hiseho ilay izy kanefa amin\' izao dia tratra daholo.

I Sri Lanka sy Inde ary Indonesie no tena voa be inddra h@zao. Maro ireo nosy fitsangatsanganana toy ny hoe Ste Marie any Dago no lasan\' ny ranomasina tsy hita tsn.

Azo natao ny nampihena ny fahavoazana raha fantatra mialoha. Amin\' izao fotoana izao manko dia fantatra fa mbola misy onja roa ho avy indray fa mora2 kokoa dia efa manomboka manakisaka ny olona hiala ny morontsiraka ry zareo.

9. rmbary ( 28/12/2004 17:24)
ho antsika malagasy no handraisako anjara eto e!
izaho aloha dia misaotra an\'Andriamanitra fa noho ny fitahiany ny malagasy dia tsy dia nahitana vokany be taty @tsika malagasy ilay izy. eny na dia nisy iany ary ireo izay voka datsiny tany manakara sy ny tanana manodidina azy.
ho antsika malagasy ho aho no andraisako anjara @ty resaka ity.
iska anie ry zareo tena iangaran\'Atra mihitsy e!
mba hevero moa hoe taty madagasikara no tratran\'ireny dia ho tahaka ny inona no vokany, izao ary isika mitaraina daholo noho ny hamafin\'ny fidim-piainana.
tsy ho lava resaka aho fa mahereza mivavaka fa zany no zavatra tokony ataontsika malagasy.
mbola tahin\'Atra ny malagasy e! izay no hamitinako azy
10. kitjo ( 28/12/2004 17:53)
Marina izany!
11. fijo ( 28/12/2004 22:16)
araka ny vaovao reko taty dia nisy nampandre tokoa ny manampahefana tany,saingy tsy nanana fitaovana hampandrenesana ny vahoaka ry zareo.La 2 omaly io vaovao io
12. tafita ( 28/12/2004 22:54)
Ny anah njay de tsotra e, Saika isaky ny faraparan\'ny taona toy izao mantsy no manao
\" INVENTAIRES \" kely An / tra , asa na mba zavatra voamarikareo izany na tsia . Fa ity indray mitoraka ity aloha tena diso tafahoatra no nalainy , sa ahoana hoy \'nareo ?
13. pitchou ( 28/12/2004 23:49)
tena mampalahelo tokoa alou le izy! raha izaho manokana tsy manome tsiny na iza na iza satria ny system d\'alerte tsy mandeha mihitsy raha vao misy maillon faible! ka na niezaka aza izay nahafantatra, courant tapaka mandritra ny 10 mn d efa tsy tafita ny hafatra! alaivo sary an-tsaina i Dago heo ampilazana nefa ny telephone ampitana ny hafatra tsy misy na tsy mandeha
14. loockx ( 29/12/2004 03:18)
Ivavahana mba tsy hisy tahak\'zany aty Madagasikara. Ny aty tkou mantsy na d ranonorana fotsny no mihoatra ny tokony ho izy d efa maro no traboina tsy manankialofana. Maika fa toy izany? Tsy mbola ampy ny fahaizantsika mamantatra amin\'ny antsipirihany ny mety ho fiantraikan\'ny loza toy ireny. Ary tsy tena haintsika koa ny miatrika ny ao aorian\'ny loza rah sanatria ka misy tokoa izany. Misy ihany ny we CNS fa tsy mahavita manao ny asa fanavotana haingana ry zareo noh ny tsy fahampian\'ny eo ampelatanana
15. moi ( 29/12/2004 05:39)
Ohatry ny mahita filma aho maheno ny tantara : mampandre izany le mpiasa madinika amin\'ny sefo hoe loza ity, zao sy zao no voatily ato... Dia hozy le sefo hoe sao mba tafahoatra zany ka manala baraka eo ! Hotairina ve ny maire, dia hikorontana be eo koa ny vahoaka, panique dans la ville, ... kanjo nefa tsy dia inona akory ! Lavitra be zany loza zany e !
Dia tao amin\'ilay filma anefa sefobe nitelefaonina ny vady amanjanany ihany mba hiomana sao ... Dia ireo ry zareo mbola velona ireo ...
16. sariaka91 ( 29/12/2004 10:25)
:{ :{ :{
moi > mora ery ange ny manao scénar - na film, haindry zareo hoe izao sy zao no atao, super heros daholo ry zalahy. Fa rehefa tena mitranga ilay izy vao tena hitanao hoe c...lles molles daholo ry zareo ao ambony ao fa ny azy ihany no avotany.
Ary hitanareo ve le zazakely 2 taona eo hitan\'ny olona tany anaty ala dia natao hoe kamboty kely, soa ihany fa nifankahita t@ fianakaviany ihany tato afara.
Mampakivy e ?

tafita> Aza omenao andraikitra ho avy amin\'Andriamanitra izao zava-mitranga izao fa hoy ny fitenenana hoe la nature reprend le dessus, elle suit son cours normal. Ny Andriamanitra inoako (hoy Bessa) tsy minia mamaly ratsy ny ratsy.
17. sechat ( 29/12/2004 11:15)
za ry reto tena kivy mitsy nahita le faty ol bedebe asitrika fotsiny any anaty fosse commune sns omaly. efa tafakatra 55 000 ny maty izay efa hita hatr@zao. za avy no nangovitra :{
de miombon-kevitra @ daholobe @le hoe soa ihany fa tsy madagasikara. aleo mivavaka mafy mitsy mba tsy hisian\'izany kah!
de mba ivavao ihany kou le tra-boina na de tsy gasy aza tena henjana ny nahazo azy (l)

18. kitjo ( 29/12/2004 14:28)
moi> tsy haiko lotra aloha ahoana ty fandehan\'ity tantara lazainao na tsy takatro

tokony mampionehy ve sa maninona: vao avy nahita ny fatin\' ny singaporeans 37(ankoatra ireo 134 tsy mbola hita) naterina teo @aeroport za io zao mamaky ny hafatrao dia tsy azoko an-tsaina mitsy inona ny tianao ambara.

Azafady fa oh hoe mananihany ny fandraisako azy nefa ny volon-dohako mbola mitsangana.
19. booboo ( 29/12/2004 14:40)
zà aloha tsy mahita oe mananihany na mampihomehy ilay \" film \" an\'i moi fa zava-misy io. Hitako tany @ gazety fa nisy manam-pahefana sasany efa nahafantatra tsara ny zava-hisy fa tsy ninia tsy nampandre ny oul satria oe zao ny saison mahabe touristes be indrindra tany sady koa mampandeha tsara ny économien\'ny tànana ! :^)
20. pitchou ( 29/12/2004 18:57)
booboo> raha tena marina izany dia tokony misy sazy ampiharina @zany olona zany! fa ny antony anaovana ny systeme d\'alerte dia noho ny loza mafy mety hitranga ka ny olona tsiraray ao anatin\'io systeme io (ny fahalalako azy hatramin\'izao) dia mahafantatra tsara an\'izany ary nampiofanina momba izany! eritrereto hoe resaka petrole mety hitobaka any an-dranomasina aza anaovana entrainement lava izao ko maika fa ain\'olona mivantana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1991