misy marina ve sa fampihononana

1. xxx ( 21/12/2004 07:53)
manontany tena aho indraindray satria rehefa tena teren-doza dia terena hampiasa finoana fotsiny raha tsy misy vaolana dia lazaina fa izay no sitrapon\'Atra. raha mangataka zavatra dia indraindray tsy azo mihitsy dia lazaina fa tsy mbola tonga ny fotoanaNY, raha mangataka zavatra dia mila mangataka ila ho faty mihitsy vao mahazo, mandoalika, mifady hanina sns....; raha mangataka zavatra koa dia omeny dia indraindray ratsy ilay zavatra dia manontany tena hoe fanahinian\'Atra ve sa ny tena no tsy tokony nanao izato sy izato ...; fa maninona no mila hiala mihitsy ny aina indraindray vao mahazo ?
fa nahoana no raha mangataka fanasitranana ohatra izay tsy hita izay maharatsy ny mangataka izany dia tsy azo nefa efa nifady hanina sns... dia avy eo lazaina fa hoe izay ny sitrapon\'Atra.
Izaho nangataka zavatra iray izay dia nomeny fa vao maika ilay izy nanimba ny fiainako tanteraka nefa napetrako tamin\'Atra. Dia manontany tena aho hoe satria ve tsy nifady hanina, tsy nivavaka tamin\'iny maraina atoandro hariva, tsy nitomany nivavaka sns dia lasa ratsy ilay zavatra ?
mba hivavao aho hanehoan\'Atra fa tena misy Izy ary hanaovany miracle ao aminn\'y fiainako
2. booboo ( 21/12/2004 08:36)
Ny zavatra nianarako isaka ny diso fanantenana zà ka kivy ohatra anao io dé oe tsy azoko ny nilaiko fa inona ny zavatra hafa azoko ankoatra izay. Dé eo zà vao manomboka tony kokoa dé maka recul @ zay mandinika ny lalana nodiaviko nahatonga ahy ho @ lé \" instant présent \". Ambony kokoa ny morale rehefa avy eo ary miha-mitombo koa ny finoako satria anisan\'ny nampianariny anà ny atao hoe \" faharetana \" . Na izay ihany aza no hitako positif tao dé efa faly aho satria tsapako oe mbola mitantana anà ihany kay ilay Andriamanitro na tsy nomeny anà ara zay nangatahiko taminy. Rehefa avy eo koa zà lasa mahay misaotra an\'Azy noho ny zavatra pitsopitsony kely be dia be anefeny sy mbola omeny anà isan\'andro. Diniho koa angé ny fianan\'i xxx e ! dé ho hitanao oe inn avy no soa nataony anao, tsy nangatahanao akory, dé ampahafirin\'izay io raha nangatahanao ka tsy azonao ary nandiso fanantenana anao io. :)
3. xxx ( 21/12/2004 08:42)
booboo > misaotra ny aminy fampaerezana fa ny mahazo ahy dia ohatrany tumeur, na dia ezhina ny adinoina dia tsy mety fa re eny foana ary tena manimba ny fiainana relation fahasalamana ilay izy satria mikiky ao. tsy resaka hoe saina na moral ilay izy fa raha tsy izany dia azo atao ny mankany @ psy sns fa tena eo @ vatana mihitsy. vola be ...
4. xxx ( 21/12/2004 10:53)
Momba ilay finonana aloha dia tsy ny fifadianao hanina,tsy ny fivavahanao,marina fa ilaina ireo saingy tsy misy dikany ireo raha tsy manam-pitiavana ianao,izay no nadrasan\'Andriamanitra aminao.Ianao ihany no mahalala raha tena manam-pitiavana marina ianao, mahay mamela heloka ve ianao,mba niantra olona ve ianao,nampiriminao ve ny hamboponao sy ny hatezeranao sa isaky ny tezitra dia hamaly faty sy hilongolongo..?Tia e!aza miandry \"miracle\" fa ny fivavahana tsy natao fiandrasana fahagagana foana.Raha variana mikarakara ny tenanao foana ianao dia hoy Andriamanitra hoe izy efa mikarakara ny tenany fa aleo aho mba hikarakara ny hafa,mikarakarà ny hafa mba hikarakarana anao..na dia marary aza ianao,jereo ny hafa sarotra anie ny mivavaka sy manraka an\'Andriamanitra fa tsy mora e!Dia hoy aho hoe Mahereza fa ho hitanao ny valiny.Mandehana mijery dokotera fa fitaovana nomen\'Andriamanitra daholo ireny,iaino ny andro anio fa Andriamanitra hiahy ny ampitso dia ho sambatra kokoa ianao.

Kally
5. ikaretsaka ( 21/12/2004 14:12)
bien kally..
raha miaina an\'ireo lazain\'i kally ireo dia tonga ho azy daholo ireo miracles sns ireo ary tsy ampoizina sy eritreretina akory
6. sechat ( 21/12/2004 14:13)
i kally ve io sa xxx? :roll: tsy mazava!
7. sechat ( 21/12/2004 14:24)
xxx le tena izy> za kou mitovy hevitra @ ireo le teo aloha ireo. Tsy haiko na efa renao ilay hira hoe:

\"Ny vorona ao an\'ala faly miriaria, nefa tsy mahalala lay Ray ankoatra ary.
Mahatoky hatrany hatrany fa misy ny mpiahy
Ny masaka ao an-tsainy ny hoe mankalaza\"

Manaova otran\'ireo, aza miahy ny avoakan\'ny ampitsonao fa matokia an\'Andriamanitra. tsarovy koa fa na mafy aza ny mahazo anao tsy hamela anao irery izy ary fantany ny zavatra zakanao, sy ny zavatra mahasoa anao.

@ maha-olombelona de normal be le mora kivy refa sendra zava-tsarotra. Tadiavo izy @ alalan\'ny vavaka ka ento eo daholo zay manahirana anao. Ho hitanao fa tsy mitovy ny manana an\'Atra sy ny tsy manana azy.

Otran\'ireny le refa marary be reny dia vao mahita dokotera de faly ery na tsy sûr aza hoe hahasitrana anao izy :^) . Maika moa fa Andriamanitra?

De mahereza aza e!
8. kally ( 21/12/2004 15:50)
sechat> kally ihany no nanao sonia etsy ambonykah!
9. bichette ( 21/12/2004 16:30)
tsara be ny tenin\'i kally
10. sangojy ( 21/12/2004 17:30)
Eny tokoa, fa ao anatin\'io faharetana misokatra amin\'ny fanantenana io dia misy \"dynamisme\" mampiavaka ny finoana Kristianina. Tsy manda ilay miracle amin\'ny resaka aretina aho ry xxx, ary irariana hanana fahasalamana ianao; fa ny ivavahana koa amin\'izao akaiky Noely izao dia hanomboka amin\'ilay fanantenana avy ao anaty koa ilay izyIlay mionona tsy mi resigner, fa mi accepter, sady manantena fa mahay fahagagana Andriamanitra. Mahereza dia mirary soa, ary hitondra fahasalamana ho anao anie ny taona vaovao.
11. xxx ( 02/01/2005 17:48)
Tsy haiko zalah fa taoana vaovao zao no hiatrehana ,de mahereza zalah
12. ikaretsaka ( 02/01/2005 18:39)
izay zany
13. methode ( 02/01/2005 23:41)
Miarahaba ny rehetra aloha tratry ny taona dia mirary ny marary ho sitrana soa amantsara!!
Ny fijery an\'ilay Andriamanitra mihitsy no mila ovana amiko! Lasa mpanao magie Andriamanitra dia terena hanome izay ilaintsika fotsiny izao!! Ny tena marina ary tokony ho izy dia isika no tokony hanakatra ny zavatra tiany haseho amin\'ny zava-miseho amin\'ny fiainana!!!
Mba hevero kely hoe ianao no maka ny toeran\'Andriamanitra izany, ka namorona zavatra iray ianao satria ilainao ilay izy! Rehefa avy eo dia ilay zavatra noforoninao indray no mibaiko anao hoe omeo ahy ity na ataovy izao!!! Dia inona no hataonao azy??? Izany anefa no ataontsika an\'Andriamanitra amin\'izao!!!
14. xxx ( 03/01/2005 17:14)
Aza manonona foanan ny anaran\'A/tra sady aza maka fanahy an\'A/tra fa tsy mety zany ,ny tiako ho lazaina ^zany de zao ,le resaka impossible ajanony fa ny ataoko tsika de mino Azy ,ohatra ny anakiray lazaiko anareo ,misy manotany tena oe Maninona ono ra mahery A*/tra de tokony potehiny devoly nefa tsy fantastika anie zay ao ambadika ao é!Ny tena marina de fahasoavana no namonjena antsika fa efa saika very .
15. xxx ( 03/01/2005 18:38)
zà tsy hitory teny fa hizara ny efa hitako sy niainako sao mahasoa an\'i XXX.
Ny fitadiavanao izay mahafinaritra sy mahavariana ary mahasoa ao anatin\'izay heverinao fa farany mangidy sy mafy indrindra eo @ fiainanao dia mampiakatra mora foana ny morale-nao, ary ny morale n\'ny olona no fitaovana sy fanafody manampy be indrindra ny mpitsabo rehefa tena sarotra ny fitsaboana, ka na efa ambany aza ny morale n\'ny mpitsabo dia manjary miara-mihoitra aminao izy satria mifindra any aminy ny herin-tsaina sy ny finoana anananao!

tsy resaka rediredy izany hoy aho fa tena niainako, ary tsy voalohany nandalo t@ izany aho fa mba naka lesona t@ izay efa nandalovan\'ny hafa ka nanefy ny saiko sy ny finoako ho afaka hisedra zavatra noheverin\'ny manodidina fa tsy hisy hahatanty.
Dia amin\'ny fotoana tsy ampoizinao akory dia ho rava izay nanelingelina ny fiainanao, amin\'izay dia ho tsapanao hoe tena misy marina ny fahagagana ataon\'Andriamanitra!

\"katsaho mafy @ sainao rehetra sy ny finoanao\"
16. yonikafopl ( 03/01/2005 19:06)
io ndray le xxx nefa ny taona efa vaovao
17. ranini ( 04/01/2005 10:40)
:( tena misy izy fa tsy hoe f.. fotsiny.raha tena mila fanampinana aminy ianao de tsy maintsy mino azy aloha ary mahalala azy tsara mihitsy.ny anarany, ny fikasany ,ny toetrany ary ny zvt tsy tiany.Vakio ny baiboly fa amin\'io izy no miresaka amintsika .Farany, ny miracle mon ami de fandrebirebena vahoaka fa tsy misyan\'izany intsnony izao!T@ andron\'ny apostoly ihany izany no nisy fa tsy amin\'izao intsnony fa ny omen\'Aa antsika ny herin-tsaina hoenti-miaritra ireny fisedrana isan-karazany ireny
18. xxx ( 04/01/2005 17:58)
misy miitsy zany fa miankina tsirairay io ,de tsara ra mamaky baiboly foana fa tsy mihevitra zay ambarany olona any fa soa mandiso fanatenana ohh!!!
19. pitchou ( 04/01/2005 18:28)
yoni> zà aky io xxx farany io fa adinoko ny nanao sonia a!
ranini> ny olona tena mivavaka mahita ny miracle ataon\'Andriamanitra! misy lalandava izany fa ny ankamaroan\'ny olona tsy mahatsapa izany satria ny miracle andrasany dia resaka rendrarendra sy hisehosehoana matetika! dia mifantoka any ny sainy ka tsy mahita izay mitranga manodidina azy intsony
20. rhajatiana ( 11/01/2005 20:04)
Izao aloha e, tsy fantatro izay miombokevitra amiko fa ny fivavahana raha ny tena izy dia tsy dia filan-javatra loatra. Tsy natao hamahana ny olona ara-materialy, na ny ara-nofo ny fivavahana fa resaka ara-panahy io. Amiko dia tsy dia tsara ho antsika kristiana loatra ny miandry miracle, satria tsy androny famantarana intsony izao fa ny FINOANA. Ary tsarovy fa misy Atra ary mamaly vavaka izy matoa misy ny zavatra tsy takatry ny saintsika mitranga eo amin\'izao tontolo izao izay iarahan\'ny rehetra manaiky na ny mino izany na ny tsy mino fa tsy tongatonga izany fa ao raha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1347