Dago

1. booboo ( 21/12/2004 07:21)
Inona no nahatonga ny malagasy aty ivelany hiantso an\'i M/car ho Dago kay ? dia inona no dikany sa fanafohizan-teny fotsiny io ? Sôtra.
novalian'i welie ny 26/01/2005 16:42
2. mifenty ( 21/12/2004 13:33)
Izaho aloha dia tsy de mankafy firy io fiantso io eh.
Asa raha tadidinareo fa anarana alika ny hoe Dago. avy amin\'ny fanafohezana ny hoe chien dagobert. Asa raha misy mahatadidy io boky io bibliothèque rose famakiko fahiny
3. tinalalaina ( 21/12/2004 14:00)
Tsy dia haiko loatra ny dikan\'ny hoé dago fa enga nié ka avy amin\'ny hoé : MaDAGAsikara ihany. Na izany aza ny eritreritra ihany no mitondra azy fa misy aza anié anaran\'olona hoé : patou, boby, ... nefa anaran\'alika gasy koa ireny.
4. ikaretsaka ( 21/12/2004 14:27)
ny notantarain\'i dadan\'i dadabeanay t@ zahay mbola papoose ( arriere grand pere) fa izy le nanampy ny tafika Frantsay t@ ady voalohany 14-18 dia dia toa voarara hono fa bedy raha miresaka madagasikara na hoe malagasy tamin\'iznay dia nahafohezin-dry zareo dia rehefa misy olona samihafa bataillon sa inona tsara de te ho sur heo gasy ve iny dia atao heo dago? dia raha kopy hono de izy izay..
dia lasa fiteny mandrak\'androany ilay izy!
5. sechat ( 21/12/2004 14:29)
mety hoe Madagasikara de lasa hoe Dag de refa ela de lasa hoe Dago? Tsy haiko ka...
Ny ana ny tena mahazatra ahy de le hoe Mada.
Ary ny mahavariana de tsy tsika rery no manao an\'io. Misy Guadeloupéen niara-nianatra tamiko de refa miantso an\'i Guadeloupe izy de hoe Guada. :°)
6. booboo ( 21/12/2004 14:34)
ikaretsaka >sôtra. Mbô tadidio koa oe ny nahatonga ilay morse oe Dago azafady ? :°)
7. ramoul ( 21/12/2004 15:19)
le roi Dagobert a mit sa cullotte à l\'enver!
Tadidiko tsara iny
Amiko aloha ilay izy tao fanafohezana fotsiny é! (Madagascarlava lôtra d lsa Dago)
Na ny ankizy any koa ary nge miantso hoe Dago fa tsy tsika rery aty ivelany é!.
8. maditra ( 21/12/2004 16:39)
Ny hiran\'i Njakatiana koa aza dia misy an\'izany Dago izany hiantsoana an\' Madagasikara!
Antenaiko fa tsy misy fifandraisany amin\'ny anarana alika izany!
9. mihanta ( 21/12/2004 23:22)
mety resaka fanafohezan teny fotsiny ngamba
10. welie ( 26/01/2005 16:42)
Zà aloha dia tsy zatra miantso hoe Dago. Ny ahy dia hoe MADA rehefa miresaka an\'i Madagasikara!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5791