fanavakavaham-bolon-tsoratra

1. tsilan ( 11/12/2004 06:31)
Raha nanoratra ny tenanay fa Jesosy no manja indrindra tao amin\'ny fifaneraserana, lohahevitra hafa. Dia nodiana nofafana io hevitray io.

Midika izany fa misy mandrakariva eto amin\'ny serasera ny alako bika tsy tiako tarehy, satria tsy namana

Fanavakavaham-bolon-tsoratra tsotra izao no andikanay io.

Misaotra ny mpitantana ny serasera tamin\'ilay fanavakavahana.

Tsilan
novalian'i Ramaso ny 07/02/2005 05:56
2. hery ( 11/12/2004 08:21)
Rehefa hoe fafaina ve ny hevitr\'i tsilan dia hoe halako bika tsy tiako tarehy? :-) Raha izany dia be dia be ny halan\'ny olona bika tsy tiany tarehy... i Tsilan aza mbola mpikambana ato ihany fa tsy sahala amin\'ny sasany izay nesorina noho ny hevitra napetrany...

Fa dia misy tombotsoa inona moa no hankahalàna an\'i tsilan? tsy hitako kou...
Ny mpandrindra izany no mahita fa diso adiresy ny hevitra napetrak\'i tsilan dia izay :-) dia manorata zavatra hafa indray.
3. xxx ( 12/12/2004 05:01)
hery,
izaho koa vao teo dia nahita fa tena misy hafatra esorina fotsiny tsotra izao satria...tsy fantatro ny antony. Asa na \"halako bika tsy tiako tarehy\" izany na inona.

ny 1 tao amin\'ilay resaka consulat gasy any LaRéunion.

ny 1 kosa tao amin\'ilay resaka hopitaly mahasosotra nosoratan\'i booboo. Zavatra tena tsara petraka mihitsy ilay izy ao amin\'ny \"vavolombelona\" dia sady nofafana nafindra any amin\'ny \"tetsy sy teroa\"!!!

torohevitra ihany ny ahy ka asakasakareo fa anjaranareo ny mandinika raha tena \"mandrindra\" marina ny \"mpandrindra\" fa mahalasa saina.
Aleo miverina matory kely aloha fa tss
4. ikaretsaka ( 12/12/2004 06:45)
Misy arofanina tsy maintsy arahana ohatran\'izao ity forum ity:
\"ny fanosoram-potaka amin\'ny alalan\'ny solonanarana, dia mety hamafana ny hafatra\"

Nisy lalana nodikain\'ireo hafatra nofafana iireo angamba dia nofafana ilay izy na diso adiresy ny lohahevitra..
ohatra hoe resaka hopitaly ilay izy aloha (fahasalamana) nipetraka t@ vavolombelona (satri azavatra niainana) .. dia nafindra any @ tetsy sy teroa satria zavatra niseho tetsy sy teroa.
ary mety hifindra any @ resaka momban\'ny lalana indray izy satria misy resaka akitaky misy mitaky ny zony!

Ny resaka consulat gasy indray dia resaka fijerena ny tombotsoan\'ny diaspora sy filazam-vaovao ilay izy fa tsy resaka alahelontseza..
5. xxx ( 12/12/2004 06:50)
inona fa manana backup i Hery ao amin\'ny serveur. Mba jereo kely ireo hafatra nesorina ireo dia diniho ary avereno fa tsy misy fanaratsiana fa resaka mitombina.

ikaretsaka> nisy nalahelo seza anga fa sosokevitra madio ny tao ary tsy nisy fanononana anaran-dranona sy ranona? sa misy miaro seza?

6. ikaretsaka ( 12/12/2004 06:51)
za ko de mahita ny backup ary nisy fanononana anaran-dranona sy ranona teo
7. xxx ( 12/12/2004 07:00)
Hery> afaka miteny ve enao ry Hery fa tena nisy tokoa fanononana anarana olona na fikambanana na antoko tamin\'ilay hafatro momba ny consulat gasy ao La Réunion? Politicien(e)s no noteneniko fa hamarino kely azafady fa toa misy mahatsiaro voatohitohina!

Mba mahagaga tokoa marina ry zareo ity serasera ity. Raha ny hafatra rehetra no sivanina mitovy lanja tsy misy fiangarana dia tokony ho voafafa avokoa na ny anareo akamakama aza.
Aza mora entim-po fa andao hamonjy trano fiangonana e. :)
8. ikaretsaka ( 12/12/2004 07:10)
nisy teo ambony teo ka, ary nanao allusions enao.
stu tsisy akamakama mihitsy io fa anontanio tsara i Hery fa zahay aza nisy fotoana tena nifanipaka mihitsy ny fijerinay roalahy momba na zavatra iray izay , fa rehefa samy manaja ilay arofanina sy ilay fitsipika napetraka dia tsy hoe akamako na fahavaloko fa nisy nodikaiko de manaiky za fa diso, nisy nodikainy de nanaiky izy fa diso ary voafafa ny hafatro, voafafa ny hafany!
9. xxx ( 12/12/2004 07:19)
izaho koa anie mba manana backup momba ny zavatra soratako fa aza dia mamoron-dainga ry Ikaretsaka a.


/***************************/
tsy nanonona anarana aho fa raha tianao dia averiko eto ilay nosoratako raha nisy nanontany hoe: \"notokanana vao aingana indray ny consulat de mada à la reunionTsy afa-mibitaka ve zay te ho ao @ zany?\"

dia novaliako araka ilay fanontaniana saingy nofafana ilay hafatro, ary heveriko fa Ravatorano no namafa azy satria nafindrany tany amin\'ny politika ilay resaka. Naveriko indray ilay izy avy eo fa mbola nisy namafa. Toy izao ny voasoratro:

teto aho mba nifoha maraina be nanoratra saingy tsy akamakama ka dia voafafa hoazy le hafatro Ravatorano ah.

Tena manao fety be tokoa ny politicien(e)s satria dia ho lasa any an-dafy dôly ny ankohonany. Itony mantsy ny occasion fanararaotany andehanana any an-dafy.

tsilan> Ny mampalahelo dia lasa manindritsindry sy manambanimbany ny valala tsy mandadiharona sy ny tantsaha izay mamelona azy ry zareo.

pov\'malgaches ozizy afaka 3 volana.



/***************************/
Avelao Hery hanamarina azy hoe iza marina no mandainga?
10. ikaretsaka ( 12/12/2004 07:23)
raha hafatra anankiray no miverina indroa aloha de mamafa aho.. ny hitako no nofafako fa ny tsy hitako dia olona hafa iznay no namafa azy
11. xxx ( 12/12/2004 07:31)
aiza amin\'io hafatro io izao izany lazain\'i Ikaretsaka nanononako anaran\'olona izany? (afa-tsy ilay resako tamin\'i Ravatorano mandrindra ny politika)

mahita ve Ikaretsaka fa misy fanenjehana an\'ianona sy i anona manokana amin\'io hafatro io? dia inona izany allusions izany mba azavao fa mahagaga toa nanjavona ho azy ilay lohahevitra?

Hery> dia ho hita eny ihany ny fahamarinana sy ny fahamatoran\'ny mpandrindra ny serasera e
12. ikaretsaka ( 12/12/2004 07:51)
Fanazavana ireo resaka nofafana:
resaka consulat any la reunion ve de tsy ny tombotsoan\'ny malagasy any na filazana vaovao hoe misy an\'izany ho an\'izay tsy mahalala no tokony ho resahina fa ny resaka sezan\'ny mpanao politika?

Raha resaka hopitaly tsy rariny ataon\'ny hopitaly any frantsa ve dia tsy resaka fitadiavana ny vahaolana any Frantsa no aroso fa ampidirana resatseza politika?

raha resaka Fivavahana sy famadihana ve dia tsy resaka kolotoraly sy finoana no atao fa ampidirana fiainana mpanao politika?

Raha resaka akanjo any ampiangonana ve no resahana dia idirana resaka avo razana sy iva razana?

Dia nony nofafana ve ireo dia hoe akamakama?

ilay hevitra tsy mifampiditra sy tsy mifandray no namafana azy ary ilay allusion an\'io avo sy iva sy politika io!

Mazava?
13. ikaretsaka ( 12/12/2004 07:54)
tsilan> raha \"olona\" bogosy no noresahana dia \"olona\" no tokony lazaina fa tsy \"andriamanitra\"
14. xxx ( 12/12/2004 08:00)
Hery> aoka tsy atao safo-be mantsina ny resaka. Enao mahafantatra ny PS-ko dia jereo akaiky io resaka \"consulat any La Réunion\" io fa lasa avadiky ny sasany resaka hafa hoe misy an\'izany \"allusions\" izany hono sady \"foronina\" ho nanonona ny anaran-dranona sy ranona aho ka misy voatohitohina.
15. booboo ( 12/12/2004 20:11)
tsy azoko oe fa maninona no fafana marina satria izay ara no heviny @ maha forum azy ( raha nanaraka ny fitsipika izy ). Tokony ho voafafa daholo koa raha izany ny raha nosoratan\'izay mananihany @ lohahevitra hita hoe tena \" matotra \". Izay no tokony ho hitsiny sy rariny raha harahiko @ fomba fanazavan\'Ikaretsaka.
16. zandrinifijo ( 12/12/2004 21:58)
ra ny famakiko anio resakio amy fo tsy miangatra de piasany consulat ny fianakaviany zay namafa le evitra, sady paranoïaque. quand même tsy tokony fafana le izy satri tsy manaratsy olona personellement.
17. zaal ( 13/12/2004 04:42)
be analizy ko ela ry zandry an. de iza no everin\'ialahy ho paranoiaka namafa an\'izany? :-D :-D :-D :-D :-D :-D
18. mumu ( 13/12/2004 20:23)
ramaso :-D :-D
19. mumu ( 13/12/2004 20:43)
ekena... tompoko
20. xxx ( 13/12/2004 21:56)
ramaso> izay ange le ataon\'i zandrinifijo hoe paranoïaque e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5403