Mivavaka ho an\'ny mpanota indrindra

1. ikaretsaka ( 01/12/2004 04:48)
Mba lasa ho\'a ny saiko ry zareo....
Voalaza foana ny hoe tokony hivavaka isika ho an\'ny olona mpanota....

Sady nanao devoir aho no namaky boky dia Nisy teny Nosoratan\'i Mark Twain (Ilay nanoratra ny Tantaran\'i Tom Sawyer) manao hoe: (dikan-teny malalaka)

\"Ary Iza no nivavaka ho an\'i Satana? Iza tao anatin\'ny taonjato 18 mifanesy no mba nanana fandavan-tena nivavaka ho azy, nefa izy no tena mpanota indrindra???\"


...\"But who prays for Satan? Who, in eighteen centuries, has had the common humanity to pray for the one sinner that needed it most?\"
Mark Twain (1835-1910)
novalian'i ramaso ny 20/12/2004 23:28
2. loockx ( 01/12/2004 05:52)
Ilaina tokoa aloh le mivavako ho an\'ny mpanota e, fa rah amin\'ity tranga iray ity, tena mba hisy vokany v zany? tsy d mino loatra an\'zany za.
3. ravatorano ( 01/12/2004 06:09)
marina ilay hoe mivavaha ho anay mpanota na ho an ireo mpanota.
fa raha momba an dry Satana sy ny forongony kosa aloha dia ataoko fa tsy hisy hivavaka ho azy mihitsy satria defa napetraka mihitsy hoe maizina,ratsy indrindra ary farafadiranovana ry lematy reo ka inn intsony no ilaina hamonjena ny fanahiny :evil: :evil: :evil: :evil: .
Io koa toy ny fiandohana sy fiafarana,ny fisian ny ratsy(satana) sy ny tsara(anjely) , eto amin ity fiainana ity izany dia tsy maintsy misy fifandonan ireo foana eh ka matetika ny tsara no mivoaka mpandresy satria ny marina marina ihany ary ny marina tsy mba maty .
4. hery ( 01/12/2004 08:02)
Dia hoy aho hoe...

Alohan\'ny hivavahanao ho an\'ny mpanota tsy fantatrao dia mivavaha ho an\'ny olona fantatrao izay heverinao fa ho mpanota :-)
5. kally ( 01/12/2004 08:23)
Izaho koa aza izao mba mpanota koa ianao angaha ahoana?
6. fraulo ( 01/12/2004 08:44)
Ikaretsaka>

Tsara fipetraka ilay fanontaniana an ! sy ny karazany sahala amin\'izay.
Fa saingy mila fivelaran-tsaina fara-tampony ny fahazoana ny valin\'izay raha tsy izany dia ilay trangan-javatra mpitranga no mbola hitranga : Miezaka ny hifametra fijery sy fihevitra eto ra-Olombelona @ fampiasana andalan-tsoratra avy atsy sy avy aroa. Nefa lalana daholo izany e, aleo hizotra @ izay aloha raha mbola izay no izy, tout chemin mène à Rome. C\'est une question de temps.
:)
7. chipie1 ( 01/12/2004 09:59)
ka tsika ve tsy mpanota daolo e??
8. loockx ( 01/12/2004 10:53)
chipie>Zay ndrindra.

D aleo ny tenantsika mpanota klou no ivavahantsika d aveo vô ny namantsika mpanota, manjary mpitari-bato vilambava. :wink:
9. moi ( 01/12/2004 11:19)
Lalina tokoa aloha ilay nitaritan\'izany Mark Twain zany ilay fivavahana e. Tonga de ny loharanon\'ny fahotana mihitsy no entina am-bavaka ?

Fa ny Baiboly koa angaha misy milaza hoe mivavaha ho an\'i Satana ?

10. sechat ( 01/12/2004 12:32)
I Satana ange ka efa nifidy ny lalany \"en toute connaissance de cause\" e! Sady tsy nisy naka fanahy azy akory nefa nanota izy, ary hatramin\'izao izy de mbola manota sy miodina @ Andriamanitra foana.

Ny olombelona nalaina fanahy vao voasarika hanota. Ary ny taona maro hipetrahanao eto dia natokana mba hitsapana hoe vonona ny hiova ve ianao rehefa nahalala fa Andriamanitra no lalana marina ary Satana dia mpamitaka. Disons que c\'est une deuxième chance. Ny vavaka dia fangatahana hery sy fanaikena an\'Andriamanitra. Ka raha hangataka hery ho an\'i Satana enao de very andro eo. Izy ndray aza no faly hoe lany andro eto ty. Ny avenirany efa voasoratra any @ baiboly araka ny didin\'Andriamanitra dia izay!

Noho izany:
Mivavaha ho an\'ny mpanota satria olombelona mora alaina fanahy izy ka mila ny herin\'Andriamamanitra lalandava hiadiana @ ratsy.
Mivavaha ho an\'ny tenanao ary miezaha manao izany ho an\'ny hafa (raha vitanao) satria samy mpanota daholo isika ary samy malemy.
Et ne te préoccupe pas de savoir qui priera pour Satan. :wink:
11. felampaiso ( 01/12/2004 12:46)
Amin\'ny finoana no andraisana ilay tenin\'ny soratra masina hoe: \" izay manana sy mino ny Zanak\'Andriamanitra no manana ny fiainana mandrakizay \", azo antoka izany fa noho ny ran\'i jesoa dia mandova ny fanjakan\'Andriamanitra izay MINO.
Tokony hivavaka ho an\'ny mpanota ny kristiana mba hibebahan\'izy ireny ka andraisany famelan-keloka ary hinoany an\'i kristy .Amin\'izay ny mpanota rehefa voavonjy dia lasa manana fiainana mandrakizay koa.Mba mampalahelo raha ny sasany voavonjy any an-danitra ,ny sasany very any @ helo fa tafasaraka @ Andriamanitra !
12. sechat ( 01/12/2004 13:20)
ok felampaiso :P
13. nikopol ( 01/12/2004 14:33)
Mba mivava ho ahy ary e, sa aleo any aoriana any e fa mbola tsy tena mpanota za zao!
14. sechat ( 01/12/2004 14:35)
nikopol> :-D :-D :-D
15. ikaretsaka ( 01/12/2004 15:21)
ka izao ange e:
2)
-Voalaza fa tokony hivavaka ho an\'ny vahavalontsika isika (ekena hatreo??)
-Ny fahavalontsika voalohany mahatonga antsika manota dia i Satana sy ny heriny
====> tokony hivavaka ho an\'i satana izany isika!

2) Satana ange mino an\'Andriamanitra sy i Jesoa e.. ary efa nahita Azy mihitsy ary fa lery tsy manaiky ny ordre avy any fotsiny!
ary Zavaboaharin\'andriamanitra koa i lery
16. sechat ( 01/12/2004 16:36)
ato ve nikopol? :-D :-D :-D
17. xxx ( 01/12/2004 16:53)
Nandalo teo izy tompoko

Nikopol
18. booboo ( 01/12/2004 17:17)
ka ilay Andriamanitra mihitsy ara angé no efa nandà an\'i Satana nanomboka t@ namitahan\'ilay io an\'i Eva. Raha Izy mpamorona izao rehetra izao ara no nanilika an\'i Satana dé tsy tokony hanaraka izay koa ve ny mpanara-dia azy ?
19. fijo ( 01/12/2004 22:41)
izao e.raha hoe i satana dia izay manda ny baikon\'andriamanitra dia izy aho izany.satria za sady tsy mino no tsy mila baiko avy any raha misy.
fa izao alohan\'izany aloha mivavaha ianareo mba tsy harary io andriamanitrareo io fa raha io no voan\'ny sery na marary kibo an ,asa izay mahazo anareo.
20. xxx ( 01/12/2004 23:49)
Hisy hivavaka ho ahy ve ry reto? zaho mantsy maditra foana. :) ! Hiezaka kosa aho hivavaka ho an\'i satana fa tena mahatonga saina izany. Mety hiova hevitra lery raha mivavaka ho azy ny olombelona! looooool!!!!!
Booboo> tsy haiko fa raha izany no izy mety ho fahotana ve ny mivavaka ho an\'i Satana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1593