Fanamarinan- tena sy fanaratsiana ny hafa

1. kitjo ( 12/11/2004 07:57)
Asa ianareo aloha, fa oh ahy, tany Dago:
rehefa misy olona miresaka fivavahana, ka vao manaratsy ny hafa fts, na tsy finoako aza no aratsiany,dia heveriko ho secte.

AMiko ny filazana fa NY AZY IHANY NO MARINA FA DISO NA FINOANOAM-POANA NY AN\' NY HAFA dia karazana manao MArketing ho an\' ny fiangonana fa tsy fitadiavana famonjenaho an\' ny hafa.

Ny tiako tenenina dia samia mifanaja e, lasa mibahana be ato @ ty forum ity ny fanamarinan -tena sy fifanenjehana kanefa araka nolazaiko atsy @ le resaka baiboly atsy hoe Misy ange ka tsy fidiny ho an\' ny olona sasany ny tsy mahalala e. Tsy tokony anenjehanao azy izany fa ampahafantaro azy izay tokony hofantarina fa azy sy Andriamanitra ndray avy eo raha toa ka minia tsy te hino izy enfa efa mahafantatra.

Ny hoe FINOANOAMPOANA, dia izy koa ange mihevitra fa FINOANOAM_POANA ny antsika namana sasany izay kristianina e.

Mba maniry aho raha misy olona hafa Finoana, silamo ohatra na tsy haiko mba hamoaka hevitra eto.

Ny fahafantarana ny fahasamihafana no tokony hampivelatra ny saina hanamafy ny finoanao ary entinao hanajanao ny hafa....ny hafa no hajanina fa tsy voatery ilay inoany.
novalian'i fijo ny 02/12/2004 21:33
2. ravatorano ( 12/11/2004 09:52)
ka he izany izy hoe ny samy mahalala ny baiboly aza mifampiantsy sy milaza ffa samy manan ny fahamarinany avokoa ka iza marina izany no tena izy eh ?
Ny fanamariana tena aloha dia toetran draolombelona io ka tsy ho afaka amin io izy , ny manaratsy koa dia manginy fotsiny ary marina ilay hoe manao marketing ary tadidio fa omena vola anie ireny olona mandeha manao fitetezan trano ireny raha ny filazan ilay namako izay eh fa tsy dia hoe akory hoe gratos satria lery manambady amanjabnaka nefa dia io no asany
3. ramoul ( 12/11/2004 14:25)
ka ra tsy omena vola ary lery de inn no mba hamelomany ny vady aman-janany?
Kitjo> zany akory tsy misika hoe aza inoana ny anao fa ny an\' ny hafa inoana.
Ra tena mino ianao fa tena misy ilay Atra inoana de amafiso fa tsara, fa ny an\' ny hafa aza rarahina.
4. ikaretsaka ( 12/11/2004 14:31)
ilay aza rarahiana toa masika loatra ka:
raha misy mi interesser anao kosa ilay hafa dia mba misokatra.. fa tsy heo lasa mivadika @ iny ko sanatria
5. moi ( 12/11/2004 14:56)
Mitovy amin\'ny an\'i kitjo ny hetahetako, efa nasiako teny tany ho any ny hoe mba te hahalala ny silamo (Ramadan, Halal) ...

Ny ahy ny fanaoko dia tsy miresaka baiboly raha mifanatrika, ary na eto aza miezaka aho tsy mba manonona toko sy andininy na dia teny ao anaty baiboly aza no ampiasaiko. Ohatry ny tonga dia alerjika ny sasany !

Efa tsy mandaitra intsony mantsy izany baiboly izany raha eto Antananarivo. Misy mantsy filaza izay hoe mandrezatra baiboly ny eto ! Marina izany satria fiangonana atsy, fiangonana ary, radio evanjelika be dia be ...
Fa ny fiainako no aoka hilaza azy, ary ny fiainany izy miady hevitra amiko koa ! Dia ho hita eo izay voataona ! Ny tenako dia sahy mampandroso an-trano ireny mpitety tokantrano ireny, henoiko izy, ary mba asaiko mihaino ahy koa, satria te hizara aminy izay efa nolalovako aho ! Sady toy ny mamita adidy aminy aho mantsy manoro lalana azy, sao tsy ho hitako intsony iny olona iny.
Mampalahelo ange fa misy voafatotry ny fiangonany ny olona e ! Ary ny fiangonana koa dadany raha hitazona olona ; sampana e, ... dia hoy ilay namana izay hoe efa tsy fanahy intsony no kolokoloina fa ny fiangonana amin\'ny maha trano azy (entreprise).
Lava ny resako fa dia tsy afaka hanonona antokom-pivavahana lafatra aho na dia efa nitety maro aza.

Samy ho tahian\'Andriamanitra anie na ny avy atsy na ny avy ary !
6. ikaretsaka ( 12/11/2004 15:01)
misy ange ry zareo ry moi de tsy mihaino anao mihitsy fa ny azy ihany e
ireny le ampandrosoina an-trano ireny
dia raha hainao ny mampihaino azy na kely fotsiny aza.. dia tonga @ le tenin\'i samoela hoe lasa interets @ ilay fahantrana dia miasa amin\'ilay \"entreprise\" lazainao fotsiny..
(io le hoe ny ao akorondrano ange ry ty nahavita palais de sport mihitsy e)
7. wawawa ( 12/11/2004 16:04)
Ka zao nefa: tsisy olona hihevitra mht hoe diso ny inoany. Fa ny bleme ny olona sasany de zao: Raha ohatra enao mihevitra hoe marina de marina tokoa ny finoanao de aza mi-kiritika ny hafa fa ampianaro izy. Sinon, marena fotsiny 8)
8. kitjo ( 13/11/2004 14:15)
Zay ange lay lazaiko e

ramoul> Tano mafy izay anananao....matoa inoako io dia fantatro fa marina fa zavatra tsy marina ve ho inoako? tsy handany andro?

fa znay hoe na fantatrao aza fa misy diso ny an sasany d ahitsio izy raha afaka hifanazavana e....raha tsy izany dia samia fts mifanaja fa az amanome fanafintohinana ho an\' ny sasany.

Tokony mba mifanaja e....mety ho diso aminy koa ny anao....fa raha manaja anao koa izy na tsy manaiky ny anao aza dia hajao....IZY NO HAJAO FA TSY NY FINOANY NO ARAHO

Ny ahy aloha ny fombako dia ahaafhako mandresy lahatra ny sasany hanaiky ny hevitro dia fantariko aloha ny heviny dia jereko izay mahadiso azy hoe aiza izany ny faiblesseny

AIza ary no ahaafhanao milaza fa diso ny azy raha tsy fantatrao akory?
Ilay fihainoana ny sasany zany sady mariky ny fanajana no fitaovana enti- miad fa HAKANOSANA amiko ny tsy fetezana hihaino sy hahalala momba ny an\' ny hafa

Raha mafy fototra ny finoanao tsy tokony hisy atahoranao hoe ho voataonany mitsy na handalina ny finoany aza

9. pitchou ( 14/11/2004 04:02)
angamba ny tena maha olana ny resaka finoana eto amintsika dia mora arebireby loatra ny gasy! sady tsy tokony hadino fa ny marina mitavozavoza tsy haharesy na oviana ny lainga tsara lahatra ary ny fandio iray siny tsy hahaleo ny fandoto iray tandroka!
rehefa manahirana ny fihainoana ny hafa manaratsy ny an\'ny tena aleo tsy mihaino! ary raha mahasorena ny mihaino ny sasany manasoaso ny azy, aleo lazaina tsotra aminy fa tsy azoazonao ilay resaka fa aleo tapahina!
Raha ady hevitra indray kosa no atao, dia ampitahao ihany, saingy ny finoana ampitahaina @ hafa dia angamba tsy dia marim-pototra loatra!
10. ikaretsaka ( 14/11/2004 04:05)
raha vao ilay manao hoe \"nenay ihany\" aloha dia manao marketing izay e.
11. yonikafopl ( 14/11/2004 19:25)
Za kou tena miombon-kevitra tanteraka @ kitjo,mbola maimaika fa @ manaraka maneho hevitra.
12. six ( 15/11/2004 11:04)
ikaretsaka, ie marina zany
ka ry zareo anie matahotra ny ho very d we raha ho very d aleo mba betsaka ny samy very e!!! :-D
13. kitjo ( 15/11/2004 14:40)
hihiihiihhi
iny ndray no tsitako :!:

fa tsy fanaratsiana ity an, fa resaka mandalo, sao tokony henoina ihany
Fa misy hono @ ireny ol mitety trano (tsy haiko ilay fiangonanaa) misy mangalatra hono reny raha avela ireery fa mody asainy maka stylo enao na oh zany....

Tao @hopitaly no efa b tratra satria zareo mitety any ny sasany
14. fijo ( 15/11/2004 23:02)
ny ahy ny efa niainako momba io dia ireo mormon izay miditra aty an trano.noraisiko tsara i lery fa hoe te hiady hevitra amiko satria za sahy nilaza taminy fa za tsy mino.dia niady hevitra teo ary nihezaka ny handresy lahatra ahy fa tsy nahomby.
dia tonga koa ity \"vavolombelon\'i jehova\"dia noraisiko,fa vao niditra ry zareo avy dia nitrerona be hoe \"vonoy ny telenao fa hiresaka izahay\"avy dia novaliako hoe ato amiko ianareo ka raha tsy tianareo ny tele jereko dia io ny varavarana ndana mivoaka fa tsy misy hilako izay resakareo akory.
dia lasa fa tezitra,saingy ny ampitso dia nadefa gasy tao an trano .avy dia nolazaiko hoe raha ilay homaly ihany no naniraka anao dia ndana miverina fa tsy te hiaina anareo akory aho.dai tsy hitako intsony.
15. fijo ( 16/11/2004 00:17)
sady ilay izy nitrerona no tena tsy voako.ry zalahy mormon na dia hitako sorena aza tamin\'ilay tv tsy sahy nivatravatra izany ,dia za no namono ilay izy.fa iry faharoa izay indray no be trerona.tssssssssss,sady efa hitantara lainga no mbola hitrerona tsy aleo mivoaka kle.
16. chuan ( 16/11/2004 08:09)
Ny ahy alou ry zalahy an ! refa manamari-tena izy ireny tsy de ahoako loatra satria an`azy ny azy tsy quoi fa ny tsy tiako kosa le manaratsy ny an`ny hafa !!! Amiko tsy ny appartenance @ antoko-pivavahana itsy na iroa no zava-dehibe fa ny hoe inona no toetra asehonao eo @ fiaraha-monina mendrika an`izay maha-mpino anao izay ! mazava ho azy fa tsy misy sahy hihambo manko oe zah no tena favori !! ny antony de tsotra iany , samy olombelona daolo fa tsy misy anjely eto ambon`ny tany ka atoko fa tsy tsara ny mifanaratsy an-toerana fa io na dia ny atao hoe fatritran`olona (fijery ety ivelany) aza mety mba manana ny lafiny tsara ihany koa !!!! Conclusion : tsy misy tonga lafatra noho izany dia tsy tsara ny manaratsy ny hafa !
17. fijo ( 16/11/2004 22:25)
izay koa notokony ho izy ka.saingy matetika ilay toetra hafa no hita .
18. fijo ( 17/11/2004 21:55)
kay ela ity hendry le.
hendry io ramaso io ry pitchou sy mumu an.
19. ikaretsaka ( 19/11/2004 04:38)
Bien Ramaso... mahay ialahy!mahay mampianatra kosa ireny maitressen\'ialahy bedebe ireny a
20. bichette ( 19/11/2004 08:07)
ramaso sy ny maitresse :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3103