Mba mahazo anao ve

1. ralay ( 08/11/2004 18:15)
Moa ve tsapatsika fa rehefa misy marary ny fianakaviana indrindra ny fianakaviana akaiky RAR na rahalahy na anabavy na zanaka dia ilaina ny filazana izany @ namana mba hanamaivana ny angoisse-ny tena sa tokony ho tazomina ho an\'ny tena irery.
Ary ireo namana ve mba mahatsapa fa ny firesahanao aminy anie ka mety hanamaivana azy?.
Misokatra ny ady hevitra
novalian'i booboo ny 09/02/2005 15:12
2. fijo ( 08/11/2004 20:43)
za izao ohatra dia anisa\'ilay tsy tia mitantara izany,fa raha resahana izany kosa aho dia mahatsapa fa mila izany ilay olona ka tsy manao izay hampitombo ny ahiahiny mihintsy aho.
3. ds ( 08/11/2004 21:25)
Tsy voatery ny filazana amina namana no mampamaivana azy fa ny famoahana azy amin\'ny olona afaka sy mahay mihaino na namana na tsy namana. Izany dia mahakasika ny tahotra anaty rehetra. Indraindray aza, dia mivoaka ho azy eny ny \"tsy voaloha-bava\" satria tsy zakan\'ny atifanahy intsony ka mivdika zavatra hafa.
4. ikaretsaka ( 08/11/2004 23:48)
zay sy fijo mitovy.. marina kao ny an\'i DS
5. ravatorano ( 09/11/2004 05:10)
zaho koa manohana ilay tenenin i ds io.
Nenah aloha d fidiko mihitsy ny naman hitenenako izay mahazo ahy satria araky ny tenin drabaininay hoe elah be resaka amin ilay olona nefa izy tsy afaka nanampy an elah akory na eo amin ny hevitra hiatrehan elah izay mahazo an elah akoriny aza.Na izany aza moa tsy ny namana rehetra akory no hahita hevitra hanampiana anao fa mba ilaina kosa ilay\"\"réconfort moral eh \"\".
6. xxx ( 09/11/2004 07:15)
Misy tokoa ny olona tsy mahay
mihaino marina tokoa ny voalazan\'i ds io ka vao maika manimba ny moralen\'ilay ol nitantara indrindra fa olona tsy nampiozinao no tsy mahay mihaino.
7. angie ( 09/11/2004 10:27)
Tena misy aloha fotoana ilaina hiresahana @ namana atokisana mba hampiakatra morale. dia toy izany koa raha ilay namana no mila fanoanana na fampaherezana. Araky ny fiteny hoe aterokalao ny fianinana ka rah androany aho mila fanampina ny ampitso aho mety afaka hanampy koa...

Misy anefa raha maheno ohatra hoe voan\'ny Sida ilay namana dia tonga dia ny ratsy nataony no tadiavina fa tsy ny mampahery aza....
Ohatra fotsiny fa misy maro ny zava-mitranga eo @ fiainana no mampalahelo mihintsy ary ny loza dia avy eo ange milaza fa mpivavaka daholo e . :evil: ..

Boribory ny tany ka ny tena tsara hoy aho dia ny tsy mitsaratsara olona fahatany. Mijere aloha fitaratra vao mitsara sa ahoana ry namana isany :?:

8. chuan ( 09/11/2004 14:14)
@ lafiny 1 kou ! ahoana no hahafantaran`ny olona oe misy manjo anao ra tsy milaza alou enao ? de zay le antony tokony hilazana alou sy amoahana zay mavesatra any am-ponao any , fa le olona hamoahanao zany kosa ndray no mandinika ny fomba tsara sy mahomby indrindra ho entina mampahery anao ! de zay no mampirindra ny fiaraha-monina .
9. ralay ( 09/11/2004 14:50)
Ialako tsiny aloha raha lasa xxxx ny pseudo-ko teo ambony fa tsy hitako raha tsy izao. Tsy miafina akory fa i ralay ihany io :lol: .
Ka misy olona mantsy mialaza fa nolazainy tamin\'olona ny nahazo azy sy ny fianakaviany ry chuan dia ilay olona namoahany azy io vao maika nanapepo sy nanaratsy azy ka vao maika nanimba ny morale-ny ka aiza ilay lazainao hoe \"mandinika ny fomba tsara sy mahomby indrindra ho entina mampahery anao\" amin\'izay. Inona no fiheveranao io olona manapepo io @ io cas io.
10. ramoul ( 09/11/2004 15:54)
arakaraky ny tompon\' le marary ihany io ry ralay à!
11. fanja1 ( 09/11/2004 20:06)
za ndray alou ,matoa za miresaka @ ilay olona ny mahazo ahy sy ny fianakaviko de satria matoky io olona io za! ary tsy we mila fanampiana avy aminy akoury fa mba maivamaivana ny tena refa voalaza ilay manjo ny tena,mba hafa manko zany misy olona mihaino ny tena zany, fa raha ny tena mba milaza indray no pepona,amiko de il merite pas d\'être un ami (e), izy anie tsy voatery we hanampy anao fa mba afaka ny mihaino fotsiny e , ary tokony ho fantatr\'ilay olona manapepo io fa mety ihatra aminy kou anie io mahazo io e! enfin samy olona @ heviny!
12. sipagasy ( 09/11/2004 20:20)
ilay resak fihainoana no tena zava dehibe na dia tsy afaka ny hanao na inona na inona aza ilay namanao hamborahanao ny zava-mavesatra mianjady aminao, io ilay hoe entan-jaray mora zaka é! :)
13. fanja1 ( 09/11/2004 20:35)
sipagasy zay mihintsy
14. sipagasy ( 09/11/2004 20:38)
hihihi ilay fifampizarana wa no zava dehibe ramaso annn :wink:
15. fijo ( 09/11/2004 23:50)
za aloha dia be mitantara ny fiainanay amiko ary tsy hamaivaniko mihintsy izany satria tsapako fa hilainy ary natoky ahy izy matoa nitantara.
fa za kosa tsy hilaza izay mahazo ahy mihintsy.
16. ralay ( 10/11/2004 07:54)
Marina dia marina mihintsy ny voalazan\'i fanja sy sipagasy ary fijo ireo fa ary amiko dia tokony ho toa izany no ho fandraisana azy fa izay olona natokisanao mba hihaino sy hanamaivana anao no manapepo dia tsy namana intsony ny hilazako azy.
17. bichette ( 10/11/2004 09:05)
ho antsika hitantarain\'olona ny tantarany dia akoa koa anefa hitazona izany mafy dia mafy ; rehefa mba nanome teny ianareo fa tsy hilaza na amin\'iza na iza ilay mahazo ny olona dia na aminn\'y namanareo akaiky indrindra aza aza tantaraina.
sady hahasoa ny fafandraisana hahasoa ilay olona ary indrindra hahasoa ny tena ihany koa
18. bichette ( 10/11/2004 09:07)
hevitra iray : afaka mamonjy ireny psychologue ireny koa, ireny no azo antoka fa tsy hitantara na amin\'iza na iza. tsy voatery akory hoe adala na misy fahavoazana ny saina fa misy sampana natao hihaino izay manana olana.
19. raketrika ( 15/11/2004 12:45)
fanja>ka ecoute active v aminio sa ecoute libre
misy mantsy olona mahai mihaino tokoa ary tsy ahitan teny izy avy eo
misy indray mihenao eo izy d mba milazana ny heviny avy eo ka raha toa izany ka mifanipaka amin ny eritreritrao v ilay lazainy eo d tsy mendrika ny ho namanao izy.
Misy mantsy olona mitaraina ny mahazo azy nefa mety ho izy no rangory fototry ny afo amin ilay mahazo azy uihany
20. bichette ( 15/11/2004 13:15)
isika olombelona koa tokony hahay handevona ny hevintsika, indraindray mantsy rehefa misy manome conseil dia ny hevitry ny tena ihany no arahina. manontany olona hanaovana fampitahana fotsiny raha mitovy aminn\'y hevintsika na tsia dia rehefa tsy mitovy dia henohina sy hekena ambava fa tsy harahan\'asa
Tsara ho fantatra fa matetika ny olona ivelan\'ny olana sns no mahita sy misy fahendrena kokoa fa isika anatin\'ny ady sarotra dia mazàna somary jamba ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2387