zanahary sy ny malagasy.

1. fijo ( 19/10/2004 21:29)
raha haravina tsotra ny finoana andriamanitra tokana dia niandoha tamin\'i abraham.talohan\'izay dia noheverina fa samy nanana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.\"andr ny ady ,andr ny fitiavana,andr ny rivodoza sns\".
ny finona tena malagasy koa tsy mba nandalo loatra io finoana nisavoritaka io fa avy dia i \"ZANAHARY \"no noheveriny fa nahavita ny rehetra.ary nony tonga moa ny kristianina dia nampiany tao koa andriamanitra.
io zanaharin tsika io dia tsy mba nila jesosy na mahome,na boda na iza koa fa dia ny razana izay niaina fa lasa any aminy no mpampita ny hafatra sy ny fangatahana.
izany hoe raha tena dinihana dia io finoantsika io no tena mahitsy sy marina kokoa,ka raha samy hino ihany re,maninona raha io antsika izay tokanaio no atao malaza sy hamasinina tsara?sa tsy inporte io fa vita gasy koa?
novalian'i fijo ny 09/11/2004 22:00
2. besoiiin ( 19/10/2004 22:32)
ny olana tamin\'io ange dia tsy mba nisy mpitarika sy mpanao pub be toy ny kristianisme izy io tany alou tany e! ankehitriny mantsy efa lasa lavitra loatra ilay kristianisme ka mety sarotra ihany izany handresy lahatra ny 70% n\'ny malagasy izany! kanefa raha mahasahy hitarika ingahy dia tarito fa tsimaintsy misy manaraka foana io e! dia ingahy kou izany no misionera any ampita any dia mba reseo lahatra kou ry menasofina mba hanaradia antsika @ zanahary e! sa ve isika gasy ihany no mora voatarika @zany? mety hilay ihany raha hoe ny 60%n\'ny europeana hono lasa mino ny zanaharin\'ny malagasy an! vitany ve tsy ho vitantsika e....
3. jhouhlambout ( 20/10/2004 19:23)
Ka nanararaotra an\'io Zanahary io mihintsy ny misionera tonga tany madagasikara t@ voalohany hampidirana an\' Andriamanitra, dia nanomboka teo dia lasa tokana izy roa
4. fijo ( 20/10/2004 20:28)
ka ny gasy aloha no tsara tarihana hiverina amin\'ny maha izy azy ka.ny vazaha aleo hanaraka ny azy.
5. tsilan ( 28/10/2004 14:36)
Tena tsy azo ampitovizina mihintsy ilay tamin\'ny razantsika sy amin\'izao fotoana izao ry Fijo an.
Taloha tena hoe fivavahana fangatahana sy fisaorana.
Fa izao fananganana fiangoanana hampielezana foto-kevitra, sy fanangonana harena. Jereo Mayol, Pantekotista, Jesosy Mamonjy, Katolika, Adventista, Protestanta. Ny fiangonana no manankarena fa ny olony zara aza tsy.... Mahavariana eh.
6. fijo ( 28/10/2004 22:12)
tsilan,ka ndeha haverina amin\'io tena fisainana gasy io ilay izy e.
7. fatsoraly ( 29/10/2004 04:17)
tsilan> marina io voalazanao io. Raha mamaky ny Baiboly (bokin\'ny Apokalipsy) ianao dia voasokajy ao avokoa ireo fiangonana notanisainao ireo:
Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia sy Laodikia

Diniho akaiky tsara ny toetran\'ireo fiangonana ireo dia ampitahao @ voalaza ao @ Baiboly.

Raha ny momba ny zanahary sy ny razana nivavahan\'ny ntaolo indray dia nino izy fa misy hery lehibe tsy takatry ny sainy. Noho ny tsy fahafantarany an\'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitr\'Israely sy Abrahama ary Jakoba no namoronany zanahary ho tompoiny.

\"Ray o! Mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony\" hoy i Kristy. Ankehitriny efa miparitaka ny filazantsara ka asakasak\'izay MINIA TSY MAHAFANTATRA \"izay ataony\"
8. fatsoraly ( 01/11/2004 03:18)
9. fijo ( 01/11/2004 23:06)
fa ny gasy nino tsy nitovy tamindry zalahy.
10. fatsoraly ( 02/11/2004 04:13)
tsy mitovy velively mihitsy ramaso an.
Ny finoan\'ny ntaolo taloha tsy mivavaka mivantana @ ilay andriamanitra ninoany fa ny razana sy ny zanahary no nataony mpanelanelana. jereo ireny ataon\'ny mpimasy sy mpiantso bilo ireny!
(manaiky anefa aho fa misy antokom-pinoana kristianina lehibe manao mitovy @ io. Tsy ho tononiko hoe iza?)

ny silamo indray dia voadidy tsimaintsy mamono ny \"infidel\" ka maniraka sy mamono ny zanany amin\'ny fanaovana \"suicide bomber\"


\"Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy\"
11. fatsoraly ( 02/11/2004 22:56)
ary toa lasa niverin-dalana ity ianao ramaso? tsy nijanona hatreo @ andro fahenina anie ny fahasoavan\'Andriamanitra arotsany @ olony e. hahaha!
\"Izay tsy mandroso dia mihemotra\"
12. fijo ( 02/11/2004 23:41)
ka ny kristianina koa nie tsy mivavaka mivantana ami\'izany antra izany fa i ralavavolo no mpanelanelana e.
13. fatsoraly ( 03/11/2004 01:19)
rehefa tsy mino na tsy mahalala dia aleo tsy miteniteny foana sao lahy hanenenana :wink:
14. fijo ( 03/11/2004 23:00)
tsy hitako hoe inona no hanenenako.za tsy mino.
15. tsilan ( 04/11/2004 20:33)
Ny an\'i Fatsoraly dia asiana fampitahorana foana ny famaranana ny lazainy.
Fa izao Fatsoraly an, lazainao fa ny Ntaolo rehefa mivavaka dia mivavaka amin\'ny razana. Ary inona no filaza ireo olo-masina na martiry anaovana fangataham-bavavaka matetika, nga moa ireo tsy efa razana sa?
16. ikaretsaka ( 04/11/2004 22:18)
fa raha tsy mahadiso.. kristianina sampana inona no misy an\'i fatsoraly kay?
17. fijo ( 04/11/2004 22:53)
kristianina sampana jesosy\"razana\"
18. fatsoraly ( 05/11/2004 02:24)
tsilan a! Mba hazavao amiko izany \"olomasina anaovana fangataham-bavaka\" izany fa tsy haiko azafady.
19. fatsoraly ( 05/11/2004 10:39)
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan\'ny tongotr\'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.

Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman\'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin\'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.

20. ikaretsaka ( 05/11/2004 14:08)
fatsoraly> samihafa ny manao fangataham-bavaka sy ny hoe mivavaka
tsy mivavaka @ olomasina no tiana lazaina fa manao fangataham-bavaka @ olomasina!
Azon-dangahy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.232