Mangataka vavaka amintsika namana aho.

1. fyjl ( 12/10/2004 16:09)
Ho an\'ilay rahalahiko izay marary mafy, tratran\'ny aretin\'ny voa (Insufisance renale) http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m416a4e167f18e no angatahika amintsika namana rehetra mba hivavaka ho azy. Eny fa na dia 10 segondra monja aza dia efa zava-dehibe satria manan-kery tokoa ny vavaky ny maro. Tsy misy tompon\'ny aina afa tsy Andriamanitra irery ihany ka izay sitra-pony no angatahantsika aminy.
Misaotra indrindra noho izany fiaraha-miasa izany. Andriamanitry ny fiadanana homba antsika rehetra ary hampahomby antsika amin\'izay rehetra atao.
Hoy FyJL
novalian'i tenio ny 21/10/2004 08:53
2. fanja1 ( 12/10/2004 17:04)
Je suis de tt coeur avec toi et ta famille! courage Dieu est avec vous :-*
3. fijo ( 12/10/2004 19:29)
za koa tsy mpino nefa na dia izany aza dia mankahery anareo hatrany satria mafy io aretina io.mahereza ary manana fanantenana hatrany.
4. chipie1 ( 12/10/2004 20:02)
fyjl mahereza fa zahay tsy hanadino akory.
5. kitjo ( 13/10/2004 05:31)
Mampahery an\' i Fyjl sy ny mpikarakara rht dia mivavaka ho azy.
D manaova falifaly foana rehefa eo akaikiny ry Fyjl na malahelo azy aza. Efa niainako io manko!
6. naritsimba ( 13/10/2004 05:38)
Miarahaba antsika namana rehetra!
Ho an\'ny fyjl manokana dia mirary fahasalamana fahasalamana lalandava ho an\'ise sy ny fianakavian\'ise aho, ary maniry koa ny hahasitrana ilay rahalahin\'ise, ary hitondra am-bavaka azy ka ho sitrana soa aman-tsara. Mahereza fa ny Tompo Andriamanitra dia mahalala ny ataony @ olona rehetra, Izy no mahay ny zavatra rehetra ary zava-poana ny zavatra atao raha tsy ankinina aminy izay nahary ny zavatra rehetra.
Dia mahereza sy mahatanjaha fa ny Tompo momba antsika lalandava.
7. bichette ( 13/10/2004 06:05)
fyjl > entinay am-bavaka ny rahalahinao ary koa ianareo mianakavy.
mahereza hatrany. Eto izahay namanao na dia misy aza elànelànin\'ny ranomasina fa mahatsiaro anareo foana.
namanao
bichette
8. mimich ( 13/10/2004 06:38)
fyjl> @ fotoan-tsarotra indrindra no tena ilana ny fanohanan\'ny namana, koa mankahery anao sy ny fianakaviana rehetra @ ny fiatrehana izany adidy mavesatra izany , ary manome toky fa hitondra am-bavaka ny marary sy ny fianakaviana ihany koa satria ny vavaky ny maro mahatakatra ny lanitra.
mahereza e! ary ny tompo anie homba anareo mandrakariva!
9. glou ( 13/10/2004 07:47)
fyjl, mankahery sy mitrotro ambavaka lalandava hoan\' ny rahalahinao lesy izahay namana eto dago, de mahereza lesy !
10. tenio ( 13/10/2004 09:14)
Mahatsiaro am-bavaka anareo less ny aty na dia lavitra sy tsy mbola nifankahita aza.
11. six ( 13/10/2004 09:39)
fyjl, mahereza fa izahay zao d hivavaka ho anareo! ampaherezo koa izy fa samy eo daholo we ny rehetra!
12. ravatorano ( 13/10/2004 10:33)
fyjl>marina tokoa fa efa nifampiresaka momba io rahalahinao io ihnay isika ary tena ao anatin ny etat critique marina ny toerana misy azy izao.Mankahery anao hatrany ary mivavaka mafy ho an ny rahalahinao mba hahazo fahasalamana tanteraka izy , hiaraka amintsika indray.Mankahery anareo fianakaviana fa Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra ary Izy irery ihany no afka mandahatra ny hiseho amin ny ho avy.Ataoko fa marina daholo ny voalazan ireo namana ery ambony ireo, ny tena namana rafyjl tsy manary amin ny sarotra izany ah !
13. nikopol ( 13/10/2004 10:39)
Mahereza
14. chou ( 13/10/2004 11:51)
fyjl mahereza de mivavaka ho anareo rehetra ny namana tsy mahafoy
15. nykanto ( 13/10/2004 14:26)
Mankahery an\'i fyjl sy ny fianakaviany manontolo ary koa mivavaka mba hahomby ny asan\'ireo dokotera efa mikarakara ny rahalahinao, Andriamanitra anie hitahy sy hitondra ny fahasitranana.
Tsy manadino.
16. ralay ( 13/10/2004 15:02)
Mahereza lesy fyjl fa mafy tokoa ny mahazo ny rahalahin\'elà sy ianareo fianakaviana ka tsy hanadino amim-bavaka anareo aho rehefa mivavaka izahay satria efa nandalovako koa ny toa izao fa ankino amin\'Andriamanitra ny zava-drehetra fa izy ihany no mandahatra ny fiainantsika na ho an\'ny mino na ho an\'ny tsy mino. Bon courage ny fianakavian\'elà rehetra
ralay miombom-bavaka aminareo
17. jhouhlambout ( 13/10/2004 16:48)
Manamafy ny efa voalaza teny ambony, maherza ary aza mitsahatra ny manantena hatrany satria ny fanantenana no tena zava-dehibe indrindra @ izao fotoana toy izao.
18. ramoul ( 13/10/2004 16:51)
Mankahery azy ny tenako am\' izao zavatra mahantra aminy zao ary hitondra ny fiainany amin\' ny vavaka ny tenako, ary tsy hitsahatra mihitsy ra tsy efa sitrana izy, nefa mbola haony izany vavaka izany rehefa sitrana soama tsara ny zokinao ry FyJL.
Courage, fa aza mora ketraka :-*
19. ricky ( 14/10/2004 13:07)
je prie pour toi et ta famille fyjl
je suis avec toi dans toute tes epreuves
c est dur mais courage et crois en Dieu et tu veras
bisous
20. chuan ( 15/10/2004 11:35)
Mirary fahasitranana haingana ho an`ny rahalahinao ary mampahery azy @ ty message ty hoy i \" finoana - fitiavana - fanantenana \"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1526