Mangataka vavaka amintsika namana aho.

21. saho ( 15/10/2004 15:46)
hi fijl

fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay

Raha mitady ahy @ fo misokatra ianareo dia hahita ahy ianareo dia ny fitiavana ao @ Ray

Mivavaka mangina ho an\'ny ralahinao izahay ary aza matahotra fa asaivo mivavaka mangina koa ny ralahinao

Amen
22. xxx ( 15/10/2004 18:56)
fyjl / azonay sary an-tsaina ny fisedrana mahazo anareo satria efa nandia izany tamin-kavana akaiky taty an-tany lavitra taty ny tenanay. Mahereza ary hizarao fifaliana sy fanohanana hatrany izy fa hery lehibe ho azy izany .
Samoina sy Didi
23. fyjl ( 16/10/2004 11:56)
Feno dia feno ny fo mamaky ireo teny rehetra nalefanareo ireo. Mahatsiaro tokoa aho fa manana namana ary tsy mahafoy satria tena namana.
Misaotra indrindra ary mankasitraka sy mankatelina e!
Isaorako avokoa ireo izay izay rehetra nivavaka na dia tsy nanoratra teto aza. Zava-dehibe tokoa izany.
Isaorako toy izany koa ireo namana eto an-toerana nanome fanampiana araka izay vitany. Ankasitrahana tanteraka ireny ary Andriamanitra no hamaly azy @ zany asa soa izany.
Nisy ireo namana tsy eto an-toerana, nanontany ny fomba atao fa te-hanampy, isaorana azy ireny mialoha izany fa: mbola ho dinihina aloha ny fomba handraisana izany rehetra izany nefa mino aho fa tsy ho ela dia ho fantantsika eto
Mankasitraka tanteraka e!
Momba antsika hatrany ny Tompo
24. tsilan ( 16/10/2004 14:07)
Isaorana Zanahary Ray raha mbola mampitohy tsy tapaka ny namana toy izao. Ary dia mankasitraka ny mpandray anjara rehetra amin\'ny andro toy itony, Zanahary hitahy sy homba hatrany. Ary dia mirary koa raha mirary ny soa sy ny tsara ho amin\'izay ho avin\'ny marary, fa tsy misy tsy vitan\'ny mino.
Dia manareta soa.
25. ainaheri ( 16/10/2004 17:09)
ramaso > miala tsiny aminao aho fa t@ fony nanoratany an\'io ary tsy misy ol haniry ny
havany harary fa ra miresaka @ namana rehetra @ fony madio izy dia aoka mba ho
valina @ fanajana ary asiana lafiny ny sangisangy sy ny fahamatorana aoka zay
tsy atodiko aminao irery ihany fa ho antsika mpikambana ato saotra betsaka !!
26. ikaretsaka ( 16/10/2004 18:29)
fa naninona ndray ramaso? izy ange nivavaka e.. saingy tsy nahay fotsiny
27. unik ( 16/10/2004 20:31)
fyjl> mitrotro ambavaka ny rahalahinao sy ianareo fianakaviana rehetra! mahereza e!
28. mcfy ( 17/10/2004 02:27)
fyjl> @ maha kristianina ny kristianina dia voalaza raha tsy diso aho ilay hoe, \"Tiavo ny fahavalonao\" Midika ihany koa izany hoe Mivavaha ho azy koa maika fa ianao izay tsy fahavalo. Manana Finoana fa ny tendrombohitra aza hono voafindra raha ampy ny finoana. Raha ny finoana indray no tsy ampy dia angataho @ Andriamanitra hampitomboany izany satria izay mangataka hono dia homena.
Koa miombom-bavaka aminao sy ny ralahinao aho @ izao fotoana izao ka Andriamanitra Ray Tsitoha, Mahery sy Be Famindram-po, Hitahy sy Hankahery anareo mianakavy. Ankaherezo tokoa ny rahalahinao fa tsy mora ho azy ny mankahery tena @ situation-ny.
29. liliha ( 19/10/2004 09:02)
Mahereza.Andriamanitra no tompon\'ny zavatra rehetra.Na mafy aza nyady izay atrehana manoloana ny aretina dia matokia azy fa Izy no hahatanteraka ny mahasoa ny rahalahinao .NyTompo tsy handao anareo
30. fyjl ( 20/10/2004 09:07)
Manantintra ahatrany ny fisorana antsika rehetra fa lehibe tokoa izao firaisan-kona atolotrareo izao e!
Samia ho tahian\'Andriamanitra isika rehetra ka samy ho tonga @ zay iriany ny tsirairay.
Misaotra eeeeeeeeee!
31. fyjl ( 21/10/2004 07:56)
FyJL, ny Fianakaviana ary ny marary dia :
- Maneho fisaorana sy fankasitrahana ho an\'ireo izay nanao fitia tsy mba hetra mba ho fanampiana azy. Indrindra ireo namana tsy mahafoy izay tsy monina eto Madagasikara fa any am-pitan-dranomasina any.Mety ho zavatra kely izany aminareo fa tena LEHIBE tokoa aminay.
- Misaotra ireo namana rehetra nampahery sy nitondra am-bavaka izany marary izany satria zava-dehibe tokoa ny vavaka. Andriamanitra tokoa no Tompontsika ary azy isika ka izay sitra-pony no aoka ho tanteraka.
- Misaotra ihany koa ireo namana tonga namangy sy nivatsy solon-dranom-boakazo teny @ hopitaly (HOMI) Soavinandriana.
- Misaotra indrindra ireo namana izay te-hanao izany rehetra izany nefa tsy afaka-manohatra noho ny antony maro samihafa.
Mankahery anay mpitsabo sy ny tsaboina tokoa ireny ka isaorana antsika rehetra.
Homba antsika hatrany ny Tompo ka ny Voninahiny hatrany no aoka hiseho.
32. tenio ( 21/10/2004 08:53)
Izahay moa aty lavitra ka tsy misy azonay atao. Ny hany mba azonay atao dia ny tsy mitsahatra mivavaka hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1855