Inona no atao hoe fahasambarana ?

1. andrea ( 29/09/2004 13:00)
Nisy ankizy nandefa hafatra nanotany hoe : c\'est quoi le bonheur ?
Mba alefaso ny hevitrareo hoe ?
novalian'i fijo ny 18/10/2004 21:21
2. booboo ( 29/09/2004 13:34)
refa tsisy anenenana ny atao, refa salama, refa \" en paix \" @ tenanao, manodidina, asa, Atra etc. :roll: zay ny tonga ato an-tsaiko alongany
3. xxx ( 29/09/2004 13:40)
nena , rehefa hoe tsara ny kaly dia sambatra za
4. booboo ( 29/09/2004 13:43)
xxxxxx>hihihihihi, \" quand l\'appetit va, tout va \" marina a ?
5. kally ( 29/09/2004 14:33)
Efa resaka tato ihany io fa samy manana ny mahasambatra azy.Raha izaho rehefa feno fitiavana sy manambola ny olon-drehetra ve tsy sambatra?Ary raha tsy manana an\'ireo koa anefa mbola sambatra foana rehefa mahay mitsiky.
6. andrea ( 29/09/2004 15:13)
kally> tara izany za fa tsy nahita ilay resaka efa nandalo .
Amin\'ao izany ny vola sy ny fitiavana no mahasambatra ?
7. heartbreakkid ( 29/09/2004 17:08)
Jesosy no mahasambatra! (l)
8. andrea ( 29/09/2004 17:18)
heartbreakkid > Iza a 8O ? nahoana izy no mahasambatra ?
9. pitchou ( 29/09/2004 17:32)
nena alou rehefa nahatratra tanjona iray na tojo ze niriako zà d sambatra e!
10. razafy55 ( 29/09/2004 19:46)
ny fahasambarana dia rehefa afampoa tsara aminy zavatra iray ny tenanao na tona aminy zavatra hirinao sy tadiavinao ianao no atao hoe sambatra na mahazo fahasambarana! tanteraka ny fanirinao ka nahazo ny fahasambarana teo ianao e!
11. andrea ( 29/09/2004 22:55)
razafy55> tena marina izany (l)
12. tsiperifery ( 30/09/2004 06:42)
Fahafahana manao ny tiana atao eo @ lafin-javatra maro ( spaoro, asa, fitiavana, fizahantany,...)
Miaraka @ izany koa ny fahafaham-po nanatanteraka hetahetan\'oul . Oh . mpianatra niantohana dia nahavita ny fianarany sy efa nahita asa .
Mazava ho azy moa fa ny mahita ny olona akaiky ny tena milomano hatrany anaty fahasalamana koa dia efa fahasambarana lehibe satria mampilamina ny saina
13. aleohilamina ( 30/09/2004 09:58)
Raha ny fahasambarana manokana aloha dia tsy hay adika marina hoe manao ahoana e! Io teny io dia avy ao amin\'ny Baiboly, fa raha ny fahasambarana eto antany aloha dia tsy haiko loatra ny manazava azy, fomba fiteny mantsy ilay izy manao hoe, sambatra ianao, sambatra i Rakoto , i Rasoa etc... fa ahoana marina aloha izany atao hoe sambatra izany. Ilay fahasambarana mantsy dia mifandray be amin\'ny fiainan-tsika, amin\'ny fiainana andavanandro izany. Ka manao ahoana ary izany fiainana izany ! Raha ny dikany avy ao amin\'ny ao amin\'ny Baiboly no raisina dia fiainana tsy misy ahiahy sy tempotempo ary fahoriana. Ka isika miaina amin\'izao fiainana izao ve manana an\'ireo \"attributs\" telo ireo ????

Samy manana ny heviny sy ny eritreriny isika amin\'io resaka io ary samia mandinika tsara. Raha izaho manoka aloha dia izany fahasambarana izany dia teny tsy misy heviny ety an-tany \"tsy misy sens\", misy tompony io teny io, ary fantaro hoe iza no tompony io teny io, fa raha fantatrao hoe iza no tompony dia mety ho hainao ihany ny dikan\'izany atao hoe fahasambarana izany. Izay manantsaina aoka handinika.
14. olly ( 30/09/2004 10:04)
i fijo indray izao io resaka kaly ambony io an ! :-D :wink:
15. andrea ( 30/09/2004 13:44)
aleohilamina > Raha azoko tsara ny tianao lazaina dia hoy ny bailoby hoe : misy \\\'attributs\\\' telo ireto mahasambatra : fiainana tsy misy ahiahy sy tempotempo ary fahoriana, nefa ny ny fandalovana eto an-tany tsy mety hampiarina ireo \\\'attributs\\\' ireo ? Marina fa samy manana ny fisainany ny olona rehetra , ary ny tanjona tratrarina dia izay mahasambatra ..
Ny zavatra tsy azoko dia izao : Ny baiboly izany milaza fa mety ho sambatra ny olona raha mahafeno ireo \\\' attributs\\\' ireo , dia raha miova izany ny saiko ampoiako hoe \\\' na inona na inona ny olana , lahatr\\\'Andriamanitra io \\\' ka tsy misy olana , dia afaka ho sambatra za ??? !!! Dia aiza ny morale amin\\\'izany ? ?? ... Raha mamaky Baiboly izany dia midika fa ny fianana eto antany tsy misy fahasambarana ? satria efa misy tompony io teny io ???
16. kally ( 30/09/2004 16:14)
Ny Fitiavana ho\'a no mahasambatra, atao inona moa ny Baiboly fa tsy hianarana mitia?Rehefa mahay mitia ianao dia sambatra (tsy fitiavana sipa na vady irery no lazaiko eto) raha feno fitiavana ianao sambatra tanteraka (l)
17. fijo ( 30/09/2004 19:22)
rehefa maty dia any ny fahasambarana satria tsy miheritreritra ninoninona intsony.
18. yonikafopl ( 30/09/2004 20:21)
rehefa mahatsiaro sambatra aho dia izay ilay fahasambarana
19. mimich ( 01/10/2004 14:02)
ny fahasambarana mandalo angamba no mety misy raha mbola eto an-tany.
20. xxx ( 01/10/2004 15:13)
sambatsambatra ery ny tena fa tonga indray ity ny week-end hibaladiladiana sy hilalaovana kanetibe !!! :D
Samoina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1672