Manan-karena ve?

1. hery ( 04/09/2004 07:33)
Resaka sendra henoko ary nahazoako fanazavana teto Rome ity resaka ity. Malaza fa hoe manan-karena ny Fiangonana Katolika ( :?: ) ary betsaka mihitsy ireo mieritreritra fa misy zavatra maizimaizina ao anatiny ao.
Vokatry ny fanadihadiana natao ary dia izao no mba hitako. Tsy mahavelon-tena daholo ny ankamaroan'ny organismes katolika. Ny tsy mahavelon-tena lazaiko eto dia hoe raha ny vokatry ny asany fotsiny no jerena dia mivoaka perta. Matetika mantsy dia midina ambany dia ambany na maimaim-poana ny saran'ny zavatra ataon'izy ireo. Ohatra fotsiny ny haino aman-jery katolika (Radio Vatican izay malaza be ohatra) dia mila tsentsina amina millions isan-taona ny teti-bola mba hahafahany mivelona. RAha tsy misy fanampiana izany dia maty ho azy. Toa izany koa ny Gazety Lakroa any Madagasikara sy ny Gazety La-croix any France. Marina fa misy ireo zavatra hafa toa ny sekoly, hopitaly sy ny sisa izay mampidi-bola be be kokoa kanefa efa mivoaka kely amin'ilay hoe sarany ambany na maimaim-poana ireny (ny collèges matanjaka ao Dago ohatra).

Dia inona ary no maha-mpanan-karena ny Fiangonana katolika?
Rehefa nojerena dia ny firaisan-kina ekonomika (solidarité) no tena antony. Vondrona (unité) iray ihany ny Fiangonana Katolika ka mora kokoa ny fampivondronana ny tolotra (dons na offres). Miankina amin'ny fanomezana atolotry ny mpino ao aminy izany no iveloman'ny Fiangonana. Ary ny tena manaitra dia ireo tsy mpiditra am-piangonana no tena manome... satria iny no fandraisany anjara eo amin'ny lafiny finoana. Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka ny tsy mpivavaka any ampiangonana ka miha-betsaka koa izany ny mpanome fanomezana... indrindra ho an'ny Fiangonana any AFrika.
Koa aza gaga raha ohatra ka manana fiara betsaka ry mompera sy masera any Madagasikara fa fitaovana vokatry ny hatsembohan'ny mpanome avy aty an-dafy ireny... ka iriana mba hampiasaina araka izay tokoa.
Manana vola ny Fiangonana saingy vola tsy azy ireny fa vola nentina hanasoavana ny hafa.
novalian'i fijo ny 04/10/2004 20:45
2. chipie1 ( 04/09/2004 12:45)
otrany ry père PEDRO
3. ralay ( 04/09/2004 16:52)
Marina mihintsy ny voalazzanao ra hery fa izaho koa efa mba nanontany ny fihavian'ny fanana'ny katolika io na tany dago na taty ivelany fa dia ny malala-tanana no manampy azy ireo.Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe ny katolika ihany ve no misy malala-tanana sa ny finoana hafa koa mba misy fa afenina ny fananany...?
4. fijo ( 04/09/2004 19:47)
marina fa misy io fanomezan'ny olona io,nefa raha jerena io fanomezana io tsy ahavitana ireo zavatra vitan'ny eglise rehetra.
eran tany dia mahafantatra fa i vatican dia manao fanelanelanana eo amin'ny varotra fitaovam piadiana."boky economika" no nahitako an'io ary tsy nisy fandavana nasetrin'ny vatican tamin'io filazana io.nalahatra tao anatin'io boky io ny firenene mpivarotra fitaovam piadiana eran tany ka dia nahagaga fa teo alohan'ny israel i vatican.tsy za no namorona fa hitako io ary tsy nanao fandavana momba io ny vatican ka amiko dia mitombona izany ilay izy.
5. ikaretsaka ( 04/09/2004 23:53)
fa ny ahy ilay organization an-dry zareo no mahafinaritra ahy ka mahatonga an-dry zareo mandroso manam-bola sns
ary ilay fomba ampiasainy azy hoe hitan'ny katrami any @ nanata (jereo ry pere pedro sy ry masera).. firifiry amintsika moa tsy nahazo soa sy mamonjy an'ireny (ry mpiatsaravelatsihy)?

tsy raharahako izay kolikoly any fa ny ahy ny hoaniko sy ny fahasoavako no jereko.. tsy bizinesiko izay any ambadika any io ilay hoe mbola tsy ampy anao foana ve ny kapoaka omena anao isan'andro no aferan'olona no jerena (araka ny tenin-dry fo hehy hoe aza mitodika any @ ny an'ny olona... ny anao jerena)

Hitako ny vokany .. hitako ny fiantefany.. tsy raharahako hoe avy aiza..
raha te hitovy aminy .. manaraha ny ataony
tapitra!
6. tsimibolisatra ( 05/09/2004 04:46)
Hery>
Fijo>
Chipie>
Ralay>
....

Noho izany rehetra izany dia aza araraotina ary ny Fiangonana Katolika amin
7. lanto ( 05/09/2004 05:46)
Hmmm ? Fa ianao ve mba efa nahavita ny nataon'ireo pretra na hafa niala ? Firy taona ? Ny rakitrao ve no tena mampalahelo anao ? Mandehana miangona de angarony indray ny harona , de lazaivo noho ny mopera niala e !

Ary lozan
8. hery ( 05/09/2004 07:36)
lanto> bandy voadona hozy le namako ato izay :)
9. mumu ( 05/09/2004 08:21)
aoka zay ry tsimibolisatra fa mankaleho be a!!
une de perdue 10 de retrouvée hoy ny vaza!!! mitotokoba atavy!!
10. mumu ( 05/09/2004 08:22)
tsimibolisatra efa lasa ny olona ny foiny fa mahaiza mionina e!!
11. chipie1 ( 05/09/2004 08:32)
tsimibolisatra> aza mitsiriritra ny zavatroul!! :-D . Ao anatiny didy folo io ka de katsaho alou :twisted:
12. batoto ( 05/09/2004 08:50)
Ilay tsimibolisatra efa mba tena mikorosy fahana mihintsy anie ianareo izany e, nefa mba tsy mibolisatra ihany, diniho kely fa hors sujet tanteraka ny zavatra lazainao, ary aza miditra lalina loatra amin'ny fiainan'ny olona manonkana e, lasa adala eo no hiafarany, ny fahaiza-mitantan'ny fiangonana katolika no asian-teny dia eo ambara raha hendry.
13. fatsoraly ( 05/09/2004 09:17)
io indray aloha amiko ny hoe manankarena na tsia dia miankina amin'ny ny famaritana ny teny hoe "HARENA":
Misy ny harena materialy, misy ny harena ara-tsaina, ary misy ny harena ara-panahy.

Raha ny hevitro dia ilay "harena ara-panahy" no manan-danja betsaka lavitra noho ny 2 voalohany. Arak'io fomba fijeriko io ihany (aza tsiny fa hevitro manokana sy hevitra relijiozy nampianatra ahy taloha) dia manambara aho fa mahantra ny Fiangonana Katolika.
14. tsimibolisatra ( 05/09/2004 14:33)
Io indray ilay hevitra diso ... tsy ny rakitra lasa any no olana ny manetsa be aza mbola ho avy fa ireo fomba fisainana any am-badika no mampiteny ny olona.

Izany no tsy mampandroso antsika gasy. Manaiky mandoa hetra fa tsy manaiky mitaky ny fampiasana ny hetra hany ka mitototongana hatrany ny fiainana vao mikaikaika.

Lalan
15. tsimibolisatra ( 05/09/2004 15:23)
O ry zareo an... !

Ny ahy ny rakitra ataoko dia mazava. Ny nampianarina ahy hatramin
16. fatsoraly ( 05/09/2004 23:15)
aodin'i "marokoroko" (tsimibolisatra) foana ilay resaka ka mandeha any amin'ny tsy izy.

io indray aloha amiko ny hoe manankarena na tsia dia miankina amin'ny ny famaritana ny teny hoe "HARENA":
Misy ny harena materialy, misy ny harena ara-tsaina, ary misy ny harena ara-panahy.

Raha ny hevitro dia ilay "harena ara-panahy" no manan-danja betsaka lavitra noho ny 2 voalohany. Arak'io fomba fijeriko io ihany (aza tsiny fa hevitro manokana sy hevitra relijiozy nampianatra ahy taloha) dia manambara aho fa mahantra ny Fiangonana Katolika.

Iza no mitovy hevitra amiko hafa?
17. fatsoraly ( 06/09/2004 02:40)
vakio tsara ilay lohateny: "manan-karena ve?"

dia vakio koa ilay fehezanteny lavabe voalohany.

eto @ sehatra "fivavahana sy finoana" isika izao dia napetrako tsara ny famaritana ny harena araka ny fahitako azy.

tsy manan-karena ny Fiangonana Katolika raha ny harena ara-panahy, izay heveriko fa harena lehibe indrindra, no resahina
18. kitjo ( 06/09/2004 13:40)
Fa tsy ilay harena materialy ve no resahin' ny mpanoratra sa??

Amiko koa aloha ankoatra izay fidiram-bolan zareo any tsy haiko. Fa ny hitako dia mihetsiketsika ny katolika...manao sekoly, dispensaire...sa tsy mampiditra vola ho azy ve ireny? Ny protestanta manao fa raha Qualite tsy dia manao ahoana lotra. Protestanta aho fa zay no zava-misy an.

Fa ny mahagaga dia izao:
Ny fiangonana katolika manan-karena fa ny mpiangona ndray nefa oh classen' olona salasalany eo dol , tsy hilazana hoe ..
Fa ny@ protestanta ndray ny mpiangona ilay mizesizesta reny aby ary lasa fampiderana fanana ho a' ny sasany any am-piangonana

Averiko ihany fa tsy ny rehetra io fa ankapobeny.
Sa lasan' ny ao ambony aby ve ny volan' ny protestanta zay no mahatonga ireny ady lava ireny sa manakory?
19. fijo ( 06/09/2004 20:25)
raha mitoy dia hibolisatra daholo fa aleo miala moramora rehefa tsy ao tsara ny hiresahana.
aza matahotra ra mibolisatra fa raha za tsy hanao pretra mihintsy raha tsy hoe lany ny sipa.
20. ikaretsaka ( 06/09/2004 20:50)
ny hitako koa fa olantsika eto dia lasa ilay olona no visena manokana fa tsy ny hevitra intsony no ampiadiana.. .. sao lasa ring izy ity fa tsy forum intsony ry reto a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4101