Sosokevitra : fandaminana ny hafatra

1. hoanao ( 02/09/2004 11:17)
Miala tsiny fa mbola vaovao eto @ity sehatra iray ity ny tenako. Ka asa na efa noresahina teto ny hevitro na ahoana.

Izao mantsy : somary efa zatra ireo forum hafa @ internet aho ka very ihany t@ voalohany, matetika mantsy dia alamina araka ny hafatra nahazo valiny vao haingana indrindra izy ity.
Ka mba azo atao ve ny manao izany ?
Eny, efa misy ny loko izy ity, fa indraindray dia voatery mijery ny daty vao fantatra hoe efa voavakiko ev izy io sa tsia ?

Misaotra betsaka
répondu par hoanao le 07/09/2004 13:37
2. xxx ( 02/09/2004 12:02)
hoanao> Tongasoa ary!

Tsy efa mety ve ilay loko?
Manjary misy resaka mahaliana anefa adino raha milentika any ambany any. Na amzao az amisy lohahevitra vao tsy eo @ 1ere page eo dia ts hita tsn....tsy misy manokatra ilay hoe "manaraka" ery ambany ery ny olona.

Rehefa week end manko izao vitsy2 no miditra dia misy izay hevitra nisy namaly nandritra ny week end ihany sisa no mitohy fa ny sasany adino. Ka raha alahatra ambony mety vao mainka ho very

hoanao> mila mizatra kely fts ianao e, sady miseho eo ange ny ora e, sy ny olona nanoratra farany ka raah tsy ianao izay d mbola tsy tao ianao.

Mahafinaritra anefa ny sosokevitra fa raha mahomby kokoa noho ny loko izany tsy maninona.
3. xxx ( 02/09/2004 12:05)
za nanoratra io ambony io

kitjo
4. tsiperifery ( 02/09/2004 12:07)
Izay tsy dia itovizany @ forum hafa izay indrindra no anisan'ny mba hankafizako ny ato @ "namana " :wink:
Ny antony dia mba afaka mahita ireo lohahevitra hafa efa nande hatrany aho . Izany dia manampy ahy tsy hamerina hevitra efa niseho teto.
zà manokana aloha dia ampy tsara ny daty ary exercice ho an'ny mémoire-ko ny mitadidy izay efa voavaky e ! Misy soratry ny namana mampime hiverenako matetika aza !! :lol:
Hoanao> Mahereza fa refa tsy vaovao intsony enao zatra eny ihany toa anay efa " tontakely"!!!
5. hoanao ( 02/09/2004 13:40)
Misaotra @ valiny e !
Tsy dia azokazoko loatra ilay code couleur :?

Na avela ilay code couleur, fa asiana possibilité kosa hoa azo alamina @ daty ilay hafatra. Satria voatery mijery hatrany ambany indrindra hoe sao dia misy hafatra mahaliana ahy niova loko.
Raha toa anie ka mijery ilay forum isan'andro dia tsy maninona e, fa ho an'ny olona tsy mandalo raha tsy 2 na 3 andro dia asa be ilay izy satria voatery jerena tsirai2 ny loko sy ny daty rehetra. Kanefa raha voalamina @ daty izy io dia tonga dia fantatra hoe hatreto izany no mbola tsy voavakiko.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy
6. xxx ( 02/09/2004 15:03)
hoanao> ka misy mamaly foana isaky ny 2minitra ange ny hafatra ato e.....

Sady ilay hevitra tsiray2 @tableau io mazava b mora hita fa ts tambam-be.

Mba manao sacrifice kely hoanao 3andro mizatra e, za koa aloha dia mandeha forum hafa fa ito ary no tena mazava b mihitsy ny fidirana @ilay loko (mahafinaritra, feminine,hihihhi) sy ilay tableau....

Eny e, izay mahasoa atao e!
7. fijo ( 02/09/2004 20:10)
sady tsara io kolerakolera io an
8. hery ( 03/09/2004 06:55)
hoanao>

Efa nandalo elaela tokoa io dinidinika io. Ity forum ity dia tsy nampanarahana ireo forum hitanao any amin'ireo fitaovana efa omena fotsiny. Forum namboariko tanteraka mantsy izy ity natao hifandrindra amin'ny toetsaina tsotsotra. Efa natao an'io arakaraky ny daty io ilay izy indray andro fa hita ny olana dia novaina tanteraka indray. Manjary misy hevitra efa nandeha herintaona lasa nefa misy mamaly tampoka dia tafaverina eo amin'ny ligne voalohany indray. Dia toa izao hitantsika izao aloha no vokatry ny dinika tamin'izany.
Mazava ho azy fa misy foana ny lafy tsarany sy lafy ratsiny izany.
9. hoanao ( 03/09/2004 20:01)
ramaso > misolelaka an ! :lol:

aleo izany mizatra ny vaovao e ! :D
10. fijo ( 04/09/2004 20:31)
raha misolelaka daholo no filaza izay mitovy hevitra dia hanahirana be ny ato.
11. tsiperifery ( 06/09/2004 12:16)
fijo > hanahirana marina ny hifampileladelaka eto hanomezana fahafahampo an'i hoanao a ! :lol:
12. kitjo ( 07/09/2004 11:46)
hoanao> misolelaka maninona fa ny zava-misy no lazaina ange e......Zavatra hita fa tsara izao ve ka raha miteny dia lazaina fa misolelaka.....miteny ny tsy mety lazaina fa be fanakianana ndray zao ......

Mandalova matetitetika ato ianao mba mianatra miresaka moa e.... :)
13. hoanao ( 07/09/2004 13:37)
kitjo> toa tsy mahatanty vazy2 koa ianao izany koh !
Tsy dia logique amiko aloha ilay zavatsa e, mais faut faire avec :P
Ary tsy mety ve raha asiana option kely dia izay te-handamina azy araka ny daty mba afaka manao an'ilay izy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4699