sivana.serasera.org

1. dotmg ( 30/08/2004 13:12)
Amin' alahelo kely no ampandrenesana antsika fa tratry ny sivana voalohany aho teto @ serasera.org. Ny mahagaga ahy fotsiny dia tany amin' ilay resaka tena matotra be aho no voasivana. Ialana tsiny ihany izany aminareo mpitantana sy mpandrindra fa matoa nesorina ilay tari-dresaka [Реса-пурй] dia mivantana loatra angamba ny voambolana nampiasaiko ka tsy ho zakan' ny sarababem-bahoaka.
Raha nisy nahatsikaritra ilay lohahevitra ka tohana dia iangaviana mba handefa hafatra manokana any amiko koa izy mba hahalalako izay tsy nety tamin' ilay resaka, na ny lohateny na ny votoatiny. Izaho mantsy indraindray alaim-panahy fa i VANF, tompon' ilay lahatsoratra nampitaiko teto mihitsy no tsy zakan' ny olona ny fisainany izay diso mivelatra loatra ho an' ny hafa angamba. Mbola mamerina anefa aho fa dia tena natontoko tao amin' iny lohahevitra iny mihitsy ny sérieux rehetra azo nomena azy.
Nefa ho'aho http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3fd6dc492bf31 fa taty amin' itony vanim-potoana itony ny voambolana tsy voasivana, nefa mitovy ihany amiko, ary samy tsy misy tokony hahamenatra fa zava-misy amin' ny anatomia sy ny tantaram-piainan-draolombelona.

... hotohizana.
répondu par kitjo le 31/08/2004 17:26
2. xxx ( 30/08/2004 15:48)
Nahita an'iny lohahevitra iny aho. Ny nataoko voalohany dia ny namaly satria ilay hevitra tokoa dia mendrika hiadian-kevitra. Ny androtr'iny ihany anefa dia nahazo hafatra maro be aho. Tsy namaky ny hevitra fonosin'ilay izy akory ny olona satria tonga dia ilay Lohateny no jereny dia heveriny ho resaka toa izany no ao anatiny fa tsy hoe resaka fampiasana teny sy ny sisa.
Misy fomban'ny Malagasy miolakolaka, tsy lavina io. Kanefa tetikady ihany koa io ahafahana mampita hevitra. Raha te hampita hafatra ho hitan'ny olona rehetra ohatra dia izay teny mahasarika ny olona no anombohana azy dia ampidirina any anatiny any amin'izay ny tena hafatra... fa ilay an'i dotmg tonga dia voasakana teo am-pamakiana ilay lohahevitra ny olona.
Na izaho aza mba nanoratra lava be namaly an'ilay izy ary hevitra nahafinaritra mihitsy kanefa nony nofafaina moa ilay lohahevitra dia dila tany daholo.
Ny hevitro : Maninona raha averina ao amin'ny resak'olon-dehibe?

Hery
3. kitjo ( 30/08/2004 16:49)
Za koa ande hianatra maraina no nahita an' iny hevitra iny. Nisalasala ihany nijery nefa nojereko hoe i Hery no namaly dia namaky ihany aho. Nahaliana be ilay izy fa za tara d tsy afaka namaly :(
Mba gaga koa aho fa saika hamaly avy aeo kinanjo tsy tao intsony ilay izy.

Aza atao any @ resak' olondehibe izany ry Hery k! Zay mbola tsy ampy taona,hiihiih. Ovao kely fts ny lohateny ry Dotmg an, aza asiana ilay oe "resa-" fa tsy haiko izay ataonao eo alohany.

Ataovy any @ resaka "Kolontsaina" raha azo atao e
4. fijo ( 30/08/2004 22:48)
raha hazo atao dia mba havereno izany resaka izany dia ataovy any amin'ny resak'olon dehibe fa hevitra izany ka tsara raha hita.
5. ikaretsaka ( 30/08/2004 23:39)
nitady tao @ tahiry aho fa tsy nahita.. asa raha mbola hitan'i hery ao
6. dotmg ( 31/08/2004 07:51)
Hay ny lohateny? Saika kivy aho fa tsy maninona fa rehefa tsy i Vanf no tsy azoazonareo dia haverina ilay resaka. Hovaina ny lohahevitra dia hasiako hoe "Ame sensible ET education sectuelle s'abstenir".

Izahay (isika) merina ihany koa sy rizareo sekta sasany no tsy mahatanty loatra an' ireny voambolana ireny fa ny openminds mahazaka azy tsara.

http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m41342dca4e216 ny tohiny.
7. kitjo ( 31/08/2004 17:26)
Efa hita k,
Mila fahazarana koa angamba io ry Dotmg an, izya no tsy ahazakantsika merina azy satria nozarina hanao resaka ankolaka.

asa fa isika merina malaza ho mpihatsara velatsihy.....mora mivadika sns
Fa ry zareo tanindrana hono mahitsy fiteny, tsy miolakolaka, ary ny azy rehefa tsy tiany dia tena asehony hoe tsy tiany....refa tiany dia tena tiany ary dia tena "de bonne foi"...

Resaka nandalo iny fa toa misy idiran; ilay resak' i Vanf io, za ko manko mba mpanaraka ny resany rehefa manam-potoana hamakiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4931