RNS : fifampijerijerena ve ?

1. hoanao ( 30/08/2004 11:32)
T@ RNS farany te wa, nisy namako izay nanontany ahy hoe "angaha elà tsy ho any @ RNS ?", nandà aho fa tsy afaka mantsy.
Dia nanontaniako izy hoe inona koa no hataony any dia hoy izy hoe "Hifampidera fiara"....

Angaha moa ity RNS ity lasa fifampiderana fananana e ? :roll:
2. chipie1 ( 30/08/2004 12:16)
zay no matetika hita refa RNS tsinn!
fa tsy de hanao sport tsony! mahatalanjona mintsy ilay toetsaina! :twisted:
3. hoanao ( 30/08/2004 15:14)
Mampalahelo :(
Ary izay dia toe-tsaina mbola tena gasy mihitsy.
Ny namako vazaha tsy miraharaha mihitsy na inona ny fiarako na inona, ny hihaonana no anton-dia mantsy. Sinon mandeha makany @ rencontre tuning raha te-hifampidera
4. nyna ( 30/08/2004 16:53)
za mahita hoe tsy tena hifampidera fa ny marina dia zao: sao de when @ndry ranona ra daba retsy be no hitany entina makany fa mba lasa aty andafy ihany mantsy!!hany ka mamorona ny tsy misy mihitsy!
domage 8O
5. ralay ( 30/08/2004 18:51)
Salut ho anao
Ny namanao angamba no manao sain-jaza manao an'izany fampiderana fiara izany fa ny RNS dia tsy izany mihintsy fa diso toerana aleha izy raha any no tiany hampiderana ny fiarany Tsy misy miraharaha an'izany any fa hanao sport sy hihaona amin'ny gasy no tena handehanan'ny olona amin'io fotoana io. Ampafirin'izay manana fiara tsara koa anefa izay te hampidera fiara e.
6. hoanao ( 30/08/2004 20:16)
nyna> izaho tsy tia mampideradera, izany angamba no probleme-ko, na dia hoe tsy ratsy aza ny fiarako, dia tsy io akory no andehanako any. Tsy hoe Ferrari akory ny ahy, sady tsy 4L koa, fa tsy hitako hoe inona no antony hanehoana azy @ndry zalahy hoe "jereo ny dabanay, vaoovao milay be ery"

ralay> tsy miteny aho hoe izany daholo no alehan'ny olona any, fa dia misy mihitsy ny manao an'izany.
7. fijo ( 30/08/2004 22:23)
marina fa misy ny tena hoe hanao sporo no aleha any.fa dia nahatsapa koa aho hatramin'izay fa misy dia tena hifanindry fotsiny ny diany any ary mahalala ary aho olona mahavita manofa fiara rehefa hoany.
8. ikaretsaka ( 30/08/2004 23:14)
revy gasy daholo zany.. nareo "any ananona any r'ireto dia mahita atao mihitsy" ho'zy ilay ramatoa izay
9. diavolana ( 31/08/2004 07:35)
inona le RNS ?
10. sipagasy ( 31/08/2004 07:45)
Avelao re ry zaro ho any izany ann rehefa tsy fanatanjahan-tena & fihaonana @ gasy tahaka azy ny nandehanany any dia avelao izy handini-tena é!, tsy ho tsapany eo ihany ve fa izy ihany no ho vasoka eo avy eo??
11. booboo ( 31/08/2004 07:50)
ny fahenoko matetika indray dé oe raha hitady " bandy " dé mandehana @ RNS ! :^) :^) :^) :^)
12. hery ( 31/08/2004 07:59)
Ary aleo tokoa hoe handehananay mavomavo itony any jerena raha mba voaray tsara araka ny tokony ho izy?
Izahay mantsy dia zara raha tonga aty andafy :) fa tsy manana na daba petrole akory aza.
Hmmm
13. chipie1 ( 31/08/2004 08:49)
hery> daba petrole zany letia tsy vovidy an! :-D :-D :-D
14. xxx ( 31/08/2004 09:04)
Samy manana ny reviny le oul ka aleo hajaina arak'izay tandrify eritreretiny ho anjarany e !
- Ao no tonga mifampidera daba
-Ao no tonga miara-misotro sy midaina
-Ao no tonga miara-mifosafosa mitakoritsika
-Ao ny tia miara-dia @ fanatanjahantena sy fihaonana ( zahay sy fijo sy ralay anatin'io :D )
-Ao ny tonga hamonjy bal sy fampisehoana
-Ao no tonga hikaoty sipa na hitady bandy
Na dia fihaonana ara-panatanjahantena aza no tena mibahan-toerana @ io fotoana io dia mba asiana fandeferana mba ahitana ny karazana malagasy rehetra satria impiry mba hifankahita e ! Tsy manakana antsika hifananatra koa anefa izany satria " ny hendry ihany hono no anarina ô ! "
Samoina
15. chipie1 ( 31/08/2004 09:29)
samoina zany henjy be o! :-D :-D :-*
16. hoanao ( 31/08/2004 14:40)
diavolana > RNS = Rencontre Nationale Sportive, fanao isan-taona aty Frantsa izy io mba hifampihaonan'ny gasy monina sy mianatra aty, kanefa toa hanaovana zavatra hafa koa
17. fijo ( 31/08/2004 21:29)
marina be io voalazan'i samoina io,fa za hoatra tsy hivaky loha hifampidera daba aminy eo fa aminy kosa dia izay no mba tena reviny dia izay ary ko.
18. hoanao ( 01/09/2004 05:49)
Exemple iray izao : vao haingana mihitsy aho no nahita ankizy (mbola mpianatra), nanofa 206 CC mihitsy alohan'ny handehanana soirée
Dia napetraka teo akaikin'ny fidirana mihitsy anie ilay daba e, @zay hita tsara :o !
19. xxx ( 01/09/2004 06:48)
hoanao > Efa izany izy hoe mbola mpianatra izany kouh ! Mianatra mihalehibe koa izy e ! Mbola miaina ny passion-ny arak'izay mahafinaritra azy izy fa mbola misy vola ampiasaina sy sipa kaotina !! Ny hofan'ny 206 cc koa anie tsy misy elanelany be mihoatry ny hafa e ! Izay no mba tiany fa aza atao mampalahelo e ! Ny ahy koa izao ny R21-ko raha mbola nahita toerana dia nataoko takaiky fidirana koa t@ RNS ! :lol: :lol:
Samoina
20. sipagasy ( 01/09/2004 06:51)
hihihihi samoina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3225