Ambohijafy fenoarivo Atsimondrano sy ny fadiny!!

1. ludo ( 27/08/2004 08:04)
Ambohijafy moa lay toerana mpamokatra vosary to we fady kisoa hono iny faritra iny??
novalian'i ludo ny 28/08/2004 19:18
2. xxx ( 27/08/2004 08:43)
TANTARA MARINA
Izao no tena marina amin'io resaka io :

Nisy fianakaviana niompy kisoa tao efa ela. Raha nandeha tany antsaha anefa ry zareo ireo dia navelany tao antrano ny zaza kely. Tamin'io fotoana io indrindra no namaky vala ny kisoa iray. Tafiditra tao antrano nametrahana ilay zaza io kisoa io ary dia nohaniny ilay zaza menavava.
Taitra ireo olona tsy nahita afa tsy ny ratsa-tanan'ilay zaza sy ny rĂ  eran'ny trano.
Hatram'izay dia norarana ny fihinana kisoa.
3. nykanto ( 27/08/2004 09:21)
Misy tantara izay mivoaka aty ampita aty miresaka ireny fadifady ireny : "Le Village" de Night Shyamalan ... mitantara ny antony sasany nahatonga ny fady, hitako tsara ihany ho an'ireo izay afaka hijery... fa matetika tokoa ireo olona taloha, Ntaolo, na ny zokiolona dia tsy mba nanana sekoly , ka namorona fomba tena mora handresena lahatra ny ankizy dia tsy inona fa ny fady ... tsy azo atao hono ny mandaka rindrina fa mahafaty renibe, ny antony angamba dia ny tsy handotoaa ny rindrina...be dia be ny ohatra...
Za anisan'ireo tsy mino rha tsy mahita hoe tena nivadika tokoa hono ny tendan'ilay olona raha nihinana na nitondra kisoa... fa manaja anefa aho satria izany no takiana.
Ny Kanto.
4. ludo ( 27/08/2004 18:30)
to naheno ndray za we avy t@ zanaka mpanjaka teraka kambana no nahatonga an'io
hono !!
5. ikaretsaka ( 27/08/2004 19:13)
tantarao indray ary izay hoe?
6. ludo ( 28/08/2004 17:16)
hmmm!! liana ery ikaretsaka zany !!
7. ikaretsaka ( 28/08/2004 19:06)
ne mihitsy ko.. kolontsaina anie ny eto..
8. ludo ( 28/08/2004 19:18)
ao ary ee!! indray andro hono tsy za no nandainga fa ny ntaolo :
-Nisy mpanjaka niteraka kambana d voatery nariana izy roalahy ka ny iray nankao @ io toerana atao we Ambohijafy io fa ny iray lasa tany @ iny faritra avaratra iny ! namboly ny antondraharahany t@ zay ka nirotsaka ny avandra t@ zay ka ny andranamana hono tsy voakasika mihitsy nefa nifanakaiky teo d gaga ny ol d voatery nanantona andranamana d notoprony hvtr sy nomeny fanafody gasy d nisy ny fady t@ zay we:
-tsy mahazo mihinankisoa
-tsy mahazo mitondra elo (mivelatra)eny antanimbary!!
d nanaraka io fomba io doli ny ol teny ka nifady kisoa ambohijafy!! mbola averiko ihany fa zay no henoko fa tsy namorona ary efa henoko koa io tantarain'ny xxxxx io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1896