Ny fatiantoky ny mpandeha taxi-brousse sasany

1. ludo ( 19/08/2004 11:38)
Lazaiko we maty antoka ny mpandeha taxi-brousse sasany satria mandoa in2 izy!
lay voalohany alo ara-bola mazava ho azy fa ny faha2 kosa lay tsy matanty voyages e d in no antony mahatonga io farany io (zany we mahatonga azy mandoa eny andalana )ary in ny tokony ataon'lay olona ? apio we izy
répondu par ikaretsaka le 24/02/2005 05:38
2. sipagasy ( 19/08/2004 12:08)
tsss mandehana any @ pharmacie fa misy fanafody raisina ho an'ireny tsy mahatanty "voyages"ireny é!
3. ludo ( 19/08/2004 12:34)
lazainy f'efa nohaniny daolo zao fanafody @
pharmacie zao fa tsy mety e
4. booboo ( 19/08/2004 13:11)
asaivo manatona doko izy
5. kally ( 19/08/2004 17:43)
Asaivo maka devant izy r'ise a!
6. lanto ( 19/08/2004 18:41)
asaivo andramany mijery any aloha (maka devant izany ohatra), tsy mitoditodika, tsy miondrikondrika, tsy mijery ilay hazo ohatry ny mihazakazaka be avy eo @ varavaran-kely, raha azo atao tsy matory, de mba fadiana izay sakafo mavesatra sy ny zavtra mahery fofona.
Raha tsy mety dia aza mety mandoa fré am resevera tsouny e ! voa double eo !
7. mihanta ( 19/08/2004 19:44)
afaka mihinana fanafody mampatory kou amzay tsy mahita ny lalana
8. bichette ( 20/08/2004 12:29)
marina tokoa ireo voalazan'ny namana ireo. Dia araky ny voalazan'i Lanto namana mahafinaritra, tsy asaina mitoditodika fa ny eo anoloana foana no jerena, fadiana dia fadiana ny mamaky boky, ny mamakivaky sy mandefa sms (karazana famakiana ihany ts'inona), ny fihetsika mety mahafanina rehetra, tsy miankinankina (tsy ampandriana ny loha). Asaivo andraman'ilay olona aloha ireo rehetra voalaza ireo.
manamafy ilay hoe asaina maka devant aho.
9. hery ( 21/08/2004 06:03)
ahoana koa no hahafahan'ny mpandeha taxi-brousse mandeha mafy ramaso? :)
sa tenenina ny sôfera hoe asio elany
10. kally ( 21/08/2004 09:56)
hi hi Hery,raha tsy any Ilakaka ka hoe asio elany! :D
11. hendry ( 21/08/2004 14:30)
Ny fanafodiny dia ireo efa nolazain´ny namana teo ambony ireo: tsy mamaky boky, tsy miodrinkondrika, tsy mipetraka @ ilay seza mitodika any aoriana reny, tsy mandinika ilay lalana na hazo "mihazakazaka be" araky ny filazan´i Lanto azy.
Fanampin´zay dia tsy mihinana zavatra mamy be na matavy be alohan´ny voyage sy mandritry ny voyage. Tsy mahazo manao voky be na noana be koa.
Aza manao ranomanitra mahery be, aza manao akanjo teritery sy zay akanjo tsy maha à l´aise anao.
12. ikaretsaka ( 03/09/2004 20:21)
ssssss
13. ikaretsaka ( 24/02/2005 05:38)
de tandremo ny mihinana ronono sy atody fa mandoto fiara sy ny tontolo iainana ireo rehefa mivadika ho lo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2479