Radama ll sy ravalo

1. fijo ( 16/08/2004 22:50)
raha ny tantara no dinihana dia izao no antony tena nahatonga ny mpiraiminisitra nikomy sy namono an'i Radama ll.nisy fifanarahana nifanaovan'i Radama tamin'i andriamatoa lambert,izay nanomezan'i Radama azy fahefana hanana sy hampiasa izay tany tiany tento madagaskara."charte lambert".
amin'izao fotoana izao dia io fa naverin dravalo io fanomezana halalana ny vahiny hanana tany any amintsika io.
mety hiafara amin'ny fialany koa ve ny vokatr'izay?
novalian'i hery ny 11/12/2004 15:16
2. tsiperifery ( 17/08/2004 08:29)
T@ andron-dRadama II, mbola zara fa nisy ny vahiny nangataka nationalité gasy ka afaka nividy tany . Arak'izany dia scandale be no sady fady ny fivarotana izany amin'olona tsy malagasy.
Alohan'ny fanjakan'i Ravalo I dia efa maro ny karana ( :wink: fijo ) lasa gasy taratasy ka afaka nanara-po nividy tany . Tsy niteraka famonoana mpitondra anefa izany
Arak'izany tsy hitako loatra angamba ny tokony hampiala an-dravalo I eo @ toerany noho izany . Sady raha jerena akaiky ny anarana sy ny tetiaran'ny praiminisitra malagasy @ izao fanjakan'i Ravalo I izao, tsy izy io kosa angamba no hikomy sy hamono noho izao fanomezana halalana ny "vahiny " hanana tany any amintsika izao ! :D
3. ramoul ( 17/08/2004 21:14)
Mety hisy vokany io satria Radama II ary sahan' dry zalahy ny namono azy, fa voamaika fa amin' izao andro zao ve tsy hisy anongana an-dRavalo eo?Tsy haiko aloha ze ho fandehany eo fa zay no mba eritreritro.
Misaotra tompoko. 8O
4. fijo ( 17/08/2004 21:15)
tandremo mety tsy ny praiministra no hikomy eto fa mety ny vahoaka mihintsy satria:
haka ohatra iray aho.tany aho teo dia nahita tany 10000 m2 ary 15000fmg ny m2.raha havadika euros io dia 1.25euros.dia alaivo sary an taina,anie hoe misy vazaha mahita toa izany 100 fotsiny.raha 1.25euros ny m2 raha tsy alainy ambongadiny i madagaskara.
amiko dia hadisoana io famelana ny vahiny hanana tany io any,satria ny gasy tsy hafaka hifaninana amin'ny vahiny raha samy mitondra ny volany.
5. jhouhlambout ( 17/08/2004 22:55)
Marina mihintsy izany!
6. tsiperifery ( 18/08/2004 08:13)
fijo > Raha vazà no mividy tany midadasika be any amintsika, tsy dia hoe ipetrahany angamba fa ataony zone industrielle na zone commerciale lehibe. Tsy sahy haka ambongadiny izany izy amiko satria manahy sy matahotra sao hisy nationalisation indray any aoriana any .
7. crrlanto ( 25/09/2004 19:26)
Amiko dia tsy mitovy radama II SY RAVALO,ny antony dia izao:ny fifanarahana lambert,dia misy tetika ankafetsena ,nampiasain,vazaha, raha naka ny fo an radama ry zareo,ka nahatonga itsy farany nanome ny tany; amiko dia radama I no misy itovizana amin,Ravalo I NY RENOVATION du pays no nanosika an radama I fampandrosoana no tena ,nimasoany ka na ny ranomasina aza tsy nahafefy izany.Ny fivarotan,ny fanjakana malagasy dia aoka ho fantatra fa tena misy antoka goavana takiana vao mahazo tany ,izay VOAFETRA NY HABENY SY NY TOERANA OMENA AZY ?IZAY ANDRAISAN COMMUNE ANJARA BETSAKA NY FANAMPAHANKEVITRA FARANY NOHO IZANY mbola vitsy dia vitsy ireo vahiny mpampiasa vola tafaroboka @ izany. Miharihary fa ny fanjakana malagasy no tena mampiasa hafetsena,noho ny faneren, ny fmi sy BM azy ,izay no hevitro
8. tsyandevo ( 11/12/2004 02:38)
aza ampitoviana oa ny olona mande filanjana sy bisikileta ary force one
9. hery ( 11/12/2004 15:16)
tsyandevo> hay ve efa fotoanan\'ny force one izao e :-) dia maninona no mbola misy tsyandevo ihany? tsss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695