Groupe sanguin???

1. rindranavalona ( 13/08/2004 13:40)
Ahoana marina moa hoe: groupes sanguins inona sy inona no afaka mivady e? Ny mba ahazahoana taranaka salama e?
novalian'i ds ny 05/09/2004 10:29
2. nykanto ( 14/08/2004 07:12)
Tadiavo ao amin'ny google hoe : "facteur rhésus" , toa hoe raha positif ny ray sy negatif ny reny dia mety hisy fiantraikany any amin'ny zaza hateraka ... potehin'ilay hery fiarovan'ny reniny ny ran'ny zanany, satria tsy fantany. Ny zaza voalohany tsy misy olana fa ny faharoa no mety hanahirana, nefa efa misy fanafany io amin'izao fotoana izao raha ampandrenesina mialoha ny mpitsabo. Manantena aho fa nanampy anao ny valiny.
Ny Kanto
3. booboo ( 14/08/2004 09:52)
ny fantatro indray dé oe raha rhésus négatif ilay reny ( irery ) vao mitranga io raha notenenin'i Ny Kanto io.
4. ramoul ( 14/08/2004 20:17)
dia ahoana no ahafantarana fa negatif na positif lay olona miaraka amiko? sa koa mbola manakao am' google:-D
5. missa ( 16/08/2004 10:45)
Tsy maintsy ny dokotera no tena havanana hamaly io resaka io nefa na izany aza dia efa tsara sahady raha manantona toeram-pitiliana ny groupe sanguin aloha . Marina aloha fa raha tsy mivazivazy mihitsy io resaka io fa tonga dia misy fiantraikany mivantana amin'ny taranaka e.Atao ahoana moa rehefa tsy mety ny hiarahan'ny olona roa na dia tena mifankatia tokoa aza rehefa ny dokotera no manao hoe manahirana ny hampiaraka ireo olona ireo noho ny izay mety ho voka-dratsin'ny amin'ny faramandimby. Asa aloha e!
6. toubib ( 20/08/2004 14:16)
Salut! amin'ny ankapobeny dia misy ilay groupe ABO dia misy koa ilay facteur rhésus. Iry voalohany tsy dia mametraka olana firy(kalongany) fa itsy faharoa no misy dia misy!

Izao no tena mety ho loza raha mitranga: ilay rangahy ohatra rh+ (ny facteur rhésus dia hita any amin'ny rajako mitondra io anarana io ny "espèce-ny", manana io toetra io izany ao@ "système immunitaire"-n'ilay rangahy), ilay ramatoa vadiny kosa dia rh- ie tsy manana marika mitovy amin'io rhésus io eo@ "système immunitaire-ny.

Raha mitondra vohoka voalohany ilay vehivavy dia misy chance 1/2 ny haha rh + na rh- ilay zaza ao ambohoka. Raha rh- ilay zaza dia tsy hisy ny olana. Fa raha rh+ izy no gaigy b. Tsy mitranga avy hatrany @io vohoka voalohany io ny olana fa any@vohoka manaraka. Ny fanazavana azy dia izao: vao mipetraka izany ilay zaza rh+ voalohany io dia mamorona anticorps mpamono rh+ ilay reniny. Tsy dia misy fiantraikany ho aho izy io satria mbola kelikely ny fatrany, hany ka tsy mahafaty ilay zaza ao ambohoka. Ndeha hataontsika @zay hoe bevohoka fanindroany ilay reny, ilay anticorps mpamono rh+ iny dia tonga dia mamono avy hatrany ilay zaza vaovao io izay marihina hoy aho tery aloha fa raha rh+ izy io.Io fahafatesan-jaza io dia miseho @fahafatesana am-bohoka ary ny fahasimbana eo amin'ny rà no tena endrika isehoany: toy ny fivainganana na "coagulation".

Aleo iny ho eo sao misangôjy nareo. Misy anefa ny fisorohana izany amin'ny alalan'ny fitsindronan'ny reny anticorps hafa mamono io anticorps mpamono rh+ ao aminy io mialoha ny hidirany amin'ny vohoka faharoa sy ny manaraka na aorian'ny fahafahanjaza voalohany eo amin'ireo mpivady tsy mitovy facteur rhésus. Aza matahotra fa azo atao tsara io fisorohana io na dia eto Madagasikara aza. Zay retany e! aza adino ny honoraire-ko!
7. rindranavalona ( 23/08/2004 05:44)
Misaotra anareo fa dia nahazo valiny mahafa-po e!
8. ds ( 03/09/2004 20:38)
Manamafy io lazain'i toubib io aho fa niainako io. Izaho + dia izy -. Zaza efatra (+) mahafatifaty be izaho no nomeny ahy ;-). Tsy misy olana io fa mila mitsindrona fanefitra (vaksiny)
fotsiny mialoha ny vohoka manaraka dia misosa avy milamina.

ds
9. xxx ( 03/09/2004 20:48)
dia mitsindrona foana ve izany alohan'ny hanao zaza? sa efa bikina vao mitsindrona? :?:
10. ds ( 05/09/2004 10:29)
Tsindrona iray isaky ny vohoka ihany ka. Fotoana fohy aorian'ny fiterahana no hanaovana azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2617